Tena azo ianteheran marina ve ny bokin'i Genesisy

1. todisoa2 ( 11/08/2007 14:33)
tantara fohifohy... Ny bokin'i Genesisy dia,araky ny lovan-tsofina, nosoratana rehefa babo tany Babylona ny Zanak'Israely (ZI). Nihaniala t@ Atra marina ny ZI dia lasa nivavaka t@ andriamanitra babyloniana, dia ny masoandro izany. Ireo mpisorona babo anefa nahatsiaro ho very fihinanana manoloana izany, satria nihanihena ny olona namonjy Synagoga. Nivory ry zareo ''deba'' ary dia tapa-kevitra fa hanoratra ny Pentateoka (bokin'ny lalàn'i Mosesy, boky iray teo am-boalohany).Niainga ny inspiraka. Dia notapahina fa t@ andro fahafito na Sabata dia nitsahatra Atra, mba hanajan'ny olona izany, ka handeha hiverina hamonjy Synagoga ny ZI.
Maro koa ny loharano miditra ao @ Genesisy (raha io aloha no jerena). Misy ireo ''textes'' Yahviste (manao an'Atra ho Yahveh, t@ andron'i Davida dia ireo izay tanana ankavanany izay maneho ny maha-''olona'' an'Atra.Toy ny nitsangatsanganan'Atra tao @ Saha Edena rehefa harivariva ny andro.), Eloïste (manao an'Atra ho Tsitoha, dia ireo izay mpanohitra an'i Davida. Toy ny hita ao @ Gen 12.), ny Deotornomista (nipoitra t@ Reforma Deotornomista, ny taona 422 BC, izay manindry mafy ny maha masina an'Atra, manameloka koa ny fanompoan-tsampy isan-karazany). ary ny Mpisorona na ny P (dia ity hita nandritry ny nahababo ny ZI). Teo koa ireo angano Babyloniana izay natsofoka tao (tsy fantatra ny antony, toy ny tilikambon'i Babela).

Ny somary tsikeran'ny 'texte'' Genesisy dia ity: misy andiany mifanohitra be dia be ao (izany hoe miverina, ka tsy hita marina ny fandehanan'ny fotoana). Eo koa ny tantara miverina, ny anaran'olona tsy mitovy anefa ny fandehan'ny tantara tena mitovy. Ohatra, ny @ Abrama sy Isaka.

Eto izany dia mipetraka ny olana hoe, tena nisy marina ve ny Genesisy?.
novalian'i fijo ny 24/08/2007 23:07
2. bosista ( 11/08/2007 19:05)
hitako no misy andininy izay tsy mendrika na tsy mifanaraka kokoa amin'NY voninahitr'A/tra ao,jereo oh: genesisy toko faha-6 and6: ARY JEHOVAH NANENINA NOHON'NY NANAOVANY NY OLONA TAMBONIN'NY TANY KA NALAHELO NY FONY !!!
ny fanenenana dia vokatry ny habadoana sy tsy fahalalana ny resultat-ny zavatra atao, de sanatria ve A/TRA tsy mahay zavatra ho avy? otran'ny tsy eken'ny saiko ilay izy!!ary tsy vitan'ny nanenina fa mbola narary fo koa?? dia tsy mba misy mot hafa ve mba mifanaraka amin'ny hasin'A/TRA?
ARY TENA NARARY FO TOKOA VE IZY? ARY TENA NANENINA KOA ve? moa tsy mahalala ny zava-drehetra ve izy, ny ankehitriny sy ny ho avy?
3. Fiffi ( 11/08/2007 20:07)
http://www.madagascar-library.com/r/483.html
4. simplex ( 11/08/2007 20:58)
todisoa2:
Eto izany dia mipetraka ny olana hoe, tena nisy marina ve ny Genesisy?.
Ny finoanao no hahavonjy anao :roll:
Ekena mba tsy hifandirana ozy ny fitenana :°)
5. Fiffi ( 11/08/2007 21:17)
simplex:
Ny finoanao no hahavonjy anao :roll:
Ekena mba tsy hifandirana ozy ny fitenana :°)
eka ouz booboo zay !

