Aza kivy raha mahita ny hafa ambinina.Fialonana inona izany?

1. niryna ( 10/08/2007 06:15)
Nisy tantara nitranga toy izao ka mba mangataka fanampiana aminareo aho omeko ilay olona .Mpinamana izy efa-bavy,ary tsy mifankafohy mihitsy.Nanatona ahy izy fa tsy manana fifaliana fa misy zavatra mibahana ao an-tsainy.Manana namana aho hoy izy ary niaraka be izahay efatra ireo taloha.Izaho aho niala tsy niaraka tamin'izy ireo intsony.Ny antony dia ny iray nividy fiara lafobe,ny iray nahazo trano tsara tarehy ary ny iray mandeha vakansy fotsiny.Malahelo ahy hoy izy fa izaho irery no miasa mafy ,tsy mba manana na kiraro hisolosoloina,ary tsy mba manana fiara tsara sy lafo vidy na mandeha maka vakansy fa tsy maintsy miasa raha te-ihinana.
Maninona aho no tezitra azy ireo aho hoy izy,ary fitsiriritana ve izany sa fialonana?

Inona no atao hoe fitsiriritana eto ary ny fialonana?

Ny tenin'Atra mantsy dia mampianatra antsika hoe Aza tezitra amin'ny ambinina amin'ny lalany

Ianao koa ve indraindray mba manana toetra mitsiriritra olona na manana fahatezerana fa mety hoe resaka ara:tsaina ,fahalalana,harena,tarehy,sns..izay tsy hananao fa ny hafa no manana an'io dia tezitra ianao? Dia inona no ataonao?

Inona no fampaherezana tokony ataontsika ho an'ireny olona ireny raha resaka ara-pivavahana ?

Misaotra mialoha

(l)niryna
novalian'i niryna ny 26/08/2007 04:14
2. bichette ( 10/08/2007 07:25)
(Miala tsiny raha mampiasa teny vahiny kely ! )

L'Eternel ne considère pas ce que l'homme considère ; l'homme regarde à ce qui frappe les yeux, mais l'Eternel regarde au coeur. " I samuel 16 : 7 b

Nous sommes fortement influencés par ce que nous voyons, l'apparence peut-etre trompeuse ou mensongère. L'exterieur n'est pas un indicateur très fiable de notre nature intérieure.

La richesse est une mesure trompeuse de la valeur, elle n'a aucune constance durable parce que la valeur d'une personne ne dépend pas de son gain ou sa perte en biens.

Notre vie a une valeur bien plus grande que les choses (materielles)et c'est pour cela qu'elle ne peut se mesurer par les choses. Si notre valeur égalait tout un monde de choses, Dieu ne nous aurait pas rachetés par la vie de son Fils. Au contraire, Il nous autrait rachetés avec les richesse infinies des cieux qui sont telles que les rues sont pavées d'or pur. AUX YEUX DE DIEU NOTRE VALEUR EST BIEN PLUS PRECIEUSE QUE L OR.


__

Voiture, maison, grande entreprise, richesse etc ... ce sont des biens matériels (et il n'y arien de mal à çà) . Ce qui détermine la vraie valeur d'une personne n'est pas l'éxterieur (biens materiels) mais l'interieur, la RICHESSE INTERIEURE(bonté, sagesse ...)

Donc, ce n'est pas parce que les 3 filles ont - aux yeux du monde - "réussi" leur vie (puisque apparemment elles sont dévenues "riches" - que la quatrième qui doit travailler dure pour gagner son pain doit sortir du groupe ou s'eloigner du lot : NON.
La vraie valeure d'une personne est à l'interieur et la richesse interieure ne perit jamais, ne vieilli jamais



:-*
3. diamondra27 ( 10/08/2007 07:43)
complexe d'inferiorité zany amiko

za ndray tsy mitsiriritra olona zany fa raha tafita ny namako de vao maika za faly
matoa za tsy nanana tahaka azy de zay no anjarako de mifaly @ zay ananako , refa tsy any an-tokotany na 4mi de efa zava-debe zay amiko.


