Finoana sy Siansa _ Afaka mifanampy ve sa....?

1. boraingy ( 27/07/2007 11:35)
Anisan'ny fanontaniana nanitikitika ahy mafy io resaka io satria anisan'ny iray izay tsy hinoan'ny olona manana firehan-kevitra ara-tsiansa maro an'Andriamanitra, indrindra ny any amin'ireo tany mandroso.

Ny anisan'ny fitsipahana voalohany ataon'ny mpanao siansa dia ny teo amin'ny Genesisy izay mikasika ny famoronana ny olombelona ary io no hitsarany ny Mpino hoe tery saina.

Ady hevitra goavana hatramin'izao io resaka io satria ny Kristiana maro dia tsy manaiky mihitsy ny concept Evolutioniste manambara fa biby koa ny olombelona saingy efa nivoatra ka afaka nifehy ny zavaboary manontolo.

Koa mipetraka ny fanontaniana hoe:
Finiavana tsy te-hahalala ny fihevitry ny siansa ve no ataon'ny Mpino an'Andriamanitra sa mba mamadibadika izay vokatry ny siansa izy ahafahany mampitombo ny Finoany?
novalian'i fijo ny 02/08/2007 21:51
2. ikaretsaka ( 27/07/2007 14:47)
amiko.
Ny science dia manampy ny finoana , tsy afaka mifaninana ireo:
"tahaka ny toko sy ny vilany ireo , ny toko manohana ny vilany, fa tsy mety raha ny toko indray ny eo ambony vilany... mba hahamasaka ny nahandro! "
3. kally ( 27/07/2007 14:48)
Hatramin'izao aloha dia miankina amin'ny tsirairay io ary tsy mbola androany no hahazoanao valiny amin'ity fanontanianao ity:wink:

Betsaka ny mpahay siansa mino sy miankina amin'Andriamanitra ary misy ny kristianina tsy mandà bontolo izay resahin'ny siansa.Tsy vitsy koa anefa ny mifanohitra amin'izay.

Valin'ilay fanontanianao : arakarany io hono e!:-P
4. boraingy ( 27/07/2007 15:42)
Raha ataontsika hoe mpahay siansa izay mahita tsara fa an-tapitrisan-taona maro no efa nisian'ny olombelona no itorianao fa ny niandohan'izao tontolo izao dia 6000 taona izay ary ny olombelona voalohany dia i Adama. Haharesy lahatra azy ve izany?
5. ikaretsaka ( 27/07/2007 15:48)
maharesy lahatra azy rehefa hainao ny manazava azy...
atao heo iza no talohan'i lucy ohatra?
na hoe maninona no tonga de misy fotsiny amin'izao ny big bang?
hoe mihainohaino eo dia tampoka teo dia baaaaaaang?
andramo raha hainy ny manazava izany!
6. boraingy ( 27/07/2007 16:00)
Efa anisan'ny efa hita avokoa izany rehetra izany ankehitriny hoy izy fa raha io famalianao io no apetraka aminy dia hoy indray izy hoe: "aza aolakao ny resaka fa ny teninao hoe ny olombelona voalohany dia Adama no porofoy amiko ara-tsiansa dia mino izay lazainao aho".

Dia ahoana indray?

7. Herimiafina ( 27/07/2007 16:52)
Ny amin'io dia efa hita taratra fa efa betsaka ny ezaka hampifandraisana azy roa ireo.
Ny siantifika akory tsy midika hoe tsy olon'Andriamanitra na dia miseho ho devoly be izao aza ny sasany, efa tsy afa-bela izy fa efa voafidin'ny Tompo avokoa ho olony na hizizo tahaka ny inona aza, ary ho avy aminy eny ihany ny famantarana isankarazany hahatonga azy tsy hanavakavaka sy hanilika ny hafa tsy mitovy aminy.
Ny manilika ny hafa amiko no tery saina. :^):-w
8. fijo ( 27/07/2007 19:55)
hafaka mifameno ireo.satria raha jerena ny fivoaran'ny siansa dia tsy mbola maharaka ny zavatra misy eto antany.izany hoe mbola misy sehatra tsy voazavan'ny siansa,ka eo ny finoana no miditra an tsehatra.
amiko izany dia tsotra,mameno ny banga aloha ny finoana,mandrapahitan'ny siansa izay tena porofo azo tsapaina
9. ikaretsaka ( 27/07/2007 23:08)
io ilay nolazaiko teo ambony hoe toy ny toko sy vilany.. mifameno ary misy ordre mba hampandeha tsara azy.
ny finoana no vilany
ny science no toko
ny fiainana no afo
dia isika no nahandro

toko ny ambany dia asiana afo dia apetraka ny vilany misy nahandro...
izay vao masaka ...
fa raha vao misy mifamadika dia tsy misy vokany
10. lapino ( 28/07/2007 00:19)
boraingy > misy zavatra manelingelina kely ahy aloha ny firesakao an'ilay izy ery am-boalohany, dia tsy aritro :

1- aza dia personnifier-na ny siansa fa mampatahotra

2- aza borner-na ny fanontaniana ka "A sa B" no safidy omenao kanefa mbola misy safidy aman-jatony hafa azo apetraka koa.

