finoana

41. Kwasi ( 24/08/2007 19:02)
Henjana ity.:D

Izaho indray aloha dia tsy mitovy hevitra @ izay manao hoe nentina nandemena ny sain\'ny vahoaka malagasy ny kristianisma donc ratsy ny kristianisma.
Marina aloha fa saika niditra nialoha na niara-dalana hatrany t@ fanjanahana ny fidiran\'ny fivavahana kristiana @ toerana iray.
Nefa tsy ny mpitondra ny fivavahana kristiana akory no nampiasa ny firenena iray hanjanaka, fa ny firenena mpanjanaka no nampiasa ny fivavahana ho fitaovana.

Fa ity mba fanontaniana kely: inona moa no mba tena fampanantenana nentin\'ny finoana nentin-drazana malagasy? Afa-tsy ny hoe hotahian\'ny razana (izay mampisalasala ihany ny fahamarinany).
42. gasynamana ( 24/08/2007 20:19)
Miala tsiny fa izay vao tafaverina. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy voavaly mihitsy ilay fanontaniako hoe: Inona no atao hoe finoan'ny razana? Mbola tsy nisy valiny nomen'i fijo na iray aza. Ahodiny amin'ny resaka hafa ny resaka. Mba valio mivantana hoe: izao no izy, inty no tena gasy, araho fanazavana. Misaotra mialoha.
43. fijo ( 24/08/2007 21:34)
ny razana dia nino ny zanahary ary nanao ny sampy hampita ny fangatahany hoany.raha tsotsorina dia izay.mbola izay koa no misy ao amin'ny doany ao mahajanga izay mbola mino io finoan drazana io.
ny razana tsy nino izany jesoa izany.ary ny razana dia nanaja ny natiora.
raha izay no fotitry ny finoana gasy,inona no maharatsy azy??????
raha tsy manresy lahatra an'ipisso ny asan'ny finoana tamin'ny fanjanahana dia jereo ny nisy tany amerika atsimo.nezahana hivadika kristianina aloa ny olona tany,avy eo tonga ny fanjakana,ary aza hadino fa ny fanjakanano nandefa ireny olona ireny.tain'izany fotoan aizany dia niara niasa ny mpanjaa sy ny eglizy.
44. fijo ( 24/08/2007 21:37)
isika gasy koa ania na dia misoratena ho kristianina aza;mbola tsy miaina izany andavanandro,satria tsy mbola izay loatra no tena maharesy lahatra fa "fomba "de arahana.
45. gasynamana ( 24/08/2007 21:56)
Misy hira katolika izay nilaza hoe: ny razatsika hendry sy lalim-pandinihana nanaiky sady nino fa ao ny Zanahary... Izay finoany izay dia tsara saingy hoy ihany io hira io hoe: somambisamby ihany. Ny somambisamby dia tsy tena mazava. Ary rehefa tsy mazava dia atahorana. Dia mba jereo kely ireo ohabolana malagasy maro milaza momba an'Andriamanitra fa tsy vitsy no maneho izay tahotra izay.
I Kristy no hazavana, hoy ihany io hira io. Ny finoana kristiana no manazava misimisy kokoa an'io finoan'ny razana io: vakio ny boky nosoratan'i Dubois (miresaka ny finoan'ny razana sy ny finoana kristiana amin'iny faritra atsimo atsinana iny) ny boky maro nosoratan'i Navone (sady manana doktora amin'ny filozofia, teologia, io olona io no manana doktora amin'ny resaka malagasy koa) Boky nosoratan'i Adolphe razafitsalama (raha mbola malagasy koa ka nandalina ny maha malagasy dia tokony hahalala io olona io) toy izany koa Rahajarizafy....

Manaraka an'izay dia izao: Aza afangaro ny resaka finoana sy ny fanjanahana. Ataoko fa fantatrao fa tsy ny frantsay no nampiely ny finoana kristiana voalohany tany Mada. Nisy koa ireo misionera martiry noho ny tsy fanekeny ny vazaha mpanjanaka.
Ny fanirahana ny misionera koa dia miankina amin'ny lebehin'ny fikambanany na ny Eveka fa tsy miankina velively amin'ny fanjakana.
Ary farany: raha fanjanahana ny finoana kristiana efa ela no levona, fa matoa izy mbola velona sy mihamiroborobo dia satria hafa noho ny fanjanahana.
46. piste ( 24/08/2007 21:57)
Misy ny Religion naturelle ry Fijo a. Ary isan`izany ny finoantsika ny razana. Mino an`Andriamanitra na Zanahary ny razantsika. Kanefa tsy tena fantany ary tsy takany rahateo ka aleony niankina bebe kokoa t@ razana.
Tsy misy maharatsy azy aloha, fa kosa tsy ampy io. Antony intermediaire ihany ny razana fa tsy Zanahary.
Ka izay no tsy mampitovy azy @ Religion revelee na ny Christianisme. Antony, satria ny Zanak`Andriamanitra mihitsy no tonga tety an-tany nanambara ny mombamomba ny Rainy dia Andriamanitra izany.

