ny fiainako

1. kalina80 ( 25/08/2007 12:22)
6 mois izay ry reto no nahafatesan'ny reniko an , tampoka be loatra.Tena tiako io reniko io mamiko lotra, tsy nisy zvt tsy notantaraiko azy teo @ fiainako.Nanampy ahy teo @ fiainako izy, na ara bola na conseil.H@ izao tsy mety fa malaelo hatrany tsy mety tonga saina foana aho fa lasa izy .Otriny matoky fona za oe o avy izy hitsidika ahy , hanatrika ny mariageko sns..Ra tsy manan an'Atra teo @ fiianako aho d mety efa namono tena angamba. te hanontany ho anireo very reny sy olona akaiky, ahoana no tao mba hi réalisena enfin fa tsy eo intsony izy? matetika aho no miantso ny numeroany , vita vo tonga saina na miantso ny anarany.Misaotra betsaka
novalian'i pepelas ny 12/12/2007 14:51
2. Fiffi ( 25/08/2007 12:33)
kalina80:

Ra tsy manan an'Atra teo @ fiianako aho d mety efa namono tena angamba. te hanontany ho anireo very reny sy olona akaiky, ahoana no tao mba hi réalisena enfin fa tsy eo intsony izy? matetika aho no miantso ny numeroany , vita vo tonga saina na miantso ny anarany.
de mahereza kalou....zay ny teniko voalohany....efa nandalo teo am toeranao zah ary nila fotoana ela be mintss zay vao tena tonga saina hoe "lasa tokoh izy"
-zao nefa an ! lasa izy fa kosa mijanona ao am-ponao mandrakizay....
-tadidio koh fa io izy...mitsinjo anao mandrakariva

-manana an'Andriamanitra enao de aza misalasala mangataka aminy fanampiana fa ho hitanao fa tena mampahery marina....

-asa raha mety hanampy anao koh ity an ! zao foana no nolazaina anaha: marina hono fa be ny halahelo fa tadidio hono fa raha mampijaly tena enao de tsy ho sambatra ny neninao ao ambony ao...


3. tiaraj ( 25/08/2007 13:00)
Maro be ny Sedra, tsy izaho no ampianatra izany fa ny azo ambara dia tsotra: samy miaina ny azy ny tsirairay. Mety tsy hampahery izany fa izany no marina... Samy efa ela no tsy nihevitra hoe misy olonkafa maro anie eto antany miaina zavamanahirana mafy lavitra noho izany e... Kanefa, ny azoko ambara dia ny hoe: tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana SY ny FIFANKATIAVANA. Mazotoa mitia ny olona manodidina ary rehefa mamoy ny olon-tiana iray, dia vakio ny Jakoba1:13 sy ny Salamo 55:24 mba tsy hanalavirana an'ilay namana tsara indrindra, dia i Jehova Andriamanitra
4. lants ( 25/08/2007 15:44)
Ny mety indrindra dia ny mahay mampifanaraka ny fomba fiainana amin'ny manodidina misy anao fa tsy mieritreritra ny tsy hita intsony, fa dia mahereza e
5. reve ( 25/08/2007 15:59)
kalina80: courage foana e! de zao no mba torohevitro araka ny teninao hoe soa fa manana an'Atra ianao de izy ihany zany no afaka hanasitrana ny alahelonao tadidio fa hoatrany hoe manome tsiny azy enao ra sanatria ka mbola mitoetra ao natin'ny alahelo eny e! fantratro tsara fa mafy am tsika olombelona zany misaraka zany kanefa soa fa eo Andriamanitra!
mivavaha mnadrakariva e!
6. Rafotsy ( 25/08/2007 16:57)
Zah koa dia mampahery anao , ary mifikira tsara amin'Atra !
Ny ahy ny zanako lahy matoa no maty , ary tena mafy satria izy no tokony handevina ahy kanefa dia izaho reniny indray no nandevina azy ! Atao ahoana no hi realiser na hoe tsy eo intsony izy hoy ianao? Tsy dia haiko loatra fa ny fantako fotsiny rehefa any aoriana any dia rehefa mahatsiaro azy ianao matetika dia tsy malahelo intsony , kanefa tsy milaza hoe tsy hitomany intsony ianao ; tsy halahelo intsony ! Ao am-po foana ireo ary voatahira tsara ao am-ponao izy ary misy fotoana hatsiarovanao bebe azy kokoa , ny ahy dia ny volana Mai satria iny no andro nahaterany nefa andro nahafatesany koa !
Koa dia maherezà , ary Andriamanitra anie hanome anao fampiononana !:-*:-*
7. Fiffi ( 25/08/2007 19:56)
Rafotsy:

