fanodinana vola manakara

21. akama2006 ( 27/08/2007 13:16)
raha mba miverina ny fanapahana tanana ho an'izay mangalatra ohatrany andro fahiny tena hiverina hadio indray ny tanana!ny halatra miampy vono olona moa tonga dia tanana miampy loha dia vita !asa rahoviana vao mba hiverina ireo fepetra ireo mba handry fahizay ny tanana sy handroso!teteo fa ratsy fanahy!:lol::lol::lol::lol::lol::lol:
22. Jeankely ( 27/08/2007 13:26)
Tsy adala akory ireo firenena hafa mbola mampiantra ny heloka ho faty. Vao eny ambony ranomasina dia efa miteny ry zalahy hoe atsipazo anaty rano ny rongony ary midira. Aza tratra eo fa mihantona. Sahala izay ny tratra mitondra basy. Io tsy maintsy misy resaka enjana fa raha resaka safosafo tsy miova izany.
23. menalamba ( 27/08/2007 20:29)
Kay marina,sao dia henjana bé loatra kosa izany ry jeankely?Tsy aleo ve mba gadra mandrapahafaty na Nosy lava ,fa tsy zakan'ny toe-tsain-tsika gasy ilay mandatsaka aina ko? sa akory?:-/
24. tenagasy ( 27/08/2007 22:28)
Mankamamy!

Menalamba sa Fotsy sa Maintso sa Manga Rakoto?

Aho koa dia mitovy hevitra aminao tanteraka!

Raha fangirifiriana no tanjona: ny maty angaha maharary, moa ny velona andro vitsy monja dia hadinony izay maty any!

Kanefa raha migadra (mandrampahafatiny): ny nanao azontsika an-tsaina angamba ny manjoa azy, ny fianakams araka nyeritreritry ny sasany eto hoe (AFOTOTRA) ny hazo no vanon-ko lakana ...; izany hoe raha nania ny anakiray dia misy andraikitry ny manodidina azy izany, ka raha gadraina izy, tsarovan'ny mpianakavy isan'andro isan'ora!

Hevitra maimaika iny fa azatsiny!

Mirary soa!
25. Jeankely ( 28/08/2007 02:24)
Ny dikan'ny fanamelohana ho faty tsy mitady izay hamparary ny mpanao heloka fa filazana ary fampitandremana izay mihevitra ny hanao ratsy fa faty no miandry azy. Rehefa mbola matahotra dia mbola samy havan'ny mpanao risoriso ka malahelo. Rehefa ratsy esorina na avela eo dia samy miaritra ny fivoarana mirefarefa eo daholo.
26. menalamba ( 28/08/2007 07:47)
Ny anao kosa ry Jeankely tsy mba ady hevitra fa raha vao tsy mitovy hevitra aminao dia lazainao fa naman'ny mpanao ratsy .Fifanakalozan-kevitra anie no eto fa raha tsy izany dia ny anao irery ve izany no hojerena eto?Fa fanontaniana kely nanitikitika ahy fotsiny,raha mankasitraka ny fanamelohana ho faty ianao,vitanao ve raha hampiandraiketina anao izany ny fanatanterahana io didy io?Izany hoe na @ fomba ahoana na olona firy ao anaty ny indray andro dia tsy maintsy ataonao?Ohatra averina izany ny fanapahan-doha,dia ianao mihintsy ilay mitana famaky bé na antsy bé ,dia izay mandalo eo dia tsssaaak! mipitika ery sady mbola mety miteniteny ihany ilay loha tapaka @ izany....Asanao aloha fa izaho tsy momba an'izany:-/
27. Jeankely ( 28/08/2007 09:35)
Iza no milaza @nao fa famaky be no nanaovana ilay Malazabe tary Iraq iazy tsy tononiko anarana. Izaho tsy manery ny olona hanaraka ny hevitro ry menalamba fa milaza ny hevitro fotsiny aho ka izay mahatsiaro voadona dia voadona. Tsy mety ny mody manenjika nefa manao na miaro ny ratsy. Rehefa ratsy, lo ary manimba ny fiaraha-monina tsisy fanafodiny hafatsy ny maty. Izay no tsy ahafahanay manao politika satria mahery heritreritra. Aleho ny Chriatian sandoka ihany no mitondra. Alahady mivavaka, Alatsinainy mifanambaka dia miodikodina eo. Izay avy nasian'ny sasany risoriso mamely koa dia samy mifampijery eo. Ary ny tena loza dia ny samy mpanao risoriso no miseho mivazavaza. Izay tsy mandraraha izay loha tapaka any na hiantsoantso hoe Menalamba, menalamba in-arivo aza mandrapahafatiny=))=))=))
28. tenagasy ( 28/08/2007 11:37)
HA! HA! HA! HA! HA!
Mankamamy!

