Hafahafa toy ny vazaha mihinamparaky (bazylou+Zazala...)
1. kanota
(
22/07/2007 03:57)
Fanina toy ny vazaha nihinamparaky ry bazylou sy Zazala ka miteniteny foana. Izay tratra dia azo fa izany tsy midika fa hiandry fahanana vary ao ambavany ny vahoaka. Zatra ny mpitaingina vahoaka loatra ka rehefa tsy mamendrofendro dia ny sain'olona no rebirebena. Tsy mila anao hiteny akory izahay fa miasa ary ny asan'ny fanjakana sehatra hafa fa tsy ny hanatitra sakafo ao ambava akory. Manana ny andraikiny ny tsirairay eo amin'ny vokatra izay hotazany nohon'ny hasasarany.
novalian'i rahiratra ny 27/07/2007 09:41
2. rahiratra
(
22/07/2007 04:44)
Rehefa tsy mahalala ny tokony hatao dia manaonao foana sy miteniteny foana. Ny hafa miasa koa ahoana ianao no hiandry fotsiny. Ireo lasa any andafy vao lasa adala ve no tsy hisondrotana. Izy efa tafita koa ianao ve ahazo ny tombontsoany. Miasa ianao vao mihinana.
3. Jeankely
(
22/07/2007 04:53)
Rehefa tsy milaza hoe tsy ho tratranao eo io olona henjehina io dia milaza indray fa hivaha ny fahantrana rehefa tratra ilay olana. Olona hafahafa asa ny 4-mis ve avy aiza no nipoirany. Na izaho izao ve afaka hihinana ny sakafo matsironao any France nefa aho mbola aty Madagasikara? Rehefa tsy misasatra aho dia mazava fa tsy mahazo.
