ahiahy tsy mitombina :-(

1. ari.malala ( 17/08/2007 07:04)
Miarahaba ny mpisera rehetra! t@ talata dia nisy zavatra mampalahelo nitranga tato @ toeram-piasako, nisy vevavy, nitondra vola be izy dia napetrapetrany ilay izy, avy eo lazainy fa mank 90 000Ariary (450 000F) ary d za no eritreretiny naka ilay izy satri ol 3 izahay no teo am le toerana, nisy fotoana nefa le lelà 1 ts teo am toerany fa nidina tany ambany tany, za tsy nietsika teo am toerako d za no eritreretiny naka ny volany:-( za nefa ts naka izany! nantsoiny mints ny chef avy eo nanazavana ilay situation nisy, dia nanao sangisangy zaritenany io hoe na za na le lelà 1 no naka ny vola, navoakako daolo nefa nyt any anaty poketrako sy ny porte monnaie ako, fa na ny vola taty amiko aza tsy ampy 20 000Ar akory:-( d amzao miavonavona b amko izy, ary na ny mpiaramiasa sasany aza manjary hafahafa b amko iany koa:-( amzao fotoana izao te hiala mafy ato amty société ty za fa leo b!:-( nefa ny demandes nataook retraretra tsisy mivaly:cry:zavatra tsy nataoko akory v no anendrikendrehana anà?!!! mampalaelo b!!!
2. fahamarinana ( 17/08/2007 07:15)
:arrow:Mampalahelo be zany manjo anao zany ,ny teniko fontsiny dia aza miampanga tena fa rehefa tsy ianao no nanao azy dia avelao zay hanaratsy any.Mankivisy koa anie,vola be toy izany ve no entina any ampiasàna ka tsy hanome fankampanahy ny sasany. Mitadiava asa ampilaminana fa aza manao démission noho ny hafokàn'ny sasany fontsiny,aleo hiavona zay hiavona fa adala koa zay manao izany e,mivavaha fa zay zao no hitako hampandry saina anao,ny Tompo mahalala fa tsy ianao no nanao azy ary hanome filaminantsaina anao anie Izy sy hanome ilay envie hiasa satria fitadiavana ihany koa io e,ilaintsika .Mahereza indrindra an(l)
3. Angolaina ( 17/08/2007 07:43)
Tena mampalahelo tokoa izany nahazo anao zany fa na izany aza atao manimba ny fiainanao zany fa rehefa tsy ianao no naka azy dia aza mitazona alahelo @ zany fa ao koa ange ireo mpialona e! zarany aza misy an'izany tranga izany hanenjehana anao. Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra ka aza kivy @ izany fitadiavana asa izany fa izay mahasoa ataon'Andriamanitra e! de courage foana ! raiso am-pitsikiana ny zava-mitranga rehetra dia ho hitanao fa zava-poana izany rehetra izany !
mirary soa e:-*:-*
4. sakaizakely ( 17/08/2007 07:49)
ari.malala

ny anao koa no ataovy ambony f'aza mety vonona lolo hoatr'izao.

Ataovy hoe aiza ny porofo fa tena zao no vola tao anaty poketranao. Hangalatra ihany ve tsy ho izy rehetra no alaina fa ampahany kely fotsiny ? pffffff

Aza mifezofezo zany @ fiainana fa manjary vao maika araraotin'ny olona. Ataovy izay ivadihan'ny soupçon-n'ny olona any aminy indray. Mandainga izy fa poketra misy vola zany ve apetrapetraka ilaozana mangery na manketsy mankery ? Sa fitiavana te hanendrikendrika olona fotsiny ? Iza mahita, mety ny vadiny no nilaiso ilay vola omeny ny sipany ?

Fomba fitadiavana vola hafa koa ange io e ! Mody hoe nangalarinao ny volako fa avereno, dia raha matahotahotra le oul de manonitra le vola tokoa, k'nefa inn akory fa fika be fotsiny.

Tadidio fa fanendrikendrehina tsisy porofo dia azo torina any @ tribonaly. Raha mbola mitohy ny intimidation ataon'izy sy ny mpiara-miasa aminy dia lazao azy izany.

