Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?

21. niryna ( 27/07/2007 23:09)
mbaliana:

ka le izy anie ry zareo raha vao tsy mamaly dia le olona mahazo vahana foana satria jouer-ny hoe io ny point faible-nao.... sady rahaindray mande moa amninona fa isaky ny misy occasion zao dia averina foana...
le an'i Fa io koa hitako fa mety koa .. asa anefa

Ie,izany indrindra,nisy fetin'ny gasy dia nandeha naka sakafo niaraka izahay,dia tsy fantatro aloha izay tantara tany aloha tany na izy nanao toetra tsy zaka marina na inona no nitranga satria nisy olona tsy mbola fantatro ary noteneniny ny anaran'ireo olona ireo,notondroiny izay hitany ary nanontaniako ny vadiko dia hoe marina izany fa nataony soa daholo ireo.Dia izay misy occasion lava izay indrindra no tena tsy tiako intsony ka ilaiko ny mba hevitrareo,tsy vakiana loha intsony ve,tsy miteny toy ny fanaoko fa mihaino fotsiny fa rehefa misy tandrifin-javatra vao tenenina ve.Izany ve ry ireto tsy mankaleo a:o

22. mbaliana ( 28/07/2007 08:44)
na koa hoe arabaina ianao nahavita soa.. fa Atra anie hamaly anao injato avo heny amin'ny andro tsy ampoizinao... fa io aloha raha vao tsy mahazo ny valinteny sahaza azy dia eo foana io.. efa nahita aho mantsy... hozy le direktera ny college nipetrahako zaytamina situation iray: tsy omeko occasion intsony ianao hitraiter nao ahy ohatr'izao...... niraikitra tao antsaiko io... tsy hoe mamaly ratsy fa miaro tena fotsiny...
23. dadie ( 28/07/2007 09:46)
doa atao ono levenambola e ,za alo tsy miandry valiny soa nataoko fa mba ra sendran'ny mafy ka misy manampy tampoka za d miteny ato an tsaiko fona za oe ha.... nivaly ny soa nataoko lol...nefa lé soa tsy tadidiko akoriny ihihihih ,asiana fiomehezana fa raikitra b daolo nareo :lol::lol::lol::lol:
24. mbaliana ( 28/07/2007 09:54)
dadie hihihihi aiza kosa dia raikitra e.. samy mba mitantara ny azy e:lol::lol:
25. niryna ( 28/07/2007 15:48)
dadie:

doa atao ono levenambola e ,za alo tsy miandry valiny soa nataoko fa mba ra sendran'ny mafy ka misy manampy tampoka za d miteny ato an tsaiko fona za oe ha.... nivaly ny soa nataoko lol...nefa lé soa tsy tadidiko akoriny ihihihih ,asiana fiomehezana fa raikitra b daolo nareo :lol::lol::lol::lol:


hitakou,tsy tokony mihitsy aloha raha ny tokony izy e,tsy afaka ny hamaly daholo ny rehetra,saingy tokony hisaotra na izany aza,sa miandry zavatra hafa ny sasany?:roll:
26. dadie ( 28/07/2007 20:37)
niryna
27. Mitah ( 28/07/2007 21:28)
Amiko manokana raha misy olona manao soa na mandray avy amin'ny olon-kafa dia hisaorako Andriamanitra ary mivavaka ho an'ilay olona aho ny mba hitondra fahasoavana ho azy izay natao taminy ary hitombo be ny fahasoavana ho azon'ilay olona nanome.
Ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra avokoa ka fitaovana fotsiny isika natao hizara na hanome.Nozarazarainy ny fanomezam-pahasoavana ka ao ny nahazo kely, ao ny nandray be. Sambatra izay mahay mizara. Aleo mizara toy izay mandray.
Ny famaranako azy dia tsy misy anao ireny natolotrao ireny fa fahasoavana avy amin'Andtra ka omeo amin'ny fo tsy misy takalony. Raha mamerimberina fitenennana ilay olona dia ny paragrafy farany nosoratan'i Mbalina io no hamaliako azy araham-pitsikiana.Tenenina mivantana koa ilay olona fa tsy tiako ny maheno izany teninao izany foana.
28. niryna ( 30/07/2007 00:25)
dadie:

doa atao ono levenambola e ,za alo tsy miandry valiny soa nataoko fa mba ra sendran'ny mafy ka misy manampy tampoka za d miteny ato an tsaiko fona za oe ha.... nivaly ny soa nataoko lol...nefa lé soa tsy tadidiko akoriny ihihihih ,asiana fiomehezana fa raikitra b daolo nareo :lol::lol::lol::lol:

