vendredi 13

1. mandrak ( 13/07/2007 21:18)
nareo vé mba mino ny vendredi 13?
rah @ko manokana de otrany tena mino any za satry, rah nakany @ ville za t@ atohandro dé tsy aona tsy aona eo dé nisy mandona avy ao arina rah ny janona teo @ ny feu rouge.
Ka asa rah za mitsy no tena misy poisse na lé vendredi 13 no tena mandahitra:?
novalian'i zoab ny 27/11/2007 16:24
2. ikaretsaka ( 13/07/2007 21:40)
ny fahitako an'io dia @ vazah ailay izy no ratsy fa amin'ny gasy izany andro zoma izany no tena hmmm
vendredi manifika ee, tsenan-joma e, akoho tsy manidina tsy mahandry ny andro zoma e!ny 13 indray ny fahazoako azy dia araka ny tantara amin'ny finoana ilay resaka hoe chevaliers bedebe no torturena fa hoe nanao heresy (zoma 13 oct, 1307)
3. cutie ( 13/07/2007 21:42)
mandrak:-D
za alou tsy mino ny vendredi 13, satria mbola tsy nahita zavatra hafahafa tojo ahy refa vendredi 13, androany zao nandeha nilamina daholo ny zavatra rehetra.
Fa ny an'i mandrak zany , le nisy nandona, na mety accident aza le izy fa tsy fanahiana, de le vendredi 13 no tonga de tonga ao an-tsain'i mandrak:lol:
4. fasaly ( 13/07/2007 21:50)
mandrak: tao antsainao loatra zany lay izy de ...:-P de nino loatra enao de....:-P nandaitra:-Pzao zao misy bôss ny fiara ....:-*
5. marozevo ( 13/07/2007 22:12)
Ny ahy ny zava-niseho androany nahafa-po ahy avokoa.
6. mandrak ( 13/07/2007 22:44)
ikaretsaka, cutie, fasaly >ka ny tena ninoko any le izy dé zao, hividy lôtô no nelako tao antrano (mba itsapatsapa vodinakou éé $ :lol:...) nefa aloa any zay de nijery any resaka vendredi 13 t@ télé oé ratsy io andro io sns, de tsy nandingana kory ny 1h de Dôôôffff:?
fa sou any lony le izy fa tsy gravy é
7. caprio ( 13/07/2007 23:52)
Mampalahelo nareo @ity finoanoam-poana ity,de @nareo ve ny vendredi13 de natao tsy hisy loza mintsy?fa raha vao misy de we zay ary fa marina ilay izy;tsy mbola nisy soa azo @ finoanoam-poana hatrami'izao fa fangejana daholo ny vokany,koa samia mandinika fa sao lasa andevozin'io finoanoam-poana io vao ho gaga
8. marozevo ( 14/07/2007 06:31)
Tsy mbola nisy nilaza kosa teo hoe minomino foana e... Sa za angaha no tsy namaky tsara ! Fa mba fanontaniana sy fiafampizarana fotsiny.
9. ikaretsaka ( 14/07/2007 16:02)
izay indrindra manko
10. mandrak ( 14/07/2007 18:24)
caprio:

Mampalahelo nareo @ity finoanoam-poana ity,de @nareo ve ny vendredi13 de natao tsy hisy loza mintsy?fa raha vao misy de we zay ary fa marina ilay izy;tsy mbola nisy soa azo @ finoanoam-poana hatrami'izao fa fangejana daholo ny vokany,koa samia mandinika fa sao lasa andevozin'io finoanoam-poana io vao ho gaga



ka mba aona ndray ary ny evitrareo @ le oé tsy azo andevenana ny andro ALAKAMISY finono-mpona zany reny sa reny le atao oe tsy ny tany no fady fa ny vava mbahoka :?::?:
11. marozevo ( 14/07/2007 21:05)
ka mba ahoana koa ary ny hevitrao mikasika ilay hoe "Tsy mandaka rindrina, fa mahafaty renibe" .
12. ikaretsaka ( 14/07/2007 22:32)
izay mantsy ho aho!
[size=8px]ary maninona ary izay tiako ambara rehetra dia efa voalazan'i marozevo mialoha foana[/size]
13. marozevo ( 14/07/2007 22:35)
Inona kay io soratra kely tsy hay vakiana io ?
14. ikaretsaka ( 14/07/2007 22:37)
izaho no miteny irery sy mingonongonona ka:oops:
15. marozevo ( 14/07/2007 23:13)
Aza mampihomehy moa nama ah !....
16. niryna ( 15/07/2007 06:16)
Finoanom-poana an'ny vazaha io.Nanao film nampatahotra koa ry zareo ary mazava ho azy fa resaka famonoana no voatantara tao.Izay mino dia mety handairany,izany hoe raha misy zavatra ratsy niseho tamin'ilay mino dia lazaina fa andro ratsy tokoa io 8O8O
Rehefa tsy mino tsy andairany,izaho nahafantatra an'io saingy tsy nino,fisaorana an'Atra sy vavaka ho an'ny namana marary izay nila vonjy sy fisaorana ny fahasoavana nomen'ny Tompo anay no nataonay mivady tato an-trano fa tsy mino an'izany izahay.
17. Samoana ( 15/07/2007 08:07)
mandrak:

... hividy lôtô no nelako tao antrano...ratsy io andro io sns, de tsy nandingana kory ny 1h de Dôôôffff:?...


(Mety efa nipaoka loto angamba mandraka hividianana fiara jôjôpil matoa tsy henoheno:-D)
Vendredi 13 za nilalao de nomerao 2 fotsiny no mba niditra. Samedi 14 indray mba nisy 3... Hotohizako r@ mercredi 18 fa mety ho 6 bons n° + complementaires raha izao finoako izao no mitohy:-D

18. cutie ( 15/07/2007 19:26)
fa in moa no tena nahatonga an'le vendredi 13 ho sampona e
in ny tantara ao ambadikan'io ze mahay :lol:
19. ikaretsaka ( 15/07/2007 20:03)
misy aloha ilay hoe 13 a table dia ilay olona 13 eme no namadika sy namoehatra (jereo ny tantaran'ny alakamisy masina) io sy
ny 13 oct 1307 io aloha ny ahy no hitako hoe antony e
20. cutie ( 15/07/2007 20:09)
in nitranga t@ zany 13oct 1307 zany :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0131