Tazomy ny toeranao sy ny asanao ary aza mety vonona lolo ohatran'izany fa ny firesakao koa no ataovy avoavo. Tu écrases ou tu t'ecrases ! Lalanampianana io na tianao na tsy tianao, dia anao ny safidy ho an'isan'ny matanjaka

:-*:-*:-*:-*:-*:-*
5. diamondra27 ( 17/08/2007 07:57)
ari: zany no atao hoe: manipulation amiko

diniho tsara fa efa premedité zany amiko. Matoa le olona sahy mametrapetraka vola be zany de misy dikany misy tanjony ao.

Inona ny plasy misy anao?
Inona ny plasy misy io olona io?
Iza no namany ao ampiasana?
Inona ny feo mandeha?
Manao ahoana ny fihetsiny @ mpiara-miasa hafa sy taminao talohan'io?
be de be ny kestion...

Tandremo fa nisy zao cas zao tany dago:
misy olona 1 agent de securité izy de voarohirohy
de niakatra tribonaly
de refa nande ny feo de heno fa hay ity olona voarohy ity de sendra ny mal chance fa we:hisy mpiasa 2 tsy maintsy horoasina fa tsy hay ze atao azy , de io no teknika nampisainjareo nanendrikendrika ilay mpiasa, de voaroaka ilay mpiasa avy teo, saika nigadra mihintsy, tena mampalahelo

Asehoy olona foana fa mpivavaka sy olona tsara ianao

Raha mbola manao andry @ manaraka izy de lasa harcelement moral zany.
Aza mety déstabiliser-na zany

6. Angolaina ( 17/08/2007 08:28)
sakaizakely:


Aza mifezofezo zany @ fiainana fa manjary vao maika araraotin'ny olona. Ataovy izay ivadihan'ny soupçon-n'ny olona any aminy indray.

Tu écrases ou tu t'ecrases ! Lalanampianana io na tianao na tsy tianao, dia anao ny safidy ho an'isan'ny matanjaka




Tena marina aki zany a!!!! aza mety tsindrin'ny olona zany eo @ fiainana e! asehoy azy fa enao ko mba manana ny maha izy anao sady raha resaka 450.000 Fmg zany ve de hahavita inona e!!! :evil::evil: Tena misy adala oa le ol marina é !
7. booboo ( 17/08/2007 08:50)
Ari.malala > Miombon-kevitra tanteraka mitsy @ Sakaizakely ! ekrazevo ohatra manitsaka kadradraka mitsy anaovana azy :°). :-*

8. naritsimba ( 17/08/2007 09:58)
Inoako fa ny tena marina dia izao: efa tsy ampy 450000fmg ny volany fa ianao no saika nasainy hameno an'izany, fomban'ny olona izany fa aza atao mahataitra ry zandry.
9. fasaly ( 17/08/2007 11:25)
ari.malala: mampalahelo aky izany fa de korazy be ho anjy ah!:cry::-*
aza miala izany aloha raha tsy mahita solony :?
atao ahoana fa mankarary fo ny mieritreritra azy tsapako mitsy ny eo am place ndry fa korazy.....
10. vahiny2004 ( 17/08/2007 11:36)
naritsimba:

Inoako fa ny tena marina dia izao: efa tsy ampy 450000fmg ny volany fa ianao no saika nasainy hameno an'izany, fomban'ny olona izany fa aza atao mahataitra ry zandry.


Marina izany

Aza avela hohitsahin'ny olona izany ny marina, isika gasy mantsy manao hoe izay mangina volamena, kanefa tsy misy ngeza ohatry ny vatolampy koa fa rehefa tsy miteny dia hangeren'ny vorona

Aza manaiky lembenana izany raha toa ka tsy misy porofo milaza fa :
- nanana 450.000 Fmg izy
et
- ianao no naka ilay 450.000 Fmg


Mahereza !