Asa na nahita an`ilay film La Mission iny Rafijo fa tena gidragidra entre ny mpitondra fivavhana sy ny mpanjanaka io.
Fehiny tsy azo generalise-na ilay izy.

Raha ny Gasy kristianina indray : dia misy Kristianina par coutume( manaraka ny fianakaviana), ary misy ny convaincus: dia ireo nanana experience de Dieu ka resy lahatra.
Na izany tsy izany, tsy hahita kristianina lavorary izany ianao satria eny an-dalana ho @ izqy izy fa tsy mbola tonga akory.
47. fijo ( 24/08/2007 22:05)
za aloha tsy hino hoe ny kristianisma dia ambony sy azava kokoa no ho ny finoan drazana .izay laviko.ambony satri ahoe "i jeso ano tonga tety"aminareo mino an'i jesoa dia ambony izy ,fa aminay ts misy dikany fa olona toa ahy sy ianao izy.

ary diso be ny manasaraka ny finoana sy ny fanjanahana.fitaovana nampiaain'ny mpanjanaka ny fiangonana handemena ny olona hozanahana.tsy tao mada irery izany no nampiasaina fa eran tany.
mino aho fa maro kokoa ny kristianina rapomba noho ny tena mino ngamba.
48. gasynamana ( 24/08/2007 22:35)
Raha resaka tsy fitiavana vazaha no tsy mahatonga anao tsy hino na mahatonga anao minia mikipy manoloana ny marina dia mampalahelo ihany. Fiheveran-diso tanteraka nefa moa safidy ny hino na tsy hino ka tsy misy ifanerena. Izao anefa ny fantatrao dia voafetra ihany fa tsy marina tanteraka, mbola misy ny marina hafa sady maro mihoatra lavitra noho izay efa hainao.
49. fijo ( 24/08/2007 22:45)
tsy resaka tsy fitiavana vazaha akory.diso fandraisana enao eto.mbola 15 taona aho no efa tsy nino.
ekeko fa ny marina haiko dia voafetra.io tsymisy manana azy tanteraka nefa
50. mandrindra ( 25/08/2007 06:18)
pissoa:

mandrindra:
tsy haiko aloha hoe iza no finoana tsara kokoa na ny fanompoana sampy, na ny finoana andriamanitra maro, na ny finoana kristianina na hafa koa. izaho aloha dia tsy misy arahiko ireo.

ny zavatra ekeko kosa dia nentina nanimbana ny fomba malagasy sy hanavona ny toe-tsaina malagasy ny kristianisma. fomba nampidirina io mba ahamora ny fanjanahana. ohatra, talohan'ny nidiran'ny kristianisma dia ny hira gasy sy ny kabary no fampitana vaovao. nony tonga ny fivavahana kristiana dia ny fiangonana no fampitana vaovao. vokany ankehitriny, zara raha misy sisa ny hira gasy, mihamahantra ny voambolana sy ny haiteny malagasy.


raha tsy diso za dia tsisy mihitsy ao amin'ny didy arahin'ny kristianina hoe tsy mahazo manao hira gasy na tsy mahazo mitrandraka ny haiteny malagasy. ka tsy ny kristianisma amin'ny mahakristianisma azy mihitsy no nanimba sy manimba ny mahalagasy fa ny vazaha nanararaotra ny fisian'ny kristianisma sy ny gasy ihany !

pissoa, taloha na izay mbola tavela kely nakehitriny dia andro alahady no fanaovana ny hira gasy. nony tonga ny krisitianisma dia natao mifaindry amin'ny oran'ny hira gasy ny fotoampivavahana. izay no fomba nentina nandavona ny hira gasy.

51. pissoa ( 25/08/2007 12:14)
mandrindra:
pissoa, taloha na izay mbola tavela kely nakehitriny dia andro alahady no fanaovana ny hira gasy. nony tonga ny krisitianisma dia natao mifaindry amin'ny oran'ny hira gasy ny fotoampivavahana. izay no fomba nentina nandavona ny hira gasy.

ary tadidiko tam mbola tany Dago za, dia hatramizao koa angamba ... isaky ny misy fety eny amin'ny petit seminaire eny Ambohipo dia misy hira gasy foana ny tolakandro ! fomba entina andavoana ny kristianisma na katolisisma njay ve io zany ? :-D:-D:-D