Mila miteny kosa aloha na fisaorana fotsiny kely ihany aza e,misaotra aky dadie tamin'ny rehetra a.:*
Rehefa tsy mahavaly soa isika dia ny misaotra sy ny mivavaka ilay nanao soa no tokony atao,izay ny ahy aloha,ary rehefa misy olona mila vonjy dia manao izay tratra aho fa tsy voatery vola foana kosa aloha an.

29. niryna ( 30/07/2007 00:34)
Mitah:

Amiko manokana raha misy olona manao soa na mandray avy amin'ny olon-kafa dia hisaorako Andriamanitra ary mivavaka ho an'ilay olona aho ny mba hitondra fahasoavana ho azy izay natao taminy ary hitombo be ny fahasoavana ho azon'ilay olona nanome.
Ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra avokoa ka fitaovana fotsiny isika natao hizara na hanome.Nozarazarainy ny fanomezam-pahasoavana ka ao ny nahazo kely, ao ny nandray be. Sambatra izay mahay mizara. Aleo mizara toy izay mandray.
Ny famaranako azy dia tsy misy anao ireny natolotrao ireny fa fahasoavana avy amin'Andtra ka omeo amin'ny fo tsy misy takalony. Raha mamerimberina fitenennana ilay olona dia ny paragrafy farany nosoratan'i Mbalina io no hamaliako azy araham-pitsikiana.Tenenina mivantana koa ilay olona fa tsy tiako ny maheno izany teninao izany foana.



Oops,hay efa nosorandry ato ilay izy,marina aky izany an.Ary efa noteneniko ery ambony koa io hoe tsaratsara sady mahafaly kokoa ny mizara.Isika rehetra ato izao no santionany maro,lany ny andro,ny fotoana,mifampizara izay vaovao mety na tokony atao,misaotra ny rehetra aho e.
Asa aloha aky raha ho sahy hiteny izy fa dia asiako mijery serasera izy,amin'izay koa mba fantany fa samy manana ny heviny ny namako.Izay ho raisiny eo ,azy io ,efa vita ny anjaran-tsika.

Ho antsika rehetra ity an.:D
Entina hiainan-tsika koa ny toro-hevitra nomen'ny maro na ny olona manao didy jadona na mety mandratra fo na ny olona be tsy miteny dia ataon'ny hafa fanararaotana,lalana vaovao ahitantsika izay tokony atao izany na efa natao ka nahatsara na naharatsy.
Ny laferana no mandina hono dia noho ny fandeferana
Izay mangina ihany koa volamena.
Aoka koa ny teninao rehefa eny dia eny,rehefa tsia dia tsia:raha tsy tianao ilay izy dia miteny mivantana amin'ilay olona no tena tsara amin'izay tsy miampita ny resaka fa mifanazava tsara araky ny tenin'i mitah.
Misaotra anareo rehetra e,ary mankasitraka tokoa
30. xxx ( 30/07/2007 06:48)
Amiko rehefa manao soa izany dia tsy tokony hiandry valiny fa gratuit.

