Nodimandry

21. JARIAINAH ( 04/09/2007 07:53)
"Nanjohy iny lalana iny", tsy haiko aloha na izy no tompony na iza fa izy no mihira azy. saika lasa hira tsy fafaka ambavanay agronome izy iny satria le hafatra de maniraka olona hitondra fanampiana amin'ny toerana iray araka izay tandrify azy. Tsy afaka ato antsaina tamin'ireny fampianarana nataony ireny fony izy mbola ray am-panahy ny TAFIKA ilay fomba faniraka hoe "fitaovana maranitra ilain'ny tompo ianareo". Isan'ny pretra anti-vedette izy ka izany no naha vitsy mpahalala azy talohan'ny niasany tao amin'ny RDB, tia tanora nefa izy, enga anie mba ho maro ny pretra no toa azy fa izany no hampandroso ny fiangonana indrindra fa amin'nizao vanim-potoana maha sarotra ny fiainana ara-pinoana izao indrindra fa ho an'ny tanora.
22. LazaDaddy ( 04/09/2007 07:58)
Solitika> ny tadidiko indray dia izy malefadefaka fiteny kanefa ny mozikany henjakenjana sy mitsinjatsinjaka.
23. mamzelkely ( 04/09/2007 10:20)
za alou de tena tiko mihaino ny tori-teniny tam zay tao am st Michel ary mafinaritra ny lamesa refa izy no mitendry fa de misy rythme be ny mozikany tena akafizin tanora rht izy e tena ankafiziny

mandria am-piadanana mopera:(
24. sonwin ( 04/09/2007 10:41)
Betsaka ny traikefa niarahana tamin'i Père Paul Louis.

Manantena fa handray ny toerana voatokana ho azy izy, satria tokoa tsy maty ny aina fa miofo.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra tamin'ny nanomezany azy antsika.
25. mimich ( 04/09/2007 11:38)
mamzelkely:

za alou de tena tiko mihaino ny tori-teniny tam zay tao am st Michel ary mafinaritra ny lamesa refa izy no mitendry fa de misy rythme be ny mozikany tena akafizin tanora rht izy e tena ankafiziny

mandria am-piadanana mopera:(
iny koa tena ahatsiarovana azy iny izy sady mitendry no manao lamesa iny.



26. ikaretsaka ( 04/09/2007 13:47)
mimich:

"Nanjohy iny lalana iny" tsara be iny hira iny. Izy v no namorona an'iny sa Mgr Jean Paul ee, sa hira samy hafa
ilay misy any am refrain we "Jesoa Kristy , zay no anaranao , anaram-pamonjena , lova navelanao, manerana ny tany ivelomanay, Jesoa Kristy oo"


Mgr Jean paul no namorona ny tonony, dia izy roalahy no nanao ny feony..

Nanjohy iny lalan'iny izahay noho ny anaranao (jesoa kristy)
Nitety ny tendrombohitra sy lohasaha, nitory ny anaranao (jesoa Kristy)
Misy fiangonanao any ho any, zara raha hoe mijoro, Jesoa Kristy
Efa an-taona maro izy ireo no tsy mba nandray anao , jesoa kristy

nahita ny tanimbary izahay, triatra fa karakaina, Jesoa kristy
Dia nifanontany hoe mandra-pa rahoviana vao hiakatra ny mpijinja, Jesoa Kristy
Moa va tsy toy izany ireo zandrinao, miandrandra famonjena, Jesoa Kristy
Ao am-piangonanao izy izao miantso nyanaranao (Jesoa Kristy)

Io ny hira nampiakatra ny vocation-ko, t@ izany andro izany:cry:

27. fijo ( 04/09/2007 21:59)
mampalahelo ny maty ary alahelo foana ny fisarahana,
ka iombonako amin'ny mpino io.ny lalana avy eo kosa,no tsy haiko ,ka eto tsy miray saina isika
28. ari.malala ( 05/09/2007 07:56)
Fahatsiarovana sisa..;:-( indraimandeha nanao prise de son teny @ studio Sandratra izahay chorale, dia nisy hira izay, tokony izahay no niaraka nihira azy (duo) fa tsy nahahira aho fa bouche bee teo fts variana nihaino ny feony tsara sy kanto loatra! @ RDB sisa ihainoana ilay feo farai'izay manintona!
29. mimich ( 05/09/2007 13:31)
Misaotra an'ikaretsaka amin'ilay fanomezana tonokira sy fanazavana;
tonga de hatao copie-coller zao ity fa tsy mbola haiko tsianjery mantsy.
Io ny hira nampiakatra ny vocation-ko, t@ izany andro izany
:roll::roll::roll::roll:
30. Lov ( 05/09/2007 14:28)
Maro tokoa raha ny fahatsiarovana ary fahasoavana azo tamin'ny alalan'ity pretra 'ty. Izy no mpanao ny lamesan'ny tanoran'ny Paroasy Md Filipo sy zaka,paroasinay Tanjombato tamin'ny fotoan'androny. Avy eo koa mbola heno tao am'RDB. Mirary fiononana tanteraka ho any'fikambanany sy ny fianankaviany!
31. ikaretsaka ( 05/09/2007 14:30)
mimich.. naha zanaka zezoita e
32. hery ( 05/09/2007 15:15)
Tontosa ny fandevenana an'i P. Paul-Louis androany.
http://malagasy.it/?rub=pages/page&page_id=p42b7b00970ebd fa apetrakay ao ny sary nandritra ny lamesa omaly hariva ho fialantsasatry ny fanahiny sy ny lamesa androany maraina nanaovam-beloma azy ary ny teny amin'ny fasana.

Betsaka ihany ny tonga ny teto Roma sy ny manodidina na dia andro fiasana aza.

Mbola tsy tena hita izay hotenenina...
33. ikaretsaka ( 05/09/2007 16:03)
misaotra an'i hery nizara
34. ari.malala ( 06/09/2007 07:15)
Dia mbola mamerina ny firariana fiononana tanteraka hoan'ny fikambanana nisy azy, ny havany sy ny tapaka sy namany rehetra. (anio ny fahatsiarovna ny andro nanamasinana azy ho pretra.)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2345