Lundi sa mardi sa zoma sa inona ny SABBAT ?

21. niryna ( 25/07/2007 05:44)
Moa ve voavonjy isika raha manaja ny andro sabata?
Raha eny no valiny dia milaza an'Atra ho mandainga isika,satria raha nanome ny didy folo izy ka na ny iray fotsiny aza no tsy voatandrina dia namany meloka amin'ireo rehetra ireo isika.
Raha ny sabata fotsiny no voatandrintsika kanefa ny fo tsika maloto,mankahala,miavonavona dia namana nandika ny ambiny sivy ihany isika.
Ny andro hialana sasatra izany dia araka ny schedule-nao ihany io ,izay hakanao aina tsy hiasana.Raha ny tsy fanajana ny andro sabotsy na alahady ihany no resahina lava eto dia toy ireo fariseo ireo isika ka manohitra ny tenin'i Jesosy.
Jesosy kristy no sabata ao aminy irery ihany no misy ny famonjena,fiadanana,fifaliana,fahasoavana, fanantenana
Izy irery ihany no hamonjy sy hanavotra antsika amin'ny andro farany,miaraka amin'ny isika dia manana andro hialana sasatra,afaka ny tebiteby,manana Azy hanome ny fiainana ho mandrakizay.
22. niryna ( 25/07/2007 06:28)
*[Jesosy kristy irery ihany no sabata.Noho ny tsy fahafahantsika hitandrina ny didy rehetra dia nomeny didy vaovao isika ka tafiditra ao anatin'izany didy izany ireo didy folo izay mahafoaka ny fitiavana
Mpampianatra o ,ny didy manao ahoana moa no lehibe indrindra eo amin'ny lalana?Dia hoy Jesosy taminy.,,Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra Izany no didy lehibe no sady voalohany.[i]ary ny faharoa,izay tahaka azy ihany ,dia izao:..,,Tiava ny namanao tahaka ny tenanaoIzany didy roa izany no ihantoanan'ny lalana rehetra sy ny mpaminany .Mat 22:37

*nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalana ny olona ,[u]fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy,dia nino an'i Kristy Jesosy ,dia nino an'i Jesosy Kristy koa isika mba hohamarinina amin'ny
finoana an'i kristy
;fa tsy amin'ny asan'ny lalana satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalana Gal 2:15-16

***Mino an'i Jesosy Kristy dia ho voavonjena ianao,tsy misy zavatra hafa ahazoana famonjena raha tsy avy Aminy irery ihany.
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana;ary tsy avy aminareo izany ,fa fahazoavana azy amin'Atra Efe 2:8

*** Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia
izy no tia Ahy;ary izay tia Ahy no ho tia ny Raiko ,ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy
Jaona 14:20

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana,fifaliana,fiadanana,fahari-po,fahamoram-panahy
,fanaovan-tsoa,fahamarinana;tsy misy lalana manohitra izany
Gal 5:22
Koa raha mandray an'i Kristy ho sabata ianao,mandray Azy ao am-ponao dia hanana fialantsasatra tokoa ianao eo amin'ny andronao.
Ho Azy irery ihany anie ny dera sy laza ary ny voninahitra hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay.
Manatona Azy ,tsy misy vola na harena ilainao fa ny fonao no omeo Azy hitoerany ka dia ahita fifaliana lalandava tokoa ianao na mafy aza indraindray ny onjan-dranomasina.:*
(l)niryna
23. ordinera ( 25/07/2007 17:09)
lalan'Andriamnitra ny sabata, anatin'ny didy folo ilay izy, ary ny atao hoe fahotana dia ny fandikana ny lalana!
hitako fa hors sujet be i niryna tena marina!
inoanao ve fa jesosy dia naniraka ny fandika ny lalana? sa mbola tsy mzava aminao fa tamin'ny fanoratana ny baiboly no misy olana mba miverena ery ambony de hazava aminao ilay resaka!
tsy andro fiala-tsasatran-tsika velively ny sabata fa aandro izay nialan'A/TRA SASATRA araka ny baiboly izay mbola nametrahako fanontaniana izay tsy misy valiny koa hoe moa mety reraka ve A/TRA NEFA TAMIN'NY ALALAN'NY TENY NO NAHARIANY IZAO REHETRA IZAO KA MOA VE NY MITENY DIA MAHASASATRA AN 'A/TRA? VALIO IO, RAHA MISY VALINY ANY AMINAO!
NY OLANA ETO MANKO IZAY HITA MIBARIBARY REHEFA MISY DINIKA AROSO raha manindrona ny sasany ilay izy tsy mieritreritra izy hoe marina ve ity resaka ity sa ahoana, fa ny ao an-tsainy sahady hoe inn zao no havaliko an'io? inona no bala hatifotro azy? nefa izay toe-tsaina izay tsy ahatonga anao amin'ny marina velively!
faharoa aoka isika hanaraka ny soratra masina raha kristianina marina fa tsy ny soratra masina no am-panarahana an-tsika!
voalaza tery ambony hoe raha mitandrina ny sabata isika nefa ny fon-tsika maloto...izany ve ny fiteny entinao hisintonanao ny olon'A/TRA TSY hanamsina ny sabata? tsy misy mahatsara ny fo maloto amin'ny lafiny rehetra nefa raha fo mankato an'A/TRA
kosa jamais izy ho tony eo am-panotana an'A/TRA amin'ny tsy fankamasinany ny andro sabata, izay takian'A/TRA .Mankamasina ny andro sabata fa andron'i Jehovah tompo andriamnitrao ny andro sabata.. hoy ny soratra masina!
fomba ahoana ny hitoeran'i jesosy ao anatin'ny fo manota amin'A/TRA?TSY MITANDRINA NY DIDY FOLO ?
ARY RAHA OHATRA ARY , nohamaivanin'ny jesosy ny andro sabata araka ny hevitrao? tsy hitanao mifanipaka ve izany amin'ny didy folo jesosy sy andriamnitra ve afaka mifanipaka,? ary nahatonga ny kristianina tsy manaja ny sabata ve izany no raisonnement entiny? de aiza ao amin'ny soratra masina ary milaza fa novain'i jesosy ho alahady ilay izy? izay mahatonga anareo manamasina ny alahady?
sa mbola hohamivaninao koa io alahady io fa tsy ahavoavonjy anao?
de inn zany no ahavoavonjy anao ankoatran'ny fitandremana ny didin'ANDRIAMNITRA?
FO MADIO? AMIN'NY ALALAN'NY TSY FITANDREMANA NY DIDY?
HAFAHA IZANY FAHADIOVAN'NY FONAO ZANY RAHA IZANY NO IZY!
24. xxx ( 25/07/2007 18:36)
Ny valin'ny fanonataniana hoe: moa mety reraka ve Andriamanitra dia izao: TSIA satria tsy manam-petra izy sady tsy voafetra. Izay volaza tao amin'ny jenezy moa dia efa nahitsin'i Jesoa hoe: John 5:17 «Mon Père, jusqu'à présent, est à l'oeuvre et moi aussi je suis à l'oeuvre.» Tsy nisy filazana eo fa naka aina Andriamanitra.