6. ikaretsaka ( 12/08/2007 12:59)
ekena mba tsy hifandirana..
izao sahady isika dia mifanditra ko
7. gasynamana ( 12/08/2007 13:41)
Ialana tsiny indrindra fa ity dia tsy mba toe-tsaina kristiana mihitsy.Ekena mba tsy hifandirana ozy ny fitenana

Ny mikasika ny Baiboly rehetra, fa tsy ny bokin'ny Jenezy ihany, dia mila fandinihana lalina. Ny fijerena maimaika toy ny fanaon'ny sasany eto dia manova ny hevitra tiana hampitaina. Ilaina fantarina aloha hoe: iza no nanoratra azy? Nanao ahoana ny tontolo nisy azy? sns. Ekena fa tenin'Andriamanitra io nefa koa olombelona no nanoratra azy. Ilay teny dia avy amin'ilay tsy manam-petra, ny mampita azy kosa dia voafetra ihany, noho izany, tsy ferana misy ny zavatra latsaka na tsy mazava loatra,...
8. simplex ( 12/08/2007 15:36)
gasynamana:

d in zany no tena valin'ity
todisoa2:
Eto izany dia mipetraka ny olana hoe, tena nisy marina ve ny Genesisy?.
9. niryna ( 12/08/2007 23:40)
tena misy tokoa ve aloha i todisoa2
10. ikaretsaka ( 13/08/2007 00:56)
ie.. misy izy satria manoratra:-D.. ary niryna sy ikaretsaka ve tena misy tokoa? ie satria izy ireo koa manoratra

sa hanao mazi mazii dray i niryna hoe mahay manoratra ny tsy misy?
11. niryna ( 13/08/2007 05:18)
ikaretsaka:

ie.. misy izy satria manoratra:-D.. ary niryna sy ikaretsaka ve tena misy tokoa? ie satria izy ireo koa manoratra

sa hanao mazi mazii dray i niryna hoe mahay manoratra ny tsy misy?

=))=))
12. gasynamana ( 13/08/2007 09:09)
d in zany no tena valin'ity
Hoy i todisoa2:
Eto izany dia mipetraka ny olana hoe, tena nisy marina ve ny Genesisy?.

Raha asesy any amin'ny bokin'ny jenezy dia izao:

1- Ny fahariana izao tontolo izao no tantaraina voalohany ao. Ny zava-boaary rehetra dia misy. Tsy nisy ho azy amin'izao anefa fa nisy izay nahary azy. Ny fomba itantarana izany ao amin'ny Jenezy dia hafahafa ihany, sady misy tantara roa samihafa. Iza anefa no nahita izay tena fomba naharian'Andrimanitra ny misy rehetra? Tsy misy!
Ny zava-marina tsy azo lavina avy ao kosa dia misy telo:
- Misy ny zava-boaary
- Tsara ny zava-boaary rehetra
- Andriamanitra no nahary ireo rehetra ireo

2 - I adama sy Eva ve nisy? Nisy tokoa ny olona voalohany niavian'ny olona rehetra saingy izay anarany no tsy tena fantatra. Ny anarana hoe: Adama sy Eva dia misy dikany manokana. Ny olona nanao ny famaritana io anarana io ao anaty Baiboly anefa dia tsy ilay nanoratra ny tantara tamin'ny voalohany ka eo dia efa very sahady izay tena dikany marina.

3 - Ny fahotan'i Adama sy Eva: Inona no tiana hampitaina amin'ilay tantara kely miendrika angano io? Izay no fanontaniana tokony hipetraka fa tsy hoe: Paoma ve sa inona io voakazo voarara io? Menarana ve sa maroandavaka sa... inona ilay bibilava mpamitaka? Ny zavatra azo tsohaina avy amin'io tantara io izao dia ny hoe: ny fahotana dia mampisaraka antsika amin'Andriamanitra; ny toetra iray ananantsika olombelona miaro-tena lava...

4 - Ireo Patriarka rehetra voalaza ao amin'ny Jenezy dia nisy tokoa. Saingy ny tantara no misy indro kely noho ny antony maro:
- Asa raha fantatrao fa lovan-tsofina niampitapita tamin'ny taranaka maro no naraikitra an-tsoratra. Tsy latsaky ny nisy ny fihovana teny an-dalana teny. Nisy ny zavatra nifanohitra koa angamba saingy mba tsy hahavery azy dia samy noraisina avokoa. Anjarantsika amin'izao no mandanjalanja sy mandinika azy.
- Araka io lazain'i Todisoa io dia tsy olona iray na roa no nanoratra ny baiboly fa maro, eny fa na dia ny tantara iray ao anatin'ny toko iray aza.
- Tsy hadino ihany koa fa ny fandikan-teny dia manova zavatra maro. Porofon'izany ny fahadisoan'ny maro an'isa eto.

