Ny loko sy ny heviny.......

21. Fiffi ( 10/08/2007 07:26)
Ika: fa nahoana akia no atao hoe "Tanora maintso volo" ?
22. sakaizakely ( 10/08/2007 10:46)
ataoko angamba fa tsy figé amin'ny tsara na ratsy fa azo ampiasaina @ lafiny roa daholo ny loko

raha tena ratsy tokoa ary ny fotsy, maninn no natao lokon'ny sainampirenena ? sa hevibazaha koa ? dia tena tsy manana ny maha izy azy mits zany ny malagasy raha izay, nefa dia ny mifanohitra @ zany no dradraina :roll::roll::roll:

aleo tsy sokajiana fa ampiasaina am ze mampety sy itiavana azy :P
23. xxx ( 10/08/2007 11:05)
ikaretsaka:

ny fotsy amin\'ny mariazy sy batemy dia fomba en general fotsiny ! nisy olona nanao sy nitarika dia lasa izay fotsiny, fa tsy misy didy aman-dalana mihitsy hoe rehefa batemy sy mariazy dia fotsy.





ahitsiko Ika fa vao avy natao batemy ny zanako : obligatoire ilay manome "lamba fotsy" @ batemy , misy heviny ... mila manao révision kely ise "iny lamba fotsiny omena anao iny ..."
24. Fiffi ( 10/08/2007 11:08)
xxx:

ahitsiko Ika fa vao avy natao batemy ny zanako : obligatoire ilay manome "lamba fotsy" @ batemy , misy heviny ... mila manao révision kely ise "iny lamba fotsiny omena anao iny ..."
ara-pinoana io......


25. Fiffi ( 10/08/2007 11:11)
"hery":
Fiffi> marina io lazain'i Jessimi io. Raha hevitry ny loko amin'ny Malagasy no anontanianao (fa tsy amin'ny kristianina sns) dia
"Jessimi":
Aleo dia ahitsiko tahaka ny nanitsian'ny mpampianatra malagasy anay tany am-pianarana fa ny loko fotsy dia loko "ratsy' amin'ny Malagasy.
Ohatra: fotsy varavarana ho an'ny olona mandao ny adidy ao an-tokantrano fa variana any ivelany, fotsy feo ilazana ny mpamalan-kira, ...
Io resaka hoe fotsy = fahadiovana io dia avy amin'ny kolotsaina vahiny fa tsy malagasy mihitsy.
26. ikaretsaka ( 10/08/2007 13:35)
fiffi sy xxx> arakarak'ilay hoe "aiza" no misy anao..
lamba fotsy ange omena e.. fa tsy ny fanaovana akanjo fotsy no obligatoire
27. ikaretsaka ( 10/08/2007 13:46)
fa ny fahalalako azy dia hoe ny fotsy =madio, foana , tsisy ninoninona (verenako ilay fotsy feo) ..
dia rehefa avy eo miha misy miha misy miha misy (miha maloto)
dia rehefa maloto be dia farany lasa voloparasy (variation'ny manga be tafahoatra=cf arc en ciel ny volomparasy) dia diovina indray.
izay ny mahatonga ny olona sy ny fiangonana sasany manao hoe rehefa tsy voaloto dia fotsy, fa rehefa maloto dia .... na @ mariazy aza

dia rehefa karemy dia atao symbole ilay volomparasy, hi symbolisevana ilay loto sy ota ho voadio @ ran'ny Paka (izay no hanaovana fotsy indray rehefa paka)
28. Fiffi ( 10/08/2007 15:52)
ikaretsaka:

dia rehefa karemy dia atao symbole ilay volomparasy, hi symbolisevana ilay loto sy ota ho voadio @ ran'ny Paka (izay no hanaovana fotsy indray rehefa paka)
hay ? io koh anisan'efa notadiaviko an !


29. Alaina ( 28/04/2008 07:20)
Tokony heverina tsara aloha ny dikan'ilay loko "fotsy". Mety azo heverina tokoa hoe ratsy amin'ny lafiny iray, kanefa mila hazavaina tsara.
1- Ilay hoe "fotsy varavarana", entina hilazana olona iray izay tsy tamana ao an-tranony fa mandeha mitety tranon'ny namana mba hiresaka sy handany andro fotsiny, ka fotsy ny varavarany satria tsy misy olona miditra mihitsy ao aminy. Ka eto dia ilay toetra tsy mahavita ny adidy ao an-tokatrano no lasa mibahan-toerana, ka lasa teny fanesoana ilay hoe fotsy varavarana, izany hoe: tsy mba maloto mihitsy ny tranon'ilay olona tsy mipetraka ao an-tranony satria tsy misy mpiditra mihitsy ao aminy.
2 - Raha hilaza ny lafy tsaran'io loko io indray dia mazava tsara ny hevitra ao amin'ilay fomba fiteny hoe: "fotsy madio mangarangarana", fa dia midika ho fahadiovana tanteraka ity loko ity.
3- Azo heverina ho fahanterana ihany koa ny "fotsy" raha ny lokon'ny volo no jerena araka an'ilay fiteny hoe: "efa antitra sy fotsy volo".
4- Ny "fotsy" ihany koa dia azo hilazana zavatra iray efa niasa ela:ny hoe "fotsy rora" dia hilazana ny olona iray efa reraka niteny sy nanazava ka mamaritra fotsy ny vavany. Ny lamba ihany koa rehefa miha-tota dia lany tsikelikely ny loko eo aminy ka ny fotsy no sisa tavela.
Araka izany dia tsy azo terena ho hanana hevitra tokany ny loko ampiasaina fa tsy maintsy jerena sy dinihina tsara.
Ny fampiasana azy ihany koa dia tokony fantarina arakaraka ny fomba ama-panao eo amin'ny fiaraha-monina izay manome ny heviny.
30. boga ( 29/04/2008 07:08)
Alaina : tena marina tsy misy iadiana hevitra miitsy io teninao io e! misaotra anao nanazava azy antsipirihany e!
31. mpisotrtoaka ( 07/07/2015 11:05)
Ar mba inona no hevitry ny loko MAVO ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2103