finoana

21. ikaretsaka ( 23/08/2007 04:09)
mba atsipy hono ny atody..vaky
dia atsipy ny eritreritra ... ka sarobabay de ze voa aza tezitra e
22. majakely ( 23/08/2007 06:41)
wadrayyy hihihihi hazavao hono Fijo aaa!!eka ouzzzy:lol:
23. menalamba ( 23/08/2007 08:11)
Ary manepoka tsy mamaly ny fanontanian'ny olona i fijo ,anefa izahay koa eto mba liana té ahita ny fanazavanao ...aiza nareo é?:^)
24. dadie ( 23/08/2007 08:17)
Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 23-08-2007 00:51:11
Lohateny : Re : finoana
Mba azonao hazavaina kely ve mikasika an'ireo finoana lazainao ireo? Raha ny fahitako azy mantsy dia tsy misy fanazavana mivantana omenao fa zavatra hafa no ambaranao.


Mpandefa : fijo [ Valio ] 23-08-2007 01:02:06
Lohateny : Re : finoana
inona le tiana hoazavaina aloha fa malalaka loatra le fangatahana
Mpandefa :
Belle [ Valio ] 23-08-2007 01:35:17
Lohateny : Re : finoana
ny fahitako ny fomba firesak'io fijo io ny finoana kristianina amin'izay rehetra soratany dia mipetsopetsona fotsiny tsy misy fitombenany na fanamarinana akory!


fijo aiza ianao fa tsy azon'ol ny zavatra tianao lazaina fa manjary ry zareo no mifampanotany ato lol....
NB :hay v ianao koa mandalo ato e zatra maita anao ary am lé toarana iray lol
25. menalamba ( 23/08/2007 08:40)
:°):°):^):-D dadie.....cool !!!:lol:
26. mimich ( 23/08/2007 09:13)
Inona moa ilay atao hoe mino????
Samy "mino" na manana ny finoana avokoa ny olona, araka ny fiheverako azy, eny fa na ireo lazaina hoe "tsy mpino", fa ny fototr'ilay finona no tsy mitovy.

Ho an'ny ilay ataontsika hoe "tsy mino " na "tsy mpino" dia ny fototry ny finoany dia izay "tsy fanekena ny fisian'ny hery ambonin'ny hery voajanahary ( na Andrimanitra io, na sampy , na inona) , ary mifototra amin'izay avokoa ny itondrany ny fiainanany rehetra.

Ho an'ny ilay ataontsika indray hoe "mino" na "mpino" , dia mifototra amin'ny fanekena sy finoana fa misy ny hery ambonin'ny hery voajanahary mitantana ny fiainany, fa ny tompon'ilay hery no manavaka ny tsirairay sy mamaritra azy. (andriamanitra, andriananahary , sampy sns )
Noho izany amiko dia mpino avokoa ny olona rehetra, fa ny fototra no tsy mitovy; fa ny tsara dia ny mamantatra ny fototr'ilay finoanao sy inoanao mba tsy ho lasa finoana "tsisy foto(tra)ny sy tsy mari-pototra" ka zay vao tonga amin'ilay voalazan'i Ikaretsaka.

Ary manepoka tsy mamaly ny fanontanian'ny olona i fijo
efa misy lerany ny fidiran'i fijo eto ; mbola tsy lerany zao , fa ho avy eo ihany izy.
Izy ndray de tsy mitsoaka raha ity resaka ity , ary mahalala betsaka noho ny maro amintsika aza raha ny resaka finoana no ambara.
27. ikaretsaka ( 23/08/2007 11:02)
miombon-kevitra @ mimich!
dia manamafy fa misy lerany koa ny fidiran'i fijo eto..
28. ratonga ( 23/08/2007 13:43)
ary mitovy ihany anie ny lazain'i mimich sy fijo é, ny an'i fijo fotsiny wé atsarao na lalino ny finoana malagasy fa tsy ny an'ny vahiny
izaho aloa dia miombo-kevitra amin'i fijo indrindra ilay lazainy hoe
ny finoana kristianina an,dia finoana nanmpidirina handemena antsika .vao tonga ry zalahy dia ny nanafoan any finoantsika no tanjonysatri any olona very finoan amora arebireby,ary dia izao no vokany.ny azy indray no lazaina fa tena finoana.isika gasy nanana ary mbola manana ny fahendrentska izay efa somary very izao.io no tokony ezahana hoatao izay hiverenany fa tsy izay finoana nansesika avy aiza izao no lazain asy arovana,nefa izynampiditra azy aza tsy manaraka izany
29. cutie ( 23/08/2007 14:07)
miombon-kevitra @ mimich koa:)
30. niryna ( 23/08/2007 17:39)
LazaDaddy:

