MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
1. nyeja
(
03/08/2007 14:16)
MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA
Nahoana no mandrangitra ady
Masiaka ianao ry Fiarahamonina
Moa ny tany ve no fady
Sa irony vavan'olona ?
Lazaina tsisy fiheverana
Irony fo izay miara dia
Satria ny taona mielanelana
Tsy mendrika hifankatia !
Lazainao koa fa voarara
Raha samihafa ny fihodirana
Tsorinao fa TSY ANJARA
Satria ny masonao sahirana ?
Tebahinao fa tena ADALA
Ireo minia mbola miaraka
Satria dia mifandany zara
Ka tsara ho azy ny misaraka !
Nahoana, nahoana ho aho nahoana ?
Nahoana no mandrangitra ady ?
MASIAKA IANAO RY FIARAMONINA !
Moa ny TANY VE NO FADY
Sa irony VAVAN'OLONA ?
O ry FIARAHAMONINA !
Raha mba fantatrao ahay
Ny ao anaty ange tsy hihonona
TSY TE HIHAINO ANAO ZAHAY !
Ny Eja (juin 2007 1 ora maraina )
Nahoana no mandrangitra ady
Masiaka ianao ry Fiarahamonina
Moa ny tany ve no fady
Sa irony vavan'olona ?
Lazaina tsisy fiheverana
Irony fo izay miara dia
Satria ny taona mielanelana
Tsy mendrika hifankatia !
Lazainao koa fa voarara
Raha samihafa ny fihodirana
Tsorinao fa TSY ANJARA
Satria ny masonao sahirana ?
Tebahinao fa tena ADALA
Ireo minia mbola miaraka
Satria dia mifandany zara
Ka tsara ho azy ny misaraka !
Nahoana, nahoana ho aho nahoana ?
Nahoana no mandrangitra ady ?
MASIAKA IANAO RY FIARAMONINA !
Moa ny TANY VE NO FADY
Sa irony VAVAN'OLONA ?
O ry FIARAHAMONINA !
Raha mba fantatrao ahay
Ny ao anaty ange tsy hihonona
TSY TE HIHAINO ANAO ZAHAY !
Ny Eja (juin 2007 1 ora maraina )
novalian'i nyeja ny 11/08/2007 05:52
4. sitlo
(
03/08/2007 15:18)
Vao maraina aho no nividy sakay
Ny fofony aloha d\'efa nahavaivay
Diampolo ariary ny tokony iray
Fa raha maka maro dia ambanin\'izay
Falifaly ery mama fa nahazo laoka
Naniraka anjanany fa kamo nivoaka
Narotsany ny vary izay telo kapoaka
Nojereko izy fa tena mbola nanoaka
mamy ianao ry fiarahamonina
Nony tonga ary ny mitatao vovonana
Dia avy izahay samy nazoto omana
Dia samy nitsiky toa andro lanonana
Nefa ny ranon\'ampango nifamitolomana
Toa tsapako nafana ny traotraoka
I dada tsy tana fa nody nivoaka
Njoky sy njandry samy nitana saoka

Ny ahy ny masoko efa nila nivoaka
masiaka ianao ry fiarahamonina
Lazaiko ny olana taorianan\'izay
Nony efa nilamina naka aina izahay
Dia avy nikapa aho hozy ranjokinay
Fa tena nafana hatramin\'ilay andro
masiaka ianao ry fiarahamonina
Sitlo (03 Aogositra 2007 11 atoandro)
6. fasaly
(
03/08/2007 15:19)
mahereza e! tsara lay tonokalo.....aza gaga raha indramiko apetako ary am blogiko ary an! biz Ny eja:-*:-*:-*
7. Samoana
(
03/08/2007 15:24)
( Avaliko an'i Nyeja, namana mahay sy mahafinaritra:-* )
Tezitra aho ry fiaraha-monina
Fa noho ilay hasikanao
Manebateba, mizahozaho
...De tsy matory izao ny olona
Fantatrao ve ny ataonao ?
