Miteny Parantsay na milaza tsy Hiasa ny ELITA Tezitra andafy
1. Jeankely
(
21/07/2007 02:56)
Izao no manampahaizana sasany lasa andafy. Na mirehoka sy manazava amin'ny teny Pararantsay mipoapoaka ho vakian'ny Frantsay na milaza tsy hiasa. Ka aiza no azo harahina ny amin'izany? Ny vahoaka na hiteny Frantsay ianao na tsy hiasa dia tsy maintsy miasa vao mihinana. Tsy mbola nahazo vahana tamin'izay fitondrana teo aloha na amperin'asa ny vahoaka fa mila miasa sy mifofotra vao mahita ny hateliny. Ny zatra ny Favoritisme, Nepotisme, Corrupted people no malahelo rehefa tsy ny akamany no eo amin'ny fitondrana. Isiaka vahoaka tsy maintsy miasa sy manatsara ny fomba fiasantsiaka raha tia ahazo voka-tsoa. Tsy ahazo amin'ny resaka politika isiaka vahoaka fa andry zareo mpiady seza io. Ny antsiaka dia ny miasa. Sa afaka hitondra isiaka?
novalian'i kanota ny 21/07/2007 07:51
2. tsoraka
(
21/07/2007 03:01)
Efa voalaza ny hoe "Iza no faly amin'ny zanak'AREMA?". Rehefa tsy izy no mitondra dia milaza tsy hiasa izy ary mitarika ny olona tsy hiasa. Izy anefa misonanika mipetraka andafy ary na trano aza hananay andafy koa anjaran'ny vahoaka no miasaina raha hanaraka ny heviny. Mbola mihevitra ny vahoaka hatao tohatra fiankarana ka ny fahantrany sy ny fijalianay no hatao fitaovana hisoavaliana azy. Efa tonga saina ny vahoaka Malagasy ry Tezitra be oooo.
3. kanota
(
21/07/2007 05:37)
Samy miezaka ny ho tonga saina fa miasa vao misondrotra ary miady vao mandresy ny fahantrana. na miasa sy mitady hevitra aza ny fanjakana dia ny herinao sy ny fahazotoana manavao ny fomba fiasanao no tena izy. Ary na tsy hijery anao koa aza ny fanjakana rehefa miezaka sy milofo ianao mahita tombontsoa hatrany. Ady ny fianinana ka aza sondriana amin'ny mpanao politika be resaka. Tsy hanome fa hanatsatso fotsiny.
Aza sondriana amin'ny vavan'amboa.
Aza sondriana amin'ny vavan'amboa.
4. kanota
(
21/07/2007 07:07)
Teny Malagasy ary ampiasaina hatrany ny hoe: Andriamanitra tsy mamampy izay tsy manampy ny tenany. Aza miantehitra amin'ny fanjakana fa "God only helps those who help themselves". Ny vahoaka mitady ary anjaran'ny fanjakana ny manao izay sehatra ahafahana miasa ho ara-dalana. Na fanjakana aiza na fanjakana taiza dia mirodana ihany raha tsy hanasoa ny vahoaka. Hita misongadina eo ihany na manao na tsy manao ny fanjakana fa ny antsiaka dia ny miasa ihany. Ireo nandovabe no afaka milaza ny TSY HIASA satria na ny fasana hilevinany aza efa sahala ny rova. Ka ahoana hiasa isiaka sa hiandry azy hitaingina indray?