Ny fampaherezana dia hoe: aza mihary harena eto @ITI ianao fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany( :Atra io)
Samy manana ny tandrifiny avy ny olona

raha manana de tsy maninona fa raha tsy manana de mifalia mandrakariva fa izay ny didiny e!
I TES 5: 16


Rehefa misy manome zavatra de raiso fa kristiana tsy mandà fanomezana
4. ikaretsaka ( 10/08/2007 13:09)
Inona no atao hoe fitsiriritana eto ary ny fialonana?

arakarak'ilay fitondranao azy.
ny mialona aloha dia matetika lasa mitetika miteraka zavatra ratsy aminao sy ilay olona, ohatra: fanaovana ankasoparana, famosaviana sns..

ny mitsiriritra indray dia arakakarak'ilay olona io, misy mahatsara azy, misy maharatsy azy.
misy maka an'io ho karazana motivation hahafahany mioitra an...
hoe mijery ireny 1 tabilio tao am-pianarana ireny dia lasa hoe i anona lasa zao de ianaona lasa izao, dia lasa mifaninana masina izy @ zay!
5. fijo ( 10/08/2007 21:56)
fitsiriritana mitarika fialonana.
raha mijanona ho fitsiriritana dia tsara.satria mampihezaka izay,fa raha mivadika hofialonana dia hialao fa ratsy foana ny vokany
6. niryna ( 11/08/2007 05:08)
bichette:

(Miala tsiny raha mampiasa teny vahiny kely ! )

L'Eternel ne considère pas ce que l'homme considère ; l'homme regarde à ce qui frappe les yeux, mais l'Eternel regarde au coeur. " I samuel 16 : 7 b
...)

Donc, ce n'est pas parce que les 3 filles ont - aux yeux du monde - "réussi" leur vie (puisque apparemment elles sont dévenues "riches" - que la quatrième qui doit travailler dure pour gagner son pain doit sortir du groupe ou s'eloigner du lot : NON.
La vraie valeure d'une personne est à l'interieur et la richesse interieure ne perit jamais, ne vieilli jamais


Izaho koa dia mino an'izany satria Atra tsy mitovy ny fijerin'ny olona aty ivelany.Sady hoy koa izy hoe ny fihevitro tsy mba fihevitrareo.
Ity misy tantara:
Nanankarena ity rangahy ary nilazainy ahy ny vola noraisiny isan-kerinandro izy.Tsy mba nahafaly azy hoy izy mantsy ahy ireo vola noraisiko ireo fa mitady ny ahazo noho ireo foana aho.Indray andro izay aho nanofy ,talohany nametrahako ny fiainako manontolo ho tantanan'Atra ,hoy izy ,ary nisy olona niresaka tamiko tao anaty nofy nanao hoe na azonao daholo aza izao rehetra izao raha mbola tsy mametraka ny fiainanao amin'Atra ianao dia tsy ho faly mihitsy.
Inona tokoa fa lanilany daholo ny volako ary tsy nanana aho na efitrano kely akory aza.Tsy fantatro izay nahatonga ahy niditra am-piangonana ary nony tonga tao aho,tsy tadidiko koa hoe taiza ilay fiangonana satria efa 30 taona lasa izay,toa izaho no resahin'ilay pasitera ary nony tonga ny fotoana niantsoany ireo olona hivavahana sy hametraka ny fiainany ho eo am-pelantanan'Atra dia izaho no voalohany teny ary ontsan-dranomaso ny akanjoko.Izay ary dia lasa olona tsotra mandray karama toy ny rehetra ihany izy fa tsy hoe ambony be na mpanan-karena be toy ny teo aloha.Ny fehiny hoy izy tamiko.Nanan-karena aho fa nahantra ara-panahy,izaho aho mahantra fa manan-karena am-panahy.Mitety ny any am-ponja isan-kerin'andro izy mitoriteny sy mampianatra ireo gadra amin'izao fotoana izao.
^:^

7. niryna ( 11/08/2007 05:15)
diamondra27:

complexe d'inferiorité zany amiko

za ndray tsy mitsiriritra olona zany fa raha tafita ny namako de vao maika za faly
matoa za tsy nanana tahaka azy de zay no anjarako de mifaly @ zay ananako , refa tsy any an-tokotany na 4mi de efa zava-debe zay amiko.


Ny fampaherezana dia hoe: aza mihary harena eto @ITI ianao fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany( :Atra io)
Samy manana ny tandrifiny avy ny olona

raha manana de tsy maninona fa raha tsy manana de mifalia mandrakariva fa izay ny didiny e!
I TES 5: 16


Rehefa misy manome zavatra de raiso fa kristiana tsy mandà fanomezana




Ie,miantso ny namany hono izy hoe inona no ataonareo dia hoe aty amin'ny plage izahay ,dia izany koa dia mahatezitra azy.Misy tokoa ny olona manana toetra mankahala fotsiny raha mahita ny hafa lasa,kanefa araka io teninao io dia samy manana ny tandrifiny avy ny tsirairay,mila mifaly amin'izay nomen'Atra azy avy.
8. niryna ( 11/08/2007 05:27)
ikaretsaka:

Inona no atao hoe fitsiriritana eto ary ny fialonana?

arakarak'ilay fitondranao azy.
ny mialona aloha dia matetika lasa mitetika miteraka zavatra ratsy aminao sy ilay olona, ohatra: fanaovana ankasoparana, famosaviana sns..

