Ny resaka atao

1. LazaDaddy ( 23/08/2007 23:57)
"Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kolosiana 4:6

Io fotsiny dia tsapako fa tena mila fandavan-tena sy fanetre-tena ary faharetana goavana. Raha tsy tanteraka anefa io tena ho sarotra ilay hoe "tiavina ny fahavalo". :)
novalian'i fijo ny 31/08/2007 23:15
2. ikaretsaka ( 24/08/2007 00:56)
Ny ahy indray ireto no nahasarika ahy
fahendrena 6,10

[url=http://baiboly.katolika.org/boky/Fahendrena/7/21-24]fahendrena 7/

[url=http://baiboly.katolika.org/boky/Galata/2/17]Galata 2;17
3. cutie ( 24/08/2007 03:22)
Io fotsiny dia tsapako fa tena mila fandavan-tena sy fanetre-tena ary faharetana goavana

misy adino :lol:
4. Jeankely ( 24/08/2007 06:24)
Tena mivavaka sy mpiavavaka ve sa mpitanisa teny anaty baiboly? Na hay aza io nefa tsy hay mapiharina tsy misy mahafa azy amin'ny ratsy fanahy. Ny nahalala nefa nandika no tena heloka faran'izay lalina angamba. Aza manao mpiatari-bato vila-molotra=))=))=))
5. niryna ( 24/08/2007 06:31)
Ny fahafantarako an'io dia tsy tokony hivatravatra na hanao teny tsy voahevitra,mila mitandrina tsara vao miteny ary milaza ny marina kanefa tsy atao handratra ny olona ny fomba hilazana azy.

Raha mitory ny tenin'Atra mantsy isika dia misy ny mandray ary misy ny tsy mandray,saingy raha teny mitratrevatre sy tsy ampiheverana no hilaza azy dia mety ho tohina ny fon'ny olona indraindray, ny fiainana efa sarotra , ary vao maika mihidy ny fony.
Mila milaza ny marina koa anefa isika amin'izany.
Izy no itombon'ny tena rehetra(izay akambana sy ampiraisina tsara)noho ny fifanompoan'ny isan-tonony,araka ny fiasan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoanay ny tenany amin'ny fitiavana. Ef 4:16
6. Jeankely ( 24/08/2007 06:43)
Ho ahy aloha ny resaka firenena sy ny fitaizana zaza tsy mitovy. Ny fandraisana andraikitra amiko tsy ilaina anaovana safosafo fa izay tsy mety avy dia velesina raha mila fivoarana haingana. Rehefa mbola samy hanaraka ny fo sy ny mampalahelo dia mandeha miadana arak'izany ny fanalana ny ratsy. Ny etsy lasa ny hafa tonga. Lozabe.
7. niryna ( 24/08/2007 07:01)
Jeankely:

Ho ahy aloha ny resaka firenena sy ny fitaizana zaza tsy mitovy. Ny fandraisana andraikitra amiko tsy ilaina anaovana safosafo fa izay tsy mety avy dia velesina raha mila fivoarana haingana. Rehefa mbola samy hanaraka ny fo sy ny mampalahelo dia mandeha miadana arak'izany ny fanalana ny ratsy. Ny etsy lasa ny hafa tonga. Lozabe.


Miantso polisy ny ankizy aty aminay raha mamono na mikasi-tanana azy ianao ary dia tonga tokoa ny polisy.
Mila miteny izany ny tena saingy mila mihenjana fa tsy ny sandry no alefa fa ny resaka no mafotaka ary mandaitra ilay izy.Ka alefa daholo na teny gasy na vazaha indrindra moa ny teny anglisy amin'izay tena miditra ao anaty ati-dohany tsara=)) HS isika fa sao bedin'ny olona eto;-)
8. ikaretsaka ( 24/08/2007 11:22)
niryna:

Ny fahafantarako an'io dia tsy tokony hivatravatra na hanao teny tsy voahevitra,mila mitandrina tsara vao miteny ary milaza ny marina kanefa tsy atao handratra ny olona ny fomba hilazana azy.



