Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?
1. niryna
(
27/07/2007 15:05)
Manao ahoana daholo,ho antsika aty ivelany no tena hiantefan'ity,ho an'ny rehetra manao soa olona ka miandry valiny ihany koa no resahiko,ho an'izay olona nataon'ny olona soa ka tsy afaka na tsy namaly na nivadika tsy nahalala nijery ireo olona nanao soa azy,misy ny hafa mihitsy aza no atao soa noho izany fahasoavana izany sy tsy fahavitana izany.
Matetika dia mifampaka daholo ny ankizy tonga aty ivelany,na manana connection amin'ny hafa,miara-mipetraka,miara mizara ny fiainana ary rehefa mandeha na mety kely ny fiainana dia mifindra amin'izay.
Raha te andeha aty an-dafy na raha tsy nisy fo nanampy koa anefa ilay olona raha tsy sitrapon'ny Tompo ny andefa ilay olona dia tsy ho tonga aty,na tsy anao soa ilay olona.
Ny zavatra mitranga anefa dia ireo voalazako eo ambony ireo:nanaovan'ny olona soa ,tafita na tsia,saingy matetika dia tsy mahavita soa an'iny olona iny .Toy ny rar,tena tsy mahavaly ny nataony antsika mihitsy isika,eny fa na miezaka manampy sy mamerimberina ny fisaorana aminy matetika aza isika dia tsy feno mihitsy ny soa nataony antsika.
Raha manao soa olona ianao,moa ve ianao manantena valiny?
Raha tafita ilay olona,moa ve ianao manenina ny amin'izany? Raha lasa mahantra indray dia ahoana?
Raha misaotra na miezaka izay manao sy mety amin'ilay olona nanao soa anao ianao,moa ve tokony haverimberiny matetika foana hoe tsy tonga taty raha tsy nisy ahy?Tsy toy izao ireo raha tsy nisy ahy?
Tsy hitako izay hamaliana ilay olona,marina aloha fa mitombona fa mody tsy mijery intsony ny sasany nanaovany soa,misy koa anefa hono toetra marobe tsy zakan'ireo olona nanaovany soa ireo,satria nanao tsindry hazo lena ilay olona nanao soa,ilay fanaovany soa dia nivadika ho fanararaotana sy fanambakana ilay olona dia niala ireo,misy koa anefa mba namaly ihany ny sasany saingy reraka be satria averiny foana ilay teny hoe tsy tonga taty i ranona raha tsy nisy ahy,toa manenina ny nanaovana soa,ary misy tena tsy mamaly tokoa.Misy iray aza dia tofoka tanteraka saingy tsy te-hamaly fa tsy mifandray amin'ilay olona intsony.
Inona no tokony ho teneninareo amin'ireny olona mamerina ireny fitenenana ireny?
Ataoko ohatra ,nisaotra ny reniko aho noho ny zavatra rehetra nataony tamiko,nisaotra ny dadatoako sy ny nenitoako aho fa noho izy mivady no nahatonga ahy toy izao.Nitomany izy ireo,tsy tokony hiteny izany hono aho,kanefa moa asako sy tokony ho izany no ataoko,niezaka ny nanao izay vita tamin'ireo aho na entana na zavatra na vola.Tsy ho voavaliko mihitsy ilay soa saingy maro indray ny ankizy mahantra dia ireny no ataoko,miezaka ny manampy araka izay tratrako aho.Amiko toa tsy mahavaly soa an'ilay nanao antsika mihitsy isika,ary amiko tsy mitady valisoa amin'ilay ankizy na olona aho satria tsy izay ny tanjoko.Nahantra aho,fantatro izany fahantrana izany,toina foana ny foko raha misy ankizy mahantra ary dia niezaka izahay mivady ny manampy.
Ahoana ny hevitrareo?Moa ve voavaly araka izay tadiavin'ilay olona nataony soa ny soa vitany?
Moa ve isika mila valiny raha manao soa?Izaho aloha tsy mitady e,tsy hoe manana aho akory fa fantatro fa tato am-poko sy sitraponay no nanao izany tsisy nenina.
