Ianao ihany dia afaka mahafantatra azy!

1. niryna ( 20/07/2007 03:40)
Afaka mahafantatra olona hono isika ka ahoana tokoa izany? Mba afaka manome fanazavana ve ianao?

Ohatra:
1- Eo amin'ny fomba izay fiteninao miaraka amin'ny namanao.
2-Eo amin'ny fomba fampiasanao ny fotoana kely izay ananao.
3-Fomba fampiasanao ny volanao sy ny vola madinika.
4-Eo amin'ny akanjo izay anaovanao.
5-Eo amin'izay zavatra mampihomehy anao.
6-Eo amin'ny hira izay hirainao,tonony iray fotsiny aza.
7-Na dia zavatra tsotra ,eo amin'ny fomba fisakafoananao.
8-Ny karazana boky vakianao.
9-Ny fomba fanoratrao
... Mety mahita maro mihoatra ireo aza ianareo.
Raha mijery olona aloha dia mety tonga dia fantatra hoe faly na tezitra na miramirana kanefa indraindry voasodoka ihany:roll:
(l)niryna
novalian'i niryna ny 24/07/2007 05:43
2. diamondra27 ( 20/07/2007 05:39)
marina izany fa eo ampandidiana azy no mahita ny atiny

raha mijanona @ fihetsika ivelany ianao de mety ho trompé ihany satria indraindray mamitaka ny apparence.Rehefa manantona ilay olona anefa enao ka miresaka aminy de eo no ahitànao fa ity olona ty de tahaka izao sy zao.
Indraindray manko ny apparence de bouclier iarovana satria nisy nanjo anao t@ fiainana de aleo mana an'iny @izay tsy voadona intsony @ manaraka

Oh: ireny olona be vava be reny zao, misy ny milaza azy we: ratsy fanahy satria be vava saingy raha resahanao izy , raha lasa confidente-ny enao de ho fantatrao ny antony nahatonga azy be vava iny satria @izay de tsy sahin'olona attaquer-na izy nefa raha hitanao ny maharary azy tonga de milefotra izy ary lasa paumé...

Oh koa zao le be tsy miteny ireny, tsy izy mihintsy no andeha hanao dialogue voalohany fa andrasany ny hafa no hanantona azy satria sao de repousser-ny olona izy de harary fo halaheko etc...

fomba fitafy: raha milamina ny fomba fitafinao de midika koa zay fa milamina ny fiainanao
Vita pasoka tsara ny somizon-dramose, de ny vadiny zay mahakarakara azy tsara , milamina ny tokantrano etc etc... fitafy tsy mipasoka= tsy manampotoana, tsy mivaky loha , tsy ampy vola satria mila manao economie @ fera etc etc...
Misy koa anefa ny fomba fitafin'ny sasany misavoritaka fa artista lay olona (hafahafa fitafy zany e)

fampiasana ny vola: mitsitsy sa tsia?

be de be fa aleo ny sasany no hanazava koa
3. sympa ( 20/07/2007 11:38)
:-/
4. Levy ( 20/07/2007 12:13)
Ny fahafantarana 100 isan-jato ny tena na ny hafa aloha dia tsy hisy velively. Efa maro tokoa ny "approches" efa nandramana sy mbola mitohy amina sehatra(discipline)isan-karazany fa tsy mety mahazo valin-teny mahafapo. Mbola mipetraka hatramin'zao ilay hoe:"l'homme est un mystère".
5. Samoana ( 20/07/2007 14:13)
...
10- eo am-pamakiana ny mombamomba azy:D
6. sechat ( 20/07/2007 15:25)
nenà ndray resaka feeling sy 1ère impression no tena miasa rehefa mahita olona voalohany.
Fa mandaitra ... ndraindray, de ndraindray tsy mandaitra :lol:
7. Herimiafina ( 20/07/2007 20:35)
NY ahy ny maso sy ny isan'ny hozatra miasa eo amin'ny tavan'ilay olona no hahafantarako ny momba azy!:@
8. xxx ( 20/07/2007 20:40)
les yeux ne veulent rien dire! Fa misy olona madio masobe nefa mpamadika sy mpamitaka!
ny frantsay no tena manao an'io fa tsy midika inona io!
Marina ialy notenenin'i diamondra hoe ny ivelany dia tsy midika inona! L'habit ne fait pas le moine!:lol:
9. fasaly ( 21/07/2007 06:57)
mifanerasera kely aminy dia toundé fantatra ny momba azy.....tsy hahafantatra ny toetran'ilay olona enao raha tsy miserasera aminy fotoana kely:°) misy ny mahay manafi-teotra mantsy;-)
10. tywa68 ( 21/07/2007 07:54)
niryna : amiko aloha dia tsy hahafantatra olona tsy miara-miaina aminao izany ianao : satria miova² arakarak'ilay taona, sy ny zavatra nodiaviny ary ny olona manodidina azy ny akamaroan'ny olona ary tsy tokony mahagaga izany :lol:
11. boubounezy ( 21/07/2007 14:32)
niryna! tsy aiko alou fa misy kou lé fiteny wé; l'habille ne fait pas le moine, nefa misy kou lé ozy tsika gasy wé, arakarataré vôjavatra ka tsy ay tsony é! samy manana ny fomba afahana mijery azy dôly ny oull retra samy hafa:-*
12. dadie ( 21/07/2007 18:01)
niryna> ra teo zao bb anay d nanotany ahy oe teneno ana iza ny namanao d teneniko anao ny toetranao d dry no modely teneniko azy , satria ra mamaky ato am forum izy ka maita fanoratrindry sns d mahavariana indrindra mo any am hevitra fivavahana,torakizany koa ny faitako an'i ari malala
13. Herimiafina ( 21/07/2007 21:04)
xxx:

