Tia mamorona sakafo ve ianao? Inona?Andramo ity!

1. niryna ( 29/07/2007 05:13)
Manao ahoana daholo indray e ! :D Asa hianareo raha tia mamorimporina sakafo fa izaho io no tena ataoko,raha mety dia averina raha tsy mety dia fanandramana8O
Ny lafitsarany dia mety foana matetika:miam:,ny lafy ratsiny dia adino ilay nanaovana azy avy eo:{,sy raha tsy tian'ny ao an-trano dia izaho no miafara mihinana azy irery:snif::snif:
Izaho koa aloha tsy mba manao fatra fa tonga dia voiziko toy ny lakan-jejo izay tiako atao eo,saingy any amin'ny nem sy ny samosa kosa aho dia io foana no tadiavin'ny havana ataoko rehefa miara-misakafo izahay.

Ity ary handramo ary mazotoa daholo.
Resaka henan-kisoa ity
Izao avy no zavatra ilaina: hena-kisoa(rambony,sofiny,ary tongony),sira,poivre,tsaramaso,menaka tsotra na huile d'olive kely

Hena-kisoa efa voatetitika amin'ny antonony ireo.
-Endasina ho maimay izy telo mitabatra ireo ary rehefa avy eo dia andrahoina amin'ny cocotte minute.Io arakaraky ny hitiavan'ny rehetra azy na malemy manara-tanana ka lany hatramin'ny taolana na somary mitsako raha mbola tsara nify.:D
-Asiana rano efatry ny kaopy ary endrasana 1 ora eo ny faharetan'ny fandrahona azy(efa asiana sira sy poivre kely ilay izy ary rehefa mangotraka dia atao ambany ny afo.(noho izy ireo mifoaka rano be dia afaka bataina sy ahotsaka ilay vilany sao ritra)
-Andrahoina manokana ny tsaramaso rehefa avy nilomana mandra-maraina (8 ora eo).Ny antony dia henonao mihitsy ny tsiron'izy roa samihafa rehefa sarahana ny fandrahona azy.Ny tsaramaso dia sasana ,andrahoina amin'ny rano mangatsiaka fotsiny ary asiana sira.
-Rehefa masaka ny tsaramaso sy ilay henan-kisoa dia atambatra amin'izay.
Vary ihany hoy aho ny anay ry malagasy o^o
Izay fotsiny ary mazoto homana daholo(fa vetivety ny mihinana azy saingy somary elaela ny mahandro azy)
(l)niryna
novalian'i niryna ny 04/08/2007 02:19
2. niryna ( 29/07/2007 05:21)
Ity koa misy iray
Zavatra ilaina:saosisy hena-kisoa (no tena tsara)na omby mety daholo,lentilles,sira,poivre,tongolo gasy,tongolo-be ,Karoty,ary celery.
1-Andrahoina ny saosisy ary rehefa masaka dia asiana poivre, tongolo gasy ary tongolo-be .
2-Andrahoina manokana ny lentilles,sy ny carotte ary asiana sira sy poivre kely.
Rehefa masaka avy ireo dia hafangaro 1+2 ary tetehina ny celery dia arotsaka miaraka aminy rehefa voafangaro.Tsy toy ny fandrahona any amintsika ny celery hoe miaraka andrahoina daholo atao farany fotsiny io dia tena heno mihitsy ilay izy mikatsakatsana:lol:
Mazava ho azy fa miaraka amin'ny vary.:miam:
3. niryna ( 29/07/2007 05:27)
Raha te-hanao saosy indray ianareo dia afangaraoy daholo ireto zavatra ireto:
Tongolo gasy,tongolo maitso kely,tongolo be,celery,parsley,vaotabia,sira ary poivre.
Tetehina tsy dia madinika ireo rehetra ireo ary atao ao anaty robot ,asiana rano kely fa tsy mety.Rehefa vita dia asiana menaka kely mba hitazomana ny lokony.
Azo am-piasana amin'ny sakafo rehetra io izay tianareo,azo lomana amin'ny alina miaraka amin'io koa ny hena rehetra,azo ampiasana ao anaty toton-kena koa io na te-hanao nem dia ireo efa vita ireo no atao ao anatiny.
Ataovy ao anaty tavoahangy dia hidio tsara fa maharitra elaela vao simba raha atao ao anaty vata fampangatsiahana(refreg)
Mahazo ho hanina amin'ny mofo vao avy nendesany koa io raha tianao.
Andramo ary mazotoa daholo ary
4. niryna ( 29/07/2007 05:40)
Raha tsy dia manana fotoana firy ianao kanefa te-hinana sakafo mahasalama dia ity misy iray
Tsy fantatro ny filaza ny tofu(vita amin'ny soza)any amin'ny sinoa no mivarotra azy
Zavatra ilaina:
