Mpitondra tsy mahay miteny frantsay sy anglisy

21. hertix ( 12/07/2007 19:21)
Mbà mahalalà menatra sy mandini-tena aloha vao miteny rabaradaka a! Ra-8 anie t@ fahakeliny ka nasain'ny dadany niandry omby aloha vao mahazo mandeha mianatra e! Tena ankizy mafy ady! Kanefa ianao io inoako tanteraka fa tsy niharan'izany. Ny fahalàlàny dia kely lavitra noho ny anao kanefa izy tafita lavitra noho ianao raha harena no jerena, na fahendrena koa aza angamba. Izay teny frantsay ve ka hitomaniana ho hay? Tsy aleo ve mba misokatra @ firenena hafa toy izay hianona @ lafrantsa fotsiny!
22. patrick2002 ( 12/07/2007 20:49)
hertix: ka izay no mampialona an'i rabaradaka kou :roll:, tokony ho izy izany no hatao filoha .
Ny mahagaga anie rehefa manao propagande tsy misy miteny frantsay ,fa teny gasy daholo no atao eh! :-D:-D
23. mandrak ( 12/07/2007 21:35)
jigs:

Rabaradaka moa no anaranao teo??? tena tsara anarana ianao saingy tsy mahay manoratra teny frantsay nefa mba manakiana olona 'homme' misy E ny farany, ny diso tsipelina dia midika ho fahadisoana lehibe indrindra @ teny rehetra; mba fantatrao moa fa ny olona nitontra ny firenena Japonnais nahatonga azy ho tafavoaka dia tsy nampiasa afa tsy ny teniny ihany??? fampandrosoana no ilaina fa tsy teny frantsay mipôpôka nefa vahoaka mahantra toa ny t@ andron'i Deba no hita.



misy hira zay manao oe "... mahika rah rano masina, mahika rah r*no masina, r*no T*y aza mitopatopa..." :-D
JAPONAIS un seul " N " fa tsy deux " NN " sa mety efa ny ova nga mba nenareo ko
aza mitsara mba tsy hotsarahina hoy ny teny ny soratra masina :-D:-D

.
24. bazylou ( 14/07/2007 00:01)
izanyno gasy ka innn indray sady io koa no nosafidin'dry zareo hitondra azy ka aza atao mahagaga e:: na ilay mot à motn'ilay 8 aza dia tsy azo lavina , fa......
25. boraingy ( 18/07/2007 14:00)
raha miresaka mpitondra dia tokony hihevitra isika fa tsy dia izy loatra akory no afaka hampandroso antsika tsirairay fa ny ezaka avy amintsika no ilaina. Ny anjaran-dry zareo eo dia ny manamora ny fahafahantsika tsirairay miaina eo amin'ny tanindranzantsika ka ahafahantsika mandroso. Ny fahaizana teny dia tsy dia ilaina loatra amiko fa ny fahafahana manohana ny hevitra tiana hampitaina n ozava-dehibe. Raha ny tokony ho izy aza anie dia tokony hiteny gasy mihitsy dia anjaran'ny mpandika teny no mampita izany amin'ny filoha hafa e! Saingy isika moa mbola voazanaka ka manjary teren'ny olona hiteny ny teniny. Na izany aza dia hita fa manana fivoarana lehibe ny filoha na dia notezaina tamin'ny andron'ny fanagasina aza.
26. sitlo ( 18/07/2007 14:49)
Tiako izany hevitra izany.

Hafa tsy ilay farany.

Amiko fanagasiana izany dia tsy fihemorana tanteraka. Tsy maintsy misy ny fikorotanana rehefa misy zavatra ovana. "Periode de transition" hoy ny vazaha. Mitranga ao daholo ny lafy ratsy sy ny lafy tsaran'ny zavatra rehetra.
Fa ny fahitantsika ny fandroson'ny vahiny tamin'ny teny vahiny. Ny fahitantsika ny lafy ratsin'ny fanagasiana, ary ny fitsototonganan'ny paradisa sosialista. Dia nomena ny fanagasiana daholo ny tsiny. Ary na ny lafy tsarany aza dia tsy noraharahiana intsony.
Dia niditra fihovana vaovao indray, dia mandalo "periode de transition".

Tsy mbola milamina mihitsy isika. Na ny lalàm-panorenana aza mbola miova foana isaky ny mpitondra. Marina hoe samia mampandroso ny tenany, fa ianao ange mankany an-tsekoly eh. Ny zavatra ampianarina anao any, ny ministera no mitantana azy. Ka misy tsy mitombona kely ilay hoe "tsy dia izy loatra akory no afaka hampandroso antsika tsirairay". Ilaina izy ireo mahay, mba ahafahantsika mivoatra.
27. lehmm ( 21/08/2007 13:27)
ka tsy zay mahay teny vahiny ihany no afaka mitondra^:^^:^^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7323