Izay mino sy hatao batisa no hovonjena?

1. todisoa2 ( 27/08/2007 13:55)
Ahoana ny hevitrao manoloana ilay tenin'Atra hoe: ''izay mino sy atao batisa no hovonjena?''. Misy mntsy ny milaza fa miara-dalana ny mino sy ata batisa. Misy kosa ny manambara fa tsy maintsy mino vao atao batisa. Miatomboka eo ny dinidinika, ny verset bibliques aza hadino raha azo atao.:lol::lol:
novalian'i fijo ny 31/08/2007 23:04
2. ikaretsaka ( 27/08/2007 14:44)
misy koa ilay hoe "tena fihinana ny vatako ary tena fisotro ny Rako". Ireo manao izany no mahazo ny fiainana mandrakizay.
Joany toko faha 6
3. tywa68 ( 27/08/2007 15:16)
Todisoa2 : tsy ampy ny vita batisa sy milaza fa mino !

Ika : =D
4. Kwasi ( 28/08/2007 00:06)
Ny hitako hatr@ ao anaty baiboly aloha dia nino daholo aloha vao natao batisa, fa tsy mbola nahita aho hoe natao batisa vao nino e. Asa 8: 26-39 (Ilay officier ethiopiana), Asa 16:29-33 (ilay garde penitencier).

Ekeko ilay hoe tsy ampy ny vita batisa sy milaza fa mino. Nefa ireo dia point de depart. Tsy maintsy miainga eo vao hoe:
- andeha hihinana ny vatan'i Kristy sy hisotro ny rany
- hahazo ny fanahy masina
- ...

* Ny finoana koa dia mitaky asa, fa tsy hoe mino fotsiny dia zay. Jakoba 2: 20
* Satria tsarovy fa io asa io no jeren'i Kristy voalohany rehefa hiverina izy, Apok 22:12, fa tsy izay manao tompoko tompoko akory.
Ny devoly koa tsinona mba mino, fa inona moa no asany?
5. ikaretsaka ( 28/08/2007 04:31)
kwasi, ka mba hahafahana mino azy ve tsy mila fantarina sy raisina ve aloha ilay inoana?
\'njary batisatisa foana sy minomino foana..
6. niryna ( 28/08/2007 06:30)
Vakio ny Heb 11 fa io no hanazava antsika.
Raha miteny ika hoe tsy mila fantarina sy raisina ve aloha ilay inoana.Iza kosa moa no hinohino hoe ny omby no hivavahana?Satria hoy ilay ankizy izay hoe io no hivavahan'ny ray aman-dreniny ary dia feno omby ny tanana(hindu)

Izaho no tenin'i Kristy hoe "Raha tsy hateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'ny lanitra.

Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ,dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Atra.

Izay ateraky ny nofo dia nofo,izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Jaona 3:3-7

Mino izany isika ary atao batisa.Misy fotoana anefa tsy afaka atao batisa ilay olona.Ilay jiolahy niara-nifantsika teo amin'ny hazofijaliana,izay nitady famonjena(salvation).

Izany ihany koa no mahatonga ny fitenenana hoe tsofina rano fotsiny ny zaza satria sitrapon'ny rar,saingy rehefa lehibe izy dia manana ny safidiny ka raha nitodika an'Atra izy noho io safidiny io dia atao batisa indray izy.Sitrapony no nanatona an'ny
Tompo.

Manana an'i Kristy ao am-po izany no tena zava-dehibe aloha dia miditra lalina hatrany ka izay no nahatonga ilay fanaovana batisa.

Toy ny fiangonana koa izany ny batisa raha ny fiangonana no eritreretana fa ahavonjy dia diso hevitra isika.Kristy irery no mahavonjy.
Raha ny fanaovana batisa fotsiny koa no eritreretana hoe ahavonjy dia tsy mahavonjy koa io raha tsy mino ny Kristy aloha .
Vakio ny 2 Kor 5:17,1 Tim 4:9-10.

" Fa fahasoavana no namonjena antsika,izay fanomezana avy amin'Atra,ary tsy avy amin'ny asa izany ...." By grace we are saved,it is gift of God,it is not from our work..


