Mpitondra tsy mahay miteny frantsay sy anglisy

1. rabaradaka ( 12/07/2007 08:22)
Ela ny ela fa tamin'ity fitondrana ity no ahitana Ministra sy Président de la république tsy mahay miteny frantsay. sarontsika sara angamba ny teny frantsain-Ravalo fony izy voafidy, hoy izy hoe "j'ai un homm fort" nefa ny tiany nolazaina dia hoe "je suis un homme fort". Fa ity Minisitry ny fambolena koa vao mainka zero. Gravy be fa tena tsy izy mihitsy razoky amin'ny teny vazaha. Tetsy sy teroa no nahitano an'izany. Aleo rangahy soloina a !
Veloma any amin'ny Bozifotsy
novalian'i lehmm ny 21/08/2007 13:27
2. xxx ( 12/07/2007 08:41)
sao de enao kosa no tsy mahay, fa tsy izy tenany no tiany ho lazaina, fa manana olona matanjaka izy:-D
3. Jeankely ( 12/07/2007 08:46)
What is your problem? Language is just for communication but not for measuring the PERSONALITY, KNOWLEDGE, EXPERIENCE, SKILL... RAVALOMANANA IS OUR PRESIDENT AND THE PRESIDENT OF MADAGASCAR. Can you bring Madagascar to prosperity with your french speaking? The last high responsibles of the Malagasy Government, maybe could master french but where was the place of Madagascar?
4. sifaqa ( 12/07/2007 10:06)
Fa angaha tsy maintsy mahay teny vahiny vao atao filoha. i Sarkozy ohatra ve zao mahay teny Gasy na koa i Bush ve mahay teny frantsay ?????
5. xxx ( 12/07/2007 10:17)
Jeankely:

What is your problem? Language is just for communication but not for measuring the PERSONALITY, KNOWLEDGE, EXPERIENCE, SKILL... RAVALOMANANA IS OUR PRESIDENT AND THE PRESIDENT OF MADAGASCAR. Can you bring Madagascar to prosperity with your french speaking? The last high responsibles of the Malagasy Government, maybe could master french but where was the place of Madagascar?

Jeankely: oh que si, tsy hainao angaha ilay fiteny ny frantsay hoe " TOUT PASSE PAR LA VOIX":lol:, dia ny voix azo atao koa hoe fomba fiteny, firesaka:?::lol:

6. melody ( 12/07/2007 10:23)
i rabaradaka ange efa hatramin'izay mihintsy no tsy ti an'i R8... sy mahagaga fa saingy forum ity d milaza ny fantany izy:-P

Can you bring Madagascar to prosperity with your french speaking?

Jeankely =D

Fa angaha tsy maintsy mahay teny vahiny vao atao filoha

sifaga: tsy maintsy kosa e, manjary hambakainy olona fotsiny izy, ohatra hoe rabardaka:-D

xxx: aza miafina moa fa forum ity e, samy manome ny heviny eto daholo

7. sifaqa ( 12/07/2007 10:41)
melody : misy ny mpandika teny (interprete) afaka mandika zay teny tsy hay (sinoa , karana, frantsay, arabo, anglisy) fa tsy voatery hoe tsy maintsy ahay teny vahiny vao hilatsaka filoha Malagasy.
8. simplex ( 12/07/2007 10:42)
rabaradaka:
Ela ny ela fa tamin'ity fitondrana ity no ahitana Ministra sy Président de la république tsy mahay miteny frantsay.
Nahay niteny frantsay Ratsiraka fa in no vitany teo?

Anglisy enarana fa in mivelatra kokoa.:)
9. xxx ( 12/07/2007 11:08)
Melody: fitispika vaovao:?::evil:
10. vale ( 12/07/2007 11:11)
sifaqa:

Fa angaha tsy maintsy mahay teny vahiny vao atao filoha. i Sarkozy ohatra ve zao mahay teny Gasy na koa i Bush ve mahay teny frantsay ?????
Mihevitra aho fa atout kosa aloha ny fahaizana teny vahiny maro2, indrindra olona hitondra firenena izany, sitrany vola mipirina ny fangalàna interprètes!:lol:


