MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA

21. ikaretsaka ( 05/08/2007 02:38)
andray kosa indry
ataovy ny poezy
hojeren'ny fiaraha monina
f'aza ilaozana mingonongonona
22. Fiffi ( 05/08/2007 06:39)
hummm....mahay an ! :)
23. nyeja ( 06/08/2007 05:48)
Misaotra anareo rehetra izay namaly ilay hoe "masiaka ianao ry fiarahamonina , nofohaziny amin'ny iray maraina aho hilaza fa firifiry moa no olona ianjadian'ny hasikan'io fiarahamonina io ? dia marina ilay voalazan'ny namana iray hoe tsy afa miala ao anefa isika ka dia aleo tsy henoina fotsiny efa mandahirana .

O Ry fiaraha monina
raha mba fantatrao ahay
Ny ao anaty ange tsy hihonona
Tsy te hihaino anao zahay !

ho anareo manontany boky dia efa namoaka boky aho eny Md Paoly sy Librairie Mixte no ahitanareo azy .
bizoroka mamy be ho anareo rehetra an
Ny Eja
(Mpanoratra malagasy mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM fikambanan'ny poety sy mpanoratra Malagasy )
24. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:07)
Rehefa hita fa voarara
dia aza atao intsony izany,
mety hainy fa tsy tsara
ho hainao.. any ho any

Izao tsy hainao ny antony
mahatonga anao tsy hanaiky
ianao moa mbola vantony
ka tsy mety lany Haiky

fa dia mahandrasa mahandrasa
dia tazomy ao am-po
Fa ilay voarara tamin'ny lasa
kay nisy antony tokoa

dia eo ianao ho tonga saina.
ny fiaraha monina Ilaina

Ikaretsaka avy nipipi alina (@ 2 maraina izao)

25. princesseN ( 06/08/2007 09:46)
tsara eh!merci an'iNyeja an!=D=D=D
26. rhina ( 06/08/2007 11:40)
TSIA
miahiahy aho
@ fombanao ry olona

miahiahy ny aminao
sy ny @ fiovaovanao

miahiahy ihany koa
@ ny ho avinao sy izay mety ho tohiny ao

mananatra aho
mananatra anao mba tsy hisin'ny nenina ho anao

satria, betsaka betsaka ny efa itako
betsaka betsaka ny efa taizako
manimba sy mandratra ary manankorotana ahy
dia NY DITRANAO

dia izao ilay FIARAHAMONINA
raisinao masika raha mba manitsy anao

rhina(teo)
27. mamzelkely ( 06/08/2007 15:34)
tena mihaiky za fa manatelenta avoko ny ankizy ato =D=D
28. Fiffi ( 06/08/2007 15:40)
mamz koh ka ! :):-*:-*:-*

fa tena misy mahay kosa aloha an ! hafa hiany ny poésie gasy an !
29. tywa68 ( 07/08/2007 05:04)
Mamz sy Fiffi : Ny soa fianatra hono e :lol: Zahay aloha mpijery fa tsy mahay e !
30. miantra ( 07/08/2007 11:50)
=D=D=D daholo e!!
31. nyeja ( 08/08/2007 07:38)
Masiaka ianao ry FIARAHAMONINA tononkalo mampieritreritra ary ao anaty boky izay navoakako farany .


Dia misaotra sy mankasitraka anareo izay namaly io hevitra miendrika tononkalo io ny tenako .

:-*:-*:-*:-* be dia be ho anareo rehetra mialatsiny aho fa tsy afaka mandalo eto matetika ka tsy mba naharaka e.

(l)
Ny Eja
32. princesseN ( 08/08/2007 08:07)
tsisy fisaorana Ny Eja...tohizo foana fa tsara de manohana anao fona koa zahay eto @ serasera eh!:-*:-*
33. nyeja ( 11/08/2007 05:52)
mankasitraka akia princessN a !
tiako be ilay valiteninao
Ny Eja (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086