Ratsy ny mino raha tsy marina sy ratsy ilay inoana, fa tsara kosa ny mino raha tsara sy marina ilay inoana.

Ny soso-kevitro dia tsy moe mino sa tsy mino, fa kosa hoe inona na Iza ilay inoako? Tsara sa ratsy? Marina sa tsia?







=D=D
31. ikaretsaka ( 23/08/2007 18:23)
dia ahoana @ zay ary no ahalalana ny tsara sy ny marina sy ny ratsy @ finoana "nindramina"??

[quote=ikaretsaka]ka raha ao amin'ny sainao ilay izy ka lazainao ho tsara nefa sady tsy ampy no tsy marim-pototra ilay anao fa "nindramina" sy namboamboarina t@ ny an'ny hafa aza dia naman'ny minomino foana koa izany! naman'ny tsy mahafantatra tsara ilay Inoany izany, tsy manana porofo ny mahatsara sy maharatsy azy na manana fa keeeeeeeely dia kely, sombiny keeely nindramina t@ ilay fototra naorin'ilay Tena nanorina,

ka rehefa asaina mamelabelatra ny antony dia mitanatana vava fotsiny dia porofo iray no averimberina toa diska loaka eo satria iny no keeeely mba ananana, rehefa ahitsy avy eo dia tsy manaiky fa na tsy mamaly na mody fanina


vokany dia lasa be doika fotsiny fa tsy te hanaiky ny filahatry ny finoan'ilay manana finoana nangalana ilay "nindramina". nefa ilay olona efa maha fantatra be izao fa tsy ampy ny an'ny tenany[/quote]
32. naughtyboy ( 23/08/2007 18:38)
zao manokana ry fijo ra iverina @ resaka hino vazimba sy ny razana taloha de tsy ho safidiko mihitsy aza adino kalo manana safidy ny oul andray na tsia finoana 1(na avy any @ razambe na ny vahiny) ,tsisy oul azo terena fotsiny zao hino atsanga aman'orana raha mpino izy
saode mba diso fipetraka ihany ry ikaretsaka ny tsikera etsy ambony etsy ka lasa mivadika fitsarana be fahatany, tsy anjarany hafa mihitsy no itsara ny abetsany na ny akeliny finoany oul(iza moa ianao mpitsara no ihevitra ny tenanao ho b finoana lavitra noho ny hafa:lol:na ho mety koko ny finoanao noho ny hafa,aleo ihany iny anjarany izay inoanao
ra ifampizara andrana @ finoana sy ifanoro de azo enoina tsara oh. tsy voafitaky ny vazaha za ra manaraka ny finoana kristianina nefa misy kristianina sahala amiko hafa fijery de hajaiko iny finoany iny fa tsy tsikeraiko b fahatany ary mino aho fa ilay Jesosy inoako tsy b tsikera toy zao ka marina ny voalazao ndray2 samia mandinitena:lol:
teny tsy misorona reo voalazakko reo fa tsisy filana ady akory:-D
33. fijo ( 23/08/2007 20:56)
io voalaan'ika io no manakaiky ny tiako lazaina.
ikaretsaka 23/08 01:50:06
tasara ny mino raha fntatrao izay hinoanao"
maro tokoa ny malagasy no milaza fa kritsianina,satria moa ny ray amandrenin di akristianina ary nozarina tamin'iznay izy."za ohatra vita batisa "na tsy sitrapoko aza.
ny olana anefa dia vao maheno hody gasy ireo dia miforidrambo fadiranovana satria hoe "ody mahery sns"ny anton'io dia satria tsy io no tena finoanao,fa le atahoranao.
ka raha ilay an'ny razanao no tena atahoraao sy hajainao,maninona raha io no ezahana atao izay ahatsara azy????? ny karana izao voazanaka ngah aizy nanary ny azyyyy.sa miteniteny foan aindray aho eto???
34. pissoa ( 24/08/2007 00:04)
fijo:
io voalaan'ika io no manakaiky ny tiako lazaina.
ikaretsaka 23/08 01:50:06
tasara ny mino raha fntatrao izay hinoanao"

