Toy ny fon'ny zaza no tokony atao.Ahoana izany?

41. niryna ( 24/08/2007 05:14)
cutie:

ny zaza ve mahay mandinin-tena?

Izaho koa mba gaga

42. niryna ( 24/08/2007 05:16)
sonwin:

matory, milalao, mikaly

Vakio kosa ilay fanontaniana e,manana toetra toy ny zaza hoy aho e.:D iza no tsy manao ireo na lehibe aza.

43. niryna ( 24/08/2007 05:17)
fijo:

ny tena tiana lazaina eto dia izao.ny zaza tsy mahalala ninoninona ka mora ampidirana zavatra.dia ialao koa izany ny fahalalanao ,mba ahamora ny fampidirana ny finoana aminao.raha vao mandinika mantsy dia tsy mety amin'ny finoana loatra.

Mety izay no eritreritrao fa tandremo fa misaina ny zaza.

44. niryna ( 24/08/2007 05:18)
sonwin:

tsy mijerijery fakam-panahy

=))Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy.
45. LazaDaddy ( 24/08/2007 05:29)
niryna> Tokony hazavainao angamba fa "child like" ny nambaran'i Jesoa fa tsy "childish". Betsaka mansty ny manafangaro an'ireo.
46. niryna ( 24/08/2007 05:39)
niryna:

Nanantona ity zaza ary ny tao an-tsaiko hoy ity rangahy maity iray dia tsy hiteny saho ahitan-doza.Kanjo ilay menavolo kely nitsiky ary niarahaba azy,ary dia novaliany tsiky koa ilay izy ka niara-nitsiky ho azy ireo ray aman-dreniny.

Io no azoko holazaina ny hafatr'i Kristy amintsika,raha tsy manana fo na toetra toy ny zaza isika dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra.Mat 19:14
Ny olon-dehibe indraindray manana toetra miala na (reserve) na miataka lavitra fa matahotra ny ho voalatsa na diso fanantenana raha sendra miarahaba ohatra ka tsy mamaly ilay olona,na matahotra ny ho voaratra na maro.
Ny zaza anefa dia amin'ny maha zaza azy dia bodo(innoncent),mamaly tsy aman-tahotra na tsy misy fihambahambana fa tonga dia manatona na miresaka.
Andramo anie e ny miarahaba olon-dehibe tsy fantatrao raha tsy tonga dia mihanahana izy e.Misy aza hiarahabana tsy miteny,tsikio kely aloha dia hiarabao fa mamaly ho azy.:D
Amin'ny fomba ahoana no atao mba ho toy ny zaza isika(toetra)?

Ny zaza dia tsy mba mijery ny fihaviana,ny loko,ny finoana,ny taona na zavatra hafa mampisaraka azy amin'ny hafa fa tonga izy ireo dia madio fo,mahay miaraka milalao na vao fotoana fohy fotsiny aza no nifankahitany.Eny fa na zaza vao miana-mandeha aza tonga dia manatona na mifandray tanana na mifanoroka sns.
Io no antony iray izay antsoin'ny Tompo antsika tsirairay avy ho toy ny zaza.

Andriamanitra o,na firy taona izahay na firy taona dia mbola antsoinao zanakao foana.Omeo fo madio izahay mba ho tonga toy ny zaza. Amena.^:^

47. ikaretsaka ( 24/08/2007 12:23)
Hoy i isika dahy:

Voalaza teo :
-Amin'ny fomba ahoana no atao mba ho toy ny zaza isika(toetra)?

-amin'ny alalan'ny fivantanana (direct) sy ny honesty milaza ny marina, ny hita sy ny tsapa ary indrindra ny mieritreritra lalina (mandini-tena) rehefa lazain'ny olona hoe izao no tokony atao amin'ny cas oatran'izao!

-dia ahoana izany kanefa ny zaza angaha aharaka izany rehetra izany.Ny fanoharana anefa dia manao toetra toy ny an'ny zaza.

ny zaza indrindra ary no mivantana sy mahitsy rehefa miteny ko!:roll: mama a za te pipi, mama an, ianona nanao an zao...
(mandinin-tena kely) mama nipipi kloty aho.
ary ireny no milaza ny fanontaniana mivantana ao an-tsainy.

mampiresaha anie ireny zaza 3 ka hatr@ 6 taona ireny e
48. niryna ( 24/08/2007 19:37)
ikaretsaka:

Ka amin'ny mahazaza azy izay indrindra no ilaintsika hianarana ka,mila miteny ny marina hatrany ary mila manana fo madio.Direct fiteny kanefa marina fa tsy mivilivily tsy hita hoe mankaiza na mankaroa.
Ohatra hoe miresaka fivavahana izao isika,tonga dia ampiharina amin'ny fiainana izany fa tsy variana eo amin'ny zavatra hafa tsy hinanan-kanina.
Nampianarina hoe mahaiza mamela hatrany,misy olona nanome anao fanafitohina na hitanao taratra ny tarehiny fa mimototra be dia tsikina fotsiny,afaka anontaniana hoe reraka sa marary ianao izany fa tsy ho vasohanao hoe ary maninona koa ianao no motitra be tahaka an'io:roll: Sa tsy manao izany ny zaza?Mama fa maninona ianao no tezitra,hono hoa,bedin'ny dada ve izaho izaho fa nanao toetra nampatezitra anao.:oops:
49. fijo ( 24/08/2007 20:48)
laza ny nahatonga ahy hilaz ho "tsy mety"dia tsapako fa raha vao miy fikarohan alalina momba ny finoana,de somary mitsivalana matetika ny ao roma ao
50. sonwin ( 24/08/2007 21:07)
omeo ohatra
51. fijo ( 24/08/2007 21:18)
ny akaiky indrindra ia ilay film "passion du kriste"iny tena nosakanan'ny tao roma tsy hivoak amihintsy.fa tsy voasakany.
ny momba ilay lamba ao turin koa,izao dia nosakanana ny mpikaroka tsy hanao fikarohana momba io lamba io intsony.
misy ilay fandaharana tamin'n arte iny koa;"qui est jesus"nosakanana fa tsy voasakana
52. Mitah ( 25/08/2007 04:25)

Na iza manakana na iza manohitra ny tenin'Atra,nahazo fahasoavana taminy izahay ary mino Azy amin'ny fonay manontolo.Tsy mahasakana ny asan'ny devoly anefa izany kanefa tadidio fa misy farany daholo ny zavatra rehetra.

53. niryna ( 27/08/2007 05:31)
Mitah:

Misaotra mitah a:*:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4657