Ny zaridainan'Andriamanitra!!!

1. niryna ( 13/08/2007 05:51)
Indraindray isika dia mitady ny ho tonga lafatra hatrany,saingy tsy misy izany fa miezaka ny hanao ny tsara hatrany no azontsika atao..Matahotra ny ahazo latsa sy habokain'ny hafa ilay ezaka tiana atao raha tsy mahomby.

Toy izany koa isika raha mitory ny tenin'Atra, Ahoana raha sendra miteny aho ka heveriny fa diso ilay izy? Ahoana ny fihetsiky ny hafa? Ahoana raha toheriny aho na tsy hinoany ny teny voasoratra ao anaty baiboly?
Kanefa hoy Paoly manazava antsika fa tsy isika no mahatonga ilay olona hino fa Atra.

Ny sasany amintsika mamboly ny tenin'Atra amin'ny finoana,ary ny sasany manondraka,fa Atra no mampitombo ny voa nafafy.

Tsy tokony hatahotra intsony izany isika raha misy izay tenin'Atra hafafy sy tondrahan'ny hafa rehefa mizara ny teny soa mahafaly ho an'ny namana isika.
Andriamanitra no mampitombo ny fitiavana,ny finoana,ny fanantenana ary ny fahafahana ho antsika tsirairay avy.Ny andraran-tsika fotsiny dia ny mamafy ny voa.Misy maniry ary mamoa avo-zato eny iny ,misy ny maty dia mamboly hafa indray.

Azontsika ampiarina sy atomboka izany,ny fihetsika ,ny fiteny sns...mba hanampy antsika hiatrika ny fiainana andavan'andro.Izay fahasoavana noratovina tato izany dia azo am-piarina eo noho eo.

Andriamanitra o, ampio izahay ho tia amboly sy hanondraka ny teninao amin'ny alalan'ny finoana izay avy amin'ny teninay sy ny fihetsikay izany.Amin'ny anaran'i kristy Tompo no angahatahinay izany vavaka izany. Amena
(l)niryna
novalian'i niryna ny 18/08/2007 00:29
2. ikaretsaka ( 13/08/2007 06:28)
mampatsiaro ahy hira Katolika izay izy io
manao hoe
Izay mamboly sy manondraka
dia tsinontsinona avokoa
Raha tsy ny Tompo ihany
no mampitsimoka ny voa


sady mampatsiaro ahy ny tantaran'i St Francois d'Assise

One day Francis said to one of the young monks, “Let us go down into the town and preach!” The novice, delighted at being singled out to be a companion of Francis, obeyed with great enthusiasm. They passed through the main streets, turned down many of the
byways and alleys, made their way into the suburbs, and at great length, returned by a circuitous route to the monastery gate. As they approached the gate, the younger monk reminded Francis of his original intention.

“You have forgotten, Father, that we went to the town to preach!”

“My son,” Francis replied, “we have preached. We were preaching while we were walking. We have been seen by many; our behavior has been closely watched; it was thus that we have preached our morning sermon. It is of no use to walk anywhere to preach unless we preach everywhere as we walk.”

Francis’ words to us are, “Preach the Gospel always and if necessary use words.”

[size=10px](miala tsiny fa tsy nadikako @ teny gasy aloha fa manjary very eo am-pandikana ny hevitra, fa ho ataoko dikan-teny malalaka ihany she hatreo}[/size]
3. todisoa2 ( 13/08/2007 10:04)
Izany no izy ka. Io ilay lazain'i I Kor 12 ny @ fanomezam-pahasoavana. Samy manana ny ''charisme''-ny ny tsirairay. ny fanompoana no samy manana ny azy, fa ny Tompo dia iray ihany. Samy tsara '' daholo'' izany rehetra izany.:lol::lol:
4. fahamarinana ( 13/08/2007 19:00)
niryna:

Indraindray isika dia mitady ny ho tonga lafatra hatrany,saingy tsy misy izany fa miezaka ny hanao ny tsara hatrany no azontsika atao..Matahotra ny ahazo latsa sy habokain'ny hafa ilay ezaka tiana atao raha tsy mahomby.