Tena siora ve i Fijo fa io no tian'i Fijo tenenina ?

fijo:
maro tokoa ny malagasy no milaza fa kritsianina,satria moa ny ray amandrenin di akristianina ary nozarina tamin'iznay izy."za ohatra vita batisa "na tsy sitrapoko aza.

Ny fahitako an'i Fijo mantsy izao dia toa te "hanatsara" ny finoan'ny Malagasy taloha satria "iny no an'ny razana" ... Tsy an'ny tena akory izany le izy fa an'ny razam-be taloha fotsiny ... Tsy i Fijo ve no tena manao an'io voalazan'i Fijo io hoe izay aho (=tsy Kristianina) satria ny razambeko (izay raiamandreny tokoa) tsy Kristianina ? :-D:-D:-D

Fijo:
ny olana anefa dia vao maheno hody gasy ireo dia miforidrambo fadiranovana satria hoe "ody mahery sns"ny anton'io dia satria tsy io no tena finoanao,fa le atahoranao.

1 - Nanao fanisana ve i Fijo amin'ny Kristianina matahotra ody gasy sns ? Ny "maro" mantsy amiko dia miankina amin'ny isan'izy rehetra. Raha 1/100 ohatra dia mety hiteny aho hoe maro ... indrindra raha oharina amin'ny 1/100000000 !

2 - Heveriko fa rehefa hiresaka finoana dia ny dikan'ny "mino" aloha no fantarina voalohany, na ampahafantarina ny hafa dikany tiana horesahina. Ny mino mantsy rehefa ny Kristianina Katolika ohatra no miresaka (io no haiko) dia tsy hoe "Mino aho fa misy" fotsiny, fa mbola misy koa hoe "Inoako izay lazainy." Ka ny fatahorana mpanao ody gasy rehefa tena misy manana talenta amin'izany tokoa entina hanimbana ny olombelona dia tsy midika finoana ny ody gasy velively ... Izaho matahotra mpangalatra, fa tsy hoe izay teny rehefa aloaka ny vavan'ny Mpangalatra dia inoako daholo ...

Fijo:
ka raha ilay an'ny razanao no tena atahoraao sy hajainao,maninona raha io no ezahana atao izay ahatsara azy????? ny karana izao voazanaka ngah aizy nanary ny azyyyy.sa miteniteny foan aindray aho eto???

:-D:-D:-D
Tetsy ambony ilay izy toa hoe matahotra fotsiny an'ilay ody gasy ny olona, fa rehefa eto ambany dia miampy tampoka hoe manaja ... Inona no tena tiana holazaina. Tsy izay rehetra matahotra anie dia manaja e. Za hoa matahotra mpangalatra fa tsy handeha hanaja azy amin'ny mahampangalatra azy mihitsy aho raha sendra mifanena eny amy tiribonaly izahay ... :-D Ka aleo hazava izay tiana horesahina e !
35. LazaDaddy ( 24/08/2007 00:13)
fijo:
ny olana anefa dia vao maheno hody gasy ireo dia miforidrambo fadiranovana satria hoe "ody mahery sns"ny anton'io dia satria tsy io no tena finoanao,fa le atahoranao.
Misy itovizako hevitra aminao mihitsy eto. Ny ankabeazan'ireo Gasy milaza azy ho "Kristianina" dia tena matahotra ody gasy fadiranovana, na dia be resaka ho tsy matahotra aza. Misy aza moa manambara am-pahibemaso fa mankany amin'ny mpanandro sy dada rabe sns..."Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." 2 Kor 11:14

