Mpihira GRAVY be!

21. Mitah ( 24/08/2007 21:32)
Mitovy hevitra amin'i Tenagasy aho fa ny tonon-kira koa ny ahy dia jereko ny heviny, feon'ny mpihira mikalo azy ary ny feon-java-maneno.

Toy ilay hira hoe: misababaka moa izy teo? Tsy hitako mihitsy izay tena hevitra avoakany saingy mampihomehy ahy ihany ny fihirany azy.
22. xxx ( 24/08/2007 22:01)
alefaso oé mba henoina izany misababaka izany ry Mitah, himehezana:lol:
23. cutie ( 24/08/2007 22:17)
Mpandefa : sonwin [ Valio ] 24-08-2007 22:54:17
Lohateny : Re : Mpihira GRAVY be!
efa naheno

:-$
24. tenagasy ( 24/08/2007 22:34)
Mankamamy eh!
- fahaizana mitazona feo
- feeling
- feon-kira
- sexy
- feon'ny mpihira
- tononkira sy heviny
- feon-java-maneno
- fahaizana mitendry
Sao misy hadinoko aloha?

Eo ireo aloha fa arindrantsika rehefa ao aoriana kely.

Dia ahoana indray izany ny endrika sy bika?

Fahatsiarovana mpihira Rock kalaza vahiny iray moa vao haingana. Mpihira efa ela be!
Dia nisy ramatoa iray nalaina am-bavany dia hoy izy: Tany amboalohany ilay mpihira matsoratsoraka (mince) tsara hoy izy ka bikàna ery, hany ka vao mandre ny feony ianao dia mientana iray ihany. Fa asa nony taty aorindriana vokatry ny lazany tafahoatra dia nihabotabota lery, dia na ny hirany aza toa zary tsy nanaitra intsony. (DIKA MALALAKA)

Artista sy hira no moa resahintsika, ka hatraiza sy tahaka ny ahoana izany no fifandrasan'ireo?
Mirary soa
25. cutie ( 24/08/2007 23:15)
@ zao fotoana zao toa ohtran'ny tsy maintsy miaraka ny bika sy tarehy refa mphira koa.
Ny feo njay na ratsy aza mbola afaka amboarin'ny ordinateur :-D
26. nickie2 ( 10/09/2007 13:22)
De tsy haiko aloha fa lasa vorona azon,adala lay hoe mpihira e.Toa mihira daholo zay te hihira na sexy io na tsy ampy feeling na tsy ao aza le tononkira fa de miteniteny foana eo de efa izy lay e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1514