3- tsy mizara ho sokajy 2 (1.mpino sy 2.siantifika) fotsiny ny olona.

-------------------------------------

Izay eo, fa raha ny fahitako azy, dia tsy mifanohitra mihitsy ny finoana sy ny siansa. Fa ny zava-misy dia ny volonté ratsy manodina ny siansa hanoherana an'Andriamanitra. Efa ity moa izao no ohatra :

boraingy:
Raha ataontsika hoe mpahay siansa izay mahita tsara fa an-tapitrisan-taona maro no efa nisian'ny olombelona no itorianao fa ny niandohan'izao tontolo izao dia 6000 taona izay ary ny olombelona voalohany dia i Adama. Haharesy lahatra azy ve izany?


- Voalohany aloha, extrapolation no nahazoan'ny mpanao siansa an'io tarehimarika io, ary tsy pris en compte izay mety ho courbure-n'ny espace-temps nandritra izay rehetra izay.

- Faharoa, tsy afaka hilaza ny mpanao siansa hoe marina na diso ny teoria iray raha tsy misy porofo. Betsaka ny teoria azo aroso, ka voaporofon'izy mpahay siansa daholo ve ny fahadisoan'ireo raha tsy mifanaraka amin'ny teoriany ? Ity izao misy ohatra iray :

Izay rehetra efa velona talohan'ny 6000 taona lasa dia tsy nisy olombelona tena izy, fa ny primates rehetra tamin'izany dia biby daholo na ahoana endriny, na ahoana intelligence-ny, na tongotra firy no nitsanganany, sns ... Ny tena olombelona tahaka antsika kosa, izay manam-panahy, dia vao 6000 taona no nisy. Ary ny zanak'izy mivady voalohany dia efa nahay nandrehitra afo, efa namboly sy niompy.

Araka ny fahaizana amam-pahalalana siantifika misy, afaka porofoina ve fa diso io? tsia.
Ka raha tsy afaka mandiso an'io amin'ny fomba hentitra sy azo antoka ny siantifika, dia tsy afaka mitompo teny fantatra amin'ny teoria hafa izay mifanohitra amin'io koa izany.

Dia mbola mifanohitra ihany ve ny siansa sy ny baiboly ?

