voavonjy...

1. diamondra27 ( 09/07/2007 16:03)
http://www.midi-madagasikara.mg/

dia ahoana ny toy izao?
resaka don tena izy ve zany io sa tsia?
Ahoana koa zany manao fati-drà zany?
de maninona tsy mahazo mihinan-kisoa?

Misy mahalala ve?
2. diamondra27 ( 09/07/2007 16:07)
http://www.midi-madagasikara.mg/

lereo le resaka ao @ rubrique malagasy raha tsy mivoaka, daty androany.
3. ikaretsaka ( 09/07/2007 18:00)
io ilay resaka don nolazaiko tatsy @ resaka tatsy ambadika tatsy. ary ny don (raha tena don ka mahasoa ) dia mifampita..

betsaka ny fomba fanaovana fati dra (ilay fombafomba) fa ny antony sy ny vokany no lazaiko:
raha hoe fati-dra anao ilay olona dia raisinao mihoatran'ny iray tam-po aminao izy.. izy koa manao anao ho toy izany! ohatra hoe mifanampy foana nareo ara-kafaliana sy ara karatsiana! raha tany izy ka maty ohatra dia ianao no mitsinjo ny vady aman-janany, dia izy kao manao toy izany raha sanatria ka!

ny tsy mahazo mihinana kisoa dia betsaka ny tsy manao an'io any @ iny faritra iny!

izay no ilazana foana hoe mivelara dia fantaro aloha ny koltora alohan'ny hitsarana be fahatany...
io izao porofo iray manambara fa misy karazana fomba kristianina betsaka tandrovin'ny Malagasy sy afangarony nefa tsy maninona fa mahasoa ny mpiara monina

Mifampitondra ohatran'ny tena (vokatr'ilay fati-dra)
Mitsabo tsisy sandany!
Mizara izay ananana!
Manasoa ny fiaraha monina amin'izay talenta kely ananany
tsy matim-bola

"ny Razantsika hendry sy lalim-pandinihana" hoy ny hira ao @ Ankalazao!
4. xxx ( 09/07/2007 18:03)
http://www.midi-madagasikara.mg/textes/ma070709.htm

:lol:
5. xxx ( 09/07/2007 20:14)
Ny voaary rehetra dia manambara sy midera ny anaranao ry Ray. Ampio izahay hahay hijery ny endrikao eo @ manodidina anay sy @ ireo namanay, eny na dia ireo tsy iray finoana na tsy mitovy hevitra aminay aza.
Amen
6. marozevo ( 09/07/2007 22:01)
DadaLako na Mr R. Jean de la Croix no anarany, mitahia izy fa efa lasan-ko Razana. Tao Antanetikely (Betafo) no nipetraka izy. Izay olona rehetra may tamin'iny faritra Betafo iny dia nanatona azy avokoa.
1989 no niseho ity tantara ity, ary mbola velona any ireto olona telolahy lazaina ireto :
Nirehitra tampoka ny Land Rovern'ny cousin-ko raha iny handeha ho any Fidirana iny. Nisy jerrican niaty 60litres feno essence tao anatiny. Olona efatra izy no tao anatiny, ka ilay iray tao aoriana ihany no tsy nisy nanombinana fa ny telo sisa dia may, tena may hatrany amin'ny nifiny... fa tsy maty na dia efa notatazam-bava aza...tena marina izany... Nentinay tany amin'i DadaLako, ary iny hariva iny ihany dia efa hita ho netinety, afaka herinandro maina ny fery rehetra, afaka roa volana niala ny soritry ny may rehetra.

Ny an'i DadaLako dia fanjaitra sy savony gasy no fitaovana entiny mitsabo may, ary tsy miova mihitsy. Ny fomba nampiasany azy tsy hitako fa mankao amin'ny efitra hafa izy rehefa mitsabo.

Fehiny : Don tokoa.... avy aiza... Tsy dia fantatro, fa ny fantatro dia mahasoa ilay don. Tsy misy maharatsy azy. Ny fahasoavana no betsaka.
7. diamondra27 ( 10/07/2007 06:56)
mbola ho avy maika be
en attendant misaotra anareo mamaly

8. diamondra27 ( 12/07/2007 08:03)
xxx: misaotra e!
ika: hay ve zany ny dikan'ny fatidrà , heveriko fa tena zavatra hafa mihintsy koa
misaotra t@ fanazavana nomenao

raha araka ny voalazanao io ry ika ny antony sy ny vokany dia ekeko fa raha vap misy zava-doza aloha ny tambiny dia tsy miditra @izany mihintsy aho. Toy ireny ataon'ny mpitsabo mila tambiny ireny, angalàna volabe ianao.

Ilay fanjaitra angamba toa karaazana système ahitana we aiza no ipohiran'ny le fanaintainana , zany hoe: ahitana ny fakan'ilay may , ny aimbeny , de rehefa sitrana ny @ fakany de moramora ny maîtriser ny sisa.
L e hoe: may zany de hita aty ivelany fa le mpanao ody may mahalala tsara en detail @ alalan'ilay fanjaitra hoe: ato no misy azy. Mety choc choc be de tsy avela jeren'olona fa ny résultat ihany no hita
De le savony gasy indray iny moa naman'ny désinfection sy éosine sy ny karazany

ireny may 3ème degré ireny de aty @ hoptaly percy clamart no itsaboana azy, misy atao grefy sy reéducation vao miverina @ laoniny.
9. marozevo ( 13/07/2007 17:12)
Diamondra > Misaotra amin'ny fanazavana ny rôlen'ilay fanjaitra sy savony gasy.
10. ikaretsaka ( 13/07/2007 19:40)
misaotra an'i diam t@ fanazavana ilay fanjaitra sy savony..
fa mba fanontaniana kely fotsiny..
raha brulure 3 eme degre izany ve raha hopitaly dia sitrana herinandro sy tsy ahitana faritra may ao anatin'ny 2 volana
11. marozevo ( 13/07/2007 22:17)
tsia....
12. ikaretsaka ( 14/07/2007 16:06)
izay manko!za aloha tsy dokotera fa ny azoko tsoahina dia anisan'ny porofo maha don azy izany
13. marozevo ( 14/07/2007 16:28)
Don mitondra fahasoavana.... ho an'ny hafa.

Narary aho notsaboinareo....
Midira amin'ny fahasoavan'ny Tomponao.
14. diamondra27 ( 15/07/2007 08:09)
ika::D
info fotsiny io we: hoptaly mitsabo aty paris io ;
olona may any @ tanàna ve de haninona aty frantsa?
Raha misy mahatsabo any de aleo tsaboina any.

rehefa manana don de tokony ampiasaina hanasoavana ny mpiara-belona foana ilay izy.

samia mandinika ny don hananany daholo fa tsy maintsy manana don1 fara-faharatsiny isika tsirairay avy.
15. ikaretsaka ( 16/07/2007 14:25)
marina ny an'i diam!
[size=8px]za zao manana don hanitsy izay toro vohana na zavatra tsy mazava ato, na ny fahazavana bebe kokoa momban'ny katolika [/size]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4768