Efa nanandrana nikarajia?

1. hery ( 29/08/2007 07:34)
Efa nanandrana ny karajia ao amin'ny serasera ve ianao?
karajia.org

Misy hafatra nalefako any momba ny karajia :-)

Azonao apetraka eto ambany ny tohin'ny resaka.
novalian'i doumdoum ny 19/09/2007 16:09
2. THeryzo ( 29/08/2007 09:44)
salut hery!! efa nanandrana nikarajia aho dé akory zany afaliako fa feno namana be dia be ao , ao no efa nisy fantatro taty ivelan ny karajia, ao koa no tao vao mifankafantatra. tanteraka iany llay notadiaviko fa afaka aho ankehitriny. zay fa dia ho ao dray zany zao ny tenako.
Rankizy a! andramo dé tsakotsakoy fa tsara ny karajia a!
ok
3. Tiks ( 30/08/2007 06:18)
slt Hery , tsy hoe faly ny anakihina fotsiny moa zany za fa efa nisy fotoana nanaovako io karajia io foana saingy tsy naharesy lahatra ahy satria misy tsy mamaly akory sady tsy te ahalala . Izay aloha fa misaotra betsaka e veloma Hery
4. Angolaina ( 30/08/2007 07:06)
Salu Hery, za ko efa nanandrana nikarajia ary mbola mikarajia ihany fa marina aloha izay tenin'i Tiks zay oe misy tsy mamaly akory sady tsy te hahalala nefa ny mba ifankafantarana sy itafatafana no idirana ao ka tokony mba hanentana tsara ireo mpandrindra fa lasa misy clan ao ka mahakivy ny olona indraindray ary io no matetika mampitaraina ny olona maro ao.
Mirary soa foana ho an'ny serasera e!!!
Vive l'amitié
5. tywa68 ( 30/08/2007 10:54)
misaotra fa efa nandalo tao ! fa course be ny ao :-D:-D
6. ftma ( 30/08/2007 17:25)
tywa68: miverena fa omeko taxi njy hanejehana ny sasany :-D sady ampianariko ohatry ny nampianarana nanao sambos :wink:
Angoloina Tiks: misy mamaly foana ao fa indraindray tsy araka izay miditra dia mety tsy voavaly ianao, raha tsy misy mamaly aza ianareo rehefa hiresaka aza adino manoratra ny ps fa voavaly foana e, clan misy foana fa mahazo miditra koa anie e.
7. Fiffi ( 30/08/2007 19:58)
tywa68:

misaotra fa efa nandalo tao ! fa course be ny ao :-D:-D
zany ve akia ? heu....nefa rehefa en PV daholo zareo de :-w:-w mangina be koh ! :-D:-D:-D


8. cute ( 30/08/2007 21:16)
Miarahaba an`i Hery, efa nampiasa io karajia io aho taloha dia nahafinaritra ahy tokoa ny nampiasa azy, fa noho ny niova ny toerana nisy ahy, dia toa tsy tafiditra chat intsony aho, tsy haiko hoe nahoana :roll:
9. ravakamalala ( 30/08/2007 22:11)
Efa nanandrana ny karajia ao amin'ny serasera ve ianao?


ié fa tsy mety maharaka lamasinina mihitsy, fa tavela eo am seranana eo foana! :°)

10. wooda ( 31/08/2007 20:15)
Nanandrana, dia nahazo tsirony sy ny taviny, fa rehefa avy eo dia nalaky kamo satria nampakamo satria miwawawawa sady "monotone" be satria tsy dia maro zavatra resahina afa tsy ny manao !kiss, !love, !amour na koa !gun. lol

Zao dia rehefa manimaniny (nostalgie), dia mande kely ao. :(
11. ftma ( 31/08/2007 20:43)
wooda???? lasa kamo? :(
12. mikau ( 01/09/2007 13:15)
efa nanandrana karajia izaho fa tena mahafinaritra! afaka mifanakalo hevitra sns...
Indraindray anefa pv daholo ny 95% -ny olona dia mangiana be ny "salon"!
Raha ny hevitro dia tokony mba wé asiana "adihevitra online" ao amin'ny tchat!!!
Dia misaotra ee!!:wink:
13. booboo ( 01/09/2007 13:23)
efa nanandrana in-draipa fa zany no tena hoe tara masinina hatrany an-dreniny :°). dia tsy nankao tsony :°):°):°)
14. falykely ( 01/09/2007 17:09)
Ié efa nampiasa karajia imbetsaka. Mlay lé iz fa mis akama maro azo ro resahana. Fa ndraindray za tara revy zay ndrindra eo antokontany. Fa ts d mahasakana ny firesahana zany. Ndraindray mikorotana b fa miezaka manaraka ny onja.
Fanajana ho an'i Hery sy ny akama rehetra!!!:D:D:D
15. Fiffi ( 01/09/2007 17:36)
wooda:

Nanandrana, dia nahazo tsirony sy ny taviny, fa rehefa avy eo dia nalaky kamo satria nampakamo satria miwawawawa sady "monotone" be satria tsy dia maro zavatra resahina afa tsy ny manao !kiss, !love, !amour na koa !gun. lol
f'ita akia eh ? sady rehefa en PV daholo zareo de eo enao na de miresaka aza de eisssssy eh ! tsisy mamaly....
(fa indraindray kalou rehefa misy le namana tena fantatrao hiany zay vao tena miresaka):{:{:{


16. wooda ( 01/09/2007 20:20)
Ny mba hitako ho mety atao ao izao dia ny mampiasa tenim-paritra indraindray, satria tena maro no mbola tsy mahay voambolana (za aloha mbola anisany). :-D:-D

Izy koa zegny raha atao, mira hagnano rombo mare olo jiaby ao, sady ho maro ny hamaraha sy hitsikotsiko (pv).

Azovy nijaloky omaly? Sao de vamba tao?. :-D:-D
17. Angie ( 02/09/2007 22:17)
Angie miraikitsa @ patex ao @ karajia foana ary dia miezaka miresaka @ rehetra araka izay mety.

wooda> oups hay ve toi mahay fitenim-paritra tsara e. mianjy ao zany zah kou.
18. aivetinakely ( 03/09/2007 07:37)

Misaotra amin'ny fampitam-baovao sy ny fampivoarana ny sarasera .
Efa nanandrana nikarajia ka finaritra sy tamàna ary mankafy .
Ny indro kely aminy de somary misy olana satria voatery miandry ela vao misoratra ny teny alefako nefa ny an'ny namana iresahako afaka manoratra haingana araka izay tiany ka manjary ady tsy sahala no niafaràny .Niteraka olana izany ka nanjary kamo izy no niafaràny
:D.Lafiny ara-tekinika angamba fa tsy avy amin'ny mpandrindra velively .
Ho ela velona ny serasera sy izay mikaon-doha hampiroborobo azy .
19. tandrinamalala ( 05/09/2007 06:04)
merci ah! fa hanandrana eh
20. ftma ( 05/09/2007 06:34)
aivetinakely: matetika rehefa miditra @ CGI-chat na Astero-chat ela foana vao mipoitra ny soratra fa raha afaka mi enregistrer ny fitaovana karajiaBersIRC na Mirandana karajia ianao dia moramora kokoa, raha manana script moa vao maika haingana be, ato alaina ireo voalazako eo ambony ireo http://karajia.org/modules/download/get.php?file_id=f44663464a09cc
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4951