voadona mafy, mila conseils

61. sechat ( 19/07/2007 13:35)
fitiabdb> Courazy aky a! Ny essentiel mahay manapa-kevitra dia mi-assume an'izay notapahana. :-* De toute façon, enao ihany no mahalala kokoa izay mety aminao, fa ny sisa soso-kevitra fotsiny ihany. Izay ilay hoe enta-jaraina mora zaka e! Efa avy nofakafakana teto dia ohatran'ny mba hoe misy mangirana kely sady maivana kokoa.
Enga anie mba hiravona tsara ihany ny anareo. (l)
62. fitiabdb ( 19/07/2007 16:21)
sali e
Merci daholo am conseils-nareo fa tena manome courage, ne serais-ce que le fait fotsiny hoe misy mihaino dia efa manova zvtra bdb. Tena tsy nitovy mintsy ny etat d'esprit tam vao nanomboka ity discussion ity sy ny am zao, tena niha-natanjaka ny saina. Misaotra betsaka daholo e!
63. sitlo ( 19/07/2007 18:59)
izay no maha-mpinamana, arahabaina izany :-*
64. sitlo ( 19/07/2007 19:00)
oups, fa aza misiaka raha tsy tafavoaka ny ala :°)
65. rafangotsohana ( 21/08/2007 12:22)
Aza tonga d mieritreritra @ zany hanao divorce zany aloha satria efa nekenao teo @ ny alitara izy, tadidio fa hoe na an-karatsiana na an-karfaliana no nolazainareo teo. Sao d mb fitsapana avy @ lay Tsitoha kosa io, fa hereto iany aloha e! Sao mantsy ianao kaikerin'ny nenina any aoriana ka eo vao hikepokepoka vatokely. Conseil aloha ny ahy e! Misaotra
66. Angolaina ( 21/08/2007 12:42)
Tsy vahaolana mihitsy ny fisarahana izany indrindra fa raha efa misy ny zaza ary fitiavan-tena loatra izany ka tsy mitsinjo ny hoavin'ny zanakareo raha manao izany ianareo.

nanome ireto conseils ireto i princessN
1)ataovy otran'ny tsy misy zany
2)ezaho fantarina ny mety hananan'ny hafa nefa tsy hananao!
3)ataovy mahafinaritra azy foana ny mijery anao sy ny ao an-tokan-tranonareo
4)raha azo atao de ezaho ny tsy hifamaly aminy, fa manaova foana tsara fanahy!
5)de karakarao araky ny tokony ho izy izy!
6)aza atao hitany mintsy oe malahelo enao @zany ataony zany!
7)tadidio fa tsy hanary ny zanakareo zany mintsy izy,ny dikan'izany d nareo foana no ambony aminy n'inona2 ataony any ivelany any!

tena conseils tsara ireo ary azo arahina tsara ary ambonin'izay dia anontanio mivantana izy oe inona no tsy ampy azy ao antokantrano ka mahatonga azy mbola mitady any ivelany indray satria matoa ny olona mbola mihodina any ivelan'ny tokantrano dia misy banga ao izay. Ity koa misy conseil mba atoroko, tsy dia tsara loatra io misavasava ny telephone ny vadinao sy ny mail io fa ny zavatra hitanao ao dia hitondra aretim-po ho anao fotsiny ka mba tsy hisian'izay dia aleo tsy manao izany. Misy lafiny tsara ny curiosité nefa eo ihany koa ny lafiny ratsy @ izany ka raha mbola tinao ny vadinao dia aza mitady zavatra hanimbana saina izany fa arakaraky ny fikarokarohanao no mampitombo ny ahiahy eo aminao, nefa haintsika tsara ilay fiteny oe "ny ahiahy tsy ihavanana". Aza mora kivy @ izany ianao fa asehoy azy hoe efa nifanaiky ny hiara-dia mandrakizay ianareo ary ao aminareo ny fitiavana ka izay hampiroborobo izany no ataovy tsara. Mahatsapa tena ho azy eo foana izy ny farany ! courage foana e !!
67. soanja ( 22/08/2007 05:54)
Efa somary tara train ihany aho saingy namaky ny hevitry ny hafa rehetra.

Amiko ny atao hoe fanambadiana dia tonga miaraka amin'ny package na pake efa vita fa tsy misy ny tongalafatra : zany hoe nanambady ianao satria TIA. Tia azy amin'ny mahatsara azy nefa koa tsy hanary azy amin'ny maharatsy azy.

