SAO DIA MAHASOA ANAREO

1. piste ( 13/08/2007 23:34)
Tsy haiko na eto no tokony hametrahana an`ity fa alefako ihany. Efa azontsika atao ny mamaky ny gazety Lakroan`i Madagascar on-line. Ity ny site :
(www.lakroa.org).
Izay fa dia mazotoa.
2. ikaretsaka ( 14/08/2007 01:58)
Dia misaotra sy mankasitraka e e.
Nahavokatra tsara kosa ny Mpiasany sahan'ny Tompo t@ ity volana ity: 2 be izao sahady ny santa-bokatra (lakroa.org, katolika.org miampy ny baiboly!
dia mivavaka sy mirary fahazotoana mavitrika hatrany ho an'ireo mpikarakara rehetra
Mihetsiketsika daholo isika izany tato ho ato.
Dia hahavokatra bebe kokoa hatrany anie e!

... Raha tsy ny Tompo ihany no mampitsimoka ny Voa
3. Fiffi ( 14/08/2007 08:31)
piste: misaotra nizara....efa tena ela beeeeeee mihintsy zah mba niandry an'io....=D=D=D=D
4. agoago ( 14/08/2007 12:37)
Misaotra piste nanome ny anaran'ny site, misaotra be dia be ny gazety lakroa manome information on line, dia haharitra toa ny fisiany hatrizay lay site, satria misy gazety malagasy hafa rehefa hitany fa be ny mijery azy on line dia miova indray izy, asainy mandoa vola.
5. agoago ( 14/08/2007 12:50)
Misaotra ny nanao ny site katolika org koa, mahagaga ahy saina frantsay sy britanika no apetraky ry zareo eo, miaraka @ saina malagasy fa tsy mba saina ny vatican.
6. ikaretsaka ( 14/08/2007 21:56)
agoago.. satria ilay saina dia manambara ny dikan-teny misy sy hain'ny be sy ny maro . (gasy, vazaha, angalisy)
fa raha tany ka nahay namaky latinina ianao sy ny be sy ny maro dia nasiana sainan'i vatican koa tao ka:wink:

Fa dia miandry ny an'ny manaraka sy ny hafa koa e, asa? iza no hahalala indray andro any misy koa ny fjkm.org na ny loterana.org, jesosy-mamonjy.org, sns sns..
7. ikaretsaka ( 14/08/2007 21:57)
fa enga anie fotsiny mba tsy 1500 taona aty aoriana fa efa maty tsy afaka mijery intsony isika amin'izay.
amen!
8. ikaretsaka ( 20/08/2007 23:29)
tena tsy nisy niteny le... miandry ny 1500 taona?:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2178