Jereo kely, mba misaina
Ny ora efa @ 1 maraina
...Ny foko tsy alaminao
Volon-koditra ? Tss! na fotsy ny azy
Na saribao, na mavo na koa sôkolà
Fiaraha-moniko io. Tsy anao fa ahy
Ka aza anaovanao barazy !!!!
Ka avelao aho mba hiaina
Avelao aho mba hatory
F'aza volenao sorisory
...Aza fohazina @ 1 maraina !
Samoana ( Août 2007 - 4 ora hariva :wink:)
Tezitra aho ry fiaraha-monina
Fa noho ilay hasikanao
Manebateba, mizahozaho
...De tsy matory izao ny olona
Fantatrao ve ny ataonao ?
Jereo kely, mba misaina
Ny ora efa @ 1 maraina
...Ny foko tsy alaminao
Volon-koditra ? Tss! na fotsy ny azy
Na saribao, na mavo na koa sôkolà
Fiaraha-moniko io. Tsy anao fa ahy
Ka aza anaovanao barazy !!!!
Ka avelao aho mba hiaina
Avelao aho mba hatory
F'aza volenao sorisory
...Aza fohazina @ 1 maraina !
Samoana ( Août 2007 - 4 ora hariva :wink:)
10. xxx
(
03/08/2007 16:06)
bravo daholo e!
tena mahay ky ndry ry Ny Eja!
mahafinaritra fa tohizo e, de manorata moa boky e! =D
tena mahay ky ndry ry Ny Eja!
mahafinaritra fa tohizo e, de manorata moa boky e! =D
12. karinah
(
03/08/2007 18:24)
xxx:mpanoratra anie "Ny Eja" ry xxx !
bravo daholo e!
tena mahay ky ndry ry Ny Eja!
mahafinaritra fa tohizo e, de manorata moa boky e! =D
nyeja: bravo ihany koa!=D=D=D:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
13. ikaretsaka
(
04/08/2007 05:58)
ho an'i nyeja
Tsy hoe
Izy akory no masiaka
Fa ilay ianao mafy loha
Rehefa iny be doika
Vita hatreo 'nefa dia voa
Dia hoe
iza ary no Hatonina
Fa tsy ny Mpiara monina?
Izay foana no miseho
tsy mahagaga raha leo.
Ka de:
Fony vao milatsa paka
dia aleony alamindamina
tsy hainy manko ny mizaka
Sipa iray mila vanony
Dia aleony ....
Tsy hoe
Izy akory no masiaka
Fa ilay ianao mafy loha
Rehefa iny be doika
Vita hatreo 'nefa dia voa
Dia hoe
iza ary no Hatonina
Fa tsy ny Mpiara monina?
Izay foana no miseho
tsy mahagaga raha leo.
Ka de:
Fony vao milatsa paka
dia aleony alamindamina
tsy hainy manko ny mizaka
Sipa iray mila vanony
Dia aleony ....
16. princesseN
(
04/08/2007 09:59)
=D=D=D=Dtsara be doly mintsiny!
Andray...!
Tena mba nanohina
Ty fombanao ry FIARAHAMONINA
sahinao ny nanao izany,
Nanolo ny tsikiny ho tomany!
Noravanao ny fitiavany
Nosembaninao ny anjarany
Lazainao fa tsy azo ekena,
nefa ny azy reo toky no nomena
Masiaka loatra zato ianao
Fa dia nahoana no nanao toy izao?
Ny fitiavany noterenao ajanona
Satria ny anao dia filàm-banona!
princesseN(04 Août 2007-1 ora atoandro)
Andray...!
Tena mba nanohina
Ty fombanao ry FIARAHAMONINA
sahinao ny nanao izany,
Nanolo ny tsikiny ho tomany!
Noravanao ny fitiavany
Nosembaninao ny anjarany
Lazainao fa tsy azo ekena,
nefa ny azy reo toky no nomena
Masiaka loatra zato ianao
Fa dia nahoana no nanao toy izao?
Ny fitiavany noterenao ajanona
Satria ny anao dia filàm-banona!
princesseN(04 Août 2007-1 ora atoandro)
20. tywa68
(
04/08/2007 11:22)
booboo : ka tsy maintsy asiana public kosa fa manjary tsy misy mijery ny poety e !:wink:
