Fikafika POLITIKA endrika vaovaon'ny fanandevozana

1. Jeankely ( 30/07/2007 01:26)
Voalaza fa foana ny fanandevozana saingy amin'izao fotoana izao dia mbola misy ny mihevitra fa ny maro an'isa dia vendrana ary taritaritina havia sy havanana. Mila mivoatra ny firenena ary ny tsirairay afaka mivoatra sy manitatra fa tsy ho taritina any amin'ny tsy izy. Ny ho avin'ny firenena dia mila ezaka fa tsy vitan'ny fitanisaina fahatrana sy fijaliana. sarotra vao mahazo sy mahiata ny fivoarana ka aza mba manaiky andevozin'ny mpanao politika amin'ny resaka fahantrana nefa iny no hitaingenanay anao ary hakany seza hamitahany anao. Tsy misy azo mora foana. hampianaro ny taranaka ary miasa sy mikokotra fa tsy atosipotsiny mody manao antoko politika.
novalian'i kanota ny 06/08/2007 10:41
2. ranitse ( 30/07/2007 01:44)
An an an ka. Manao antoko politika izay matanjaka dia mahazo seza ary rehefa esorina fa donto dia mitarika grevy. Izany no politika nandrendrika teto.
3. Jeankely ( 30/07/2007 01:59)
Rehefa resaka lanina dia "Haut politique" izany tsy natao ho anareo vendrana vahoaka fa rehefa hoe ilana ianareo hanao barrage, hitokona, handoro Universite dia mila vahoaka. Aleo mba hivoatra ny olona ry Mpanao Politika fa aza taingenana amin'ny hevitra miverindalana.
4. bozyboleta ( 31/07/2007 11:22)
Misy mitsy zatra ny lalan-dririnina ka manao ny vahoaka ho vendrana.
Fa efa miha-misokatra ange ny sain'ny maro e!
Raha mahita zavatra tsara ataonao ny vahoaka de =D ho anao ary manaraka anao izy fa raha hanimba sy hanakorontana, hanao grevy e, hanao barazy e... de lany andro eo enao fa tsy hahazo kil
Iza koa no manaiky handevozin'ny totozy mpanimba zany?
5. menalamba ( 31/07/2007 20:52)
Maro izy ireo no nandalo teto fa toa tratry ny adim-borontsiloza ka vaky tady aby:-D:-D:-D
6. Herimiafina ( 01/08/2007 03:27)
Samy andevozina ny andaniny sy ny ankilany, ny iray andevozin'ny pôlitika moa ny iray andevozin'ny mpanao politika. Anjekaky oo :{:^):@
7. Jeankely ( 01/08/2007 07:31)
Harena be tsy misy toa azy ny vahoaka ary ny ahavon'ny fomba fijery sy ny fiainan'ny vahoaka dia anisany ahitana fa mandroso ny toerana iray. Andraikitra lehibe ny manitatra ny vahoaka handray andraikitra amin'ny tenany voalohany ary amin'ny hafa raha toa ka mahavita. Ny mpanao politika dia zarany ianao ho mpanaradia sy havezivezy eny foana. Maika ary faran'izay zahavina ny fiverenan'ny fitiavan'ny olona izany fiarahamiasa ary fiarahana mandroso izany.Taritina hiasa ny olona fa tsy taritina hitolefika amin'ny fitanisana ny fahantrana. ady io ary izay mivareraka resy. Ny an'ny Mpanao politika izay fomba ahazoany seza no mahamaika azy fa resabe izany fitiavana hialan'ny olona @ fahantrana izany.
8. bozyboleta ( 01/08/2007 09:12)
Fa nankaiza dôly t'kotrany rekany zareo e?
Rava nga ny tsena teny Tsimbazaza de samy nangoronentana nody sa???
Mety ho lasa nividy seza eny @ coum ngambany fa very le teo k'ty.
Mbô anaovy WANTED kely ry jeankely a!
9. Jeankely ( 01/08/2007 10:43)
Manahoana bozyboleta a! Tsy hita ny adva=))=))=)).Mbola misaina=))
10. bozyboleta ( 01/08/2007 14:07)
Mbola misaina sa very saina?:-D:-D
11. menalamba ( 01/08/2007 14:43)
Maromaro ihany no ahazo seza-rivotra @ ity indray mitoraka ity....:^):^):-D
12. Jeankely ( 02/08/2007 03:28)
Very saina satria tsy mba mampianatra ny olona ahay mandinika sy hivelatra fa mitarika ny olona hanaradia. Tsisy mpanaradia satria Mpanohatra mpanao resaka ady seza fotsiny. Na mafy sy miakatra aza ny vidi-mpiainana ady foana ny fianana na aiza na aiza aleha. Tsy mila mianatra ny miandry toloram-potsiny izany fa miady hatrany ary mitady izay lalan-kombana foana satria mihamafy foana io. Na mahay be aza ny mpanajatra nefa ny eny ambony kianja tsy mahavoa dia tsy mahafaty baolina. Ny vahoaka no eny ambony kianja noho izany ireo no tena mamono ny baolina sy mila mivelatra tsara. Hajao ary tarito any amin'ny fandrosoana tokoa ny vahoaka fa aza zatra ny lalan-dririnina.
13. tsoraka ( 03/08/2007 13:16)
Ry Mpanao fika politika anie zarany ianao dondrona tsipatsipazana hevitra tsy alehany eny e. Tsy misy manoro anao ny lalana tena izy izany izy. Sady izy koa moa ny lalan'ny risoriso no tena hainy sy velabelariny ary hanaovany fanazarana.
14. Herimiafina ( 03/08/2007 23:11)
=)):^):@
http://www.dailymotion.com/relevance/search/JO+RE+TA+PO/video/xkj5z_les-inconnus-jo-re-ta-po_family
15. Jeankely ( 04/08/2007 03:19)
Toetra nampianarin'ny Frantsay io.
16. Herimiafina ( 05/08/2007 02:43)
=))=))=))=))
17. kanota ( 06/08/2007 10:41)
Jereo tsara fa miteny Frantsay dia manampahaizana ary lasa avobe=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1051