vavaka very maina?

1. Papoose ( 27/08/2007 08:57)
Nitantara i "A" fa nisy zava-doza nampalahelo nahazo azy dia nivavaka mafy ho i "B."Rehefa tena vita ny fanadihadiana, hay kay lainga be daholo ity nahazo an'i "A."
Vavaka very maina v ny an'i "B?"
Dia very maina daholo ve ny vavaka raha zvt lainga le nivavahana raha tsy fantatra mialoha?
novalian'i niryna ny 01/09/2007 15:21
2. Fiffi ( 27/08/2007 09:15)
mahasaha koh A zany an ! tsy misy tahotra eo anatrhan'Andriamanitra mintss an !

fa amiko kalou de tsy misy vavaka very maina zany na de lainga daholo ftsn aza no notantarain'A an ! mety lasa vavaka ho azy (nivadika) mba am manaraka tsy andainga intsony izy.....
3. Papoose ( 27/08/2007 09:23)
@ lafiny ray koa le izy lasa nivavaka mikasika zvt tsy nisy, sady lainga moa zany no tsy nisy!dia ahoana fotsiny?
4. diamondra27 ( 27/08/2007 10:23)
fa ahoana aloha no hoe: adihadina ilay loza na tena marina na tsia e!
5. todisoa2 ( 27/08/2007 10:59)
Tena miombon-kvt tanteraka @ Fiffi ny za eto. Tena tsy hoe very maina ny vavaka nataon'i B, satria tsy azy ny fahadisoana. Ny zava-miseho eto dia tsy miampanga an'i B fa an'i A. Izany hoe diso fiantefa fotsiny? Noho izany, eto izy dia tsy very maia hoan'i B, fa very mina kosa hoan'i A.:lol::lol:
6. Mandefitra ( 27/08/2007 11:54)
Maniry loza nge zany A e, misy teny zay hoe "fais garde à tes desire, ils peuvent se realiser" ... indrindra mo ny vazivazy ratsy @ resaka fivavahana...
7. todisoa2 ( 27/08/2007 13:46)
Miombon-kvt @ mandefitra. Ka loza mints no tadiaviny e. Vazivazy n nataony. Tsy nanaja ny namany izy, ary tsy nanome valeur azy, matoa nandainga t@ A. Ka ahoana ary no hanajany an'Atra. Loza no tena tadiaviny.:lol:
8. ikaretsaka ( 27/08/2007 14:15)
miobonkevitra amin'ny rehetra!

Mampatsiaro ahy ilay tantara-dRadama Rainy sy ny mponina tany Bongolava ity zavatra miseho ity:

Tamin'ny Radama 1 mbola niady t@ Sakalava tany Bongolava sy Tsi/didy iny dia nanafatra heo "rehefa manafika anareo ny Sakalava dia mandreheta afo eny an-tendrombohitra , fa ho avy ny tafika". (hita avy eny anaty Rova koa moa iny tendrombohitra iny)

Dia nisy fotoana nirehitra tokoa ny Tanety, dia tonga any ny Tafik'i Radama kanjo tsy misy ninoninona akory...

Nony tena nanafika tokoa ny Sakalava ka nandoro ny tanety teny an-tendrombohitra ry zareo dia tsy tonga intsony ny miaramilan-dRadama fa neveriny hoe Fika indray ity! dia naripaky ny Sakalava tao!

Avy eo nimenomenona t@ Andriana, inona intsony anefa no azo atao?8O
Radama ve no diso??

9. Papoose ( 27/08/2007 17:45)
diamondra27:

fa ahoana aloha no hoe: adihadina ilay loza na tena marina na tsia e!


Nitaraina i A dia taitra i B dia nanontany ny olona akaiky an'i A rehetra hoe manao ahoana izy any sns, nilaza am-pahatsorana izy rehetra fa i A dia salama tsara ary hitan'i B koa fa tsy misy inon'inona rehefa tonga i A!
Tonga dia kobo ho azy hoe lainga kay fa le vavaka moa zany efa lasa mialoha!
10. Kwasi ( 28/08/2007 00:17)
Nitantara i "A" fa nisy zava-doza nampalahelo nahazo azy dia nivavaka mafy ho i "B."


Tsy nangataka vavaka avy @ B i A fa i B no te hivavaka.
Fa na izany aza tsy vavaka very maina ny azy. Na dia nahatsiaro ho voafitaka aza i B dia tokony ho faly ihany satria mariky ny fitiavana mitombo ao aminy izany.
Aoka i B hino fa fitahiana ho azy ihany koa ilay vavaka nataony.
11. LazaDaddy ( 28/08/2007 00:58)
Papoose> Raha tena vavaka dia tsy misy very maina. Mialohan'ny fangatahanao dia efa namaly aho, Hoy Jehovah; ary mialohan'ny fitenenanao dia efa nandre aho.