Misy tokoa ny lehilahy tia vehivavy isan-karazany. Azo antsoina hoe kilema io saingy izay le zavamisy. Zakanao ve io kilemany io? izay no fanontaniana angamba. Eritrereto fotsiny hoe misy lehilahy tia mandainga, misotro toaka, mpiloka sns tsy voatanisa ny azy zany io.
Amiko raha mbola tomombana ny ao an-trano: sakafo, fitiavana, fikarakarana, angolangola, tsy mody alina izy, tsy mampiaraka manalabaraka avy etsy avy eroa, tsy mamo na maimbo ranomanitra sns tsy voatanisa ary tsy mitondra aretina ao an-trano dia toneo ny saina.

Ezaho esorina ny hasarotam-piaro fa tsy manampy tokatrano io mantsy. Ka na hendry aza izy dia sorena raha menomenomana lava na anontaniana be loatra.

Apetraho amin'Atra ny hetahetam-ponao rehefa avy niresaka milamina ianareo. Henony ny tianao saingy tsy te handainga aminao izy matoa milaza fa hiezaka. Aretina tokoa mantsy io indraindray. Mora tia nefa moa leo koa. Tsara aza izy tsy hanome fampatokisana goavana be nefa ho rendrika indraindray. Tsy matoky ny tenany izy , fahalemeny izany. Tiavo amin'ny mahaizy azy izy fa ho faly. Ianao manohana azy amin'ny fotoana mahalavo azy ary tsy hanary azy.

Eto koa anefa aho hilaza fa afaka miova io olombelona io rehefa ela nahazo lesona any amin'ny fiainana ary hahay hijery ny lalana marina momba azy. Omeo fotoana izy hiova. Omeo tanana izy rehefa tsapanao fa solafaka. Tiavo izy amin'ny mahaIzy azy fa aza ariana. Matoa izy mbola eo aminareo mitia dia tiany tokoa ianareo ary itokiany.

Apetraho amin'Atra ny zava-dehetra! Aza maika misaraka fa mampijaly zaza sady mety azo antsoina hoe fitiavan-tena ihany ho an'ny olon-dehibe. Omeo fotoana izy hiova!
68. reve ( 23/08/2007 05:49)
fitiabdb:

sali daholo
Zao za vao mba niditra forum gasy fa hitako mahafinaritra ny fifanakalozan-kevitra sady mba mila conseils avy aminareo.
Ny momba ana dia izao: vehivavy mbola tanora, manambady ary vao teraka vao haingana ny zanako. 10 taona zay no niarahanay mivady (dont 2,5 en mariage), le pbm c'est que vao fantatro vao il y a qlq jours zao fa mihodina be mintsy kay io vadiko io, classique hoy nareo, mais c'est pas évident refa tena mihatra am tena lé izy. tena voadona mafy aho, j'ai cru que le monde s'ecroulait sous mes pieds, j'ai tout de suite pensé à divorcer satria raha ny filazany dia tsy ataony fanahy iniana lé izy ka ca peut arriver du jour au lendemain, ny zanako anefa mampalahelo ana hoe hi-grandir tsisy ny dadany, za kou anefa mbola tena tia azy, fa nefa toa ohatran'ny tena trop b lé izy. tsy réaliste ve za raha mitaky hoe za irery no ho tiany, sa légitime.
Mba toroy hevitra ry reto, na ze efa nanana cas mitovy amin'ny ana dia mba valio


bonjour, enao!

ny mpanoratra aloha dia lehilahy ary efa manambady aman-janaka 15 ans de marriage. fa kely de nanambady dia azo atao hoe mbola tanora izahay mivady.azoko tsara ny zavatra mahazo anao satria efa nandalovanay ny olana mahazo anao. tami voalohany de ny vadiko no naditra de avy eo za ndray no niadaladala. zay raha fintinina ny experience nay .fa ny tiako mba ho zaraina aminao dia izao tao anatinireo olana ireo dia samy nanana fandeferana na za na izy satria samy mbola tia de samy nalahelo ny zanakay hoe atao ahoana ireto zaza tsy manan tsiny .fehiny : fantatro fa mafy tokoa zany hoe matsiaro ho voafitaka zany kanefa ra mbola tinao ny vadinao ary ra mbola tsapanao fa tia anao izy dia tsy misy afatsy ny dialogue sy ny fifandeferana no vaha olana. aza atao lasa lavitra be ny eitreritra fa mety mba rahona sendra manakona fotsiny e!de farany ankino am' Andriamanitra ny fiainana mety ho classic be io formul io fa za miteny aminao hoe efficace io.de mahereza e!tu n'est pas seul il ya tjrs des amis pour te soutenir!:D:)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074