Nodimandry

1. ikaretsaka ( 01/09/2007 20:20)
Henoko teo fa "nentin'ny Tompo hanompo Azy any @ toerana akaiky kokoa Azy" anikeheo maraina , tany Roma i Mompera Paul Louis Rafanomezantsoa, Jesuite.
Mpikarakara ny aram-panahy tao @ Saint Michel izy
Ary mpanolotra ny Lamesa t@ Radio tao @ Radio sy ny "hono ho'a mompera" t@ fahavelomany
tsy manadino azy ireo nasiany soa rehetra, na mivantana (mpianany) na an-kolaka (t@ Radio)
Mandria am-piadanana!
2. pissoa ( 01/09/2007 20:29)
Mirary faherezana ho an'ny fianankaviany, sy ny fianakaviam-be Jezoita :wink:

Mivavaka ho azy, sy ho an'ny pretra/relijiozy sy izay mbola ho pretra/relijiozy rehetra :-D
3. mbaliana ( 01/09/2007 20:36)
ikaretsaka> indrisy mantsy fa nilaozan'ny Aumonier anay izahay aty ...nilaozan'ilay mpitarika anay sahady...kamboty zahay zao... nefa vao herintaona fotsiny no nitsanganan'ny fiangonana katolika Gasy teto Rome... izy no voalohany aumonier gasy teto Italie....
Tany Bologne izy no maty fa tsy haiko aloha na efa eto Rome izy na tsia zao... miandry vaovao izahay zao...
4. ikaretsaka ( 01/09/2007 21:22)
Mbaliana.. dia mba omeo vao2 avy any an-toerana ihany izahayaty alavitra aty e!
DIA MIVAVAHA HO AZY
5. tywa68 ( 01/09/2007 22:59)
Mampalahelo foana ny fisarahana fa ny hany fantatsika dia mbola hihaona indray andro any !
Halefa mody izy zany sa alevina aty an-dafy ?

6. mbaliana ( 02/09/2007 05:24)
non alevina aty ihany ka... ny relijiozy milevina any amin'ny fasan'ny fikambanan-dry zareo....
alahelo amin'ny fisarahana ry zareo ny ahy fa mivavaka ho azy mba ho any amin'ny toeran'ny fahasambarana mandrakizay no hisy azy.

Ika> tsy dia maharaka fa ao amin'ny malagasy.it no jereo fa tao koa no nahitako vaovao hafa koa... mifampiapitapita mantsy ilay vaovao ka ohatry ny miova foana :wink:
7. xxx ( 02/09/2007 05:28)

Funerale: mercoledì 5 settembre 2007
9:00 Camera Ardente (Collegio S. Roberto Bellarmino)
Via del Seminario, 120
9:45 Processione alla Chiesa di S. Ignazio
10:00 Messa per il Defunto (Chiesa di S. Ignazio)
e dopo, la sepoltura nel Cimitero al Campo Verano

8. ikaretsaka ( 02/09/2007 10:55)
Ny relijiozy, indrindra ny zezoita, ny ankamaroany dia any @ fasan'ny fikambanany na any @ toerana nahafatesany matetika no alevina ka.
9. bosista ( 02/09/2007 11:49)
mankahery ny fianakaviany, A/tra ilay avo anie hametraka ny fanahiny amin'ny toerana feno hasambarana tsy misy zava-mahory azy,izany no firariantsoa avy aty aminay
10. dadie ( 02/09/2007 19:46)
misaotra nampiely ny vaovao
11. Solitikabe ( 03/09/2007 05:15)
Dia mba ho tsara levenana anie ny Maty, ary dia mankahery ny fianakaviana ary ny tapaka sy namana rehetra.
Ny tena nahatsiarovana azy taloha dia izy ilay mopera manao volo biraonina be izay
12. ikaretsaka ( 03/09/2007 05:17)
izy indrindra!
13. Jeankely ( 03/09/2007 05:21)
Angaha tsy misikidy indray ry Solitika sa Christian mpisikidy=))=))=))
14. mimich ( 03/09/2007 07:36)

za ko re tena nalahelo mihitsy ee!!!
Izy no Directeur voalohany tao amin'ny Esic (Ecole Supérieure de l'Information & ommunication )St Michel , ary ny anarana nentin'ny 1ère promotion tao aza dia nampitondraina ny anarany "promotion fanomezantsoa" satria tamin'izay no efa fantatra fa marary izy ka sady hiasa no hitsabo tenay any Italie izy ary mety tsy hiverina eto mada intsony.
Dia zao izy nindaosin'ny fahafatesana izao.
Mirary fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviany- ny fianakaviam-ben'ny jésuite , ho antsika rehetra izay nanovo soa avy aminy.