Ie mety misy hafa koa e,fa ilay mialona ve tsy toy ny hoe tsy faly hava-manana ihany e,sa tsy mitovy izany.
Na ny havana aza anie dia misy manao hoe hano fa adala tompo e,ary raha tsy manome azy amin'izay tiany atao ilay manana dia lazainy fa mamaky hakotry na manjaitra atody vaky.Sa tsy mitovy ireo ?


ny mitsiriritra indray dia arakakarak'ilay olona io, misy mahatsara azy, misy maharatsy azy.
misy maka an'io ho karazana motivation hahafahany mioitra an...
hoe mijery ireny 1 tabilio tao am-pianarana ireny dia lasa hoe i anona lasa zao de ianaona lasa izao, dia lasa mifaninana masina izy @ zay!

dia inona izany ilay dikan'ny hoe mitsiriritra?
Aza mitsiriritra ny haren'ny namanao ,na ny vadin'ny namanao,na izay fananan'ny havanao.
Fa misy tombony lehibe tokoa ny fanahy araka an'Atra omban'ny fianinana.Fa tsy misy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika,sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. ITim 6:6 .Koa tsy tokony ho faly amin'izay nomen'Atra ve raha izany!:D

9. niryna ( 11/08/2007 05:36)
fijo:

fitsiriritana mitarika fialonana.
raha mijanona ho fitsiriritana dia tsara.satria mampihezaka izay,fa raha mivadika hofialonana dia hialao fa ratsy foana ny vokany

Misy olona ve mitsiriritra fotsiny kanefa tsy mialona na mialona kanefa tsy mitsiriritra?

Ity misy tantara iray.Nisy mpanankarena be izay ary izy no fara-tampony amin'ny harena.Sendra nandeha nitsangatsangana tany anaty ala tany izy ary nisy toerana feno honahona moa ireny filaza ny toerana misy voay ireny? Maty lanin'ny voay izy ary natao ny fisavana ilay toerana fa tsy hita mihitsy ny fatiny hatramin'ity ny androany.Hoy ity rangahy iray hoe mpanan-karena tsy misy toa ireny kanefa maty izy ,moa nahatondra na ohatrinona aza a,ary moa na nanambola aza ry zareo nahavidy ny ainy sy nahita ny ainy ny havany?
Koa raha mahita ireto namany ity vehivavy fa lasa manana daholo izy ireo,mety ety ivelany fotsiny no hitany fa mety tsy misy fifaliana any anatiny.

10. ikaretsaka ( 13/08/2007 00:43)
ie ..misy olona mitsiriritra dia tsy mialona..
ireny ilay manao example ny zavatra ataonao ka vao mainka manome azy motivation hiezaka mba hahatratra an'iny na misongona an'iny aza!
raha izay no lafiny dia tsara!
le Envie lasa motivation...dia maty ny baolina.
11. niryna ( 13/08/2007 04:48)
ikaretsaka:

ie ..misy olona mitsiriritra dia tsy mialona..
ireny ilay manao example ny zavatra ataonao ka vao mainka manome azy motivation hiezaka mba hahatratra an'iny na misongona an'iny aza!
raha izay no lafiny dia tsara!
le Envie lasa motivation...dia maty ny baolina.

Hay ve ,misaotra anao,efa naheno olona aho niteny hoe sambatra izy o,tsy nisy hatezerana fa fitadiavana ny hitovy ilay toerana misy ilay olona.
Eny e na inona na inona ny toerana misy antsika efa samy nomen'Atra izany avy ny tsirairay.Toy ilay tantara mikasika ilay mpanankarena nizara ny fananany ho ampitomboina ka rehefa niverina izy dia hita fa ireo nomena be namokatra maro be ary ireo nomena kely tsy nanao na inona na inona.
Toy izany ihany koa isika eo amin'ny lafin'ny fivavahana izay fahaizana kely hananantsika dia tokony ho zaraina fa tsy atao any am-paosy fotsiny,tsy voatery vola izany fa na inona na inona ka mba afaka mizara dia ataovy fa tsy misy nenina.