Misy indray anefa ireo atao soa ,ianao indray no lazainy fa hoe: sorcière mechante hono satria ny vadinao izany tsotra be dia rehefa misy fotoana tsy afaka manome dia lasa @izay ny taimbava. Dia io toetra io ny ahy no tsy tiako sy halako.
Misy ihany koa ilay mpanampy, manao soa dia mandatsa ireny , tena tsy tiako mihintsy. Tsy azoko hoe: rehefa tsy te-hanome de aza manome fa inonano antony handatsàna olona.
Ny olona tsy mahalala natao soa indray dia misy isankarazany , mety hoe: mbola repotra izy @ fiainana satria tsy mety tafarina fa ny hanina anio aza tadiavina , dia tsy mahavaly ny soa natao na koa hoe: be loatra ny nanampy azy de rehefa avotra t@ situation ilay olona dia tsy hita hoe: iza no hovaliana voalohany , dia ny vola koa tsy maharaka nefa mahatsiaro any ampony any izy hoe: mba nanao soa tamiko ihany i ranona iny an.
31. tywa68 ( 30/07/2007 07:18)
xxx : tena marina mihitsy zany ! manao soa ampifaliana, fa tsy manantena valiny.
32. Ratoa ( 30/07/2007 13:34)
Izaho aloha tsy manadinony olona nanao so ahy tamin'nyfotoana naha hory aho. Mamaly araka izay tratrako aho, amin'ny fomba maro.
Ary manao soa olona aho dia tsy miandry valiny fa mandreraka be izany.
Rehefa manadino n soa nataoko ny hafa ka mamaly ratsy na tsy mety dia malahelo aho,kanefa tsy mampatsiahy ny vitako ahy.
Ireo mampatsiahy ahy indray tonga dia valiako hoe: ianao izany nikaonty zanabola teo ampanaovantsoa. Ahoana ary ny fomba tianao amerenako ny reny vola sy ny zanabola (au sens prope comme au sens figuré)?
Ka tsy ny lohasaha mangina aie no jerena fa Andriamanitra eo amtampon'ny loha ê! arahano latsa sy fampatsiahivana ny soa nataonao, manenina izany ianao fa raha tia hiseho ho fatratra ianao dia diso hevitra.
izay aloha
33. booboo ( 30/07/2007 13:42)
Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?

Hatreto klou tsia. Ohatra ny tena tsy à la hauteur n'ny soa natao tamiko ny fomba famaliako lay raha @ fahatsapako azy manokana hany ka isaka zay mifanerasera @ ilay olona dia miezaka mizara aminy zay tsara indrindra azoko zaraina aminy zà...fa mbola tô tsy mety voavaly mihitsy ilay izy kouh !

Zà ndray rehefa manao soa oul miandry tambiny kah ! manantena hahatsapa fahafinaretana/fifaliana ho ahy manokana zà eo am-panaovana lay raha. Tsy mino aho hoe misy olona mahavita an'izany tsy manantena n'inona² izany rehefa hanao soa. Misy raha andrasana kely foana ao ambadika ao incosciemment...
34. sakaizakely ( 30/07/2007 14:29)
Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?


voavaliko soamantsara ka. tsy dia nisy loatra moa izany satria niady irery t@ fianana hatr@ fahakely noho ny fahakambotiana de ny mpitazana ivelany no betsaka noho ny mpanao soa.

Ary raha nisy nanao aza dia niampy latsa foana donky efa voavaliny t@ latsany ny azy izay mba kely vitany donky efa afaka iny. Hoatran'ny le hoe tongava any antrano, de meny kaly kely, fitafiana kely efa rotidrotika sns, de avy eo ataony hoe ndana sasao ny vilia de fafao ny trano fa tsy hotolorampotsiny akory no nahatongavana :lol::lol::lol:

Tsy ny soa ihany koa anefa, fa ny daroka natao voavaliko soamantsara rehefa nahazo entraînement ampy tsara :-D:-D:-D

dia samy afaka izany :-P
35. xxx ( 30/07/2007 14:41)
Iza no afaka mandrefy hoe nahavaly soa na tsia ? Ahoana no hahafahana mandrefy an'izany ?
36. dadie ( 30/07/2007 15:45)
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 30-07-2007 16:29:30
Lohateny : Re : Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?
Voalaza teo :
Mahavaly ny soa ataon'ny olona anao ve ianao?


voavaliko soamantsara ka. tsy dia nisy loatra moa izany satria niady irery t@ fianana hatr@ fahakely noho ny fahakambotiana de ny mpitazana ivelany no betsaka noho ny mpanao soa.