Izay aloha fa lava loatra.
13. todisoa2 ( 13/08/2007 09:34)
niryna:

tena misy tokoa ve aloha i todisoa2

Tena misy izaho ka. Mpiomana ho Pastora. Ny années préparatoires no tena henjana, satria eo no anivanana ny ''vato'' @ vary. Izany hoe eo no ahitanao ny tea ''lanja marina ny @ finoanao''. Hogaga angamba raha ilazako fa rehefa niditra nianatra aho, teo @ sehatra téolojia, dia nahita fa toa mifanohitra @ heverintsika ho finoana no tena izy. Indrandray aza hianao dia mahateny mihintsy hoe: ''tsy izany no nampianarina anay ka.'' Any mantsy ny valin-teninao dia tena atao par ''approche systématique'', izany hoe tsy rehefa eny dia eny fa mbola atao hoe:''inona moa ny eny? Nahoaa no eny? Ahoana no hofiatraikany raha eny? Hatraiza ny ho fandalinana raha eny?...

14. niryna ( 14/08/2007 23:18)
todisoa2 efa tsy ronono intsony izany no azonao fa efa vetin-kanina.:D
Ny TT sy TV dia misy hifandraisany daholo.Afaka mangataka amin'Atra hianao ny mba hanokafany ny fonao ahalala azy be be kokoa.
Amiko manokana dia ampiariko amin'ny fiainako ny tenin'ATra,mitolona mihitsy aza aho amin'ny herin'ny maizina matetika,izany akory tsy hampiova ahy ny fisiany satria amin'ny fotoana misy fahoriana mahazo ahy na mitady azy mafy ao dia eo akaikiko eo koa izy ary mampahery ahy mandrakariva.
Ao anaty baiboly io daholo izay lalam-piainantsika saingy tsy mitovy ny fitranga,mitady famelan-keloka ianao,ao anatiny ao izany,mitady fampaherezana ianao, voasoratra ao koa izany,mahatsiaro ho irery ianao,efa nanome hery antsika izy fa tsy hisaraka antsika ao voasoratra ao koa izany sns,sns.
Toy izany koa ny bokin'ny Genesisy izay manambara ny fahamarinan'ny niandohan'izao tontolo izao,ny olona voalohany , ny fanambadiana voalohany,ny fahotana voalohany, ny karazana fiteny fiteny voalohany,ny firenena voalohany sns ary dia mifandray any amin'ny
TV vaovao indray izany ka ahahafahan-tsika mino fa misy hifandraisany ilay izy.
Ohatra,ny fanambarana ny zavatra hitranga ary dia nitranga daholo taty aoriana.
Ohatra hoe ny hitrangan'izany zanak'Atra izany izay avy amin'ny vehivavy(Gen 3:15,4:25-26,12:3) Izay ampiarina any amin'ny TV Gal 3:16,29, ireo dia hita ao amin'ny Gen 12:3 ,ireo olona izay voasoratra ao amin'ny Gen dia miverina indray any amin'ny TV izay miresaka an'i kristy.Ny Gen koa dia miresaka an'i Abrahama izay lehilahy marina sy mino ary dia mbola misy izay ihany koa ao amin'ny Rom 4,Heb 11:1-22.
Ny fitsaran'Atra izay mbola hita ao amin'ny TV ihany koa (Lk 17:26-29,32, 2 Pet 3:6),ary Kristy izay tonga nofo (Mat 1:1,Jn 8:58).
Koa raha mino izany ianao fa misy ny TT dia misy hifandraisan'izany koa ny ao amin'ny TV,raha nolazaina fa nisy izany ny fiandohana ka ny boky Gen no nananambarana izany dia amiko misy izany io boky io ary azoko hianteherana ny fahamarinany ka tsy io irery ihany no misy hifandraisany fa ny rehetra izay samy manana ny sokajiny.

15. niryna ( 14/08/2007 23:40)
[quote=todisoa2]
Ohatra, ny @ Abrama sy Isaka.
Raha resaka anarana niova indray dia nisy antony tao ka tsy ireo olona ireo ihany no novaina fa ireto mbola misy maro.
Niova ny fiainany :arrow: niova ny anarany.
Abrama sy Saray(Gen 17:5,15) :arrow:Abrahama sy Sahara
Simona (John 1:42) :arrow:Petera
Saoly (Asa 13:9) :arrow:Paoly
Jakoba (Gen 32:28 ) :arrow:Israely
16. todisoa2 ( 15/08/2007 09:24)
niryna:

