Inona ny tokony hatao mba ...

1. montanabe ( 30/08/2007 22:25)
Inona no tokony hatao mba ahatsapana ny fitiavan Andriamanitra ato anatintsika olombelona?

Fantatra fa tia antsika Andriamanitra, nefa indraindray ny olona manadino izany! Ka eo no tiako hazava bebe kokoa hoe inona avy no azo atao mba haharesy lahatra antsika olombelona amin io fitiavan Andriamanitra io?

2. fijo ( 30/08/2007 22:31)
raha misy izy ,dia izy no tokony mampahafantara ny fisiany.
3. niryna ( 31/08/2007 04:09)
montanabe:

Inona no tokony hatao mba ahatsapana ny fitiavan Andriamanitra ato anatintsika olombelona?

Fantatra fa tia antsika Andriamanitra, nefa indraindray ny olona manadino izany! Ka eo no tiako hazava bebe kokoa hoe inona avy no azo atao mba haharesy lahatra antsika olombelona amin io fitiavan Andriamanitra io?



Manaraka ny didiny,miezaka ny manao ny marina mandrakariva,tsy mitsipaka izay teny nomeny.Midera Azy andro aman'alina,manome voninahitra Azy sy misaotra Azy na amin'inona na amin'inona.Mahay mandefitra, tsy mamaly ratsy ny ratsy,mivavaka ny olona manana alahelo anao ary mangataka famelana izay nanaovanao ratsy.Fa didy iray lehibe no tadiaviny dia ny hifankatiavana tahaka ny mpirahalahy(sy mpirahavavy).Raha fo feno fankahalana no mipoitra isaky ny mahita olona tsy tiana dia tsy maitsy miezaka ny mamela ny tenantsika.Ireo rehetra ireo dia mahafoaka ny atao hoe fitiavana.Raha tsy manana fitiavana isika dia sarotra ho antsika ny hanantanteraka na dia ny iray fotsiny ihany aza.Mianatra ny mizara izay fahasoavana nomeny antsika.(mitsiky,manampy olona,manana fo madio sy faly lava,tsy mankahala olona,tsy manao zavatra efa fantatra fa tsy tokony atao.)Lava resahina fa lalam-piainana mila hianarana tsikelikely. 1-2-3- tonga dia lasa :D:D
Izay fa mazoto.

Miteny sy miresaka antsika izy amin'ny alalan'ny famakiana ny teniny(baiboly).Miresaka aminy isika amin'ny alalan'ny fivavahana(vavaka mitalaho vokatry ny fo manontolo fa tsy misy manelanelana )
Andramo fa ho hitanao izany fifaliana miaraka aminy izany.Mijoro vavolombelona ary manoro sy manitsy ny namana izay manoro voa ny namana hafa.Aza kivy fa maro no mety manohitra izay tianao ho tenenina fa raha manala gants isika dia maharesy ny satana.Miady, sy mitolona ary tsy kivy na tezitra fa tsikina fotsiny,indraindray mantsy tsy mahalala ilay olona hoe ampiasan'ny satana,mampalahelo ary misy ny manao fanahiniana dia mivavaha ho azy,manana ampinga isika dia ny tenin'Atra ka iny no hiainana sy ampiasana.:*

4. sariaka ( 31/08/2007 08:11)
Ny fitantanany ny fiainantsika na dia eo aza ny fijaliana sy ny olana tsy azo ialàna dia efa fitiavan'Andriamanitra antsika. Ny fahasoavan'A/tra amin'ny fiainantsika dia efa fitiavany e, indrindra koa ny famindram-pony. Ireny rehetra ireny dia mila dinihana fa tsy mijanona amin'ny problème personnel fotsiny.
5. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:31)
montanabe:

Inona no tokony hatao mba ahatsapana ny fitiavan Andriamanitra ato anatintsika olombelona?

Fantatra fa tia antsika Andriamanitra, nefa indraindray ny olona manadino izany! Ka eo no tiako hazava bebe kokoa hoe inona avy no azo atao mba haharesy lahatra antsika olombelona amin io fitiavan Andriamanitra io?




Ny fitadiavana an'Andriamanitra andro aman'alina ka! ny fiheverana lalandava hoe mbola tsy tia izy.. Mi motiver anao mba hitady azy sy te ho tiany foana manko izany! (cf Ny tantaran'i Mother Teresa sy ny zavatra vitany)
I Pere Pedro koa toa mihevitra tahaka an'io fa ny azy moa tsy mbola voasoratra ny tantarany, enfin, tsy mbola natao ho fantatry ny be sy ny bobaka


Dia aza mitsahatra @ Faniriana koa
HOy i Md Augustin izay
"Misy ny vavaky ny Fanahy, izay hafa mihitsy, misoka ao anaty izany vavaka izany, ary tsy mitsahatra, tsy inona izany fa ny faniriana (desir). na inona na inona ataonao, rehefa maniry ny fitadiavanao an'Andriamanitra mandrakizay ianao dia mivavaka lalandava. Raha tianao ny tsy hitsahatra mivavaka dia aza mitsahatra ny maniry(desirer)
Ny fanirianao tsy miato no feonao tsy miato ihany koa. ho toy ny moana ianao raha ajanonao ny fanirianao"
6. kalina80 ( 31/08/2007 15:12)
Inona no tokony hatao mba ahatsapana ny fitiavan Andriamanitra ato anatintsika olombelona?