12. niryna ( 13/08/2007 05:01)
Ireto misy fampaherezana ny hafa raha sendra mitovy io vehivavy tsy mba faly izay nomen'ny Tompo azy.Jereo izay fahasoavana nomeny antsika,isaho ireny fa tsy ho voatanisa daholo,ny zavatra tsara no jerena fa tsy ny fahoriana nianjady.
Misy miteny hoe ny vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy.Mifalia amin'izay kely eo am-pelantanana,izany akory tsy midika hoe aza mihotra manao zavatra,afaka mangala-tahaka ny hafa fa ny mitsiriritra ny namana na ny havana dia poizina mifono ary miteraka fankahalana ilay olona.
Jereo anie ity hafatr'i Paoly ity e
"Tsy filan-javatra anefa no hanaovako izany,fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.Mahalala hietry aho,ary mahalala hi-tombo,na aiza ,ary na ary na amin'inona na amin'inona dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo." Fil 4:11-12

Ary ny ohabolana dia nampianatra antsika koa fa "Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana noho ny trano feno hena misy fifandirana" Oha 17:1

Na inona na inona haren-tsika raha tsy misy an'Atra ny tokan-trano dia tsy ahita fahasambarana mihitsy isika.Katsaho hoy izy aloha ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao izao rehetra izao.

13. niryna ( 13/08/2007 05:07)
Vakio ireto fampaherezana ireto raha sendra ny fahakiviana ianao.

Sal 27:14,Sal 37:3,Isaia 40:29,Sal 31:24
Fil 4:13" Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mpampahery ahy.":D
14. ikaretsaka ( 13/08/2007 05:35)
ary hitan'i niryna ve ilay temoinagen'ilay vehivavy rwandais iny tao @ UN?
maty daholo ny fianakaviany t@ ireny genocide ireny fa izy irery sisa, fa tsy nitana alahelo izy na 1 aza?
toa lasa masera izy izao raha tsy diso aho
15. niryna ( 15/08/2007 00:04)
ikaretsaka:

ary hitan'i niryna ve ilay temoinagen'ilay vehivavy rwandais iny tao @ UN?
maty daholo ny fianakaviany t@ ireny genocide ireny fa izy irery sisa, fa tsy nitana alahelo izy na 1 aza?
toa lasa masera izy izao raha tsy diso aho



:cry::cry: mampalahelo izany.Vehivavy iray nanana olon-tiana no efa hitako ary nanana zanaka roa mianadahy.Notenenin'ity rangahy izy fa tiany hono saingy tsy mahazaka ny fianakaviana maro.Nalefany tany anaty rano ilay zaza ary notadiavina ka hita tao anaty rano ny fiara niaraka ilay zaza roa efa maty.Toa tratran'ny famonoana azy ho faty ity ramatoa.Ny zanaka nafoy ,ny tena very any amin'ny afobe,ny olona tiana tsy hita intsony.Io dia lasa fankahalana sy fitiavan-tena no nahazo ilay ramatoa.
16. fijo ( 15/08/2007 21:16)
niryna,za mitsiriritra fa tsy mialona.za te hanana ,fa tsy manenjika ny efa manana.le mialona anie tsy misy vokany e.raha mialona aho ka hamono ilay olona.moa ve holasako ny hareny?????tsy itako noho izny izay hialonana azy famitsiriritra azy aho diamanao izay ahatongavako hotoa azy
17. niryna ( 15/08/2007 22:06)
fijo:

niryna,za mitsiriritra fa tsy mialona.za te hanana ,fa tsy manenjika ny efa manana.le mialona anie tsy misy vokany e.raha mialona aho ka hamono ilay olona.moa ve holasako ny hareny?????tsy itako noho izny izay hialonana azy famitsiriritra azy aho diamanao izay ahatongavako hotoa azy

Mitsiriritra izany fiteny tsara a.Mampihezaka ny olona hitovy azy iny ? Raha tsy tratra aloha dia efa niezaka e.Fa ilay fialonana izany no tena poizina mahafatsy ary mety hiteraka fankahalana raha tsy mahatratra ilay olona ?

18. fijo ( 16/08/2007 23:12)
amiko le mitsiriritra di atsara.raha tsy mitsiriritra enao tsy nianatra.te ahay de nianatra.fa ny mialona kosa dia tena afera ratsy sady tsy ahitana vokany akory
19. niryna ( 26/08/2007 04:14)
fijo:

amiko le mitsiriritra di atsara.raha tsy mitsiriritra enao tsy nianatra.te ahay de nianatra.fa ny mialona kosa dia tena afera ratsy sady tsy ahitana vokany akory


sady ny tena maha-dange be an'io dia mikiky ao anaty ka miteraka fahankahalana rehefa tsy mitovy ilay olona:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2549