Izay ilay hitenenana foana hoe mila mandini-tena...
ary notenenin'i Jesoa foana ny resaka mandini-tena io isaky ny manao fanoharana izy.(samaritanina tsara fanahy ohatra)
Anontaniany ny hevitr'ilay olona dia mamaly dia dia asainy manao toy izany sady asainy mandeha mitsakotsako azy)

http://ikaretsaka.skyrock.com/2.html
9. Kwasi ( 24/08/2007 19:28)
"Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." Kolosiana 4:6


Ny fahazoako an'io indray dia hoe ataovy mirona any @ zavatra positif ny resaka atao. Aza dia ny resaka fanafintohinana na zavatra negatif no atao ambetin-dresaka. Oh ny fifosafosana izao tsy hita mihitsy izay mahasoa aminy fa mitarika fialonana na fankahalana na prejuge aza.
Ny mamy sira indray dia tsy hoe teny mamy na tambitamby akory fa teny mahasarika, misy ventiny...
Izany hoe rehefa miresaka izany dia @ hoe mampandroso, na manome courage, manome motivation... ve ilay olona iresahako ve izany lazaiko izany?

Asa ianareo raha mahafantatra na efa niresaka t@ ireny karazana olona vao dimy minitra fotsiny no iresahanao aminy tonga dia impressionne ianao.
Misy indray olona vao hitanao dia efa itsoahana, fa tsy misy afa-tsy kifosafosa sy taraina lava ny ambetin-dresany ka mandreraka.

Fa dia sarotsarotra ihany aloha e, mila exercice be mihitsy. Indrindra mo zahay mora tohina itony f angamba de eeeeee.
10. fijo ( 24/08/2007 20:37)
momba an'i J kely.amiko tsy mila vavak na ten "masina " na inona,fa fidio fotsiny ny tsara dia ataovy
11. gasynamana ( 24/08/2007 20:56)
Inona no tsara? Miankina amin'ny tena ve ny tsara sa ahoana? Raha ny tsara araka ny famaritan'ny tsirairay dia voafetra ny tenany samirery. Raha araka ny fiaraha-monina dia mbola voafetra koa. Mety hisy ve nefa ny tsara iraisana? Anankina ny tsara ka izay tsara amin'ny iray dia tsy ho tsara amin'ny iray hafa mihitsy.

Misy anefa ilay Tsara tsy voafetra, tsy voafetran'ny fotoana, toerana, sns... Izy no hany tena mahalala ny tsara tena mahasoa ny rehetra. Izy no Andriamanitra inoan'ny Kristiana. Izay no ilaina ny vavaka sy ny teniny. Izany hoe: ilaina ny miresaka aminy tsy hanaovana zavatra fahatany, mba hahavelona marina (saina, vatana, fanahy, fo)
12. fijo ( 24/08/2007 21:02)
ny tra amiko dia samy mahalala izany arakraky ny fotoana sy ny toerana misy anao
13. sonwin ( 24/08/2007 21:07)
fa manin ny olona no manam-panahy ry fijo fa tsy mitovy amin'ny biby?
14. fijo ( 24/08/2007 21:15)
izay mihintsy,mba ahafahany misafidy ny hoataony;ny alika vao mahita taolana dia lasa ity,ny olona mbola misaina hoe masaka ve io,an'iza io,sao misy inona io,sns
15. xxx ( 24/08/2007 21:18)
ny biby koa manan-tsaina ary mahafantatra ny tsara sy ny ratsy araka ny fiheverany azy. Aza ampitoviana ny saina sy ny fanahy fa samy hafa izany.
Dia ahoana ilay fanahy ry fijo fa tsy voavaly tsara an?
16. fijo ( 24/08/2007 21:22)
amin'ny boudista ny biby koa tompoko dia manampanahy.na ny hazo aza.io no hisafidianany ny zavatra hoataony.aminareo tsy sahy miseo PS inona le fanahy????
17. gasynamana ( 24/08/2007 21:26)
De mba jereo kely ny filozofian'i Aristote hahaizanao manavaka ny fanahy ao amin'ny biby, sy ny zava-maniry, ary ny ao amin'ny olona.

(Tsy xxx aho)
18. fijo ( 24/08/2007 21:39)
de aminao io ohatra,inona le fanahy?????de inona ny saina
19. gasynamana ( 24/08/2007 22:01)
Mialohan'ny hamaliako ny fanontanianao dia jereo aloha hoe: inona no mampiavaka an'ireo zavatra voalaza eo ambony ireo. Ny olana ho anao mantsy dia ny manafangaro zavatra maro. Ny tokony ho fantatrao anefa dia izao: ny olona tsy biby fotsiny fa olona, ny biby tsy zava-manan'aina fotsiny fa biby manana ny mampiavaka azy amin'ny zava-maniry sns...
20. fijo ( 24/08/2007 22:07)
ekeko ireo voalaza arany.ary enao eto dia miray saina amiko fa kilasin'ny biby ny olona.efa mifanohitra amin'ny finoana kristianina io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2748