todisoa2 efa tsy ronono intsony izany no azonao fa efa vetin-kanina.:D
Ny TT sy TV dia misy hifandraisany daholo.Afaka mangataka amin'Atra hianao ny mba hanokafany ny fonao ahalala azy be be kokoa.
Amiko manokana dia ampiariko amin'ny fiainako ny tenin'ATra,mitolona mihitsy aza aho amin'ny herin'ny maizina matetika,izany akory tsy hampiova ahy ny fisiany satria amin'ny fotoana misy fahoriana mahazo ahy na mitady azy mafy ao dia eo akaikiko eo koa izy ary mampahery ahy mandrakariva.
Ao anaty baiboly io daholo izay lalam-piainantsika saingy tsy mitovy ny fitranga,mitady famelan-keloka ianao,ao anatiny ao izany,mitady fampaherezana ianao, voasoratra ao koa izany,mahatsiaro ho irery ianao,efa nanome hery antsika izy fa tsy hisaraka antsika ao voasoratra ao koa izany sns,sns.
Toy izany koa ny bokin'ny Genesisy izay manambara ny fahamarinan'ny niandohan'izao tontolo izao,ny olona voalohany , ny fanambadiana voalohany,ny fahotana voalohany, ny karazana fiteny fiteny voalohany,ny firenena voalohany sns ary dia mifandray any amin'ny
TV vaovao indray izany ka ahahafahan-tsika mino fa misy hifandraisany ilay izy.
Ohatra,ny fanambarana ny zavatra hitranga ary dia nitranga daholo taty aoriana.
Ohatra hoe ny hitrangan'izany zanak'Atra izany izay avy amin'ny vehivavy(Gen 3:15,4:25-26,12:3) Izay ampiarina any amin'ny TV Gal 3:16,29, ireo dia hita ao amin'ny Gen 12:3 ,ireo olona izay voasoratra ao amin'ny Gen dia miverina indray any amin'ny TV izay miresaka an'i kristy.Ny Gen koa dia miresaka an'i Abrahama izay lehilahy marina sy mino ary dia mbola misy izay ihany koa ao amin'ny Rom 4,Heb 11:1-22.
Ny fitsaran'Atra izay mbola hita ao amin'ny TV ihany koa (Lk 17:26-29,32, 2 Pet 3:6),ary Kristy izay tonga nofo (Mat 1:1,Jn 8:58).
Koa raha mino izany ianao fa misy ny TT dia misy hifandraisan'izany koa ny ao amin'ny TV,raha nolazaina fa nisy izany ny fiandohana ka ny boky Gen no nananambarana izany dia amiko misy izany io boky io ary azoko hianteherana ny fahamarinany ka tsy io irery ihany no misy hifandraisany fa ny rehetra izay samy manana ny sokajiny.

Ny ifandraisan'ny TT sy ny TV dia tsy ifandirana mihintsy. Satria ara-tantara ohatra, i Matio dia naka réferences be dia be tao @ TT mba hampino ireo Jiosy ireo ny @ Jesosy Kristy. Izy koa tsy maintsy nanohana ny heviny t@ TT, satria ny TT no hany boky (maro izay natambatra ho iray) ninoan'ny Jiosy ho tena tenin'Atra.

Ao anatin'io Genesisy io anefa, tsipihiko mazava tsara, fa maro ny loharanon'izy io. Izaho tsy milaza mihitsy sanatrian'izany hoe diso ny Genesisy, fa misy ny firafitra izay tsy mifanaraka loatra: ohatra ny Genesisy toko 1 sy ny faharoa: Ahoana marina no naharian'Atra ny olona: ''nohariany tonga dia lahy sy vavy ve (Toko 1) sa nalainy t@ taolan-tehezan'i Adama (Toko 2) . Eo izany dia ahitana fa misy ''fomba filaza roa samihafa ny @ famoronana.'' Ohatra ihany koa, ny Toko 1. Ahoana ny ''mazava'' sy ny fahazavana''. Hita izany fa misy point tsy diamaharesy lahatra ihany ao. Eo koa ilay hoe ''Atra mitsangatsangana teny @ Saha rehefa hariva ny andro'' (toy ny fanaon'ny mpanjaka izany).
Tokony tsy hiala @ contextes (politiques, sociales...) isika rehefa mamaky Baiboly mba tsy hampiova ny hevitra.

17. gasynamana ( 15/08/2007 09:44)
Dia efa famerin'ny namana eto ny hoe: ianaro ny teny grika, hebrio, nanoratana ny baiboly voalohany. Tsy izay ihany fa mbola nampiana hoe: fantaro ilay nanoratra ny baiboly sy ny tontolo nisy azy.