7. ikaretsaka ( 28/08/2007 06:37)
betsaka koa no tsy natao batisa nefa nino an'i kristy sy nitady azy lalandava.
tsy nisy tantara izao ohatra hoe natao batisa ny apostoly sy ry Maria madelenina, ny majy sns... sy ry bartimeo, ry Zakaiosy, ny vadin'i pilato sy ry Joany batista (nanao batisa tena??) sy ry marka sy ry lioka, ry teofily, ry josefa avy any arimathea nefa ireny nino de nino tokoa
8. ikaretsaka ( 28/08/2007 06:40)
toy ny fiangonana koa izany ny batisa raha ny fiangonana no eritreretana fa ahavonjy dia diso hevitra isika.Kristy irery no mahavonjy.

"ratsambatan'i Kristy ny fiangonana"
aza adino io....
9. Mandefitra ( 28/08/2007 09:39)
Raha tsy lalana hahazoana famonjena ny Batisa, tsy niteny an'io Jesosy, sady tsy naniraka ny mpianany hoe "ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina".

@ Batisa, Andriamanitra no miasa. @ finoana, anao iny, fa toky lehibe sady tsy mivadika hanamafisana ny finoana ny maha-zanak'Andriamanitra anao teo @ Batisa masina.
10. todisoa2 ( 28/08/2007 10:13)
Mandefitra:

Raha tsy lalana hahazoana famonjena ny Batisa, tsy niteny an'io Jesosy, sady tsy naniraka ny mpianany hoe "ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina".

@ Batisa, Andriamanitra no miasa. @ finoana, anao iny, fa toky lehibe sady tsy mivadika hanamafisana ny finoana ny maha-zanak'Andriamanitra anao teo @ Batisa masina.


Miombon-kevitra. Jereonareo tsara fa Jesosy tsy nanisy resaka batisa raha tsy vita ny famonjena. Ny hoatry ny naharesy lahatra ahy fotsiny, dia ny @lay batisan'ilay ''officier'', araky ny hita etsy ambony. Ny Asan'ny apostoly dia manamarika fa ny ankohonany rehetra dia natao batisa, izany hoe ''ny zaza amam-behivavy ao anatiny''. Eo koa ilay teny hoe :''ataovy mpianatro ny firenena rehetra''. Efa hany toa ny zaza ny fanjakan'Atra. Ka tsy tokony hatao batisa ary ve ny zaza?, izay voaisa anatin'ny firenena no voaisa hananjara ny fanjakan'ny lanitra?.
11. ikaretsaka ( 28/08/2007 17:28)
-Tonga nzara ny mofo izy nanolotra ny tenany
-ary niteny fa raha tsy mihinana ny nofony sy misotro ny rany dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay.
-nanafatra koa izy ny handehanana eran'izao tontolo izao sy ny hanaovana batisa ...

dia eto @ izay ary no mipetraka ny fanontaniana.
Izay mino sy atao batisa hovonjena ? dia voavonjy dia ho aiza?
Izay mihinana ny vatany sy misotro ny Rany koa hono atsangany sy homeny ny fiainana mandrakizay ary itoerany sy mitoetra ao aminy!(sady tena fihinana sy fisotro izany)

dia misy no mino ilay voalohany fotsiny, misy ny mino an'izy 2 mitambatra!:roll:
Satria nahoana?
12. fijo ( 28/08/2007 22:17)
kwasi,ny protestanta dia zaa vao 8 volana dia efa ataony batisa.mino ve ianao fa mino io zaza io????? za izao natao batisa nefa za tsy mino.
13. Mitah ( 29/08/2007 04:25)
fijo:

kwasi,ny protestanta dia zaa vao 8 volana dia efa ataony batisa.mino ve ianao fa mino io zaza io????? za izao natao batisa nefa za tsy mino.

Ny ray aman-reny no nitondra ilay zaza fa tsy sitrapony,ho hamasinina fotsiny angamba kanefa ny zaza efa masina daholo na zanaka jiolahy aza.
Batisa izany amiko rehefa lehibe,toy ny fihinana ny mofo sy ny divay.Inona no fantan'ny ankizy hibebaka,tsy mbola matotra amin'izany izy.

14. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:35)
io batisa batisa io moa dia samy manana ny interpretation ny ny tsirairay
indrindra ireo mpanao sy maka "izay mahafalifaly ny fony" fotsiny
15. Mandefitra ( 29/08/2007 05:11)
kwasi,ny protestanta dia zaa vao 8 volana dia efa ataony batisa.mino ve ianao fa mino io zaza io????? za izao natao batisa nefa za tsy mino.

