Toliara sa Toliary?

1. Herimiafina ( 03/08/2007 01:50)
Inona no tena marina, Toliara sa Toliary kay? :^):@
2. xxx ( 03/08/2007 02:54)
Tolozy :°)
3. fasaly ( 03/08/2007 05:44)
tuléar.....:°)
4. mahitsih ( 03/08/2007 06:38)
Toliara no marina kah, betsaka ny mandiso io sady tsy mahafantatra fa io no izy averiko indray:Toliara.
5. diamondra27 ( 03/08/2007 06:46)
Asehoy aloha ny tantara de tenenina we iza no izy

de inona ny CP any zany Sao de tsy tonga ny lettre?
6. hery ( 03/08/2007 06:48)
Toliara no izy kah... tsisy tantara haseho fa mila miaina any fotsiny dia mahalala :-)
7. xxx ( 03/08/2007 08:14)
Toliary ka : ny tantara dia hoe rehefa nandeha elabe ilay olona dia tonga ihany farany dia hoy izy hoe "toly ary" , toly = tody

Misy tantara daholo ireny, ohatra koa Mahajanga dia nisy olona tsy salama foana (karazana mpanjaka t@ izany) nipetraka tety anivon'ny tany, dia nalefa tany Mahajanga dia hoy izy eo "eto maha janga ahy" , janga = salama

Toamasina , avy @ hoe masina=masira ilay ranomasina
8. najah ( 03/08/2007 08:30)
Toliara=Toliary=Tuléar=Tolagnaro?
http://www.madagascar-4ever.com/articles.php?lng=fr&pg=97
http://fr.wikipedia.org/wiki/Liste_des_gouverneurs_des_provinces_malgaches
http://www.tlfq.ulaval.ca/axl/afrique/madagas.htm
9. ikaretsaka ( 03/08/2007 08:31)
Toly ary= tody ary "fihereanna no maha toli ary" (
10. sechat ( 03/08/2007 08:57)
Tiliary zay... tena maminay :-D
11. karinah ( 03/08/2007 11:12)
Herimiafina: Toliary taloha dia niova Toliara taty afara!:}
12. Bariry ( 03/08/2007 12:39)
TOLIARA koahy no izy!
13. sitlo ( 03/08/2007 12:50)
Toliary http://sitlo.blaogy.com/gallery/465/madagasikara.gif

wooda> Tolagnaro = Faradofay = Fort Dauphin
14. Samoana ( 03/08/2007 13:13)
sitlo/ azo atokisana ho porofo ve ny voasoratra @ io sarin-tany io ? Sa azo eritreretina ho mety diso tsipelina ? Tsy izany mantsy fa...( Jereo " ATANANARIVO ":-D )
15. sitlo ( 03/08/2007 13:24)
:-D lol
16. sitlo ( 03/08/2007 13:29)
aleo fa itadiavako FTM mihitsy :oops:
17. sitlo ( 03/08/2007 13:32)
Toliara http://www.ftm.mg/ :-D
18. Samoana ( 03/08/2007 13:36)
Manana goavana be novidiko tao @ foibe FTM t@ taona 1995 zà ary...TOLIARA no voasoratra ao. hihihi
19. sitlo ( 03/08/2007 14:17)
Google Maps koa aza Toliara ka. Taiza koa ary moa no nahitako an'io sary io? :°)
20. vale ( 03/08/2007 16:17)
Sitilo::lol:... oviana kaloh ny daty t@ ilay sarin-tany io? fa ny rehako t@ radiom-pirenena efa t@ zah mbola kely ah, dia rehefa tany am-pianarana koa dia bedy fa hoe efa niova hono , hihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6712