les yeux ne veulent rien dire! Fa misy olona madio masobe nefa mpamadika sy mpamitaka!
ny frantsay no tena manao an'io fa tsy midika inona io!


:-D Hay ve Frantsay ny CIA klé?:-D
14. xxx ( 21/07/2007 21:08)
CIA angaha no betsaka any ???
Tsy misy dikany io e!=))=)):-w=D:-@^:^o^o:b
15. Herimiafina ( 21/07/2007 21:27)
Renjekaky oo ry lanitra malala!!!!:@
Mi-dilate be anie izany pupille-nareo izany e! :-D
Midika hoe sipa njy sady sipa fantatso, mipetsaka ao Frantsa, hehehehe:-D
16. niryna ( 24/07/2007 05:36)
dadie:

niryna> ra teo zao bb anay d nanotany ahy oe teneno ana iza ny namanao d teneniko anao ny toetranao d dry no modely teneniko azy , satria ra mamaky ato am forum izy ka maita fanoratrindry sns d mahavariana indrindra mo any am hevitra fivavahana,torakizany koa ny faitako an'i ari malala

Misaotra aky dadie nampahery a.Ny fomba fanoratan-tsika koa anie dia efa azo alaina sary hoe tia falifaly lava ity olona ity,tsy dia mba tezi-dava,na manana fankahalana na manana adin-tsaina e?:roll:Sa ahoana aloha?Izaho mora mihomehy sy mivanitika lava ka indraindray aho mahita ireny olona miteniteny foana ireny dia manongo tena irery.Mila fianarana daholo aky ny fiainana.Ny tarehy ratsy hono no tsy azo ovana fa ny fanahy ratsy azo atao raha miezaka sy mahafantatra fa tsy mety ny atao e.

17. niryna ( 24/07/2007 05:38)
tywa68:

niryna : amiko aloha dia tsy hahafantatra olona tsy miara-miaina aminao izany ianao : satria miova² arakarak'ilay taona, sy ny zavatra nodiaviny ary ny olona manodidina azy ny akamaroan'ny olona ary tsy tokony mahagaga izany :lol:

Marina tokoa izany fa indraindray tonga dia mivoaka eo ilay toetran'ilay olona raha miresaka kely fotsiny.Tsy ho voatery hoe hiresaka lavabe.:roll:

18. niryna ( 24/07/2007 05:43)
Herimiafina:

xxx:

les yeux ne veulent rien dire! Fa misy olona madio masobe nefa mpamadika sy mpamitaka!
ny frantsay no tena manao an'io fa tsy midika inona io!


:-D Hay ve Frantsay ny CIA klé?:-D


Aty aminay two faces no anarany ,izany hoe olona manana toetra roa,angaha ianareo tsy mbola nahita?Izaho aloha tsy dia mba mitsaratsara izany saingy rehefa sendra ireny olona mimonjy be ireny aho kanefa tsikina ilay izy dia lasa manontany tena irery aho.Ohatra androany nisy ramatoa izay niray fiaramanidina taminay ary tonga dia niavonavona be izany ny fijery azy,nitsiky aho fa tsy nihomehy na mba nanao fijery faly ity izy.Rehefa nandeha ela teny anefa nangatsiaka aho dia nomeny ilay bodofotsy tao amban'ny sezako.Faly ery aho no nisaotsaotra ary dia nifona aho fa nitsaratsara olona amin'ny tsy misy dikany ,dia izay ihany ary tsy nisy resaka intsony mandra-pahatonga any amin'izay lalana.:cry:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.277