fara vady anadahy

1. ari.malala ( 16/07/2007 14:44)
Mba inona hoa ny tena hevitr'io oha-pitenenana io fa tsy azoko mintsy e! misaotra mialoha am fanazavana o!
2. mety ( 16/07/2007 18:22)
Tsy misy fady zany rehefa sendra aretina ohatra fa dia mandray an-tanana tanteraka @ fikarakarana lay anabavy lay anadahy.
3. Jeankely ( 17/07/2007 02:45)
Oha-pitenenana taloha io ary tsy dia mipetraka firy ankehitriny. Taloha ny vehivavy manaraka ny vadiny ary miteraka sy miaina any. Tsy dia navela hianatra na hanitatra firy ny vehivavy fa ny lehilahy no lohan'ny fianakaviana. Noho izany raha tonga ny fotoana anarian'ny vadiny azy ohatra na maty ny vadiny dia tsy mahaleo tena izy noho ireo ambony ireo ka any amin'ny anadahiny no andehanany farany. Ny anadahiny no manampy azy satria tsy mahavita intsony izy. Tsy dia mitombona io ankehitriny satria ny vehivavy na tsisy lehilahy aza mahavelontena ary mahavita mihoatra nohon'ny lehilahy aza rehefa mitsikaraka tsara.
4. mavvoo ( 17/07/2007 13:14)
Fomba fiteny araka ny voalaza tetsy ambony io,marina fa tsy mitombina itsony io ankehitriny ,taloha ny llahy dia tena nandrandraina tokoa teo @ fiaraha-monina ,zao kosa anefa efa misy ny fitovianjo na dia tsy @ lafiny rehetra aza,Raha misy olana @ anabavy dia any @ anadahy no mila vonjy,ary ny zaobavy t@ zany dia nizaka ny havambady daholo,ankehitriny anefa tsy mitombina itsony io noho ny fivoarana misy.
5. ari.malala ( 17/07/2007 14:35)
Misaotra betsaka fa mazava!
6. princesseN ( 01/08/2007 15:56)
:):)hay ve e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3166