Maccaroni (ilay ngeza raha mahita na izany aza mety daholo),karoty,celery,poivron,laisoa,voatabia,tongolo be ary menaka hanendasana ny legume
1-Andrahoina ny maccaroni ary asiana sira kely.
2-tetehina misaraka ireo legumes rehetra ireo.
3-endasina ny laisoa,atokana amin'ny vilia,dia manaraka endasina indray ny carotte(raha manana fi-rapena karoty lehibe ireny dia tsara),manaraka ny poivron,voatabia ary ny tongolo sy ny celery
4-endasina manokana ny tofu(tetehina fisaka dia avadika ary rehefa maimay ilay izy vao esorina.Tetehina madinika amin'izay
5-Afakangaro amin'ny maccaroni amin'izay izy rehetra ary asiana sira sy poivre kely.Izay dia vita ihany koa.
Raha tianao asiana ilay saosy eo ambony dia voa maika tsara(tapaky ny sotro fotsiny dia afangaro rehefa masaka ny rehetra)
5. niryna ( 29/07/2007 06:04)
Mpandefa : niryna
Lohateny : Re : Tia mamorona sakafo ve ianao? Inona?Andramo ity!
Raha tia zavatra mamy indray ianareo dia ireto andramo.
Andraso kely aloha ho tadidiko ilay noforoniko
Mividy biscuit,voan-javatra (almond ,voanjo ,walnut,sesame seeds sns).Miala tsiny fa tsy fantatro ny filazanareo ireo nuts(voanjavatra ireo amin'ny teny gasy a)oops!
Zavatra ilaina:ireo ambony ireo miampy dobera sy siramamy sy tantely
1- Atao ao anay la poele ny siramamy hiempo tsara,izay fantatrao fa mifanaraka ny fatran'ireo zavatra vidiana ireo.Rehefa vita dia asiana tantely kely ary asiana dobera mamy .Ataovy ambany ny afo.
2-Potehina ao anaty plastic ny biscuit iray paquet mba ho lasa vovony.
3-endasina ao anaty la poele(izahay ry ireto tsy mba manana accent a) maina ireo voan-javatra rehetra ireo.(5-10mn)
4-Totoina ao anaty laona kely na ataovy eo ambonin'ny taratasy(toilet paper).
5-Afangaro tsara amin'izay ilay potika biscuit sy ila y voan-javatra rehetra ao anaty baolina.
Io dia arak'izay tiavanao azy,raha tsy manana nify hitsako intsony dia ataovy vovony tsara ilay karazana voanjo.
6-Araraho ao anatin'ireo 5 ireo ny siramamy niaraka ny dobera
6-Alaina ilay siramamy miempo tamin'ny dobera dia araraka eo ambonin'ireo zavatra nafangaro ireo dia asiana sira kely faran'izay kely.Afangaroy tsara daholo.
7-Raha manana fanaovana plat vy fanaovana biscuit na hazo fisaka ,na plastic fisaka dia tsara.Atao maina tsara ilay izy dia araraka eo ilay -5 rehetra
8-Fisahana amin'ny tavoahangy raha tsy manana fitaovana fanafisahana azy.toy ireny manao bonbon voanjo ireny
Avela hangatsiaka dia izay.
Ba mamikely daholo
6. princesseN ( 01/08/2007 15:41)
ndao mba hasiana fifaninanana e!sa mety tsy sahy nareo de sakafo vita @zavara eto m/kara ihany no atao ingredients-ny,de isika namana ato ihany no manao azy sy mitsara azy,de tsy miangatra an!mba hevitra ihany iny an!:wink::wink:
7. niryna ( 03/08/2007 05:24)
princesseN:

ndao mba hasiana fifaninanana e!sa mety tsy sahy nareo de sakafo vita @zavara eto m/kara ihany no atao ingredients-ny,de isika namana ato ihany no manao azy sy mitsara azy,de tsy miangatra an!mba hevitra ihany iny an!:wink::wink:


Toa takany tsara izany hevitra izany:D
8. Mitah ( 04/08/2007 00:20)
Misaotra fa nahazo recette aho. Hanandrana hahandro ilay tofu aho dia lazaiko anao @ny manaraka ny tsirony.
9. niryna ( 04/08/2007 02:19)
Mitah:

Misaotra fa nahazo recette aho. Hanandrana hahandro ilay tofu aho dia lazaiko anao @ny manaraka ny tsirony.

Ilay henakisoa mifangaro tsy matavy lazaiko io koa vao nanao aho androany ary nampiarahako tamin'ny leek(navet)moa no anarany any amintsika a sy karoty dia asiana tongolo gasy kely rehefa ho masaka fa matsiro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2277