11. melody ( 12/07/2007 11:23)
sifaga: ka enao kosa tsy hiantehitra amin'izany na di misy aza, hafa ihany ilay tonga d mi-kopy kosa e...afaka mi-pretendre izy hoe tsy mahay fa ilay langue ka:D
xxx: tsy fantatro indray izany fitsipikanao izany, fa aza menatra fa mivoà e... ny mpanao ratsy ange no miafina sy mi-déguisé e! Tsisy olona hanaikitra anao eo, adi-hevitra ity :-D
12. sifaqa ( 12/07/2007 11:31)
Tsara lay mahay teny vahiny. Tsy manaiky kosa aho raha hoe zay mahay miteny vahiny ihany no tokony ho fidina ho filoha.
Ny olona tena nianatra indrindra no tena mamitaka vahoka, mifanohitra am zavatra nianarany ho ataony rehefa eo am fitondrana izy. Ny interet-ny aloha zay vao ny hafa (vahoka).
13. xxx ( 12/07/2007 12:12)
melody:

sifaga: ka enao kosa tsy hiantehitra amin'izany na di misy aza, hafa ihany ilay tonga d mi-kopy kosa e...afaka mi-pretendre izy hoe tsy mahay fa ilay langue ka:D
xxx: tsy fantatro indray izany fitsipikanao izany, fa aza menatra fa mivoà e... ny mpanao ratsy ange no miafina sy mi-déguisé e! Tsisy olona hanaikitra anao eo, adi-hevitra ity :-D
Izany an ! menatra ahoana aza:?: hevitra no avoaka eto !:-D


14. hery ( 12/07/2007 12:18)


Io koa no tsy itovizako hevitra amin-dRavalomanana.

Tsy voatery hahay hiteny vahiny vao fidiana prezidà ka tsy maninona mihitsy izy raha tsy miteny vahiny raha tena tsy mahay. Afaka mianatra koa izy raha manam-potoana :-)

Fa azo atao tsara ny mampiasa mpandika teny. Sady mba manome asa azy ireo izany no manome lanja ny teny gasy.
15. xxx ( 12/07/2007 12:52)
Koa raha samy kamo hianatra daholo, iza no hokaramaina :?::-D
16. jigs ( 12/07/2007 14:13)
Rabaradaka moa no anaranao teo??? tena tsara anarana ianao saingy tsy mahay manoratra teny frantsay nefa mba manakiana olona 'homme' misy E ny farany, ny diso tsipelina dia midika ho fahadisoana lehibe indrindra @ teny rehetra; mba fantatrao moa fa ny olona nitontra ny firenena Japonnais nahatonga azy ho tafavoaka dia tsy nampiasa afa tsy ny teniny ihany??? fampandrosoana no ilaina fa tsy teny frantsay mipôpôka nefa vahoaka mahantra toa ny t@ andron'i Deba no hita.
17. vale ( 12/07/2007 14:38)
jiogs: Japon hianarana izany??? ireny anie firenena efa manankarena e! asa anefa .
18. sifaqa ( 12/07/2007 14:46)
mba manaraka forum frantsay ihany aho, ary betsaka ry zareo no manao fote de gramera na ortografy, fa tsy mifanaratsy ohatra an-tsika gasy, toy izany koa ny ato ampiasako, secretaire frantsay tsy mahay manoratra ny teniny, fa tsy ohatra an-tsika mifamely be noho ny tompony
19. melody ( 12/07/2007 16:04)
Tsara lay mahay teny vahiny. Tsy manaiky kosa aho raha hoe zay mahay miteny vahiny ihany no tokony ho fidina ho filoha.

sifaga: raha tsy nipetraka t@ ity tontolo hihainantsika ity isika dia ié, marina ny lazainao, fa kosa tsy hety ary tsy hisy izany mihintsy eto e.. lalam-piainana daholo izany!

Tsy voatery hahay hiteny vahiny vao fidiana prezidà ka tsy maninona mihitsy izy raha tsy miteny vahiny raha tena tsy mahay. Afaka mianatra koa izy raha manam-potoana


hery:
mitovy hevitra mihintsy ianareo sy sifaga. Nefa an, mbola nasianao tohiny ilay resaka hoe "afaka mianatra koa izy raha manam-potoana". Mbola mila miteny fiteny vahiny ihany izy izany no dikany, na mahay zao na mahay aoriana ao:D
20. xxx ( 12/07/2007 16:53)
Tehaka ho an'ny filoha. Ela ny ela ka nisy filoha tsy nivaky loha tamin'ny teny frantsay sy anglisy.

Raha tadidinareo ny kabariny tamin'ny 2002, ...raha io teny frantsay io, tsy omeko erinandro io dia voafehiko raha tiako ianarana...
Samy hafa ny mody tsy mahay sy ny tena tsy mahay. PDG iny alohan'ny naha-filoha azy. Ny taratasy soniavina amin'izany, inoako fa teny vahiny daholo.

Fisaritana ny vahoaka tsy ho menatra ny an'ny tena. Fahaleovantena. =D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0977