Hainao mihitsy Menalamba ny milaza azy an! Io fa nangitakitaka ary i Jeankely!:-D:-D:-D:-D

Jeankely: ny manao no haintsika fa tsy mahay mamorona olombelona isika. Ilay Inoanao no mamorona dia aleo koa izy no maka.

Saino lalindalina aloha fa aza entim-po ... ambony ihany.

Hoy Ilay Mpanjakako:
"izay tsy nanota taminareo ...."
tsy tonga ho an'ny olo-marina Izy, fa ...
Amiko manaporofo ireo fa misy ny fiovàna ho tsara ary samy manantena izany avokoa ny rehetra.

Hizaràko dinika iray ianao, tsy holazaiko hoe niarahako tamin'iza, fa manampahaizana ambony dia ambony any amintsika no sady olo-malaza (saingy tsy mba mipoera), raha mamaky an'ito izy inoako fa avy de hitsiky be sady hahafantatra avy hatrany hoe iza aho. Chance be ny ahy satria nahazo ora vitsivitsy teo anilany ka afaka nandrombina t@ fahalalany sy ny fahendreny.
Ka izao: ho azy, ohatra iray: raha tsy avy "naditra" ianao tsy afaka hahalala tsara ny tena atao hoe fahendrena, ho lava raha hohazavaina fa dia ho tsorina hoe CONCEPT eto ny DITRA. Ka aminy tsy tokony hananatra ny olona iray raha tsy avy naditra. Manoro no azonao atao.

Raha atohy @ dinika ataontsika dia izao: ireny nania ireny no tena mahalala ny tsiron'ny toerana iverenany noho izay milaza fa teo foana.

Ny olona mandao ny tanindrazana no mahalala ny tena tsiro sy hanitr'izany Gasikara izany, izay ao an-toerana matetika malailay fonosana, iaraha-miaiky angamba iny.

Bref: ireny efa nanao ratsy ireny rehefa tonga saina no tena hendry lavitra noho isika milaza hendry io.

Noho izany: ahitarò ny fonja, dia avelao izay nania hamadik'ota ny nataony ao mandrampahatonga saina azy, raha tsy izay moa dia mandrampahatongan'ny fotoana hakan'ilay namorona azy.
Amiko izay sahy mijoro hoe Andriamanitra no aoka homba io hevitrao io.

NB: Misy ny fiteny hoe: Ny feon'ny vahoaka feon'Andriamanitra: IE! ka raha izany avereno no tora-bato dia antsoy ny vahoaka hanatanteraka izany, dia hohitantsika eo ny tohiny. Ho tsapanao ny fahamarinan'ireo teny etsy ambony ireo. Fa tsy hanao ady an-kanosana toy ny fomba famonoan'ny vahiny, Droit de l'homme aho eh, oi aho eh, ... nefa izy indrindra no tena mpamoritra ny zanak'olombelona (ireo vahiny miseho ho matanjaka sy tompon'ny ... no tiako hilazaina) Indrindra averiko ihany fa raha vahoaka no manatanteraka azy dia leoleo ihany, fa ny fomba hafa ankoatr'izay amiko: FAHOTANA MAHAFATY!
... Aboridano i Menalamba hampiakanjoana an'i Jeankely ...

