Tratra i Pety ?

1. Zavamiafina ( 20/07/2007 05:59)
Tsy nandaitra intsony angaha ny Ody sa nisy nanota fady ??:-D:-D
novalian'i kanota ny 28/07/2007 01:44
2. kanota ( 20/07/2007 06:24)
Anontanio an'i Bazylou sy Zazala. Handika Articles eo indray izy ireo. Fanararaotan'i Salaka sy Raviny izao.=))=))=))
3. jijaman ( 20/07/2007 06:56)
Aza miteniteny fona eh!!!!
Misy ambadika politika io eh!!
Dia marina ve hoe tratra tao Ambanimaso tokoa izy nefa izy efa tadiavina efa ela be izay.Eritrereto kely fa eo @ny 500m miala ny toby ao Tsaramandroso izy no tratra.Mampieritreritra izany.
4. kanota ( 20/07/2007 10:50)
Tsy raharahan'i Emanuel na taiza na taiza ry leity e
5. volana1 ( 20/07/2007 11:36)
Mety nalahelo ny zanany sy ny vadiny izy, noho izy ve no hampijaly an'ireo ? mbola mipoitra ny maha-raim-pianakaviana azy sy ny maha-olona manana fitiavana azy.

Fanahy iniany angamba no nahatratra azy, rah izay dia mendrika mantsy e !
6. nathie86 ( 20/07/2007 11:56)
mety ho tsy nandaitra intsony ny ody, teo ambany maso izy no tratra fa mety teo fôna izy hatr'zay fa nampiasa fanova maso:roll::roll:, nisy nanota fady zay =))=))=))=))=))=))=))=))=))
7. xxx ( 20/07/2007 12:12)
Fa nandaitra kosa aloha ny an'ny Fitondrana é ! zao lasa nihemotra ny vola FMI vokatr'ilay Fanafoananketran'ny Groupe TIKO; sa Ahoana ? Sao mandroso eo ny Gasy koh ! Zao koa mbola tratra koa i Pétit Rakotoniaina
8. Jeankely ( 20/07/2007 13:19)
Nivadika xxx ilaikoto angaha? Tsy nahasahy niseho amin'ity solonanarana malazabe. Esy e ry xxx e=))=))
9. Lisano ( 20/07/2007 13:27)
Io tongan ' le hoe ela nitoratorahana e , tsy maintsy tratra ny farany . Sady ny atao rehetra anie misy farany e .
10. kanota ( 20/07/2007 13:30)
Hamangy any hono bazylou sy Zazala ary tezozozozotra =))=))=))
11. menalamba ( 20/07/2007 14:51)
99 andro hono ny @ mpangalatra fa ny tokana sisa no @ tompony.Tandremo ny halatra ry zalahy ,fa mafimafy ny ampigadraha...poritra ianao té higaboné...Tsapa
tsapaina lé dababé ...dé mitombina toy ny vazahabé..Bàbà..Niny é...hooii..!!;-):-D
12. xxx ( 20/07/2007 20:45)
tsy fanahiniana fa nasekin'ny fomba ratsy ka!tsy mpijery ny ambonin'ny loha e!=D=D
13. xxx ( 20/07/2007 21:11)
D ho an'iza ny voala 125000000Ar ho an'o jônakely sy ny tariny ve satria tratra ilay noendrikendrehana nangalatra fiara ???
14. Zazala ( 20/07/2007 21:54)
Izao anie le iz é!
Tsy tratra zany i Pety, Efa ni-phone aloh iz, mba atorony ami'zay fa hivoaka ah. Ary raiso ami'zay lè saos av eo. 1/3 ny anao fa ny sisa d anah daoholo.
Izany ny fandehan'ny tantara ry havana.
15. kanota ( 21/07/2007 01:18)
Na nanatona nohon'ny fitazonana hatramin'ny alikany sy ny sakany araka ny tenin'i bazylou na niantso telephone na ahoana rehefa eo ampelatanana'ny tompon'andraikitra dia izay. Zazala tsy izy ary tsy misy tokony hiainona azy. Ialahy sy bazylou fanina sahala ny vazaha nihinamparaky=))=))=))
16. deric ( 23/07/2007 10:08)
Na misy aza ny ody, misy fetrany izany e!
tsy fantatra aloha izay maha politika azy azy fa tena tratra tokoa izy e! Mbola saika handositra ange izy no nanapoaka basy ny zandarme, dia izay no nampijanona azy.
Efa ela izy no misy milaza fa miriaria tato amin'ny renivohitry betsileo hono e!, saingy tsy misy sahy nanoro ny marina sao mamono biby tsy mahafaty ka hifoteran'ny rambony.
Andrasana indray zay ho tohiny e!
17. menalamba ( 24/07/2007 07:35)
Ary noheveriko fa resak'ehy fotsiny ilay hoe nilalao ody ilay rangahy ity ,kay tena marina tokoa fa navoakan'ny gazety taratra anio fa tratra tao @ trano natoriany izany.Tena mba mahamenatra raha olona tahak'itony no mbola mirefarefa toy izany ny fomba fiainany!Dia avieo nibaboka tery ambody papay namely ny hoe :"
aza mitifitsa koa fa tsa hilefa aho ":-D:-D
18. Jeankely ( 24/07/2007 08:42)
Ny resaka ody aloha dia marobe ny mbola mampiasa an'io. Tsy mety ny be resaka fa jereo tsara ireo Ministera sy toeram-panjakana ireo fa dia mbola maro ny mandohalika amin'io. Izay tratra moa dia iny mazavabe iny. Ny fivavahana sy ny ody nanmpiarahan'ny olona hatrany ireo. Tsy miaro io aho sanatria fa miresaka ny zava-misy an. Mialatsiny
19. Heritani ( 27/07/2007 14:27)
aza miteny ny zavatra tsy azonao antoka moa fa mety hanahirana .Satria mantsy raha tsy hita izy dia tsy voatery hoe nanao ody gasy fa mety ny mpitady no vendrana sady ny marina moa dia tsy ho hita mihintsy izy raha tsy nitolo-batana!!!

20. kanota ( 28/07/2007 01:44)
Ery ambony ny sasany milaza hoe tsy niafina izy fa hitan'ny rehetra mivezivezy teo saingy matahotra ny mpijery sady tsy miditra @ resaka. Ny resaka ody dia manda an'io ary milaza ho mpivavaka nefa mampalahelo fa ny mpivavaka aza no tena miondana. Io Heritani io ve tsy manao ody=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471