Izay mino sy hatao batisa no hovonjena?

21. Mandefitra ( 29/08/2007 10:41)
Ndeha ary hofintinina ny soa azo avy @ Batisa :
1/Ahazoana famelan-keloka

Asa 22:16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.

Asa2:37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona ho hataonay?
38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;

Efes 5:25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangoanana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
27 mba ho raisiny [hatolony] ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentipentina, na fiketronana, ny izay toy izany, fa mba mho masina sady tsy misy tsiny izay.

2/Itafiana an'i Kristy:
Gal 3:26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.

3/Ahazoana ny fiainana mandrakizay

Marka 16:16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina

Titosy 3:4 Fa rehefa niseho ny famoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5 dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7 mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

IPet 3:20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano.
21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io
, tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
22. Mandefitra ( 29/08/2007 10:42)
4/Ny Batisa = fiteraham-baovao
Jaona 3:5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Jereo Titosy 3:4-7 teo

5/Batisa = fanekena vaovao
Vakio ny Gen 17:7-10 momba ny famorana sy ny fanekena nataon'Andriamanitra.
Gen 17:7 Ary haoriko ny faneke­ko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny tarana­kao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.

Kol2:11 ary tao aminy (Jesosy) koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tànana tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy;
12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan'Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin'ny maty.

Rom 6:3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao
23. Mandefitra ( 29/08/2007 10:47)
Ny fanontaniana de hoe, arak'ireo fahasoavana lehibe raisina @ Batisa, iza no mendrika kokoa ny hatao Batisa, ianao be finoana io sa ny zaza?
Hoy zay olona zay hoe:"Ny fahotana dia aretina eo anatrehan'Andriamanitra, ary isika rehetra tsy misy marina na iray aza.Ka raha marary ve ny zanakao, hiandry azy ho olon-dehibe ianao vo hitsabo azy?" :?:

Ho aminareo ny fiadanan'ny Tompo.
24. fijo ( 29/08/2007 21:46)
amiko le batisa dia mba tokony ho safidy fa tsy antery.ny zaza atao batisa amiko dia terena fa tsy sitrapo ka ratsy.
za izao raha mba nomena safidy dia tsy nanao an'izany.
25. fijo ( 29/08/2007 21:48)
saingy io teritery io moa efa fomba mahazatra ny mpino
26. niryna ( 30/08/2007 04:45)
xxx:

Mino aloha vao atao batisa.Izay no tokony izy.Tsy fantatro nareo fa logike be le iz.Tokony ho fantatra aloha hoe lalina ny rano na marivo zay vao miroboka ao.Mahafantara tsara ilay Inoana aloha dia manao acte amin'izay.
Ny any @ fiangonana misy ahy aloha dia olon-dehibe no atao batisa.Jesosy ary ané 30taona vao natao batisa e .Izany hoe efa lehibe manantsaina tsara mahafantatra izay tokony ataonyzany vao atao batisa.
Ny fanao ny zaza ndray rehefa vao teraka iny ny anay dia harabaina na raisiny ho isan'ny fiangonana fotsiny.
Fa ny momba ny famonjena indray io mino aho fa arakaraka ny circonstance mitranga eo @ fiainana.Raha tsy mis pasteur mitsy zany eo @ tany misy anao na tsy mahafantatra anizany ve dia tsy hovonjena...




Izaho koa mitovy hevitra amin'i xxx,fa tsy fahazoana famonjena ho an'ny zaza ny batisa.Ny zaza dia efa nataon'i Kristy ho fanoharana hoe raha tsy toa io zaza io isika dia tsy ahazo ny fanjakan'ny lanitra.Nilaza koa izy hoe avelao ny zaza fa aza hanantona ahy sns..Ny dikany tsy nahita teny isika nilaza hoe tsy voavonjy ny zaza raha tsy atao batisa,Iny eritreritry ny rar.
27. Mandefitra ( 30/08/2007 04:51)
Nirina
fa tsy fahazoana famonjena ho an'ny zaza ny batisa

Fa ny zaza nateraky ny nofo sa nateraky ny Fanahy?
Hoy Jesosy Kristy:
Jaona 3:5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

Efa novakian' i Nirina ve aloha ireo fahasoavana azo @ Batisa notanisaiko ireo? :(
28. Mandefitra ( 30/08/2007 04:58)
Hoy Kristy:"avelao ny zaza hanantona ahy, ary aza rarana, fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra"
Hoy Paoly "Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy."