... ... ... ... ...

Izay fa Mirary Soa!
29. tenagasy ( 28/08/2007 11:46)
Fanampiny kely!

Izahay izao dia midradry ny mangidy indrindra vokatry ny nataon'ireo teo aloha ireo.

Nanana olona nalailay sy nandrandrain'ny fianakaviana tokoa: KINTAN'I MADAGASIKARA hoy ny tenin'ny manamboninahitra ambony indrindra iray teny ampandevenana azy, saingy maty nopoizinin'ireo teo aloha ireo vokatry ny fitiavan-tenany.

Nanana eritreritra ihany koa hoe aza tratrako anie fa avy de vita eo ampitsanganana eo (eritreritra entim-po ... io), saingy rehefa naka fitoniana tsara dia maniry ny hizakan'ireo nanao izany izay sahaza azy, manozona aza moa, saingy ny ainy, Andriamanitra Mahery sy Mahefa ny zava-drehetra mahalala izay hanaovany azy!

:cry: :cry::cry: :cry::cry::cry:
30. Jeankely ( 28/08/2007 11:56)
Izahay tsy manaboridana an'iza an'iza tompoko. Nianatra vao nahavita izay kely vita ary tsemboka vao nihinana izay kely hitanay izahay fa tsy mila ny an'ny hafa. Ho an'izay hafa ny tondroin'ny molotra hafa no ataon'ny tanana mifampiarova hatramin'ny farany. Ny ataonay tsisy fanenenana. Mivavaha dia arovy ny ratsy fa izay no hiraky ny tompo.
31. tenagasy ( 28/08/2007 15:25)

Mankamamy!

Hazavaiko kely ilay hoe aboridano:

- raha ho raisina eo @ fivavahana oh: fahotana mahafaty no anasaziana ilay olona nefa ny mpanasazy koa hanao fahotana mahafaty @ famonoana ny nanota

-izany hoe: heloka bevava no anamelohana azy hofaty, nefa ianao manasazy koa hanao heloka bevava hanala ain'olona ankitsirano fotsiny izao.

De izay no nahatonga ahy hanao hoe: Désabillez Pierre pour habiller Paul!
... Aboridano i Menalamba hampiakanjoana an'i Jeankely ...

