Andriamanitra be fitia

1. salmo1 ( 13/08/2007 13:43)
Tato ato dia mahatsapa aho fa Jesosy Kristy dia; mahafinaritra, enjana, mahery, mahay minamana, satria rehefa niaraka tamin'ny aho dia mahatsiaro fa vao maika izaho sambatra kokoa...

Ny masoko tsy mbola nahita azy, fa ny foko dia efa nitepo Taminy, ny fanahiko efa miaraka Taminy...

Marina fa misy Andriamanitra... ny Baiboly no teneniny... ary rehefa miresaka Aminy ianareo dia Mivavaka amin'ny Fo sy fanetre-tena fa Izy dia mpiheno Vavaka.
2. Fiffi ( 13/08/2007 13:48)
=D=D ^:^^:^
3. Fiffi ( 13/08/2007 13:49)
tsara fa tohizo hatrany......
4. ikaretsaka ( 13/08/2007 13:53)
Tsara izany ry zanako
dia raiso @ izay koa i Jesoa.
tsy ny teniny ihany fa ny tenany koa
Teny tonga nofo... ny nofo tonga mofo...
[url=http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/6/54-57]Jereo eto[/quote]
5. fahamarinana ( 13/08/2007 18:56)
salmo1:

Tato ato dia mahatsapa aho fa Jesosy Kristy dia; mahafinaritra, enjana, mahery, mahay minamana, satria rehefa niaraka tamin'ny aho dia mahatsiaro fa vao maika izaho sambatra kokoa...

Ny masoko tsy mbola nahita azy, fa ny foko dia efa nitepo Taminy, ny fanahiko efa miaraka Taminy...

Marina fa misy Andriamanitra... ny Baiboly no teneniny... ary rehefa miresaka Aminy ianareo dia Mivavaka amin'ny Fo sy fanetre-tena fa Izy dia mpiheno Vavaka.

:arrow:mankasitraka e, misaotra tamin'ny fijoroana vavolombelona e,mahereza ao amin'ny Tompo fa tena tsy misy fatiantoka tokoa e,zay no mba tsapako koa nony nanaraka ny Tompo aho izao.Mbola notahiany ary nampahafantariny ny tena fiainana rehefa miaraka aminy tanteraka.Mbola tsy tonga lafatra nefa dia be fanantenana fa ho eo mandrakariva Izy.(l)


6. niryna ( 14/08/2007 21:20)
fahamarinana:


:arrow:mankasitraka e, misaotra tamin'ny fijoroana vavolombelona e,mahereza ao amin'ny Tompo fa tena tsy misy fatiantoka tokoa e,zay no mba tsapako koa nony nanaraka ny Tompo aho izao.Mbola notahiany ary nampahafantariny ny tena fiainana rehefa miaraka aminy tanteraka.Mbola tsy tonga lafatra nefa dia be fanantenana fa ho eo mandrakariva Izy.(l)


Izany mihitsy ary misaotra nizara.
Be fitiavana Izy ary miandry antsika hiantso Azy fa misokatra 24/24 ny sofiny,ny masony ary indrindra ny fony ho antsika izay mitady Azy andro aman'alina.Antsoy izy fa hamaly,angataho izy fa hanome,vohay ny varavan'ny fonao fa hisokatra ny varavarany.
Ny teniny mandresy lahatra antsika
NY teniny mampihova antsika
Ny teniny manitsy ny diantsika
Ny teniny mampibebaka antsika
Ny teniny manome antsika hery ny hamela sy hangataka famelana heloka ireo mankahala sy tsy tiantsika ary tsy tiatsika.
Ampiaro amin'ny fiainana ireo dia ahita fihovana ianao fa tsy verivery na raraka fotsiny ny hafany
(l)niryna

