Fa toa tsy hita ao anaty baiboly ny hoe Jesosy nanao...

1. Kwasi ( 17/08/2007 11:56)
... batisa ny mpianany e?

Dia ho hadinon'izy 4 mirahalahy ve ny nanoratra izany raha nisy, eny fa na dia ohatra aza hoe batisa natao t@ mpianatra anankiray fotsiny aza?

Sa iza no nanao baatisa an-dry zareo ireo? i Jaona ve?
novalian'i fijo ny 23/08/2007 21:50
2. bosista ( 17/08/2007 12:08)
mety tsy mila atao batisa angambany ry zareo,na i jaona ary tsy voalaza hoe natao batisa koa izy nefa ny mahagaga raha tsy diso ny fitadidiako dia hoe tsy tafiditra ny fanjakan'ny lanitra hono raha tsy vita batisa, de ahoana zany?
3. salmo1 ( 17/08/2007 14:39)
Iza no milaza fa izay vita Batisa ihany no tafiditra @ fanjakany lanitra? Tsia
- Izay rehetra mino an' i Jesosy Kristy sy mitandrina ny didiny rehetra no mety ho tafiditriny Fanjakany lanitra.

Raha vita Batisa ny olona anakiray kanefa tsy mba manaraka ny didiny dia tsy voavonjy izy.

Midika zany fa na dia tsy vita batisa aza ianareo kanefa mitandrina tsara ny didiny dia ho voavonjy hiray latabatra @ Tompo mandrakizay.
4. cutie ( 17/08/2007 14:42)
Izay rehetra mino an' i Jesosy Kristy sy mitandrina ny didiny rehetra no mety ho tafiditriny Fanjakany lanitra

:lol::lol::lol::lol::lol:
5. todisoa2 ( 17/08/2007 15:30)
Kwasi:

... batisa ny mpianany e?

Dia ho hadinon'izy 4 mirahalahy ve ny nanoratra izany raha nisy, eny fa na dia ohatra aza hoe batisa natao t@ mpianatra anankiray fotsiny aza?

Sa iza no nanao baatisa an-dry zareo ireo? i Jaona ve?


Vakio Asan'ny apostoly, fa ny batisa t@ Fanahy Masina ny an'ny Mpianany. Jesosy dia efa nilaza t@ mpianany ny mba tsy hihetsehany alou ambaram-pitafin'izy ireo ny Fanahy Masina. Ny Batisa anie avy @ Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Eto dia Atra Ray sy Zanaka no maniraka ny Fanahy MAsina mba hanamasina.

Tsarovy Misy karazany efatra ny batisa ao @ TV:
- batisa @ rano (batisan'i Jaona, izay batisan'ny fibebahana)
-batisa @ afo (Fanahy MAsina izany, ny mpianatr'i JEsosy ihany no nahazo Azy)
- batisan'i Jesosy (Atra Ray nidina toa @ Jesosy toy ny voromailala)
-Batisa @ anaran'i Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) izay ampiasaina ankehitriny.

Any @ TT kou d efa nisy maro ny batisa. Ny niampitan'ny Zank'Israely ny ranomasina Mena ohatra dia batisan'i Jehovah io.
6. niryna ( 17/08/2007 21:10)
salmo1:

Iza no milaza fa izay vita Batisa ihany no tafiditra @ fanjakany lanitra? Tsia
- Izay rehetra mino an' i Jesosy Kristy sy mitandrina ny didiny rehetra no mety ho tafiditriny Fanjakany lanitra.

Raha vita Batisa ny olona anakiray kanefa tsy mba manaraka ny didiny dia tsy voavonjy izy.