1) Ny olona mivavaka dia miezaka ny ahazo "information" betsaka araka izay azony mba ahafahany mivavaka. Satria ny vavaka ho an'olona iray dia mitaky firaisam-po tanteraka aminy.

2) Ny olona mivavaka dia mijery ny "possibilites" rehetra mety misy (tafiditra anatin'io ny lainga) ary mametraka izany ho ady amin'i Satana ao anatin'ny vavaka ataony.

- Raha tsy feno ireo fepetra roa ireo dia tsy azoko lazaina fa tsy nivavaka i "B".
- Raha feno ireo fepetra roa ireo dia inoako fa nisy vokany tokoa ny vavaka nataony"
(a) na tsy fantany aza ny marina dia napetrany tao amin'ny vavaka nataony ny mety ho maha "lainga" ny tantaran'i "A".
(b) raha nanadihady tsara i "B" dia ho nahafantatra ny marina
12. Papoose ( 28/08/2007 01:25)
Tsy nangataka vavaka avy @ B i A fa i B no te hivavaka.

Ie

raha nanadihady tsara i "B" dia ho nahafantatra ny marina

Ndraindray ny olona rehefa maheno zvt tragic dia manana reflexe tonga dia mivavaka alohan'ny manadihady fa hitako hoe samy tsara izy roa
13. niryna ( 28/08/2007 05:58)
LazaDaddy:

Papoose> Raha tena vavaka dia tsy misy very maina. Mialohan'ny fangatahanao dia efa namaly aho, Hoy Jehovah; ary mialohan'ny fitenenanao dia efa nandre aho.

1) Ny olona mivavaka dia miezaka ny ahazo "information" betsaka araka izay azony mba ahafahany mivavaka. Satria ny vavaka ho an'olona iray dia

2) Ny olona mivavaka dia mijery ny "possibilites" rehetra mety misy (tafiditra anatin'io ny lainga) ary mametraka izany ho ady amin'i Satana ao anatin'ny vavaka ataony.
mitovy hevitra aminao koa aho
- Raha tsy feno ireo fepetra roa ireo dia tsy azoko lazaina fa tsy nivavaka i "B".
- Raha feno ireo fepetra roa ireo dia inoako fa nisy vokany tokoa ny vavaka nataony"
(a) na tsy fantany aza ny marina dia napetrany tao amin'ny vavaka nataony ny mety ho maha "lainga" ny tantaran'i "A".
(b) raha nanadihady tsara i "B" dia ho nahafantatra ny marina


Mitovy hevitra aminao koa aho.
14. fijo ( 28/08/2007 22:29)
za tsy mpino fa le cas no resahana.raha ny fahazoako ny vavaka dia fangatahana zavatra iray.
ka na dia nandainga aza i A,dia nangataka ilay avatra hoazy i B.
na nisy izany na tsy nisy ilay resak'i A dia efa nangatahan'i be hoazy le zavatra fa tsy very.efa azy iny,saingy oainy ve ny hikajy azy????
15. Papoose ( 29/08/2007 01:13)
fijo, tsy fangatahana ihany fa fisaorana, fanehoana fifonana, fiderana, sns fa miseho @ alalan'ny fangatahana izy eto!

Asa re!fa enga anie!fa ohatran'ny hitako manipulateur (trice) fotsiny le A aloha e!
16. Mitah ( 29/08/2007 04:02)
Tsy msy very maina izany rehefa mivavaka raha tsy hoe mivavabava-poana amin'ny zavatra tsy miteny angamba dia izany no diso fanantenana.Tandremo fa izany no asan'ny satana avelany hiresaka aminy isika raha tsy mahay.Mandehana any amin'Atra fa hamaly anao izy.
17. fijo ( 29/08/2007 21:56)
paps an,ka io koa le hoe mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony e.tsy za no niteny an'io an
18. Papoose ( 31/08/2007 04:16)
ok fa fantatr'i A mihitsy zay ataony fa mandainga izy!
19. fijo ( 31/08/2007 23:08)
ka na fantany aza le nataony,le nivavaka kosa nanome antsitrapo de tsy very izany.

oh:mody milaza amindry aho hoe verserako rahampitso.de iny ndry fa lasa nividy gatô ho ahy.fantako fa lainga le lazako,fa le gato tsy vety fa tonga tsara aty ka
20. Papoose ( 01/09/2007 14:19)
ekena le fijo!ekena!^:^

fa le conscience @ zany angaha de tsy mba manenjika mihitsy:?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337