- Fahatelo, raha lazaina fa tamin'ny 6000 taona lasa izay no nisian'i Adama, Eva, Kaina, Abela, Seta sy ireo vehivavy lasa vadin-dry zalahy, mifanohitra amin'ity ve ny tarehimarika ? http://fr.wikipedia.org/wiki/Population_mondiale#Estimation_de_la_population_mondiale_de_10_000_av.JC_.C3.A0_2050
(indrindra moa jereo ilay fourchette-n'ilay tarehimarika ;) )
11. niryna ( 28/07/2007 00:49)
Atra no nanao izao tontolo izao,ny siansa dia namakafaka ny zavatra nataon'ATRA.Na manana fahaizana tahaka ny inona aza isika afaka mampidina ny volana na ny kintana iray akory ve?
Maro ny manampahaizana mino an'ATra ary indrindra fa ireny olona marary nandalo teo aminy ireny,izay miandry ho didina,vokatry ny finoan'ilay marary anefa dia sitra na soa amantsara tamin'ny fivavahana izy ary dia manao sonia eo tokony ilay dokotera nitsabo azy sy manome ny rapport nilaza fa tsy nisy io aretina io intsony izy.Firifiry koa ny manampahaizana mivavaka alohany handidiany ny marariny:arrow:toy ny olona rehetra mino na tsia,matoa mino izy dia nahatsapa ny fisian'ATra .
Fahaizana avy aiza no nahatonga azy ireo?Ao anaty baiboly io,samy nomena fahasoavana ny olona tsirairay,tonga dia nahazo fahasoavana izany ny zanak'olombelona.Misy milaza fa avy amin'ny rajako no niavian'ny olombelona ahoana no mbola misy foana ny rajako raha avy amin'io no nihaviany.Amiko Atra manampy sy mamaly izay mitady Azy,mila vonjy izy (siantista),omeny tokoa izany satria mino Azy
12. mikavao ( 28/07/2007 14:17)
Mitovy ve aloha ny zavatra kendren'ny finoana sy ny siansa, alohan'ny ahitana izay sehatra mety ifandraisany? Manondro an'i Jesosy ho Mpamonjy sy mitaona ny olona hino Azy ho Mpamonjiny no hafatry ny Baiboly ary ny finoana dia avy amin'ny Toriteny...:wink::wink: fa ny Siansa kosa dia avy amin'ny fikarohana, fanadihadiana,:?::?: famakafakana isan-tsokajiny ataon'ny olombelona eo anatrehan'ny tontolo misy azy.
Tsy mitovy filamatra aloha hatreto ny Finoana sy ny Siansa ka tsy hita izay hifanampian'izy roa tonta fa mety hifangarika mihitsy aza, raha ny fomba fiasan' izy roa tonta no dinihina amin'ny saina tsy miangatra.
Ny baiboly tsy manome cours de science "moderne" fa manazava amin'ny fomba tsotra araka ny contexte nisy ny olona nanoratana azy voalohany indrindra aloha vao nadika "ho antsika" aty amin'ny taonjato faha-XXI.
Tsy laviko ny théorien'ny Big Bang fa moramora kokoa ho an'ny Kristiana toa ahy ny fanazavana tsotra omen'ny Baiboly ao amin'ny Genesisy toko 1 manao hoe: "Misia mazava, dia nisy ny mazava" izay heveriko fa taratra avy amin'io fipoahana fototra io (explosion originelle?):roll::roll::roll:
Amiko dia tsy tokony hampiadiana ny Finoana sy ny Siansa, na hezahina hifanaraka :^):^). Minoa fotsiny ihany hoa ;-):°):°);-), dia Tongava amin'ny fahalalana ambony indrindra daholo ry gasy namako ô!:-P;-):-P;-)
13. rakaroka ( 28/07/2007 15:32)
Io dé arakarak'ilay finoana. Satria misy no mifototra @ hoe "minoa fotsiny ihany!"(DOGME BBbe) donc sarahin-drizareo ny finoana sy ny siansa, fa nifanerasera t@ karazam-pinoana maro koa aho izay mametraka ny loi scientifika ho voa-janahary donc
à réspecter" dia rizareo aza miara-miasa @ siantifika maro no mampiasa ny siansa @ sehatra maro sahaniny.
14. piste ( 29/07/2007 03:06)
Nahoana no misy ny finoana ary nahoana no misy ny science? Iza no manana sy mampiasa azy ireo raha tsy ny olombelona ihany(ankoatran`Andriamanitra)?
Tokony hiaraka ve sa hifanipaka ? Inona no asany ? Inona no tanjony ?
Samy manan any asany sy tanjony ireo fa ny itovizany dia ny fikatsahana ny hahasoa ny fiainan`olombelona.

Raha source iray ataoko tsy tokony hifanipaka fa hifanampy tsara.
Raha samy mikatsaka ny hahasoa ny zanak`olombelona ve tsy dia tokony hifanipaka ?

Zavatra roa samy hafa ireo, kanefa iray ny fiaviany ary misy tanjona itovizany. Fa ny metodologie no tsy mitovy.
Ny science dia miainga ny efa misy. Ary mametraka ny fanontaniana hoe `Comment`. Ny science dia miezaka mamaha ny olana ara-materialy ny fiainan`ny olombelona. Tadidio anefa fa tsy mianona @ izay materialy izay ny hetahetan`ny olombelona.
Mametraka ny fiandohany sy hiafarany koa izy, avy aiza moa aho ary ho aiza ? Tsy voavalin`ny science ireo fa ny finoana no mamaly azy tsara.

Raha iverenako ny momba ny fiandohan`izao tontolo izao dia izao no azo ambara. Na miresaka fahariana aza ny olombelona dia tsy dia ny fomba fiforonan`izao tontolo izao loatra no tiany asiana tsindrim-peo fa hoe IZA no namorona azy : dia Andriamanitra na Zanahary izay.
I Darwin sy ny science kosa dia miezaka manazava hoe Comment l`homme a ete fait ?
Tsy ho voavalin`ny science velively ny fiforonan`izao tontolo izao, ary tsy par hasard velively io fa misy INTELLIGENCE ao nametraka ireo ordre etablie @ zava-manan`aina rehetra ireo.
Ary tsy tokony hidiran`ny finoana intsony kosa ny asan`ny science raha manampy hahasoa ny fiainan`ny zanak`olombelona.
15. niryna ( 29/07/2007 06:27)
piste:

Nahoana no misy ny finoana ary nahoana no misy ny science? Iza no manana sy mampiasa azy ireo raha tsy ny olombelona ihany(ankoatran`Andriamanitra)?
Tokony hiaraka ve sa hifanipaka ? Inona no asany ? Inona no tanjony ?
Samy manan any asany sy tanjony ireo fa ny itovizany dia ny fikatsahana ny hahasoa ny fiainan`olombelona.