ny AINA sy zvt rehetra ao @ fiainana dia fitiavan'Atra avokoa.Za rehefa vao mifoha maraina dia zany fona no ao antsaiko.Tena tsy velona teto za raha tsy ny fahasoavan'Atra.
Satria Izy anie no tompon'ny aina e, Izy no namorona .Noho izany na inona na inona mitranga dia fitiavany antsika avokoa.
Ny any olombelona matetika dia tsy mahatsiaro fitiavan'Atra raha tsy misy valim-bavaka na miracle eo @ fiainana nefa ny namoronany antsika anie dia efa fitiavany e.Ny fanasitranany antsika rehefa marary iny, ny fanomezany atsika asa sy ny sakafo;sns.............
Tsy midika anefa fa hoe raha marary na mahantra izany dia tsy misy ny fitiavan'Atra an!!!!
tadidio fa ny zvt rehetra dia mira miasa hahasoa sa aona??
Tian'Atra isika ary mila mitia azy koa
merci e

7. pissoa ( 31/08/2007 15:19)
1 - Andriamanitra angatahana mba ho tsapantsika izany !
2 - Mahay manetry tena ary mba reconnaissant amin'izay atao ny tena. Na tsy amin'Andriamanitra aza fa amintsika samy olona dia ilaina ny fanomezana lanja ny soa atao na efa vitan'ny hafa.
3 - Tadiavo :-D:-D:-D Ilay fitiavan'Andriamanitra io tadiavo io an, katsaho, meteza ho mendrika izany fitiavany izany dia hahatsapa azy tokoa.
8. ikaretsaka ( 31/08/2007 15:29)
pissoa-ari-tywa-marozevo> "ataovy mikatsaka anao lalandava ny androm-piainako"
9. pissoa ( 31/08/2007 15:35)
ndryyyyyy :-*:-*:-*
10. tywa68 ( 31/08/2007 15:52)
ndrô :cry:
11. ikaretsaka ( 31/08/2007 16:08)
NB: Hira katolika io ho an'izay tsy mahalala
12. dadie ( 31/08/2007 21:10)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 31-08-2007 17:29:19
Lohateny : Re : Inona ny tokony hatao mba ...
pissoa-ari-tywa-marozevo> "ataovy mikatsaka anao lalandava ny androm-piainako

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 31-08-2007 18:08:33
Lohateny : Re : Inona ny tokony hatao mba ...
NB: Hira katolika io ho an'izay tsy mahalala



isan'andro ,isan'ora......:oops:
13. fijo ( 31/08/2007 22:01)
sariaka,andriamanitrareo toa mitahy ny manana fa mandao ny hory ko
14. montanabe ( 01/09/2007 15:10)
misaotra anareo rehetra namaly!

raha fintinina farany izay tsotra izany dia mitady an Andriamnitra no tokony imatesana voalohany.

Hiezaka aho, ny zavatra mahagagaahy koa dia rehefa hoe hamaky boky, raha vao itony fiction itony, dia tena iray minitra aho dia mahavita boky no sady te hamaky foana, fa rehefa boky mikasika an Andriamanitra dia tsy haiko fa indraindray tena mihisatra mihitsy aho vao mahasokatra an ilay izy, ohatran ny mahita fika ialana bala foana izany! Tsapako hoe mbola lavitra fa hiezaka e!

Ohatran ny mitovy amin ilay olona atao hoe "kamo be tenda "ireny ihany aho refa tena nataoko koa ny fandinihina!
15. niryna ( 01/09/2007 15:17)
fijo:

sariaka,andriamanitrareo toa mitahy ny manana fa mandao ny hory ko


Ie mitahy ny manan-karena tokoa izy satria ireo olona lazaina hoe manan-karena aminy dia izay manana Azy ao am-pony fa ireo izay hory dia ireo olona milaza azy manan-karena ara nofo fa hory satria tsy voavidin'ny vola ny fifaliany.Firifiry koa ireo olona manankarena mitady fifaliana fa noheveriny fa ho voavidin'ny volany izany :arrow:ireny tovovavy kely tsy mitsahatra ny mitady ny vadin'olona mpanan-karena fa ireny retsy no be vola.Mikatsaka ka mikatsaka ra bainy,arina ny vadin'ny fahatanorana hitadiavana an-drafifaliana ka ie,ie, ny hozam-pe no manaraka.Dia lasa indray mitady vao.:arrow:farany sokina nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha.
Eo vao manenina,antitra marary tsy misy mpitia intsony,maty aho volabeako.Ny rano aza mety ritra.
Toy izany koa maro dia maro ny manampahaizana ny dokotera,sns ,manankarena ara-bola izy kanefa mbola mitombo avo folo heny koa ny harenany ara-panahy satria nahafantatra izy fa ny fahaizany sy ny hareny dia tsy avy amin'ny herin'ny tenany irery fa avy amin'ny asan-tanan'Atra.Firifiry koa ry zareo no mamporisika ny fianankavian'ny marary no miara-mivavaka aminy? Firifiry ny olona sitrana tsy nila fandidiana intsony.:arrow:Izany no asan-tanan'ny Atray ry fijo.
Fanontaniana:Tsy mino Azy intsony ianao kanefa ianao efa nino azy taloha(backslider no anaran'ny olona nivadika tamin'ATra).Enga anie ny fanahy masina no hampihiratra ny masom-panahinao.Tsy mbola tara,ary izany koa no mahatonga anao manao fanontaniana sy manohitra ny teniny satria ianao mitady porofo hoe misy tokoa ve lery.
Verdicted:arrow:tadiavo io boky io fa io no olona iray izay nanenjika sy nitady porofo na nisy Jesoa na tsia:arrow:Io no nanoratra hoe izay voasoratra dia voasoratra "Fa misy kristy".ary izy no nisehoany.Mitovy an'i saoly izay novain'Atra ho Paoly ny anarany rehefa lasa olom-baovao izy
16. ikaretsaka ( 01/09/2007 15:52)
misy hira katolika izay manao hoe
And when abundance is for the few
That's where the hunger lies.
Responsibility rests on U.
So keep your head up to the sky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3113