Tsy ampy ny mamaky dia mamerina izay voasoratra fotsiny na manao tsianjery toy ny mahazatra ny sasany. Ilaina ny mandalina sy mandinika, ampiana fandinihan-tena

Todisoa2: rehefa tonga mpitondra fivavahana ianao any aorina any dia izay andraisan'ny olona ny tenin'Andriamanitra araka ny tokony ho izy no ilofosy fa aza ny hevitrao samirery no asisika ao an-dohany, satria mety ho diso ihany ianao. Misaotra anao dia mirary fahombiazana amin'ny fihofanana ataonao
18. fijo ( 15/08/2007 20:26)
le izy efa noresahanareo teo ambony ihany.tantara maromaro no naravona ka lasa natao soratra iray.rehefa nanangona ireo tantara ireo ireo mpanoratra(izy nanao izay hoafany "pub io"hiverenanny israelianina hiaino azy,fa very fihinana izy")dia nafangaro tao aby ity tantara rehetra ity.hany ka misy fotoana tsy nifanaraka,anarana nifandiso.sns.tantara toy ny tantara rehetra anie ny baiboly e.mety misy diso satria lovantsofina no nampiasaina.fa tsy hoenanao dictée andriamanitra.
19. todisoa2 ( 16/08/2007 08:35)
gasynamana:

Dia efa famerin'ny namana eto ny hoe: ianaro ny teny grika, hebrio, nanoratana ny baiboly voalohany. Tsy izay ihany fa mbola nampiana hoe: fantaro ilay nanoratra ny baiboly sy ny tontolo nisy azy.

Tsy ampy ny mamaky dia mamerina izay voasoratra fotsiny na manao tsianjery toy ny mahazatra ny sasany. Ilaina ny mandalina sy mandinika, ampiana fandinihan-tena

Todisoa2: rehefa tonga mpitondra fivavahana ianao any aorina any dia izay andraisan'ny olona ny tenin'Andriamanitra araka ny tokony ho izy no ilofosy fa aza ny hevitrao samirery no asisika ao an-dohany, satria mety ho diso ihany ianao. Misaotra anao dia mirary fahombiazana amin'ny fihofanana ataonao

Eto ny fandinihana ny Baiboly, dia tsy maintsymipetraka @ tsikeran'ny texte, @ farany. tsy ny hoe fihevitrao angamba no tokony hapetraka fa ny ''synthèse'' avoaky ny fandinihana azy. Ilaina kou ny mifandinika @ olona, ohatra Docteur na Professeur en Théologie.
Ny fandinihana ny Baiboly dia tsy azo fefena na fehezina, fa tsy maintsy sokafina ary hitarina arak'izay domaines mety hisiany. Io lay actualisation-ny boky. Izany hoe jerena ny ankehitrinin'ny Boky. Eto no miditra foana ny contextualisation. Izany no mahatonga an'ilay hoe jerena ny contextes nisy t@ fotoana nanoratana azy, sao tsy azo ampiharina ankehitriny ny firafitry ny boky. Izany ohatra no tsy naneken'ny Loterana ireo boky sasatsasany tao @ Baiboly Katolika.

Ka ny fitenenana ny hevitrao eto dia tsy hoe tsikera ihany fa synthèse biblique avoakan'ny texte sy ny contexte. Izany no mahatonga ny Pastora alohan'ny hanaovana torin-teny dia tsy miainga @ Baiboly ihany fa miainga ihany koa @ireo foto-kevitra tohanan'ny mpandinika mahakasika ny Baiboly. Tsy adala akory ny fampianarana teolojia ho 7 taona nianarana vao mahazo license ary + de 25 ans d'études vao afaka miditra ao @ fanomanana Doctorat. Satria ny critique textuel no tena base-n'ny fianarana sy fampitana ny Baiboly.
Raha ny mahakasika an'ilay hoe mivaona dia izao no fipetrany: ''ny tsi-fanekena ny tari-kvt iray dia efa azo ilazana fa mivaona ilay izy.'' Ny olana anefa dia ny olona @ ankapobeny tsy mandray du point de vue global, fa izay ahazoany azy no itondrany sy itsarany azy, ka eo no ilazany ho mivaona na tsia ny hvt 1.

Ny Baiboly dia avy @ teny grika hoe ''biblos'', izay midika hoe boky natambatambatra. Ny baiboly dia tsy tenin'Atra ihany no nandrafitra azy fa tenin'olombelona koa hita ao. Eo koa ny tenin'ny devoly aza (toy ny @ menarana). Ny nandrafetana azy dia niala t@ fandinihana azy an-jato taonanay maro ary noho ny contexte nisy t@izany no naharafitra azy.
Izany dia niainga t@ hevitr'olombelona ombam-panahy Masina. Ka @izao fotoana ny fandinihana azy dia tokony hiafara foana @ hevitrao manokana omban'ny an'ny Fanahy Masina.
20. Mandefitra ( 16/08/2007 09:50)
todisoa2> mahaliana ... tsara fa tohizo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207