mangataka hiran'i vonjy

1. mimifadi ( 28/08/2007 11:41)
Miarahaba anao de mba mangatak tonokira
novalian'i SHOAN ny 28/08/2007 19:40
2. SHOAN ( 28/08/2007 19:40)
`Zao no andro hafa indrindra
eo amin’ny fiainantsika
fa hiaraka hamindra
ho doria ny fontsika


Ref: Mariazy adro tokana aman-tany
Hoy ny akon’ny fo tafatambatra
Andro iray tsy ho adinoina tena mamy
No hiarahana ho doria
Ho sambatra


Saotra dera ho an’ilay Nahary
Nanambatra an-tsika ho mandrakizay
Faly isika izao fa tafaray
Ary hamerin’indray irony dina hatrizay


Sambatra ny fo mifankatia
Saro-bahana mafy fatorana
Hiventy sy hikalo hanako satria
Nandresy ilay fitia nifanolorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0545