Koa dia maherezà , ary Andriamanitra anie hanome anao fampiononana !:-*:-*
^:^^:^ de mahereza mivavaka fa tena hanampy anao io...:-*:-*:-*


8. wooda ( 25/08/2007 20:15)
Ny ahy indray telo taona mbola tsy nino fa las izy, nanenina mihintsiny aza ny tsy nitenenako @ny ny tena nitiavako azy, fa rehefa nande ny fotoana dia ohatrany tsapako fa hainy ihany zany.

ka raha misy fotoana tena tsy tantinao dia Tsarovy fotsiny fa miaraka @nao ny fitiavany.

:-*:-*:-*:-*:-* ho anao
9. hasinando ( 26/08/2007 07:10)

Za mbola tsy namoy reny fa kosa misaran-toerana lavitra be izahay mianaka fa efa namoy zoky,tsy afaka hody toy ny taloha hamangy azy aho ,télp sisa.Matetika ho no manontany tena hoe zakako ve ny tsy aha eo azy intsony indray andro any.Fa A/tra irery no afaka hampahery sy hampitony ny alahelo.HO anareo rehetra efa namoy olon-tiana akaiky anareo dia tsarovy ilay teny fikasan'A/Tra hoe:" Aza malahelo ny fonareo ,mino A/tra ary mino Ahy koa.Ao an-tranon'i Raiko misy fitoerana maro".Minoa fa mbola hiaona amintsika ireny olon-tintsika rehetra ireny any andro iray,mahereza daholo ary aza misaraka amin'A/tra!
10. rush ( 26/08/2007 09:48)
bevohoka 3 volana ny zanako faharoa aho no lasana ny reniko,teo @ fotoana nilako azy mihitsy no lasa izy,nivavaka mafy aho ahavitako ny adidy napetr'Andriamanitra tamiko,nomeny hery aho ary teraka soamantsara,nahalehibe ny zanako,mafy vao tafita ,fa hoy aho aminao, avelao ny fanahiny hiadana ,mijery anao foana izy any ambony any,mahereza ary mahavità soa @ fiainanao,mitohy ny fiainana ary ny adidinao banjino ary efao tsara fa ho sambatra ianao ary faly izy mahita ny fahendrenao,mivavaha ary aza mitsahatra mahatsiaro ny fotoana nahafinaritra niarahanareo,ahazo hery ianao @ izany!:-*:-*:-*:-*
11. sympa ( 27/08/2007 13:47)
wooda:

Ny ahy indray telo taona mbola tsy nino fa las izy, nanenina mihintsiny aza ny tsy nitenenako @ny ny tena nitiavako azy, fa rehefa nande ny fotoana dia ohatrany tsapako fa hainy ihany zany.

ka raha misy fotoana tena tsy tantinao dia Tsarovy fotsiny fa miaraka @nao ny fitiavany.