Ny mikasika ny andro alahady dia izao: Andro voalohany io, Paka vaovao, Fahariana vaovao. Nanomezan'Andriamanitra ny Aina vaovao avy amin'i Kristy, ilay Adama vaovao hoy i Paoly. Fanomboham-pahariana vaovao miaraka amin'Andriamanitra ny andro Alahady: Hivondronanay ao aminy miara-mandray ny TENINY sy ny TENANY. Tsy ny andro alahady ihany anefa no atokana ho azy fa ny andro rehetra mihitsy no iarahana aminy.

Raha kristiana dia tsy voafehin'ny lalana taloha intsony fa ny lalana vaovao nomen'i Kristy kosa dia ny LALAM-PITIAVANA.

Hanjaka ao am-pontsika anie ny Fitiavan'i Kristy . Amen!
25. ordinera ( 26/07/2007 17:40)
niryna>> mety diso zany ny soratra masina aminao ka azo ahitsy!ahoana ny mikasika ny soratra masina ankehitriny izay tsy novakiana teo anatrehan'i jesosy? satria 70 ans taty aoriany vao nosoratana?? asa na arakanao amzay ny tiako hambara!
mikasika ny andro vaovao izay lazainao io dia tsy misy baiko avy amin'Andriamnitra na avy amini jesi-kristy maniraka aminazy io , ny nibaikoana anareo aza navelanareo, tsy hitanao ve fa hafahafa izany zvtr izany? sa mahay mihoatra an'ANDRIAMNITRA IANAREO?
Fomba ahoana no ilazanao fa tsy voafehin'ny lalana taloha ianareo, nefa samy soratra masina ireo, didy avy amin'A/TRA ary mbola tsy misy lalana mandrava azy io na kristy aza milaza fa tsy tonga handrava ny lalana na ny mpaminany izy fa tonga hanatanteraka, fa mandrapahafoanan'ny lanitra sy ny tany tsy ho foana na dia iray akory ao amin'ny lalana aza ,eny fa na dia tendro-tsoratra iray aza...ka iza ary ilay olona manam-pahefana mihoatra an'i kristy izay mahasahy mandrava ny lalana sy ny mpaminany arahinao io??? mba saintsaino kely azafady!!
iza ilay olona mahasahy milaza fa efa rava tsy manankery intsony ny didin'ANDRIAMNITRA TALOHA, FA KRISTY araka ny soratra masina ambony io tsy nahasahy izy fa tonga hanamfy au contraire!
26. isambo ( 08/01/2008 17:09)
sabata =sabotsy marina e,
Raha haitsika ny mamaly ny hoe maninn no nasian'Atra hazo tsy azo ohanina teo afovoan'ny saha tany edena dia haitsika ny mamaly koa hoe mety atao zoma na sabotsy na alahady ny sabata . Atra dia mametraka zavatra asainy ho tandrematsiika fona mba hanaporofoany fa mankato azy isika ny olona rehetra izay tsy mitandrina ny sabata =sabotsy dia tafaroboka ao anatin'ny fanangolen'ny satana tahaka an'i Eva tao @ saha ny edena. Amin'ny maha finoana ny finoana dia rehefa miteny Atra hoe tsy azo ihinanana ny hazo eo afovoan'ny saha dia tsy tokony hasiana adihevitra intsony tsy mihinanan no fahendrena ary raha miteny izy hoe manamasina ny sabata na sabotsy dia manantanteraka izany koa no ankasitrahany ary tsy asiana adihevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074