Ny maha izy azy ny Batisa tsy miankina @ finoanao, raha tsy zany tsy nisy na iray aza azo atao Batisa.
"Na kely toy ny voatsinampy aza ny finoanao de hahafindra tendrombohitra."
Ampahafirin'ny voatsinampy ny finoana mba hahazoana hanao Batisa azy? :wink:
Averiko indray, asan'Andriamanitra ny Batisa, Jesosy no mamela heloka, Ny Fanahy Masina no manavao sy miteraka indray ny olona vita Batisa, ary ny Fanahy Masina no mampibebaka anao hiala @ fahotana.Izy koa no mampitombo ny finoana sy hanananao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
Ny tsy finoanao tsy mahafoana ny hasin'ny Batisa, saingy tsy hahavonjy anao.
16. ikaretsaka ( 29/08/2007 05:20)
ka i fijo anie tsy mila vonjena e.. izy aza efa tsy handeha any @ izany fiainan-ko avy izany ko
17. mimich ( 29/08/2007 07:10)
Bold text
Izay mino sy hatao batisa no hovonjena?
, de oh te hanao fanontaniana adaladala aho hoe " tsy maintsy izay ve ny filaharany??? mino aloha vao atao batisa"
de aona zany reny zaza kely 2 sy 3 mois atao batemy na batisa ireny, reny mantsy zao atao batemy aloha ho mariky ny fahaterahana aram-panahy, rehefa avy eo dia ny RAR no manabe sy manolokolo azy ara-pinoana dia rehefa mahatsiaro saina izy vao ampianarina tsikelikely ny ny teny finoana (katesizy, sekoly alahady sns), de sanatria ve zany tsy hovoavonjy izy satria nifamadika ny azy , batisa aloha vao mino

de ahoana indray ity:

Joany 6: 55 (Joany - 02/08/1971)

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro.

sy ity ohatra

Ary indro mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy azy ka nanao hoe: Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? 26 Dia hoy Jeso taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? 27 Ary namaly izy ka nanao hoe: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.
ny tiako apetraka dia ny hoe "misy zavatra mifampitohy bdb ao anatin'io baiboly io fa tsy azo singanina sy mandeha mitokana toa an'io. Noho izany tsy azo atao mandeha irery io , fa misy ny hevitra mifandray ary tsy azo sarahina aminy any ambadika.
tsy dia nandalina loatra momba io aho fa ny hany fantatro dia ny hoe "tsy azo raisina ara-bakiteny sy singanina toa io zay voalaza ao fa mila fandalinana manokana ka izany no antony nisian'ny fianarana momba ny teolojia"

18. xxx ( 29/08/2007 07:40)
Mino aloha vao atao batisa.Izay no tokony izy.Tsy fantatro nareo fa logike be le iz.Tokony ho fantatra aloha hoe lalina ny rano na marivo zay vao miroboka ao.Mahafantara tsara ilay Inoana aloha dia manao acte amin'izay.
Ny any @ fiangonana misy ahy aloha dia olon-dehibe no atao batisa.Jesosy ary ané 30taona vao natao batisa e .Izany hoe efa lehibe manantsaina tsara mahafantatra izay tokony ataonyzany vao atao batisa.
Ny fanao ny zaza ndray rehefa vao teraka iny ny anay dia harabaina na raisiny ho isan'ny fiangonana fotsiny.
Fa ny momba ny famonjena indray io mino aho fa arakaraka ny circonstance mitranga eo @ fiainana.Raha tsy mis pasteur mitsy zany eo @ tany misy anao na tsy mahafantatra anizany ve dia tsy hovonjena...
19. mimich ( 29/08/2007 08:31)
Jesosy ary ané 30taona vao natao batisa e .Izany hoe efa lehibe manantsaina tsara mahafantatra izay tokony
efa we tsy azo raisina ara-bakiteny sy singatsinganina araka izay itiavana azy wa ny Soratra Masina
20. xxx ( 29/08/2007 08:59)
mimich:

Jesosy ary ané 30taona vao natao batisa e .Izany hoe efa lehibe manantsaina tsara mahafantatra izay tokony
efa we tsy azo raisina ara-bakiteny sy singatsinganina araka izay itiavana azy wa ny Soratra Masina



mimich a , tsy oe raisiko ara-bakiteny le izy !!! ny tinao o tenenina zany ve d oe tsy marina zany sa aona???? Tsy hoe tsy d'accord @ fomba hafa aho fa Jesosy ané no ohatra e!!!! donc zany ze nataony no tsara atao......
tsy contre ny zazakely atao batisa aho fa io no itako fa tsara.Tsy asiana Loi ny finoana kristianina fa tokony samy handray izay mety aminy rehefa tsy mivona @ tenin'Atra fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2561