Midika zany fa na dia tsy vita batisa aza ianareo kanefa mitandrina tsara ny didiny dia ho voavonjy hiray latabatra @ Tompo mandrakizay.

marina izany,ilay batisa no symbol fanadiovana ny fahotana toy izay natao teny amin'ny Jordana. Ny mpino izay manomboka manana fiainam-baovao izay manara-dia an'i Kristy izy izany,mahafantra fa voasasany ny ota ary hafa ny lalany fa tsy toy ny taloha intsony ,izay mbola tsy nanankina ny fiainany tamin'ilay mpahary.(all the past are gone,we are new creation with Christ)(Ezek 11:19,18:31,36:26)
Ireo mpianan'i kristy dia efa nafarany fa aza mandeha any Jerosalema raha tsy tonga ny fotoana hanaovana batisa amin'ny fanahy masina anareo.(Asa 1:4-5,2:4)
Natao batisan'ny fanahy masina izy ireo ka niteny amin'ny fiteny tsy fantatra.Io dia anankiray fa mbola maro no fahasoavana rehefa ataony batisa amin'ny fanahy masina isika.Rehefa mino azy ihany koa isika dia ny ataony no mety ho ataontsika.Mbola misy io hatramin'izao fa tsy nijanona teo ihany. 8) ( Mk 16:17)

7. Kwasi ( 17/08/2007 22:02)
Dia tsy ilana azy izany ilay batisa @ rano raha izany.
8. fijo ( 17/08/2007 22:33)
d tena mino ve nareo nama,fa nisy voromailala nidina izany leeeee?tssssss angano be izany
9. ikaretsaka ( 18/08/2007 01:35)
salmo1:

Iza no milaza fa izay vita Batisa ihany no tafiditra @ fanjakany lanitra? Tsia
- Izay rehetra mino an' i Jesosy Kristy sy mitandrina ny didiny rehetra no mety ho tafiditriny Fanjakany lanitra.

Raha vita Batisa ny olona anakiray kanefa tsy mba manaraka ny didiny dia tsy voavonjy izy.

Midika zany fa na dia tsy vita batisa aza ianareo kanefa mitandrina tsara ny didiny dia ho voavonjy hiray latabatra @ Tompo mandrakizay.

Arakarak'ilay Lanitra inoanao io aloha e
ny Silamo izao manao Jihady dia lasa any an-danitra
ny Jiosy manao toetrana fariseo dia hoe lasa any an-danitra http://baiboly.katolika.org/boky/romana/6/3-5toa misy olona niteny hoe izay mino sy vita batisa no voavonjy
10. todisoa2 ( 18/08/2007 09:36)
Kwasi:

Dia tsy ilana azy izany ilay batisa @ rano raha izany.



zavatra telo no fototra iorenan'ny Batisa:
- ny rano
- ny tenin'Atra
- ny anarana anaovana azy: Ray, Zanaka, Fanahy Masina

Ny batisa dia samy heviny ny hoe ''mandetika @ rano, manondraka @ rano, manasa @ rano...''.
11. Kwasi ( 18/08/2007 17:00)
Izao no hitako ao @ TT. Misy karazany 2 ny batisa:

- dia ny batisa @ rano
- sy ny batisan\'ny Fanahy Masina.

Tsy misy afa-tsy ireo.

Ny fahazoako azy dia izao:
Ny batisan\'ny rano dia ataon\'ny olona voatokana hanao izany @ olona izay nahatsiaro tena fa mpanota ka vonona ny hiala @ fahotany, io ilay hoe olona mibebaka. Mino izy fa Jesosy kristy efa maty ho azy t@ fanaovana ny sorona ny ainy. Ny nahatonga azy nino dia satria noho ny teny izay noraisiny ka niasa tao anatiny, ka nahatonga azy ho tonga saina ny @ zavatra tsy mety rehetra nataony. Ka mba ho fanamarihana izany dia miroso atao batisa izy. Ny firosoana @ batisa izany dia conscience avy @ olombelona. Tena conscient izy fa nanota (na mpanota) ary vonona ny hiaina ny fiainam-baovao (ao @ i Kristy). Ataoko entre parenthese satria raha nanao batisa ny olona i Jaona dia tsy noho ny resaka Kristy mihitsy akory no antony nanatonan\'ny olona azy.