Inona no fomba entin'ny zaza hanantona ny Kristy ankoatry ny Batisa kay?
29. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:18)
zahako atsy ambadika atsy:
raha izay mahafinaritra sy ekeken'ny saina ihany no dradradradraina sy indraindraina, fa izay hita fa somary hafahafa na tsy azoazo dia mody apetrapetraka na odiana fanina, dia tsy i jesoa intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao


piste :
Ampiako hoe : afaka mankany an-danitra ny olona izay HEVERINTSIKA mpanota sy mpanompo sampy, eny na dia tsy manana an`i Jesoa aza.

Hoy i Jesoa : ny vehivavy janga( makorelina) sy ny poblikanina no hialoha-lalana anareo any @ Fiainana.
30. piste ( 30/08/2007 05:19)
FAhatsorana sy fahatokisana ny Ray.
Dia tohizo io andininy efa noraisinao io.
31. tywa68 ( 30/08/2007 05:46)
Tsy antsika eto no misivana hoe i ranona no mendrika kokoa, fa efa haintsika kosa anefa hoe inona no tsara atao mba hahazahoana izany fiainana ao @ i Tompo izany : samia milofo @zany ady sarotra zany, fa matoa isika mbola eto dia mbola manana avantage hitady Azy hatrany !

Tompo ô ! miantso anao izahay, tahio mba tsy ho very any @ lalan-dratsy, manantena fampindram-pò avy aminao ho an'ireo nialoha lalana anay koa. Misaotra anao izahay @ fitahianao anay.
32. ikaretsaka ( 30/08/2007 06:05)
tolona fa tsy sento tolona fa tsy sento e
33. fijo ( 30/08/2007 22:58)
hoy mandefitra
fa na iza na iza hianareo no natao batisa dia mitafy an'i kristy.za wa vita batisa fa tsy mila azy.

tolona fa tsy sento.marina izany,ady ny fiainana fa tsy sento eo fotsiny.de ampio ao ry lanitra
34. Mandefitra ( 31/08/2007 05:10)
fijo> i Paoly no niteny an'io fa tsy za :)
Efa milay aloha refa nahatsiaro hoe vita Batisa, mbola ho hitanao ihany ny tsirony any aoriana any.

Nirina> misy fanontaniana tsy novalinao ange ...

Fa ny zaza nateraky ny nofo sa nateraky ny Fanahy?
Hoy Jesosy Kristy:
Jaona 3:5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

Efa novakian' i Nirina ve aloha ireo fahasoavana azo @ Batisa notanisaiko ireo?


Hoy Kristy:"avelao ny zaza hanantona ahy, ary aza rarana, fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra"
Hoy Paoly "Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy."

Inona no fomba entin'ny zaza hanantona ny Kristy ankoatry ny Batisa kay?
35. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:45)
tolona fa tsy sento.marina izany,ady ny fiainana fa tsy sento eo fotsiny.de ampio ao ry lanitra

Hs kely
tsy tadidiko fa ny Marines amerikakina mpilatsaka para (101 moa sa 82 eme airborne izy izay:roll:)
dia alohan'ny hi saute ry zalahy dia avy manazava ny mission dia hoe hiasa ho an'ny tanindrazana aho.. dia misy hoe..ampio aho ry lanitra.. dia lasa amin'izay misaoty be any!
36. fijo ( 31/08/2007 23:04)
ie ampio aho ry god,efa fantatra ny hoatao,fa tsy hoe ndao hitsambikina ary de lasa izao,nefa tsy misy raha fantatra ao.ny para tsy manao asa"mission"raha tsy efa nisy renseignement mazava momba ilay hoaleha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8214