Ary raha nisy nanao aza dia niampy latsa foana donky efa voavaliny t@ latsany ny azy izay mba kely vitany donky efa afaka iny. Hoatran'ny le hoe tongava any antrano, de meny kaly kely, fitafiana kely efa rotidrotika sns, de avy eo ataony hoe ndana sasao ny vilia de fafao ny trano fa tsy hotolorampotsiny akory no nahatongavana

Tsy ny soa ihany koa anefa, fa ny daroka natao voavaliko soamantsara rehefa nahazo entraînement ampy tsara

dia samy afaka izany

nahafantatra tantaran'ol oatran'izany koa aho ry sakaizakely fa za mahatsapa fa mafy indrindra mo ra niatrehana izany ,d amizao fotoana tafita lé ol noresaiko fa tsy nataony am po ny vitan'ny havany taminy ,mifanerasera tsara am zareo izy io sns...
37. niryna ( 31/07/2007 04:21)
xxx:

Amiko rehefa manao soa izany dia tsy tokony hiandry valiny fa gratuit.

Misy indray anefa ireo atao soa ,ianao indray no lazainy fa hoe: sorcière mechante hono satria ny vadinao izany tsotra be dia rehefa misy fotoana tsy afaka manome dia lasa @izay ny taimbava. Dia io toetra io ny ahy no tsy tiako sy halako.
Misy ihany koa ilay mpanampy, manao soa dia mandatsa ireny , tena tsy tiako mihintsy. Tsy azoko hoe: rehefa tsy te-hanome de aza manome fa inonano antony handatsàna olona.
Ny olona tsy mahalala natao soa indray dia misy isankarazany , mety hoe: mbola repotra izy @ fiainana satria tsy mety tafarina fa ny hanina anio aza tadiavina , dia tsy mahavaly ny soa natao na koa hoe: be loatra ny nanampy azy de rehefa avotra t@ situation ilay olona dia tsy hita hoe: iza no hovaliana voalohany , dia ny vola koa tsy maharaka nefa mahatsiaro any ampony any izy hoe: mba nanao soa tamiko ihany i ranona iny an.



Ka izay anie no maha olombelona antsika e,tsy maitsy misy hindro kely foana,mianatra ato izany isika ka raha nisy tsy nety nataontsika dia amin'ny manaraka tsy tokony anao an'iny intsony.Raha mbola misy olona any moa tsy nisaorana ka afaka ny manao izany dia miezaka koa manao,tsy tratra moa dia ny mivavaka ho azy ireo no atao na ttsy kely indraim-bava fotsiny ihany aza.
*** Ampiaro ao an-trano ity raha mbola tsy nataonareo ity fa itako fa tsara.
Isika variana amin'ny fitadiavana ary indraindray variana e.Ny ankizy mila tamby,manana fotoana kely hiarahana azy ireo,raha manao zavatra ny zanakao dia mba hisaoro izy,na miaraka manao baolina kely fotsiny aza,na miaraka miantsena na mandeha an-tongotra fotsiny aza,na miara-milalao ny mpianankavy.Raha mahandro sakafo na manao zavatra toy izany koa ny vadinao dia aza mitsahatra ny misaotra.Lasa mandeha ho azy avy eo ilay fitiavana sy fankasitrahana ao an-tokantrano ary dia mifampisaotra sy mifampakasitraka ny mpianakavy.
Ho an'ny zanaka omena ny mpitaiza na ny reny ny zanakao,aza mitsahatra ny misaotra azy ireo ihany koa fa zavatra kely toy izany fotsiny no tadiavina,kanefa mampiova zavatra.Andramo anie raha mbola tsy nanao izany ianao e:D
38. rush ( 31/07/2007 05:11)
amiko ny soa atao valian'Andriamanitra ,marina fa ny soa mifamaly mahatsara fihavanana,ny valiny avy any ambony no tena fy indrindra fa efa nomeny fitiavana bdb isika.
39. niryna ( 01/08/2007 04:31)
rush:

amiko ny soa atao valian'Andriamanitra ,marina fa ny soa mifamaly mahatsara fihavanana,ny valiny avy any ambony no tena fy indrindra fa efa nomeny fitiavana bdb isika.