11. ari.malala ( 17/08/2007 12:21)
Misaotra anareo namana rehetra nankahery aloha e! efa tena kivy sy ketraka ny tena satria dia iatakatahan'ny olona sanatria toa boka ve sa voan'ny pesta! :-( tsy fantatro marina izay tena isan'ny vola tany aminy, fa raha ny filazany dia 10 paquets de 10.000 Ar *10 no nentiny, de io lazainy fa mank 90 000ar io, d araka ny tenin'ny namana ao ambony ao moa hoe hangalatra ve za d ze 90 000ar no hangalariko fa tsy izy rehetra? ts mahavita inona akory anie zay d tsisy tsony ra entina miantsena e! saingy ts toetrako ny mangalatra! Andriamanitra irery no mahalala hoe iza no naka ilay vola! moa sady za rahateo efa ela no tapakevitra hitady asa fa efa betsaka ny zavatra nifamahofaho tato, ary ny nakarary fo ahy no betsaka! tsy haiko, mbola ato ve no sitrak'Andriamanitra hisy ahy, sa aona fa efa firy zay demandes nataoko zay fa tsisy nivaly alo hatreto:-( za efa leo tanteraka fa zany hoe fitadiavana ts azo atao ankinanga!!!!
12. kelly13 ( 17/08/2007 19:14)
sady ra miala eo njy ry ari.malala d vao maika eritreretiny oe njy no naka zany vola zany! inn no irarahinjy ze miatakataka aminjy any (marina fa mankarary fo) fa ataovy tsara ny asanjy, eritrereto fôna oe "@ 31 zao za mandray ny vola nisasarako mba hampifaliko ny fianakaviko etc..." ny ratsy tsy kely lalana, ary aza kivy² zany. aleo hiataka ze te hiataka fa misy fiteny oe "azy ny aller fa anjy kosa ny retour", izany oe aleo ry zareo hiavona etc... aminjy fa ho avy ny andro 1 d indry no hidingindrambo amindry zareo! fay reo @ zay :-*
13. Fiffi ( 17/08/2007 20:08)
ari.malala: heu...aza miala zany mihintsy akia an ! raha ohatra manko njy miala de sao de lazainy hoe tena nagalatra an'le vola ? mba tsy rariny koh zany an ! :{
14. ari.malala ( 20/08/2007 05:27)
Dia mbola mamaerina ny fisaorana am fampaherezana hatrany , fa d ts hiala ah zany fa hipetraka tsara e :) na d mafy b aza le enjehina am zavatra ts natao akory :cry: Andriamanitra ts andrin'ny hafa andriko iany!
15. ikaretsaka ( 20/08/2007 14:22)
ari.malala:

Miarahaba ny mpisera rehetra! t@ talata dia nisy zavatra mampalahelo nitranga tato @ toeram-piasako, nisy vevavy, nitondra vola be izy dia napetrapetrany ilay izy, avy eo lazainy fa mank 90 000Ariary (450 000F) ary d za no eritreretiny naka ilay izy satri ol 3 izahay no teo am le toerana, nisy fotoana nefa le lelà 1 ts teo am toerany fa nidina tany ambany tany, za tsy nietsika teo am toerako d za no eritreretiny naka ny volany:-( za nefa ts naka izany! nantsoiny mints ny chef avy eo nanazavana ilay situation nisy, dia nanao sangisangy zaritenany io hoe na za na le lelà 1 no naka ny vola, navoakako daolo nefa nyt any anaty poketrako sy ny porte monnaie ako, fa na ny vola taty amiko aza tsy ampy 20 000Ar akory:-( d amzao miavonavona b amko izy, ary na ny mpiaramiasa sasany aza manjary hafahafa b amko iany koa:-( amzao fotoana izao te hiala mafy ato amty société ty za fa leo b!:-( nefa ny demandes nataook retraretra tsisy mivaly:cry:zavatra tsy nataoko akory v no anendrikendrehana anà?!!! mampalaelo b!!!


Rehefa manakirizy dia teneno hoe ny tompo ihany no mahalala dia korazy fa fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony e.:wink:


16. ari.malala ( 20/08/2007 14:47)
merci ika!:-*:-* nanohina ahy loatra io teninao farany io! "fantatry ny Ray ka entiny ao ampony" marina izany! latsaka kely mintsy ny ranomasoko:cry:
17. Angolaina ( 21/08/2007 06:24)
courage fona aki a!!! de bonne journée njy :-*
18. bobone ( 21/08/2007 07:38)
Ari-malala an:
Marina fa mafy be izany fa izao no hevitro aminao:
Ny marina tsy maty na izy hiataka na iza hiavonavona , na iza tsy hiteny dia tokana ihany hoy ny teny SM hoe tsy misy takona izay tsy ho hita sy hiseho fa apetrao @ Atra ny adinao fa minoa enao fa any andro any volana ho tonga saina izany olona izany !!! tsy mahalala ny herin'Atra angaha hmmm!!!
Vain'afo ao hatampon-dohany izany!!!
aza miala fa matoa io no asa hataonao de mahasoa anao izany ! aza kivy mihitsy an! fa manjary miteraka aretim-po ny fahankivina! courage hatrany!!!
19. sakaizakely ( 21/08/2007 08:18)
ka hiandry an'Andriamanitra eo ve nefa izy voaendrikendrika @ tsinapany. Angaha Andriamanitra andeha hiseho any ampiasan'i Arimalala ka andeha hilaza ny tena marina @ olona rehetra ? Efa nahita toejavatra toy izany ve ianareo rey olona ? Sa ve de hiandry ny magie tsy ho avy eo ?