Fijo:
raha tsy manresy lahatra an'ipisso ny asan'ny finoana tamin'ny fanjanahana dia jereo ny nisy tany amerika atsimo.nezahana hivadika kristianina aloa ny olona tany,avy eo tonga ny fanjakana,ary aza hadino fa ny fanjakanano nandefa ireny olona ireny.tain'izany fotoan aizany dia niara niasa ny mpanjaa sy ny eglizy.

avereno vakina ndray ny soratro ! tsy ny Kristianisma araka ny mahaKristianisma azy no nanimba na manimba ny mahamalagasy fa ny vazaha nanararaotra ny fisian'ny kristianisma sy ny gasy ihany ! hatramizao anie dia mbola betsaka ny mandika diso ny kristianisma e, na tena tsy fahaizana na fikatsahana tombontsoa manokana mihitsy.

Fijo:
ary diso be ny manasaraka ny finoana sy ny fanjanahana.fitaovana nampiaain'ny mpanjanaka ny fiangonana handemena ny olona hozanahana.tsy tao mada irery izany no nampiasaina fa eran tany.

Io ambony io ihany ny valiny ! Ary ianao ihany dia efa milaza fa nataon'ny olona fitaovana ny finoana ... tsy haiko, hatramizao koa angamba :-P fa izany akory tsy midika hoe ilay finoana no ratsy na manimba ny mahagasy e !

Fijo:
mino aho fa maro kokoa ny kristianina rapomba noho ny tena mino ngamba.

Hi hi hi, ... mino ianao ... angamba ... ! :lol:
za teo hoe:
Ny fahitako an'i Fijo mantsy izao dia toa te "hanatsara" ny finoan'ny Malagasy taloha satria "iny no an'ny razana" ... Tsy an'ny tena akory izany le izy fa an'ny razam-be taloha fotsiny ... Tsy i Fijo ve no tena manao an'io voalazan'i Fijo io hoe izay aho (=tsy Kristianina) satria ny razambeko (izay raiamandreny tokoa) tsy Kristianina ?

Iza no tena rapomba eto e ? :-D:-D:-D
52. tsaramaso ( 25/08/2007 12:35)
fijo:
mino aho fa maro kokoa ny kristianina rapomba noho ny tena mino ngamba.
Tena marina !!! mpetsaravelatsihy aby aby !!!!
53. naughtyboy ( 25/08/2007 13:25)
zay ndrindra no anisany fototry kristianisma ka le inoana nge de mazava tsara fa tsy tonga ho any reo lafatra fa ny ratsy toy ny mpetsaravelatsihy ny mpamono oul sy ny rehetra tsy voatanisa otrany oe tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary , famonjena ny rehetra efa vita na lavitrezaka aza asa fanarahadia ilay Inoana.
Misy ambaratonga 4 ny fahafantarako an\\\'io,
1.ny tsy mpino zay mety mizara 2
-tsy mino tsotra zao de tsy mivakiloha
-tsy mino sady manenjika
2.mpino nefa tsy mpanaraka
- mety oe sadasada
- mety ko mino ary tafalatsaka ao aminy ny vaovao mahafaly fa mbola tsy lasa lavitra noho ny mpanaradia hafa (io ngamba no misy anah:°))
3.reo mpanaradia
- ao reo azo atsoina oe fanatika zay tsy mahay mampifanaraka ny finoany @ hafa ka refa tsy mifanaraka @ heviny de fahavalo na tsy namana
-ao reo tena mpanaradia fakana tahaka tsara na de vitsy aza izy reny
4.reo mpitondra faratampony @ finoana samihafa
-pretra ao vatican oh. zay toa teny no anisany manana influence lehibe indrindra erantany na socio-politics,economica na spiritual world,mpanelanelana ny oul rehetra aminy Andriamanitra ra tsy diso aho
-guru @ indouhism na taoism sns..
-Madagasikara ko de mbola manana vakoka arapinoana voatahiry ny razantsika taloha zay efa voalazany fijo ny sasany tetsy ambony ny natiora (t@ androny Napoina ra tsy diso aho no nivoahany finoana reo tendrombohitra 12 nanodidina Antananarivo)

de anjarantsika no mijery iza @ reo no misy antsika de zay samy hajaina ny safidy fa tsisy ifanomezantsiny misaotra tompoko:°)
54. fijo ( 28/08/2007 23:11)
ka holany andro meo meo toa ny saka eo nareo fa tsy hitranga mihintsy le tara raha tsy nareo no mihezaka ko
55. ikaretsaka ( 29/08/2007 00:06)
mpinompino foana tsssss/....
56. fijo ( 29/08/2007 22:18)
tsa mba ahako annn
57. ikaretsaka ( 02/09/2007 22:09)
Ny Vavaka: tolona fa tsy sento!
praying is a challenge, not exposing sentiments
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0939