Tonga soa aky rush a,marina tokoa izany.Atra irery ihany no mamaly izay soa ataontsika amin'ny olona

40. Bola ( 28/06/2008 05:11)
Mamaky eto aho dia mahatsiyaro hoe nahoana no tsy mandray foana fanampiana izay omen ny olona... Izaho tena sahirana mandray fanampiana izany. Ny nahatongavana taty ohatra dia izaho ihany no nitady ny fomba arry ny zokiko sy reniko no nanampy t@ ara bola saingy nanao izay azoko natao rehetra aho. Ny zokiko tsy mampatsiahy aho na inona na inona satria ny soa nataoko taminy no tsaroany. Tsy mba niandry valiny anefa aho na nilaza taminy hoe ireto avy no nataoko anao. I neninay koa tsy miteny an io fa dia izaho no misaotra foana satria ny hazo no tsara dia ny tany naniriany no tsar ary manao izay ho afako aho @ adidy maha zanaka. FA dia izay fadiko raha mbola azoko atao mandray fanampiana aman olona izany ... Aty aza misy olona hoe manome vola e, handao entina ery sy ery fa dia tena laviko ary hazavaiko hoe tsy hoe satria manome ianao dia tsy maintsy manararaotra foana aho ary raha mandeha qq part dia mandoa vola aho ka izay zakako ihany no alehako. Na izany aza io olona io mbola hisaoraka na tsy mandray na inona na inona aho. Hilazako izy hoe misaotra na dia ny intention ihany aza na dia tsy mandray aza aho...Dia eritrereto fa mbola mahazo aho hoe tafiditra @ ilay compagnie ndry dia aza adino za @ ilay billet dia izay e....
Dia hoy aho hoe: izany aza no andrasan ny olona nefa tsy mandray ny fanampiany mainka fa nandray teo...
Ka ny ahy dia izay: fidiko tsara ny handraisako fanampiana ary raha mbola afaka manda aho dia manda. Misy olona malahelo ary raha tena miandry fanazavana dia tsoriko hoe nahoana: satria hoy aho tsy ho voavaliko ilay izy ary efa be loatra izay niandry valiny izay na manantena zavatra tsy vitako akory...Misy ny marary rehefa lazaiko ary raha tena marary izy dia mandray aho fa ny hitako dia iny olona iny tsy hilaza amiko hoe izao no soa natao anao ka aiza...Ary raha sendra miteny dia afaka milaza aho hoe: izany no tsy nitiavako anndray ny fanampianao t@ voalohany satria toa lasa mandra pahafaty aho izany handoa zavatra foana ve...Toa aleoko @ izao raha izany!
KA ny ahy dia izay soa ataoko tsy fantatry ny tanako iray intsony! TSy toy ilay olona fantatro izay tehirizina daholo ny porofo hoe ranona natao an izao sy izao avy... Ny ahy natao dia vita. Mahay mamaly tsara, tsy mahay efa hitan Andriamintra ny nataoko ary tsapako fa mivaly @ zavatra hafa foana ilay izy. Izay no tiako ambara fa ny ahy manko ny lesona vao 15 taona aho dia azoko fa olona nanampy anay satria hoe kamboty no avy eo nanantena fa hanambady azy aho 3 taona taty aorina...teo izy no noraisina ary mampalahelo raha hoe ianao hanampy manano tena sy kamboty dia mihevitra fa tsy maintsy manambady anao ilay zanak olona...Lalina ilay olona marina...
Ka mety marary ilay teny fa anontanio izy hoe inona marina no tena handrasany sy tadiaviny aminao. Lazao izy hoe teny malahelo ve ny anao hoe raha tsy ianao tsy tonga taty sa mba rehareha. Fantatrao hoe fa mankasitraka ny nataonao aho ary niezaka nampiseho izany foana. Sa inona marina no tena andrasanao...Dia jereo eo izay valiny fa @ farany rehefa tsy mandaitra dia aleo adinoina fa ny fiainana efa sarotra raha mbola ampiana olona toy izany koa. Manaova izay farany vitanao ary rehefa afa po ianao dia ho an ny hafa tohizana ny soa fa mitovy @ mamaly ihany izany fanaovana soa @ hafa izany.
Zay fa ny fiainana dia mianotra fa tsy miverina Courage foana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4881