RN35(Mama Sera)

1. Arija ( 18/07/2007 10:37)
Mba mitady io tononkiran'i Mahaleo Ao anatin'ny Nouvel Album Mahaleo Mama Sera 2007
2. mandrindra ( 18/07/2007 11:19)
Ity misy lalampirenena faha dimy ambin'ny telopolo
Izy io dia mbola lalampirenena, saingy efa hadinon'olo
Raha mianinga avy any Antananarivo ianao
Andeha ho any Morondava
Ireo tanan lalovanao
Manantantara, tsy lefy laza
Ao ambatofianadrahana, ao isika no maka bahana
Mandalo Itremo, mandalo Amboropotsy
Ao Mandrosonoro isika tsy mandry fotsy

Hôtely Mandrosonoro, hôtely tsy hadinon'olo
Mamasera dia anaran'olo, olo mandray olo
Ron'angivy nataonao, tsy hadinoko hatramin'izao
Anamalao nafanagaro azy, io no tsy afoizako azy

Hôtelin'i Mamasera, mampifanerasera
FAlifaly ny voyazera, ravoravo ireo sôfera
Hôtelin'i Mamasera, mampifanerasera
Ravoravo ireo sôfera, falifaly ny voyazera

hmmmmm, hmmmmm

Hono hoy aho ry Mamasera, inn no laokan'ireo sôfera?
Henakisoa sy ravitoto, @ izay tsy mirotoroto
Hafa ihany i Mamasera, mitsinjo ny ain'ny voyazera
Mahay miresaka @ sôfera, tsy handeha mafy ka hianjera

Fa ny laokan'ny voyazera, inn hoa ry Mamasera
"Tranon'amalona no arosoko", vokatry ny fo
Tranon"amalon'i Mamasera, ranon'apango ao anaty vera
Nihanahana ny voyazera, ravo2 ireo sôfera

Hafa ihany i Mamasera, mistinjo ny ain'ireo sôfera.
Olombelo tsy akoho (2)
Izay no tadiavin'i Mamasera, hijanona matetika ireo sôfera

hmmmm hmmmm

Hôtely Mandrosonoro, hôtely tsy hadinon'olo
Mamasera dia anaran'olo, olo mandray olo (2)

Tohizantsika ny lalampirenena faha 35
Avy eo Mandrosonoro mandalo Janjina
Tanana malaza manajina
Mandalo Malaibandy, tanana malaza tsy tia vandy
Mandalo Ankilizato, tanana malaza manana kily miisa zato
Mandalo Mahabo, tanana malaza amin'ny toerana avo
Dia tonga ao morondava, ny morona malaza fa lava dia lava
Fa ny ranomasina mitady handrava
soa ihany fa ao ireo renala reharehan'i Morondava
Izay no tantaraan'ny lalampirenena faha 35
Mbola lalampirenena saingy efa hadinon'olo

Ahitsio raha misy diso fa izay aloha no tsaroanaeee
3. booboo ( 18/07/2007 11:23)
:-D:-Dnoheveriko fa mbola tohiny :
Ahitsio raha misy diso fa izay aloha no tsaroanaeee
4. mandrindra ( 18/07/2007 11:24)
booboo, nasianao feony mihitsy io annn :P
5. melody ( 18/07/2007 15:40)
mandrindra: ary mba nalaky koa enao nahita io tonon-kira io, ankafizina e!:D
6. mandrindra ( 18/07/2007 17:14)
tena fy be le tranon'amolana, ka hirahiraiko antsaina matetika izy io:wink:
7. mabloo ( 19/07/2007 10:33)
mandrindra:tena mahatadidy nareo marina, za mpiheno an'io fa tena mbola tsy mahay tsiajery e!
mankalaza e!
8. mandrindra ( 19/07/2007 10:37)
rehefa atao dridrany ve tsy ho tadidy ihany ny farany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.263