fijo> ny tsy itovizako hevitra aminao dia izao: tsy izay milaza tena ho Kristianina no "mpanara-dia an'i Kristy" marina.
36. ikaretsaka ( 24/08/2007 00:23)
dia izay no ianarana azy re! hoe avy aiza de ahoana dia maninona dia inona no symbolizevany aloha... dia inona ny ifandraisany!
izay vao miteny oe izao na izao!
Ohatran'ny resaka symbole amin'ny famadihana sy mikasika ny relics, ny virtues an'ilay tapakazo, snsss...
efa resaka teto izany (ary anisan'ny be no nanao mody fanina nony tsy nanan-kalaatra intsony) ka tadiavo ao ambadika ao
37. piste ( 24/08/2007 04:14)
Ry LD, ny ody gasy rehetra tsy voatery avy @ ilay ratsy. Matetika manko isika kristianina tonga dia mitsara ivelany izay. Io dia karazana fanakatonam-baravarana ho an`ireo izay mbola tsy mino an`i Kristy.
Tadidio fa raha tsy mbola nisy Dokotera teto M/kara(t@ fahagolan-tany tany) dia io no fomba fitsaboana t@ izany. Ary taloha koa betsaka ny mosavy sns, dia @ alalan`io ihany koa no nentina nitsaboana ireo voan`izany mosavy izany.
Noho izany azo lazaina voajanahary ihany izany.
Tsy miteny aho fa tsara daholo raha vao odi-gasy fa arakaraka izay ampiasain`ilay olona azy ihany io. Na entina hanasoavana na entiny hamotehany ny mpiara-belona aminy.
38. mandrindra ( 24/08/2007 10:01)
tsy haiko aloha hoe iza no finoana tsara kokoa na ny fanompoana sampy, na ny finoana andriamanitra maro, na ny finoana kristianina na hafa koa. izaho aloha dia tsy misy arahiko ireo.

ny zavatra ekeko kosa dia nentina nanimbana ny fomba malagasy sy hanavona ny toe-tsaina malagasy ny kristianisma. fomba nampidirina io mba ahamora ny fanjanahana. ohatra, talohan'ny nidiran'ny kristianisma dia ny hira gasy sy ny kabary no fampitana vaovao. nony tonga ny fivavahana kristiana dia ny fiangonana no fampitana vaovao. vokany ankehitriny, zara raha misy sisa ny hira gasy, mihamahantra ny voambolana sy ny haiteny malagasy.

ho ahy manokana tsy hoe satria tsy an'ny razambeko ny kristianisma dia tsy mino aho, fa ny kristianisma mihitsy no tsy ekeko.
39. ikaretsaka ( 24/08/2007 12:10)
ilay fisainana hoe rehefa hery tsy hay ny manazava azy dia herin'ny maizina aloha dia efa mampivoana azy.

Ny fanetren-tena tsy hitady hoe fa maninona tokoa?? fa tonga dia io mitsara ivelany io koa dia efa mampivoana azy koa (ohatra hoe ilay resaka sampy )

tsy compatible ireo fa complementaire
40. pissoa ( 24/08/2007 17:34)
mandrindra:
tsy haiko aloha hoe iza no finoana tsara kokoa na ny fanompoana sampy, na ny finoana andriamanitra maro, na ny finoana kristianina na hafa koa. izaho aloha dia tsy misy arahiko ireo.

ny zavatra ekeko kosa dia nentina nanimbana ny fomba malagasy sy hanavona ny toe-tsaina malagasy ny kristianisma. fomba nampidirina io mba ahamora ny fanjanahana. ohatra, talohan'ny nidiran'ny kristianisma dia ny hira gasy sy ny kabary no fampitana vaovao. nony tonga ny fivavahana kristiana dia ny fiangonana no fampitana vaovao. vokany ankehitriny, zara raha misy sisa ny hira gasy, mihamahantra ny voambolana sy ny haiteny malagasy.


raha tsy diso za dia tsisy mihitsy ao amin'ny didy arahin'ny kristianina hoe tsy mahazo manao hira gasy na tsy mahazo mitrandraka ny haiteny malagasy. ka tsy ny kristianisma amin'ny mahakristianisma azy mihitsy no nanimba sy manimba ny mahalagasy fa ny vazaha nanararaotra ny fisian'ny kristianisma sy ny gasy ihany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5654