amiko tsy fiandrasana magie na fitsarana farany ny fiainana an ! Ny eto antany eto antany, ny any ankoatra mbola tsy hay hoe rahoviana, mandrampaha ve ianao de hanaiky lembenana @ tsy rariny ? Mba mifohaza ry reto a ! Raha tsy mahay miaro tena ianao de votsitra eo. Aiza moa isika malagasy no tsy mora ambakaina ka hatr@zao ny firenena sy ny vahoaka mikorosy fahana hatrany fa miandry lava an'Andriamanitra tsy andrin'ny hafa eo. Resaka resaka ihany fa ny fiainana mandeha ary ny olona tsy hiandry afatsy izay hitany.

Jereonareo ange ireo olona tafita ireo, olona debra be sy mahay miresaka dôly. Asakasak'izay hanaiky gisitra eo !!!

Anjaran'i arimalala koa ny mba manokatra ny azy dia afaka miteny koa izy hoe "za tsy manaiky endrikendrehina fahatany izany fa toriko ianao raha mbola mandefa resaka mikasika an'io". Samy mifanampempo eo ary mila mi s'entraîne izy am zany. Ary aza manaiky ambanian'ny olona mihitsy. Ento any amin'ny direktera mihitsy ny resaka ry arimalala f'aza mijanona am zao a ! Fanendrikendrehina antsikirano tsotra izao. Averiko indray fa poketra misy volabe izany ve de ilaozana manketsy makeroa ? Tsy mitombina izany resaka izany fa de filambanona antsikirano. Exiger-o excuses imason'ny mpiaramiasa rehetra mihitsy e !

Matoa ianao miandraikitra io asa io dia satria mila anao ny mpampiasa, tsisy patron mahavita tena izany fa ilana fitsinjarana adidy daholo ny asa rehetra. Ka io asa ataonao io dia misy vokany matoa nomena hiandraiketanao. Noho izany tsy olona tsinontsinona ianao ka mijoroa ary atrangao ny loha. Dia jereo maharitra tsara ilay mpanendrikendrika rehefa mandalo eo alohanao. Rehefa hitany fa tsy azo rebirebena ianao dia jereo fa hiodina izy ary hitady victime hafa indray. Fa raha vao ianao no hitany resy sy miondrikondrika dia hiverenany sy ahazoany bahana ianao izay.

:-*:-*:-*:-* ari.malala ary aza manaiky gisitra @ fiainana
20. ari.malala ( 21/08/2007 11:01)
sakaizakely, ka ilay izy anie tsy teneniny mivantana e, fa miely ambadika ny feo ary dia miavonavona be amiko daolo ny olona, eny na dia ny vadin'ny mpiaramiasa aza... bizarre mintsy ilay situation misy alo e... eritrereto hoe olona tsy teo fa congé dia niditra ny zomà hariva lasa teo, dia tonga dia miavonavona be tsy haiko nataoko inona nefa dia olona mpiresaka tsara amiko, ny message ny aza izaho no mitana sy mampita azy... olona mandray ny tena ho confidente ao ampiasana izao dia lasa mangatsika be tampotampoka teo... tsy haiko e, manipulatrice be koa alo ilay vevavy e, ny anaovako izany, nahoana no ny olna retraretra no indray contre ana amzao?! fa ny ataoko alo zao de mamita aradalana ny asako aho, tonga arapotoana aho amin'ny asako ary refa tonga ny lera, vao mipaika d iny aho no lasa, za koa tsy manambitamby nizan'iza mintsy! za nga mangataka any amzareo! zay tsy miresaka aleo tsy hiresaka any ko! za tsy nagalatra! fa misaotra anareo rehetra nakahery ahy! nisy nisainak mintsy mantsy ny teninareo rehetra teto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4978