lalàna momba ny asa

1. soasoafy ( 19/07/2007 14:53)
mba hanontany mikasika ny lalàna momba ny asa,samy hafa ve ny droit de licenciement sy ny droit de préavis? azonareo izay mahafantatra mba omena ve ny barème : ohatra raha olona niasa nandritra ny 1 taona prévis mitovy @'ny salaire firy mois no tokony ho payer-na aminy, torak'izany koa ny indemnité de licenciement.ary raha teo @ 7 taona niasana teo de ahoana?
Izay fa misaotra betsaka e
novalian'i ds ny 21/07/2007 01:07
2. sechat ( 19/07/2007 15:18)
Lalàna aiza io? (Mada, France, USA ...)
Ny fahalalako azy raha hiala @ sté ianao :
- ny préavis : resaka période tsy maintsy respecter-na rehefa hi-démissionne na rehefa handroaka anao ny mpampiasa. Ohatra hoe, tsy maintsy mi-prévenir 3 mois à l'avance rehefa handroaka mpiasa. Ka raha tsy mi-respecter an'io dia misy compensation financière araka2 ny hifanarahan'ny mpiasa sy ny mpampiasa ihany.
- ny compensation @ licenciement ndray dia aloan'ny mpampiasa rehefa mandroaka mpiasa (na mi-respecter na tsia ny préavis izy). Any @ contrat de travail no tokony hisoratra, na any @ convention mi-régir ny asanao. Ohatra hoe, raha manana ancienneté 1 taona dia mana droit handray 1/3 ny karama 1 volana.

Izay ny généralité fa miankina @ toerana hiasanao, sy ny secteur misy anao io.
3. kosety ( 20/07/2007 09:53)
Ny fahafantarako,ny licenciement dia fampilazaina fa voaroaka @ Asa ianao,
Ny préavis indray dia fampilazaina mialoa,izay no faha fantarako ireo teny roa ireo. Sa ?
4. soasoafy ( 20/07/2007 12:52)
droit de travail et Mada no tiako hanontaniana ka, raha ny mpampiasa no mandroaka dia ny sté no mandoa ny préavis, ka ny barêm no tiako ho fantatra, ohatra raha 1 taona niasana ilay oul de équivalent-n'ny salaire-ny firy mois ny préavis, raha 2 ans,....jusqu'à 10ans zay no tiako ho fantatra, dia manaraka izay ny fomba fi-calculer-na ny droit de licenciement ko mba tiako ho fantatra raha 1 taona ka hatr@ 10 taona niasana ilay oul.
Misaotra
5. ds ( 21/07/2007 01:07)
Momba ny faharetan’ny fampandrenesana mialoha fandravana ny fifanekena amin’ny asa.
Misy sokajy 5 ny mpiasa...
Amin'ny ankapobeny :
1 : manoeuvres
2 : ouvriers spécialisés
3 : ouvriers très qualifiés
4 : ingénieurs / cadres
5 : cadres sup

> 1 taona niasana
1 : 10 andro
2 : 1 volana
3 : 1 volana sy tapany
4 : 2 volana sy tapany
5 : 4 volana

> 5 taona niasana
1 : 1 volana
2 : 1 volana sy tapany
3 : 2 volana
4 : 3 volana
5 : 6 volana

Raha tsy ara-drariny ny fandravana ny fifanekena amin’ny asa (licenciement abusif), dia miteraka fandoavan'izay nahavanona azy onitra. Ny tribonaly momba ny asa no mamaritra ny onitra.

Raha fandroahana faobe (licenciement économique) no atao dia izay mpiasa rehetra voaroaka noho ny fampihenana isa ny mpiasa na fampitsaharana ny asan’ny orinasa dia mahazo tambim-pandroahana kajiana toy izao : karama folo andro isaky ny taona iray niasana kanefa ny tontaliben’ireo dia tsy azo atao mihoatra ny karama enimbolana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0523