Soa fa tratra aby!

1. soanja ( 10/08/2007 19:39)
Tsy hay ny tsy hisaotra ny serasara nampisera ahy tamin'ny namako be dia be tany Dago.
Ialana tsiny koa ho an'izay nampanantenaina fihaonana nefa tsy tratra. Ny manetsa be mbola ho avy an. Amin'ny manaraka dia izay mazoto manaraka ahy de sady miasa isika no manapatapaka ahitra. Sa ahoana?
Izay ro izy fa dia misaotsa roa tamin'ny fitiavan-dehibe! tsa ho voavaly aby fa dia Andriamanitra antampon-doha ro hamaly azhy!
Faly koa mihaona eto indray. Shy magnana koa rea!
Mifalia lalandava ao amin'iza moa? Efa arakao tsara! Soanja.:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)
novalian'i tianalala ny 07/09/2007 08:36
2. sipagasy ( 10/08/2007 20:13)
tonga soa indray izany e!!!, mmhhh ary hanaraka an'i soanja zah @ manaraka fa ataovy ny pro e! hihih:-*
3. Fiffi ( 10/08/2007 20:26)
tongasoa akia soanja an ! :) :-*:-*:-*
4. ikalamako ( 10/08/2007 20:32)
ela izany ry soanja marina mafy an! nisy fotoana tena manimanina ny tantaranao.
Ka inona voandalana re! hay ianao tany an-tanindrazana izany ! Dia ahoana ny tohin'ny "rakimpiainana M/car-USA" tamin'ity indray mitoraka ity ? Ianao niverina avy nahita andr'i Rado sy ry Tiana no fizarana farany raha tsy diso aho (taona inona angaha iny ?:?:)
Faly mifanerasera indray izany akia a!:-*:-*:-*
5. Fiffi ( 10/08/2007 20:33)
aiza ny vondalana ? :)
6. soanja ( 11/08/2007 03:05)
ikalamako:

ela izany ry soanja marina mafy an! nisy fotoana tena manimanina ny tantaranao.
Ka inona voandalana re! hay ianao tany an-tanindrazana izany ! Dia ahoana ny tohin'ny "rakimpiainana M/car-USA" tamin'ity indray mitoraka ity ? Ianao niverina avy nahita andr'i Rado sy ry Tiana no fizarana farany raha tsy diso aho (taona inona angaha iny ?:?:)
Faly mifanerasera indray izany akia a!:-*:-*:-*


Aza manahy fa ho avy eo ihany o.
Nahafinaritra ny dia tany ka. Be ny voandala fa ny hozaraina indray maka tsy vita eto androany. Mbola mila kirakiraina vao tafita eto ilay izy.
Manao veloma anareo rehetra ny gidro tany an'ala rehetra sady manonona ny fisaorana mitafotafo ny fitandrovana azy ireo.:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*



7. soanja ( 11/08/2007 03:10)
Fiffi:

aiza ny vondalana ? :)


:D:D:D:D no voandalana azo aroso aloha satria mihaona eto indray. Nalahelo kely fa tsy nahatratra ny Lalaon'i Nosy e!
Manja hoa Madagasikara!
8. don109 ( 11/08/2007 13:44)
tonga soa akia ry Soanja , eto indray izany isika izao an , fa mba ilazao vao² tany @ izay nalehanao tany ary e , de aiza ny voan_dalana , ny ravin_dalana , ny ranon_dalana , manja ve i Gasikara ?
9. Fiffi ( 11/08/2007 13:46)
manja dago kah ! :)
10. sitlo ( 11/08/2007 14:12)
mba nandalo ny vavako: http://minorcrisis.net/files/MAHALEO___EFA_ELA.MP3
11. sitlo ( 11/08/2007 14:17)
hafa http://minorcrisis.net/files/MAHALEO___BON_VOYAGE.mp3

12. diamondra27 ( 11/08/2007 15:16)
Tonga soa Soanja de enga anie ka ho tafaverina soa indray e!:-*:-*
Paradisa mitsy ange akia i gasikarantsika io e!
Aleo iandrasana an'i Ralay ndray ny hitantara ny lalaon'ny Nosy Fa tsy maninona akia a!
samy manana mission doly e!
Ary iza no tany Majunga moa?
@ Alarobia zany akia a!:wink:


13. sakaizakely ( 13/08/2007 09:02)
tonga soa Soanja :-*:-*:-*:-*:-*

miandry tantara sy sary voandalana izany an :P:P:P:P
14. soanja ( 13/08/2007 11:32)
sakaizakely:

tonga soa Soanja :-*:-*:-*:-*:-*

miandry tantara sy sary voandalana izany an :P:P:P:P


Salut Diams, Sakaizakely, Sipagasy sy ny rehetra,
Mampanemboka sahady ve aky Dago kooo!
Tadidinareo ve ny hiran'i Njakatiana hoe "DAGO"
Mahalaza ny rehetra aky iny e.
Aleo ny sary alefa miandalana ao amin'i blaogy raha vao malalaka o.
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)


15. ikaretsaka ( 13/08/2007 14:09)
Zoky soanja soanja.. aiza ny voandalako?:wink:
16. mirana5 ( 13/08/2007 19:47)
sitlo:

hafa http://minorcrisis.net/files/MAHALEO___BON_VOYAGE.mp3





Misaotra sitlo,=D=D=D=D BE Mahaleo!
17. xxx ( 16/08/2007 16:54)
hay ve nandalo taty soanja e!
de manahoanaa ky bila any? sa any frantsa moa izy?
18. diamondra27 ( 16/08/2007 17:18)
Soanja: e e e! sarotra adinoina ny tanindrazana e!
mba tsiditsidio matetika ho anareo izay afaka de mampamangy any fa aleo zahay hiandry tanàna aty ihany aloha.

Omeo le blaogy ary hojerena e! kandrabe ndray ndry@iny an! sa rapide be ny manao an'io?:wink:


xxx: i bila mbola mrevy reggae be atsy ambadika
19. fijo ( 16/08/2007 21:34)
saly soanja an,za vaonanontany tena hoe rahovian ainy no hoavy,kay efa tonga soa eto indray.samy tsy nahatratra zedezily isika e
20. tianalala ( 05/09/2007 13:26)
Manakory Soanja!!!
Tianalala ihany ity e! faly fa nahare vaovao avy aty aminao. Tsy misy tsiny raha tsy tanteraka ny fihaonana taty Mada ka. Na dia niandry dia niandry an'io aza. Nanakory ny fandalovana taty an-tanindrazana? Efa maromaro ihany izay mail nalefako any amin'i Soanja zay an! dia andefaso an'ilay tohin'ny taloha moa e fa dia tapaka mihitsy any ny namana tsy mamaky ny tantara intsony. Azon'ny Soanja angamba ny tiako hotenenina. Zany an.
Manantena valiny tsy ho ela o!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4488