Raha source iray ataoko tsy tokony hifanipaka fa hifanampy tsara.
Raha samy mikatsaka ny hahasoa ny zanak`olombelona ve tsy dia tokony hifanipaka ?

Zavatra roa samy hafa ireo, kanefa iray ny fiaviany ary misy tanjona itovizany. Fa ny metodologie no tsy mitovy.
Ny science dia miainga ny efa misy. Ary mametraka ny fanontaniana hoe `Comment`. Ny science dia miezaka mamaha ny olana ara-materialy ny fiainan`ny olombelona. Tadidio anefa fa tsy mianona @ izay materialy izay ny hetahetan`ny olombelona.
Mametraka ny fiandohany sy hiafarany koa izy, avy aiza moa aho ary ho aiza ? Tsy voavalin`ny science ireo fa ny finoana no mamaly azy tsara.

Raha iverenako ny momba ny fiandohan`izao tontolo izao dia izao no azo ambara. Na miresaka fahariana aza ny olombelona dia tsy dia ny fomba fiforonan`izao tontolo izao loatra no tiany asiana tsindrim-peo fa hoe IZA no namorona azy : dia Andriamanitra na Zanahary izay.
I Darwin sy ny science kosa dia miezaka manazava hoe Comment l`homme a ete fait ?
Tsy ho voavalin`ny science velively ny fiforonan`izao tontolo izao, ary tsy par hasard velively io fa misy INTELLIGENCE ao nametraka ireo ordre etablie @ zava-manan`aina rehetra ireo.
Ary tsy tokony hidiran`ny finoana intsony kosa ny asan`ny science raha manampy hahasoa ny fiainan`ny zanak`olombelona.



=D=D=D izaho koa mitovy hevitra aminao.
16. niryna ( 30/07/2007 02:36)
Avy amin'Atra daholo no niandohan'ny zavatra rehetra ary tafiditra amin'izany koa ny siansa ka misy hifandraisany amin'ny zava-boarin'ATra izany,ary afaka mifanampy satria samy nahazo fahasoavana avy ny tsirairay manampy ny zava-boary rehetra.


Iza ary Jesosy?

In Chemistry:Jesosy dia nanova ny rano ho tonga divay.

In Biology:Izy dia Zaza avy amin'ny Fanahy Masina ary virijiny no niteraka Azy.

In Economics:Namahana olona 5,000 Izy tamin'ny trondro roa sy mofo dimy fotsiny.

In Medicine:Nanasitrana jamba Izy tsy nisy fanafody na indray mitete akory aza.

In History:Izy no niandohana sy ny fihafarana

In Government:Izy no mpanolotsaina sy mpanjakan'ny fahandriam-pahalemana.

In Religion: Hoy Izy,tsy misy na iray aza manantona ny Ray raha tsy avy amin'ny alalany.

In This world:Izy no Mpanjakan'ny mpanjaka

Iza ary Izy ? Izy irery no nahavita ny zavatra nataon'ny siantista ary mihoatra lavitra noho izany ny fahagagana maro nataony.

Izy no atao hoe Jesosy:Tsy mba faly ve isika fa nahalala Azy ho Mpanavotra antsika?:D:D


^:^

(l)niryna
17. boraingy ( 30/07/2007 09:34)
Miombon-kevitra amintsika rehetra aho. Ary faly fa mazava be ny fanazavan'i piste azy. Misaotra anao.
Raha mandalina siansa aho dia talanjona isaky ny valim-pikarohana. Hay ity zavaboharin'Andriamanitra ity ka mahatalanjon toy izao?

Siansa ny tena indray amiko ny fandalinam-pinoana. Ny valiny dia tokony ho tonga any amin'ny Fahalalana ary iainanan'ny tena ankehitriny sy amin'ny ho avy.
18. fijo ( 01/08/2007 21:04)
misy tsy hiraisan kevitra aloha e.ohatra,ohatra ity hoe andriamanitra no nanao ny zavatrarehetra ity.io tsy iraisako hevitra amin'ny mpino.
19. piste ( 01/08/2007 23:47)
tsy terena ianao ka.
20. Rasiligaoma ( 02/08/2007 04:48)
ny science manao hoe "comment" na hoe "amin'ny fomba ahoana"
ny finoana manao hoe "pourquoi" na hoe fa "maninona/nahoana"

Dia tohizana hoe "nous sommes crees"!

mazava ho azy fa samihafa ny valiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0688