Inona no tokony ho teneniko fa tena reraka be aho satria isaky ny misy resaka kely dia miditra foana ilay feo sy teny hoe io tsy tonga taty raha tsy nisy ahy kanefa ilay olona koa anie olon-kafa no nisarika azy e,izaho tsy dia tia mandratra fo olona na manao teny maharary ny olona satria tsy tiako ataon'ny olona amiko izany kanefa aho tsy mahita ho tenenina aminy rehefa miteny izany amiko izy,ny azy ihany no asesiny,moa ve manenina ilay olona rehefa nanao soa?
Misaotra betsaka antsika rehetra,ataovy eo amin'ny toeranareo io tantara io dia raiso amin'ny fo tsy miangatra ny tokony ho teneniko satria na isika nanao soa olona na nataon'ny olona soa.
Miala tsiny fa lava be.
(l)niryna

novalian'i Bola ny 28/06/2008 05:11
2. mbaliana
(
27/07/2007 16:01)
normalement aloha dia tsy hoe niala ariary taminao le olona dia ho haverinao aminy ny ariary rehefa avy eo... (tsy noterena akory ilay olona hanao soa) mety any amin'ny zavatra hafa no ahafahanao mamerina ny fisaorana...vao resaka nataoko tamin'ny zaobaviko mihitsy hoe ao anaty baiboly aza misy soratra hoe hoe aza ny olona mitovy aminao no anaovanao soa fa ireny olona mpangataka sy mahantra eny amin'ny arabe (mahantra noho ianao)... fa ho tadidy foana ny soa nataonao.... raha olona mitovy fananana aminao mantsy dia ho voavaliny ohatry ny nataonao koa ireny...
raha izaho no eo amin'ny toeranao ka misy miteny amiko an'izany hoe raha tsy za io tsy tonga taty.. dia valio hoe inn no tianao ataoko hamerenako zany trosanao aty amiko zany...mba tsy hilazanao an'izany zavatra izany intsony amiko satria fitakiana trosa zany ataonao zany.... hevitro aloha iny a....

3. Herimiafina
(
27/07/2007 16:37)
Anisan'ny mety ho fahafampo ny fanaovana soa ka ny fanaovana azy fotsiny dia efa valiny lehibe.
Ny ahy aloha indrindray rehefa elabe aty aoriana ny olona nanampy ahy vao mangataka fanampiana indray dia tsy maninona fa omeko. Tsy adino izy ireo fa rehefa avy anndray dia mba mahalala mahatsapa fa nanampy izy ary mahalala misaotra!!!!
Misy tenin'Andriamanitra manambara hoe raha hanao soa ianao dia ataovy amin'ireo tena ory sy tsy manana satria ireny tsy afaka mamaly fa raha ny afaka mamaly dia mamaly ary toa ny tsy nanao soa avao ianao bakeo! :-*:@

4. mbaliana
(
27/07/2007 16:45)
herimiafina> za koa aloha d'accord hoe iny fanaovana soa an'ny hafa iny dia efa fahafaham-po :lol:
5. Herimiafina
(
27/07/2007 16:48)
mbaliana: Amour inconditionnel, saingy ilay fahafampo dia efa condition. Hita amin'ny Soratra masina avokoa ireo!
6. ikaretsaka
(
27/07/2007 17:32)
rehefa manao soana nanaovana soa dia tsy miandry valiny. voavaly amin'ny fotoana tsy ampoizina io.
fa ny fahafaham-po no zava dehibe.
Hoy i Masera Theresa izay hoe "tsy ny habetsaky ny asa sy ny fahasoavana no mikaonty, fa ny hafaliam-po azo avy amin'izany"

7. mbaliana
(
27/07/2007 18:35)
herimiafina sy Ika > ohatry ny mipasoka ny efa malama isika...hevitra iray ihany fa samy manana ny fomba hampisehoana azy....
fa mba valio aloha i niryna e... raha misy olona mamerimberina anareo ny soa vitany taminareo... inn no ataonareo? :P:P

8. ftma
(
27/07/2007 18:47)
raha misy olona mamerimberina anareo ny soa vitany taminareo... inn no ataonareo?misaotra azy koa ary makasitraka, tenenina hoe "tsy adinoko ny zava-bitanao fa Andriamanitra hamaly azy"
9. fijo
(
27/07/2007 18:53)
saly aloha raherimiafina fa izay vao itako indray.
