ny fiainako

21. bobone ( 31/08/2007 07:50)
Fijo :de mampihonona anao hatrany ary e!mahereza!!!
ary tena marina ny voalazanao fa tsy maintsy mivonona na inona hitranga !ary tsy maintsy lalovana io f'efa lalan'ny Tany !fa ny fanantenana dia ny fanohy ny asa soa vitany na ny fikolokolona, fitehizana! manatontosa ireo adidy napetrany!!
Mandefitra : tena miombon-kevitra aminao zaho hoe raha mbola eo Neny sy Dada de omeo fitiavana be dia be zaho mahatsapa fa mafy be le kamboty! kanefa matoa nisy izany de izay no sitrapon'Atra e! otrany mampangoram-po be le filazanao azy ! :(:cry:(l)
22. colar ( 31/08/2007 21:54)
mangovitra sy manganohano za mahita anty resaka ty kty,we tsy maintsy handalo an zao daholo mo zany,maka rivotra de mivava mafy hanala ny alahelo,zay ihany no fanafody,
23. Fiffi ( 01/09/2007 05:47)
lants:
fa tsy mieritreritra ny tsy hita intsony,
tsy aiko raha ho possible zany...:-w:-w


24. mahitsih ( 07/09/2007 07:08)
Efa 17 taona lasa izay no nahafaty ny reniko ary folo taona aho t@zay, nangidy tamiko io fa ny hany nataoko ary nanadaitra tamiko dia ny nivavaka handresy ny alahelo ary na dia tsy teo intsony aza izy dia notohizako narahina ireny anatra nomeny sy ny zavatra nampianariny ahy rehetra ireny ka nahatsiaro sambatra foana za na dia tsy hitako aza izy ary toa tsapako fa mahita ny ataoko izy any ambony any ary faly foana.Zany hoe niezaka nanao izay zavatra tian'i Neny foana aho ary hitako fa nahomby izany hatr@zao.
KOA MIRARY NY TOY IZANY HO ANAO KOA AHO.
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
25. tsikih ( 26/11/2007 22:13)
Ny ahy, hatramin'ny nahafaty tampoka ny raiko izay, 7 taona lasa izay, dia manana alaelo foana aho ato am-poko, matahotra aho sao ho faty tampoka foana ny reniko izay lavitra ahy ankehitriny, matahotra aho hoe ireo namako sy rahavaviko ireo indray andro mbola ho faty koa, izaho ho faty tsy de atahorako fa ny mieritreritra ireo manodidina ahy ho faty indray andro no tena mampalaelo ahy, tsy mahavita mifamaly intsony aho, mampiseho fitiavana "au maximum",ary mivavaka hatrany, satria fiainana andalovan'ny rehetra io, fa tena enjana, ka mila finoana matanjaka. Mahereza daholo, ary mifankatiava tsara, fa fandalovana ny fiainana.
26. pepelas ( 12/12/2007 14:51)
mahaiza mionona kalina80 fa fiainana daholo zany. Ny ahy ndray de ny papako no nahitàko sy nahatsapàko ny hangidin'izany fahafatesana zany. Fa tena tsy nety nanaiky ny saiko avy eo nahita ny fahabangàna be navelany. Fa ny nampilamina ahy t@zany de ny fivavahana sy ny fanamboarana eritreritra. Efa nahavita ny fiainany izy, fa nentsika mbola mitohy miady ety an-tany ty de tsy maintsy misikina herimpo. Sady zao koa, tsy lasa zany akory izy tsy nandao zany izy , fa niova toerana fotsiny.Toerana tsy ahafahanareo mifandray direct le izy, saingy ny souvenir mipetraka fôna! Sady tadidio fa tsy hahafaly anazy koa anie ny mahita an'i kalina80 à plat be é! Donc manaova effort fôna.tsikelikely isan'andro eny, fa ela ny ela mihamaivana ihany ny fo.De aza mamendrofendro tena koa fa vao maika tavela! zay fa mahereza,tsy irery akory enao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.682