Ny batisan\'ny Fanahy Masina indray dia Fanomezam-pahasoavana [Cadeau] omen\'Andriamanitra ny olona. Ary io dia tsy hoe tsy maintsy any am-piangonana foana (sy @ fifadiankanina sns..) akory no tsy maintsy andraisana azy fa @ fotoana tsy ampoizina: mety hoe any ampiasana, ao an-dakozia, eny ambony taxibe, eo ampijerena tele.. sns. Ary io miankina @ programan\'Andriamanitra @ fiainan\'ilay olona mino, fa tsy miankina intsony @ sitrapon\'olombelona. Eto dia ny olona tsirairay no mahatsapa ny fandraisany sy ny fahazoany izany FM izany [experience personnelle], fa tsy misy mihitsy olombelona nomen\'i Kristy alalana hanome an\'io.


Dia miverina ery @ ilay fanontaniako @ izay aho hoe tsy natao batisa t@ rano ary ve ny Apostoly 12 (fa tonga dia nahazo an\'ilay FM)?
12. niryna ( 20/08/2007 03:36)
fijo:

d tena mino ve nareo nama,fa nisy voromailala nidina izany leeeee?tssssss angano be izany

Izay voasoratra dia voasoratra ,raha nilaza izy fa nisy voromailala dia nisy tokoa fijo a

13. niryna ( 20/08/2007 03:54)
Kwasi:


Dia miverina ery @ ilay fanontaniako @ izay aho hoe tsy natao batisa t@ rano ary ve ny Apostoly 12 (fa tonga dia nahazo an'ilay FM)?

Noho izy ireo tonga dia nanaiky ny hiaraka an'i Jesosy" Andao hanaraka Ahy fa ataoko ho mpanarato olona ianareo" sns. Rehefa natsoiny ireo mpianany dia nomeny fahefana handroaka demonia sy hanasitra ny marary sy ny voan'ny aretina rehetra( Mat 10:1.),batisan'ny fanahy masina izany no fantatro fa nomen'ny tompo azy ireo.

14. bosista ( 20/08/2007 14:54)
ny baiboly mihintsy no milaza fa raha tsy atao batisa de tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra jereo ao amin'ny jaona toko faha-3and -5
15. Kwasi ( 21/08/2007 02:34)
niryna> Dia raha izany dia lasa nomen'i Kristy batisan'ny FM in-2 ny Apostoly.

bosista> tsy azoko ny tianao ahatongavana
16. LazaDaddy ( 21/08/2007 02:44)
Kwasi:
Fa toa tsy hita ao anaty baiboly ny hoe Jesosy nanao batisa ny mpianany e?
1) Raha ny fahafantarako aloha dia tsy nanao batisa na iza na iza i Jesosy - araka ny fahazahoan'ny maro amintsika ny dikan'ny hoe "batisa"
2) Ny tena dikan'ny teny nihavian'ny hoe "batisa" dia "immersion". Raha io ny andraisan-tsika azy dia anjaranao no mamaly hoe nanao batisa ny mpianany i Jesosy sa tsia?
17. ikaretsaka ( 22/08/2007 20:24)
miombon-kevitra amin'i laza ..hoe batisa amin'ny inona aloha?
raha immersion no lazainao ho batisa manko dia tsy misy tokoa!

fa raha ilay tondrahana dia nanondraka sy nanasa ny tsy nadio izy.
Ny tongotr'i Piera sy ny Apostoly ohatra (Joany13,1-15)
18. fijo ( 22/08/2007 21:50)
za izao vita batisa ,de miditra any koa izany aho????loza be
19. LazaDaddy ( 22/08/2007 23:43)
ikaretsaka:
miombon-kevitra amin'i laza ..hoe batisa amin'ny inona aloha?
raha immersion no lazainao ho batisa manko dia tsy misy tokoa!
fa raha ilay tondrahana dia nanondraka sy nanasa ny tsy nadio izy.Ny tongotr'i Piera sy ny Apostoly ohatra (Joany13,1-15)
Tsy mitovy anie izany lazaintsika izany fa mifanohitra e :) Amiko dia ilay "immersion" tena izy mihitsy no misy fa tsy "symbol". Ary nisy nandritry ny telo taona mahery io "immersion" io :)


20. ikaretsaka ( 23/08/2007 00:13)
ka tsy voasoratra ao anaty baiboly koa anie ny hoe batisa=imersion (ao anaty piscine)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0469