za koa momba io voalazan'ika io.saingy asiako tsindry kely ny hoe tsy hoe nanaovana soa aho,dia midika izay fa tsimaintsy manao izay tianao hoatao amiko.na manaiky be fahatany izay tianao.laviko izay.
ary efa henoko io filazana hoe "tsy toa izao iny raha tsy izahay".fa tsy asiako valiny;

10. xxx
(
27/07/2007 20:40)
izaho aloha tsy hahavaly ny soa nataon'ny olona tamiko, ka na maheno ilay "tsy toa izao ianao raha tsy izahay" aza rehefa tsy voavaliko ataoko ahoana,
marary ihany ny fo maheno an'io fa atao ahoana e

11. mbaliana
(
27/07/2007 21:02)
ka le izy anie ry zareo raha vao tsy mamaly dia le olona mahazo vahana foana satria jouer-ny hoe io ny point faible-nao.... sady rahaindray mande moa amninona fa isaky ny misy occasion zao dia averina foana...
le an'i Fa io koa hitako fa mety koa .. asa anefa

12. niryna
(
27/07/2007 22:23)
mbaliana:
normalement aloha dia tsy hoe niala ariary taminao le olona dia ho haverinao aminy ny ariary rehefa avy eo... (tsy noterena akory ilay olona hanao soa) mety any amin'ny zavatra hafa no ahafahanao mamerina ny fisaorana...vao resaka nataoko tamin'ny zaobaviko mihitsy hoe ao anaty baiboly aza misy soratra hoe hoe aza ny olona mitovy aminao no anaovanao soa fa ireny olona mpangataka sy mahantra eny amin'ny arabe (mahantra noho ianao)... fa ho tadidy foana ny soa nataonao.... raha olona mitovy fananana aminao mantsy dia ho voavaliny ohatry ny nataonao koa ireny...
raha izaho no eo amin'ny toeranao ka misy miteny amiko an'izany hoe raha tsy za io tsy tonga taty.. dia valio hoe inn no tianao ataoko hamerenako zany trosanao aty amiko zany...mba tsy hilazanao an'izany zavatra izany intsony amiko satria fitakiana trosa zany ataonao zany.... hevitro aloha iny a....
Marina tokoa izany fa misaotra betsaka,izaho nanao ohatra hoe toy ianao nanao soa anay izao dia hisaorako anao manokana izany ary mbola mamerina izany hatrany aho.Ary nomeko ohatra izy hoe nisy vahiny izahay ka nitaraina toy izany noteneninao izany ihany koa dia hoy aho taminy hoe ,ianareo tsy fantatray fa noho ny soa nataonareo ny havanay dia noraisinay an-tanandroa ianareo,izahay izany no mamaly soa ireo olona maro tsy nahavaly soa anareo ireo.Tsy nandoha vola izy mianakavy na ariary aza,na sakafo na hoentina norotsorotsihin'ny fiara,lany andro sy fotoana niarahana tamin-dry zareo.Ka enga anie izy mba tsy hiteny izany olona nataony soa lava izany amiko intsony fa reraka aho.
Asa koa na mety ity hoe aza aty amiko intsony ianareo no mimenomenona fa mandehana any aminy:roll:Izaho mantsy tonga dia borikeko foana ny resaka raha misy olona mitady hifosa sy mifosa olona(efa teo no niala aho na dia tsy mpifosa olona aza kanefa mihaino ny olona mifosa dia mpifosa ihany aho:cry::roll:)
13. niryna
(
27/07/2007 22:25)
Herimiafina:
Anisan'ny mety ho fahafampo ny fanaovana soa ka ny fanaovana azy fotsiny dia efa valiny lehibe.
Ny ahy aloha indrindray rehefa elabe aty aoriana ny olona nanampy ahy vao mangataka fanampiana indray dia tsy maninona fa omeko. Tsy adino izy ireo fa rehefa avy anndray dia mba mahalala mahatsapa fa nanampy izy ary mahalala misaotra!!!!