:-*:-*:-*:-*:-* ho anao


Tsy anampy ary tsy analana fa hiraisana :-*:-*

mahereza ééé :-*:-*:-*:-*
12. sakaizakely ( 27/08/2007 20:48)
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
13. kalina80 ( 28/08/2007 05:47)
Misaotra betsaka ho anareo izay namaly teto, misaotra ny fampiononana.Mahagaga fa teny toy ireo dia mampieritreritra ary manova ny fomba fijery ny fiainana indray. Ho tahian'Atra isika rehetra:-*:*:-*
14. ari.malala ( 28/08/2007 05:47)
Mirary fiononana tanteraka hoanao ny tenako. Ny vavaka no manova zavatra, koa mahereza mivavaka.
15. bobone ( 28/08/2007 08:22)
Mahereza akia Kalina an! lalam-piainana ny fahafatezana ary tsy azo ialana ! mafy amintsika olombelona ny fisarahana nefa matoa nisy izany de izay no sitrapon\'Atra koa mahereza e! Atry ny fihononana no tena hampionona anao !tsarovy fa hoy ny teniny hoe \"aza malahelo ny fonareo ,mino an\'Atra ary mino ahy koa ,anamboatra fitoerana ho anareo aho .... e! apetrao @ Tompo ny adinao ! izy ihany no mahay manaisotra ny jalinao! mahereza ô!:-*(l):*(l):-*
16. Mandefitra ( 28/08/2007 10:17)
Ny ahy ny nampiononako ny zandriko vavy fony maty neny de hoe zay no lalana hitan'Andriamanitra fa mety aminy hampitony ny fanaintainany (voan'ny cancer izy).
Nefa na lasa aza izy, ny asany sy ny fitiavany mbola mitoetra foana.
Refa trondro lena ny laoka ohatra, de za (lehilahy) no mikarakara sy mahandro azy tahaka ny nanaovan'ny neny azy fahizay, ary de mankafy ery ny vadiko. :)
Fa ra mbola velondreny ry zareo tolory fitiavana izy a.
Avia neny tiako, eto ampofoiko,
eto antsandriko ankavia mba ho akaikin'ny foko
Etsy esoriko ireo volofotsy,
Hitantarako angano ianao, sady arahiko rotsirotsy.
Ny adidi tsy efanao, mbola tianao hotohizana
Tsy mahatsiaro fahanterana tsy mahalala vizana
Mikisakisaka efa torovana
Aoka zay,f'ianao le niaro ndray zao no mila fiarovana
Avia neny tiako, aza miahiahy
Ny ataoko anie,taratry ny nataonao hatrizay.
Etsy ho tantanako f'efa lanaka
Ny aina no mateza f'hifampitaiza isika mianaka.
Dadah (Mahaleo)
17. kalina80 ( 29/08/2007 06:09)
Misaotra betsaka anareo.
Marina ny ani Mandefitra ry reto an.Misaotra betsaka azy.

Rah mbola velondreny dia lazao azy fa tinao izy, teneno matetika azy.
Izany koa angamba no tena alelovako azy fa Izy dia teo akaikiko fona ,tsy zatra lavitra azy aho raha tsy za io lasa aty ampita aty io.Mifampiantso preske isan'andro izahay.Tsy nisy zvt nafeniko azy teo @ fiainako na dia kely monja aza.Tampoka be anefa no nahalasany,teo ampikarakarana ny diany ho aty hamangy ahy no nahalasany.

Izany no tiako ampitaina hoe araraoty ry reto ny fotoana raha mbola velon-dray amandreny ah.
Dia misaotra anareo e
18. kalina80 ( 29/08/2007 06:10)
Misaotra betsaka anareo.
Marina ny ani Mandefitra ry reto an.Misaotra betsaka azy.

Rah mbola velondreny dia lazao azy fa tinao izy, teneno matetika azy.
Izany koa angamba no tena alelovako azy fa Izy dia teo akaikiko fona ,tsy zatra lavitra azy aho raha tsy za io lasa aty ampita aty io.Mifampiantso preske isan'andro izahay.Tsy nisy zvt nafeniko azy teo @ fiainako na dia kely monja aza.Tampoka be anefa no nahalasany,teo ampikarakarana ny diany ho aty hamangy ahy no nahalasany.

Izany no tiako ampitaina hoe araraoty ry reto ny fotoana raha mbola velon-dray amandreny ah.
Dia misaotra anareo e
19. ari.malala ( 29/08/2007 07:49)
Misaotra aky kalina80 nizara sy nampahatsiahy izany rehetra izany a! dia mbola mamerina ny fampiononana foana e! mazàna tokoa refa eo anila ilay reny dia tsy mba voateny ilay fitiavana azy, fa otran'ny hoe efa voasolo ilay fnampiana sy ny fanehoampitiavana madinidinika, nefa tena ilaina mintsy iny fitenenana iny fa mampahatsiaro azy koa iny hoe tian'ny zanany anie izy! misaotra e!
20. fijo ( 29/08/2007 20:46)
ny ahy moa vao maty vao tamin'ny mai teo,fa ny ahy ny saiko efa nivonona fa tsimaintsy hitranga io,ka dia izay fa tonga le fotoana .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.507