Manaja ny sainan'ny vahiny ve ny firenena misy anareo?

1. niryna ( 01/08/2007 05:03)
Manaja sy mankalaza ny fetim-pirenena vahiny ve ny any aminareo?

Ahoana no fankalazana izany ?

Manaiky ve ny fanjakana sa tsy mahazo atao?

Misy aty aminay toerana iray izay misy building avo be mirehitra jiro ka arakaraky ny fetim-pirenena no lokon'io jiro io.
Misy mitondra mandehandeha,mametraka eny amin'ny fiara,manao sarin-doha,apetraka eo ambaravarana ,ao an-trano,eny am-baravarankely na eo an-tokontany ny sainam-pirenena, ary milahatra manao defile amin'io andro io ilay firenena ka na ny olona ambony ao amin'ny fitondrana koa aza dia misy milahatra miaraka amindry zareo.

Misaotra betsaka
novalian'i niryna ny 04/08/2007 02:14
2. Rasiligaoma ( 01/08/2007 05:35)
Arakarak'ilay Firenena, sy ilay saina kosa io!
Any amin'ireny tany tsy tia Amerikanina sy mpandoro saina ireny ve ianao dia sahy hametraka ny saina amerikanina eo @ fiaranao ohatra?
na hoe any Amerika ianao dia hanao saina misy resaka Jihady sy saina misy sarin'i Bin laden ohatra?
3. niryna ( 02/08/2007 04:16)
Rasiligaoma:

Arakarak'ilay Firenena, sy ilay saina kosa io!
Any amin'ireny tany tsy tia Amerikanina sy mpandoro saina ireny ve ianao dia sahy hametraka ny saina amerikanina eo @ fiaranao ohatra?
na hoe any Amerika ianao dia hanao saina misy resaka Jihady sy saina misy sarin'i Bin laden ohatra?


Marina izany fa misy hono firenena tsy afaka mametraka na manao saina eny amin'ny fiarany akory fa tonga dia tezitra hono ilay firenena hipetrahany.Ohatra hoe ferin'ny Italiana izao,dia feno saina eraky ny tanana,manao filaharana ry zareo,misy toerana iray misy jiro dia iny lokona saina iny no jiro mirehitra.
4. Rasiligaoma ( 02/08/2007 04:56)
dia rehefa fetin'ny silamo kay any Amerika dia inona no atao e?
5. niryna ( 03/08/2007 05:21)
Rasiligaoma:

dia rehefa fetin'ny silamo kay any Amerika dia inona no atao e?

Dia manao fety toy ny rehetra izy,marina ve izany fa ao France tsy mahazo mitondra ny sainany ny olona fa manao fijery miavona ny vazaha?

6. Anjoanina ( 03/08/2007 19:42)
niryna > Azonao lazaina ve raha tsy mahadiso ilay firenena lazainao io?
7. niryna ( 04/08/2007 02:14)
Anjoanina:

niryna > Azonao lazaina ve raha tsy mahadiso ilay firenena lazainao io?


Ilay tsy mahazo mitondra na mampidera ny saina eny amin'ny tranony sa ilay mahazo manao izay tiany atao daholo ny vahiny rehetra ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.305