Mandria am-piadanana !!!!!!

"Hitety vohitsa aïa leky manigna, tolak'andro tsa magnila , hariva tsa misy hafa, aba ô endry ô, zoky zandry tsy foy"
15. mimich ( 03/09/2007 07:49)
Hitety vohitsa aïa leky manigna, tolak'andro tsa magnila , hariva tsa misy hafa,
Hitety vohitsa aïa leky manigna aba ô endry ô, zoky zandry tsy foy"
16. ari.malala ( 03/09/2007 11:16)
Anisan'ny pretra nanitona ahy manokana nohony hatsaran'ny feony sy ny fahaizany mitory teny iny pretra iny, ary fa nahazoako torohevitra tsra t@ fandaharana "hono hoa mopera". Mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviam-be Zezoita ny tenako, ary dia mitondra am-bavaka ny havany, ny tapaka sy ny namany rehetra. Mandria am-piadanana ry Ray am-panahy!:-(
17. mamzelkely ( 03/09/2007 13:11)
tohina toko ny fo maheno izany vavao izay, izaho mo zany anio atoandro vao naheno ka tsy mba afaka akory na ny nade namonjy ny lamesa ho azy aza :(

izaho dia anisan'ireo mpianany tao am St Michel ary anisan'ireo ankizy nivôka vôlou tao am ESIC ary nitondra ny anarana "FANOMEZANTSOA" ny promotion anay ho fanomezamboninahitra azy (araka io voalazan mimich io)

anisan pretra tena nankafiziko izy satria tsara fanahy ouvert tena malahelo toko alou ny fo maheno izany mafy ny fisarahana nefa any izy akaikin Ray koko.

mirary fihononana ho an fianakaviany sy ireo nahalala azy rht:cry:
18. ikaretsaka ( 03/09/2007 15:05)
Mpampanao laretirety izay koa izy: ary anisan'ny nanampy t@ "fifohazam-panahy"

Fony zahay garabola tao @ St Michel nandeha recollection dia nisy bolikely (azafady @ teny Frantsay) nomeny anay dia nisy teny hoe:

Mompera TPKL Paul Louis:


La raison première qui nous amène à vouloir changer, c'est que nous ne nous acceptons pas nous-mêmes. Or, le seul changement acceptable est celui qui provient de l'acceptation de soi.
" Nous ne tolérons pas un défaut, une faille, une faiblesse morale ou psychologique en nous-mêmes, nous nous acharnons à les corriger avec un total mépris de ce que nous sommes et une violence voilée.
Nous avons honte de nous-mêmes, nous éprouvons de la rage ou du
dégoût, ou nous sommes simplement impatients, et nous nous imposons
le devoir de changer pour redevenir des personnes respectables à nos
yeux et face à la société.

Nous changeons pour être acceptés, pour répondre aux attentes dont nous sommes l'objet, pour nous ajuster à l'image idéale que avons conçue de nous-mêmes et que nous portons intérieurement.
Manquant de patience à l'égard de nous-mêmes, nous nous faisons violence pour changer et cela ne marche jamais. La violence n'aide jamais à la croissance.
Le seul changement acceptable est celui qui provient de l'acceptation de soi.
19. JARIAINAH ( 04/09/2007 07:12)
Tohina koa ny fo raha naheno fa nody mandry Mopera paul Louis. Tsarako izy amin'ny fahaizany mampita hafatra ho an'ny tanora rehefa mampanao récollection: fanabeazana, toriteny miainga amin'ny evanjely, fampianarana hira, fialam-boly ary indrindra fanentanana ny tanora mba hiorina ary ho saro-piaro amin'ny finoaona katolika. Misy hira iray izay noforininy ary fihiranay mpianatry ny ASJA Filière Agro " Nanjohy iny lalana iny" Tsaroana eto Monsieur Damien nampianatra io hira io. Mirary fiononana ho an'ny fiankaviana, ny fikambanana ary ny tanora katolika rehetra. Maty namela mamy mopera.
20. mimich ( 04/09/2007 07:18)
"Nanjohy iny lalana iny" tsara be iny hira iny. Izy v no namorona an'iny sa Mgr Jean Paul ee, sa hira samy hafa
ilay misy any am refrain we "Jesoa Kristy , zay no anaranao , anaram-pamonjena , lova navelanao, manerana ny tany ivelomanay, Jesoa Kristy oo"


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7285