Misy tenin'Andriamanitra manambara hoe raha hanao soa ianao dia ataovy amin'ireo tena ory sy tsy manana satria ireny tsy afaka mamaly fa raha ny afaka mamaly dia mamaly ary toa ny tsy nanao soa avao ianao bakeo! :-*:@
Misaotra anao,dia mbola miampy ihany koa ny hoe mahafinaritra ny manome noho ny mandray
Ny hoe ny ataon'ny tananao an-kavanana aza atao ho fantatry ny tananao an-kavia:roll:
Raha manao zavatra izany tokony tsy asiana nenina e ?Ary tsy tokony haverimberina fa toa manenina ,sa ahoana hoy ianao?
14. niryna
(
27/07/2007 22:26)
mbaliana:
herimiafina> za koa aloha d'accord hoe iny fanaovana soa an'ny hafa iny dia efa fahafaham-po :lol:
Hitakou:P
15. niryna
(
27/07/2007 22:29)
Herimiafina:
mbaliana: Amour inconditionnel, saingy ilay fahafampo dia efa condition. Hita amin'ny Soratra masina avokoa ireo!
Marina izany,dia ahoana izany ireny mpangataka eny amorondalana ireny?Moa tsy Atra no hamaly soa izay nanao azy.Asa aloha fa mila mianatra soratra masina sy mandalina lalina dia lalina tokoa angamba vao afaka ny hamela raha toa ka averimberina foana ilay fitenenana soa vita e.Ny soa lehibe ve moa tsy i Jesosy namela ny elokin'ny olona?Mila mianatra ny mamela ny tenany koa izany ilay olona raha izany e?
16. niryna
(
27/07/2007 22:33)
ikaretsaka:
rehefa manao soana nanaovana soa dia tsy miandry valiny. voavaly amin'ny fotoana tsy ampoizina io.
fa ny fahafaham-po no zava dehibe.
Hoy i Masera Theresa izay hoe "tsy ny habetsaky ny asa sy ny fahasoavana no mikaonty, fa ny hafaliam-po azo avy amin'izany"
ie ,marina izany,dia ahoana no tokony ho teneniko raha mbola mamerina io teny io foana ilay olona fa tena malilo ny sofiko.Toa tsy misy henoiny izay tenenina kou:roll:Inona no teneninao raha eo amin'ny toerana misy ahy ianao.Ny ray amandreny manana zanaka maditra koa mantsy efa nahita olona niteniteny toa io.Hoy izy mantsy ity zanany hoe:Raha nampoiziko maditra toy izao ianao,mbola kely dia efa nahohoko,zaza aho fa efa nisaina saingy variana aho maheno ilay ramatoa manozona ny zanany.Izany ve tsy manenina.
17. niryna
(
27/07/2007 22:49)
mbaliana:
herimiafina sy Ika > ohatry ny mipasoka ny efa malama isika...hevitra iray ihany fa samy manana ny fomba hampisehoana azy....
fa mba valio aloha i niryna e... raha misy olona mamerimberina anareo ny soa vitany taminareo... inn no ataonareo?
niryna:
Moa ve isika mila valiny raha manao soa?Izaho aloha tsy mitady e,tsy hoe manana aho akory fa fantatro fa tato am-poko sy sitraponay no nanao izany tsisy nenina.
Io no hevitro raha manao soa olona aho.
niryna:
Inona no tokony ho teneninareo amin'ireny olona mamerina ireny fitenenana ireny?
Ataoko ohatra ,nisaotra ny reniko aho noho ny zavatra rehetra nataony tamiko,nisaotra ny dadatoako sy ny nenitoako aho fa noho izy mivady no nahatonga ahy toy izao.Nitomany izy ireo,tsy tokony hiteny izany hono aho,kanefa moa asako sy tokony ho izany no ataoko,niezaka ny nanao izay vita tamin'ireo aho na entana na zavatra na vola.Tsy ho voavaliko mihitsy ilay soa saingy maro indray ny ankizy mahantra dia ireny no ataoko,miezaka ny manampy araka izay tratrako aho.
Io ambony io izany ny fanazavako,ny reniko sy ny raiko nalahelibe ahy ,ny dadatoako sy ny nenitoako nanampy ahy tamin'ny fianarana satria tsy mba nanana vola nianarana aho kanefa mbola te-hianatra mafy.
niryna:
Amiko toa tsy mahavaly soa an'ilay nanao antsika mihitsy isika,ary amiko tsy mitady valisoa amin'ilay ankizy na olona aho satria tsy izay ny tanjoko.Nahantra aho,fantatro izany fahantrana izany,toina foana ny foko raha misy ankizy mahantra ary dia niezaka izahay mivady ny manampy.