HI HI HI

Mirary soa!
32. menalamba ( 28/08/2007 17:12)
Hi! Hi !mba hamelao ravim-boaloboka ihany aho hitakonako...:^):^)
33. Solitikabe ( 28/08/2007 20:01)
Na ny fiangonana aza anie ry Jeankely fanambakana fotsiny eh. Tsy voatsikaritrao ve? maika moa fa ny mpikambana ao aminy. "Ataovy ny ota hoy izy fa Jesosy manala ireny". Izay no mahatonga ny fiangonana hiady amin'ny famelan-keloka an'ireny mpanao politika ratsy ireny, saingy tsy mandraharaha ny madinika nangalatr'akoho.
Fony fanjanahan-tany dia tsarovy fa ireto no fiadiana telo netin'ny mpanjanaka:
1- Mpandraharahana
2- Miaramila
3- Pasitera na Mopera
Iray sambo foana ireo hatramin'izay, ary mifanaraka ny fahatongavany
34. Jeankely ( 29/08/2007 02:03)
Izaho manokana aloha tsy mampifangaro ny vavaka, fivavahana ary mpivavaka na mpampivavaka. Raha tena mivavaka sy mino an'Anadriamatra na lazaina amin'ny teny hafa tsy tafiditra mihintsy ny resaka fitaka. Saingy hita mibaribary izany amin'ny fihainan'ny Mpanao Politika sy Tompon'andraikitra Malagasy sasany. Vao mandray fitenenana dia resaka anaty Baiboly atsy ambadika anefa resaka mifanohitra amin'ny Baiboly. Ny fanaratsiana fivavahana tsy anjarako fa milaza fotsiny aho hoe entin'ny Mpanao Politika andresena lahatra ilay Baiboly.
35. Solitikabe ( 30/08/2007 12:13)
Izaho tsy nanaratsy fivavahana, fa ilay fika ao ambadiky ny fiangonanana mihintsy no mandreraka ahy. Toa mitovy amin'ny mpanao politika rehetra ihany: Ny mpanao politika eto rehefa tsy mahazo seza dia manohitra dia rehefa mahazo kely dia mitsy. Manao filazana etsy sy eroa ny fiangonana fa tsy mety itsy tsy mety zaroa, nefa rehefa androtsahana saosy dia ohatry ny tsy nisy ilay fanambarana natao teo aloha, saingy lazaina hoe fiaraha-miasa fiangonana-fanjakana. Dia eo iny.
Koa raha toa tsy voatohitohina fa navela hitsoaka ilay olona naka ny vola dia mety hoe noho ny fiombonam-ben'ny mpiara-mivavaka angaha: "Izay tsy nanota taminareo no mitorà vato azy"
Fa mazotoa daholo eh
36. nanas ( 30/08/2007 20:27)
ohatran ny hoe zay misy an i Solitikabe hidirako daholo, mampihomehy nefa marina ny zavatra lazainao.
37. Jeankely ( 05/09/2007 07:09)
Ny an'ny sasany fandemena saina ny hiresahana tenin'ny baiboly. Fa adala angaha ny Papa no miaro ary manana Garde corps. fa maninona no voahodidina tany Silamo Israel nefa mbola anisany mafy. Ary manaiky ho vonoinao eo ireo an. Aminay ny mpnimba tanindrazana mila alefa any ampasana. Vita.
38. khoto ( 07/10/2007 15:58)
Atôvy lisitra fa ny aty bianco paralela e!Iza dôly le tsy manankataorana reo:manararôpaefana,manodikodna,mangalatra,manambaka,mampanofabasy:
Miomana r nmn isany fa ds les minutes qui suivent: régler ko n compte n'io ol io!maty paika ny tetiko!Rah libre aho hiforum eto iany.Bye ry tsy matahotody :mpihinana hatsembohanay!mpangalatra harempireneko!mampanofa basy hamonoana any!
eritrereto we @karamakeliko a: un millio cinq cent isam bolana ny hetrako;banky robain'n tomponandraiktra, foiben hetra (ambojatovo)toizany:tsisy arakaraka!basy etsy sy eroa@jiolà!refa atao fanadiadian tsita voraka!
Reo ministra mandray vingt six millio reo ve mba mandoa an'zany?
monopoliser na ny PPN:menaka,vary (vodiala);
tsy mba tompom pajakana izahay vaôka satry tsisy miaino afats@ réglement de cpt!
(atovy broacast @ forum retra ty d az mbô vonoana ny psedoko an!)
mila arbitra ny fitondrana f'aza gabraraka be hôtr izao e!asio contrat @vahoaka ny mpitondra ts11!
39. Jeankely ( 11/10/2007 13:52)
Allo Be-khoto=))=))=))
40. niainalynx ( 12/10/2007 11:15)
Fa ny mahalasa ny fisainana dia ity : raha naharaka vaovao isika dia nisy fanomezana avy any Belgique ka fandriana ho an'ny hopitaly dia fauteuil roulant sns no azon'lay hopitaly toa teny avaradrano teny izy io . Avy amin'ny alalan'i Jeneraly Ranjeva Marcel sy ny vadiny no nahitana io don io raha tsy diso aho . Ka sao dia efa mba nalamina tany ambadika ndray io afera io dia nividianana ireny dons ireny ny vola e !
Eritreritra mandalo ny ahy iny e !!!!!!:?::?::?::?::?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0387