7. ikaretsaka ( 14/08/2007 21:23)
dia ampio ny tenany koa fa toooooonga de lafatra be
hoy manko izy:
http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/6/54-57
8. fijo ( 14/08/2007 22:49)
tsy mitovy isika roalahy ry salmo fa za tsy mba nahita fiainana fony nino,toa fisakanana no betsaka
9. ikaretsaka ( 14/08/2007 23:14)
Izaho aloha raha ny fijeriko dia mitovy ihany ilaisany fa tsy sahala ko
ohatran'ny hoe :
i fijo izany nanao six --->6
i Salmo nanao neuf ---->9
samy nitovy principe nareo roalahy (saminanao boribory nisy rambony fa ny 1 niakatra moa ny 1 nidina) ny fijery no samihafa!
ialahy "va" (satria ialahy efa tao no niala
izy "vient" (satria izy tany amin'izay nalehany tany no niditra)
Ialahy "nivoaka" izy "niditra"

fa raha vao mitsongolika i salmo dia mahita 6 moa i fijo mahita 9 indray!
raha afamadika koa ny repere dia izy lasa "vient" indray fa ialahy lasa "va"
dia ialahy no lasa "niditra" moa izy lasa "nivoaka"

fa mitambara ange nareo mitsam fa milay be eeee:wink:
10. LazaDaddy ( 14/08/2007 23:23)
salmo1> misaotra fa marina sy mavesa-danja ny teninao ary mampianatra anay hanetry tena ...:-*
11. naughtyboy ( 15/08/2007 15:26)
ny fijeriko azy io ndray de samihafa ny fisehony andrana lalovany izy mitsam (tsara sy ny ratsy arakaraky ny fandraisana na ny fijery)
fa ny siora kalo na tsy voasoratra antaratasy eto @ fanjakana eto antany ny fisiany fanjakana any andanitra de any @ boky ny fiainana daoly ny momba antsika rehetra ts1-1 ary tsisy afaka miala @ tendriny Avo refa tonga ny antso .ny safidy fotsiny no mahasamihafa ny ts1-1 ary mikitikitika ny saiko ho any salmo de ity fa nisy in ra tsy mahadiso azo tantaraina eto v no nahatonga an'ela ho mpino misaotra e
12. fijo ( 15/08/2007 19:52)
aza afangaro kosa izahay ry ika an.aleo mijanona 6 sy 9 eo ihany ka.

io indray ilay resaka bokin'ny fiainana.raha misy izany boky izany,aiza no ahitana azy,????de ny mpamono olona izany tsy tokony disoina satria efa izay no voasoratra hoazy.de ny pelaka efa zay koa no anjarany,de ny zaza nesorina koa efa izay no voasoratra tao.
13. ikaretsaka ( 15/08/2007 19:59)
dia izay no hitenenako hoe tsy ampy raha olon'ny boky fotsiny, izay no nahatonga an'Andriamanitra nampisy saina antsika fa tsy boky no nataony tao anaty loha tao!
14. fijo ( 15/08/2007 20:01)
ka misy manizingizina be io resaka boky io no tena loza
15. ikaretsaka ( 16/08/2007 01:58)
ka efa niova boky iznay ny sainy ko!:roll:
16. naughtyboy ( 16/08/2007 16:17)
tsisy saina miova boky ry Ikaretsaka fa aza adika vilana:lol:
ny oul mino de mafantatra ny fisiany io boky io any andanitra any ry fijo,ny tsy mino mo de tsy tsy ahafantatra mintsy satria ny fisiany lanitra aza tsy inoany ,de averiko ndray fa safidy no antsika olmbel fa ny ambiny de tsy azo ovaina na tsy anaiky ny fisiany lanitra sy afobe aza isika,zao fotsiny oh. na ny aina aza tsy manana hery na fahefana @ zany isika
17. fijo ( 16/08/2007 22:15)
za mino ny lanitra ka,rivotr io lanitra io.misy planeta hafa koa any.fa tsy misy zanahary na andriamanitra izany akory.ary io boky io ve teny jiosy indray koa sa teny anglisy????
18. cutie ( 16/08/2007 23:58)
Za alou gaga kely we toa lasa niova be i salmo e.
Na ny hira alefany aza hobiomix :-D
19. radjery ( 17/08/2007 00:59)
to tsy mba nampidirin'i fijo sy vegas tary amin'ny dinika "Amin'ny fomba malalaka, tsy misy bedy" mihintsy tsinona i salmo de naleony nitory teny:-D
20. cutie ( 17/08/2007 14:41)
zany ve :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5962