Io ambony io no fanazavako,ka asa na mety izany na tsia, fa ireo no nataoko,ary toy ny hoe manilika trosa aho izany ary mamerina izany any an-kafa,tsy ho vita ary tsy resaka ara-bola ihany fa na ny fitiavana sy ny rehetra voafoaka ao daholo,sarotra e:roll:ka izay no ilaiko fanampiana anareo hoe ahoana no hitenenana ilay olona mamerina an'io miteny ny hafa,asiako tonga dia mankany ve izy,kanefa efa niteny aho fa matoa izy mamerina dia tsy nandeha izany,manenina ve izany hoy ianareo sa toy ilay hiteny aho hoe mandehana mankany dia soraty daholo izay laninao taminy dia takio raha izany no tena mankarary ny fonao,sa tsy mety izany:roll::twisted::cry:
18. niryna
(
27/07/2007 22:58)
mbaliana:
herimiafina sy Ika > ohatry ny mipasoka ny efa malama isika...hevitra iray ihany fa samy manana ny fomba hampisehoana azy....
fa mba valio aloha i niryna e... raha misy olona mamerimberina anareo ny soa vitany taminareo... inn no ataonareo? :P:P
Ity koa misy iray namaliako an'ilay olona.
niryna:
Izaho nanao ohatra hoe toy ianao nanao soa anay izao dia hisaorako anao manokana izany ary mbola mamerina izany hatrany aho.Ary nomeko ohatra izy hoe nisy vahiny izahay ka nitaraina toy izany noteneninao izany ihany koa dia hoy aho taminy hoe ,ianareo tsy fantatray fa noho ny soa nataonareo ny havanay dia noraisinay an-tanandroa ianareo,izahay izany no mamaly soa ireo olona maro tsy nahavaly soa anareo ireo.Tsy nandoha vola izy mianakavy na ariary aza,na sakafo na hoentina norotsorotsihin'ny fiara,lany andro sy fotoana niarahana tamin-dry zareo.
Io ihany koa ny resaka nataoko taminy kanefa e,e,e.Mafy sofina sy ny ataoko ihany no ataoko e=))
niryna:
Ka enga anie izy mba tsy hiteny izany olona nataony soa lava izany amiko intsony fa reraka aho.
Asa koa na mety ity hoe aza aty amiko intsony ianareo no mimenomenona fa mandehana any aminy.Izaho mantsy tonga dia borikeko foana ny resaka raha misy olona mitady hifosa sy mifosa olona(efa teo no niala aho na dia tsy mpifosa olona aza kanefa mihaino ny olona mifosa dia mpifosa ihany aho)
Raha io no teneniko dia mety ve sa tsia?
19. niryna
(
27/07/2007 23:03)
ftma:
raha misy olona mamerimberina anareo ny soa vitany taminareo... inn no ataonareo?misaotra azy koa ary makasitraka, tenenina hoe "tsy adinoko ny zava-bitanao fa Andriamanitra hamaly azy"
Hevitra mety tokoa io e,ataoko izany izy hoe" Tsy mahavaly soa anao izy fa Atra no hamaly azy aminao."
Hila hiantso ilay olona mihitsy aho indraindray hoe mandehana hono valio soa ranona fa mimenomenona lava amikoa:roll:,dia mijanona indray ny eritreritro satria manontany tena aho hoe valiana ahoana?na asa izay ho teneniny eo?Dia lasa mitatra ny resaka.;-)
Dia tena tsy mahalala izany tokoa ve ry ireto ny olona hoe Atra no mamaly soa antsika? Na atao hoe tsy kristiana aza?
20. niryna
(
27/07/2007 23:04)
xxx:
izaho aloha tsy hahavaly ny soa nataon'ny olona tamiko, ka na maheno ilay "tsy toa izao ianao raha tsy izahay" aza rehefa tsy voavaliko ataoko ahoana,
marary ihany ny fo maheno an'io fa atao ahoana e
Dia tsy miteny no fahendrena fa ny olona dia toa izaho no asiany hiteny matoa izy mampita izany lava koa.:roll: