Mampalahelo ny Malagasy!

1. cristal ( 29/08/2007 12:45)
(l)(l)(l)Efa fantan'ny Malagasy fa tsy azo atao ny manompo tompo roa fa na ny iray ho tianao na ny iray ho halanao,ampiarahana ny fivavahana amin'Andriamanitra sy ny finoanoam-poana!Nalahelo mafy mantsy aho eto aminay eto Andohan'Imandroseza izay tato ho ato dia misy loza-piarakodia foana ary roa andro izay dia tena nisesy mihintsy dia nanontaniana ireo nitondra ny fiara dia nilaza fa nisy olona nanakana dia niala dia nidona amin'ny tranon'olona,tamboho...omaly ary moa dia tsy nety nivoaka ny mpamily fa hoe noheveriny fa maty tao hono lay vehivavy nanakana.Dia izao no fanampahan-kevitry ny chef Fokotany eto aminay,hamonoana omby hono eto,dia nolazaiko izy hoe manome vahana ny devoly izany,fa tsy aleo ve tapahana tapak'andro ny lalana dia asiana fivavahana ary asiana fandrohahana devoly ataon'ireo Mpiandry,dia nihomehy izy!Dia tsy afaka ny hino ny famonjena ve ny olona ka hataotra ny fanahy ratsy mandrakariva mampalahelo!(l)(l)(l)
novalian'i fijo ny 04/09/2007 22:26
2. majakely ( 29/08/2007 13:26)
ny gasy rery ngah ny amnao anizany no hoe mampalahelo ny gasy?? sa ny olombelona mihitsy ,na afrikanina na sinoa na indiana na eropeanina ?? asa aloha??:roll:
3. Jeankely ( 29/08/2007 13:48)
Tena marina fa manao daholy ny rehetra ary raha arabe misy zavatra tsy maninona mihintsy ny anovana izany. Tsy mibedy izany Pastora fa aza matahotra. Ny fahaizanao miaina amin'ny mpiarabelona no jerena ety ambonin'ny tany. Ny mifamosavy no mampalahelo fa fialana ny loza io
4. salmo1 ( 29/08/2007 13:52)
cristal:
Efa fantan'ny Malagasy fa tsy azo atao ny manompo tompo roa fa na ny iray ho tianao na ny iray ho halanao

Ary ny vazaha:?:
5. Samoana ( 29/08/2007 14:27)
cristal:

(l)(l)(l)...Dia izao no fanampahan-kevitry ny chef Fokotany eto aminay,hamonoana omby hono eto...(l)(l)(l)


(Tokony ho faly sy ravo @ izany omby vonoina hozaraina atao laoka izany !!Le mpitondra fiara nandona rindrina no omena voalohany @ izay voky sy mahita lalana tsara avy eo satria tsy mivezivezy intsony ny fanahiny:wink:)



6. ikaretsaka ( 29/08/2007 14:28)
io anie ra cristal ilay lazain'i jesoa @ Jiosy niseho azy ho mpanamasina ny andro Sabata niteny azy hoe voasady raha vao manao izany!

dia ilay novaliany hoe raha latsaka ao anaty lavaka ny ombinareo @ andro Sabata... dia inona no ataonareo?

Fa raha ny hevitro dia tokony ho jerena aloha hoe mitombina marina ve izany heo misy vehivavy manakana izany.. ny gasy manko tia tabloide be izay ihany, ka gisa mainty na lazaina fa mahalana aza ka hitany dia efa oay a oay be!
7. xxx ( 29/08/2007 16:30)
ikaretsaka:

io anie ra cristal ilay lazain'i jesoa @ Jiosy niseho azy ho mpanamasina ny andro Sabata niteny azy hoe voasady raha vao manao izany!

dia ilay novaliany hoe raha latsaka ao anaty lavaka ny ombinareo @ andro Sabata... dia inona no ataonareo?

Fa raha ny hevitro dia tokony ho jerena aloha hoe mitombina marina ve izany heo misy vehivavy manakana izany.. ny gasy manko tia tabloide be izay ihany, ka gisa mainty na lazaina fa mahalana aza ka hitany dia efa oay a oay be!


Aza hitarina any amin'ny saina ratsy ny olona fa tsy izany no nolazain'i Jesoa,nanao asa nanasitrana Izy.Ity fanompoan-tsampy toy ny mivavaka amin'ny sarin-javatra na sari-sikotra na milanjalanja ny vatan'ny sary maty,na mandeha any amin'ny mpisikidy sy ny mpamaky tanana,maka fanafody mivoaka alina,manao odin'angatra sy avelo no tiany ho tenenina eto.Malahelo ny gasy izy fa io no toerana nisy hitany.Herin'ny satana daholo ireo .
Na inona filazanao sy fanodikodinanao ny sain'ny olona dia satana dia satana,tsy afaka ny manana an'Andriamanitra hafa isika.:evil::evil::evil::evil:

8. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:40)
ka ny fanasitrahana sy ny ialan'izany "vehivavy misakana" izany ve no tadiavina izao.
fa alohan'ny hitenenana hoe "vehivavy misakana" mahadiso ve ny manontany hoe "misakana ahoana" "satria maninona izy no misakana"? sns???
9. pissoa ( 29/08/2007 16:55)
Amiko tsy hitako ze hidiran'ny manompo tompo roa amin'ilay izy. Tsy ny gasy rehetra anie no Kristianina e, ary tsy afaka terena ho Kristianina hitovy amy tena. Ary toa tsy hitako misoratra hoe Kristianina le chef, ka rehefa ny omby no inoany, dia zay zany.

Soso-kevitra : rehefa samy tsy mety amin'ny be sy ny bobaka ny famonoana omby sy ny vavaka dia ento any amin'ny psy daholo kloo ny saofera e, mety hisy vahaolana any :-D:-D:-D

xxx : otran'ny hitako feno soratra ny rindrin'ny tranonao hoe reto mpanompo sampy reto mpanompo sampy ! Tandremo ihany sao hilaza an'Andriamanitray Kristianina ho "sampy" ianao ny farany :wink::-D:-D:-D
10. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:01)
zany vao ho loza!:roll:

"!sary te hahita ako le akizy ka..mbo eeeeee!"
ho'zy ny vakinakaratra
11. fijo ( 29/08/2007 21:03)
ika an,io le resako hoe tsy io kristianisma io no tena finoantsika,ka rehefa sendra olana isika dia miverina amin'ilay tena finoana hinoasa sy atahorana.izao no ohatra mivantana
12. ikaretsaka ( 29/08/2007 22:33)
rehefa tsy mahafaty dia mankatavy, ho'zy rabaininay izay..mihevona izay lery any!
13. majesty ( 30/08/2007 05:35)
xxx : ôtran'ny tsy hitako mihitsy izay ifandraisan'ilay resaka nataon'i Jesosy momba ny Sabata amin'ity resaka ity sa za ve no tsy mahazo tsara :D

Ny zava-misy eto Madagasikara aloha raha ny fijeriko manokana dia maro no mihevitra fa mifanampy hono sy mifameno ny fomban-drazana (ilay fivavahana amin'ny razana) sy ny fivavahana Kristiana,ary azo porofoina izany amin'ny toe-javatra tahaka itony(fanaovana sorona ram-biby,...sns),ka ny azoko lazaina dia hoe ampahafantaro azy hoe mifanipaka atsimo sy avaratra ireo finoana roa ireo,fa raha efa mahalala moa izy dia izay zany no safidiny koa akory atao fa dia mivavaha ho azy.
14. bosista ( 30/08/2007 08:06)
voalaza tery ambony we tokony asiana fivavahana na fanalana devoly amin'ilay toerana, iza no milaza aminao fa devoly ilay vehivavy izay lazaina fa nanakana?
raha resaka fakana devoly ity dia mahagaga iany satria taorian'ny faharavan'ny fitondran'dRatsiraka dia nandroahana devoly daholy ny birao rehetra teto ANDRENIVOHITRA fa misy devoly hono,izay vao nidirana sy niasana, nefa azia ny devoly lasa eo? tsy vao maika bobaka!!!
15. tywa68 ( 30/08/2007 08:53)
bosista : hay lasa bobaka ry zalahy ao @zao fotoana a ? :-D:-D
16. ikaretsaka ( 30/08/2007 14:59)
natao hifamelona sy hifanampy kosa ny fomban-drazana (ireo izay tsy hita izay maharatsy azy) sy ny finoana ka!
ny firenena rehetra manao izany aby, indrindra @ izao fotoana izao!

fa raha ilay hita izay maharatsy azy: samy manana ny filazany momban'io indray ny tsirairay:wink:
17. fijo ( 30/08/2007 21:47)
misaotra letsy bosista an.

majesty an,tsy tsara kokoa ve raha ampiarahana izy roa????????toa ny fitsaboana ihany io.
18. pissoa ( 30/08/2007 21:48)
bosista sy tywa68 :-D:-D:-D:-D:-D
19. fijo ( 30/08/2007 21:51)
pissoa an,ka izay kosa ko
20. pissoa ( 30/08/2007 22:02)
ie wa ! za nge tsy nanda e :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3299