Toy izany koa isika raha mitory ny tenin'Atra, Ahoana raha sendra miteny aho ka heveriny fa diso ilay izy? Ahoana ny fihetsiky ny hafa? Ahoana raha toheriny aho na tsy hinoany ny teny voasoratra ao anaty baiboly?
Kanefa hoy Paoly manazava antsika fa tsy isika no mahatonga ilay olona hino fa Atra.

Ny sasany amintsika mamboly ny tenin'Atra amin'ny finoana,ary ny sasany manondraka,fa Atra no mampitombo ny voa nafafy.

Tsy tokony hatahotra intsony izany isika raha misy izay tenin'Atra hafafy sy tondrahan'ny hafa rehefa mizara ny teny soa mahafaly ho an'ny namana isika.
Andriamanitra no mampitombo ny fitiavana,ny finoana,ny fanantenana ary ny fahafahana ho antsika tsirairay avy.Ny andraran-tsika fotsiny dia ny mamafy ny voa.Misy maniry ary mamoa avo-zato eny iny ,misy ny maty dia mamboly hafa indray.

Azontsika ampiarina sy atomboka izany,ny fihetsika ,ny fiteny sns...mba hanampy antsika hiatrika ny fiainana andavan'andro.Izay fahasoavana noratovina tato izany dia azo am-piarina eo noho eo.

Andriamanitra o, ampio izahay ho tia amboly sy hanondraka ny teninao amin'ny alalan'ny finoana izay avy amin'ny teninay sy ny fihetsikay izany.Amin'ny anaran'i kristy Tompo no angahatahinay izany vavaka izany. Amena
(l)niryna

Ho tanteraka tokoa anie izany ,amen.

5. niryna ( 14/08/2007 22:27)
ikaretsaka:

mampatsiaro ahy hira Katolika izay izy io
manao hoe
Izay mamboly sy manondraka
dia tsinontsinona avokoa
Raha tsy ny Tompo ihany
no mampitsimoka ny voa


Misaotra anao nijoro vavolombelona fa efa vita hira ilay izy izany.
:D
6. niryna ( 14/08/2007 22:28)
todisoa2:

Izany no izy ka. Io ilay lazain'i I Kor 12 ny @ fanomezam-pahasoavana. Samy manana ny ''charisme''-ny ny tsirairay. ny fanompoana no samy manana ny azy, fa ny Tompo dia iray ihany. Samy tsara '' daholo'' izany rehetra izany.:lol::lol:



=D=D
7. niryna ( 14/08/2007 22:36)
[quote=fahamarinana]
Mila ezaka eo amin'ny tsirairay io ka,satria raha manisy ny fahasoavany nomeny antsika isika ,io dia efa zava-dehibe amin'ny fiainana.Manova ny manodidina sy ny tontolo hiainana ka isika no manova ny tenantsika voalohany indrindra dia manaraka ny manodidina antsika,raha isika irery ihany anefa no efa mahita fihovana dia efa tena zava-dehibe izay.

Ahoana ny fananana voninkazo? Faly ery ianao mijery azy ireo mamelana,mamoaka fofona manitra ary mivelatra misy vony sy maitso mavana.Ny rano ,ny masoandro,ny rivotra ary ianao nanondraka ,nikolokolo azy ireo no nahatonga izany.
Raha manome ny tenin'Atra koa isika,mijoro ny fahasoavana nomeny antsika,indraindray malazo kanefa velona ihany rehefa tondrahana,toy izany koa ny finoana,mety ho kivy amin'ny fiainana mafy na dona mitranga kanefa rehefa mitodika amin'Atra ,mino ny fanantenana nomeny ,dia mahazo hery indray avy eo.
"Izay manantona ahy hoy izy dia tsy ho laviko mihitsy":D


8. fijo ( 15/08/2007 20:14)
ary lery izany sy mba namokatra taty amiko kle......
9. niryna ( 16/08/2007 02:56)
fijo:

ary lery izany sy mba namokatra taty amiko kle......

Tsy taitra ianao fa efa namokatra izy dia nisy nanondraka rano matimaty fa mbola tsy maty tanteraka,mbola misy faka ngezzzabbbe ao=))=))ary mbola hitsimoka indray rehefa tonga ny andro fahavaratra.;-)

10. fijo ( 16/08/2007 22:25)
aza mba sanatria hinoino foana anie aho ry razako
11. niryna ( 18/08/2007 00:29)
fijo:

aza mba sanatria hinoino foana anie aho ry razako



=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3599