ventson'ny selibatera

1. melody ( 08/07/2007 16:51)
mba nijery tao @ tononkira ihany aho fa tsy nahita ka mba mitady io tononkira io izay manana o, misaotra betsaka :-*
novalian'i Belami ny 21/04/2008 18:28
2. cutie ( 08/07/2007 19:19)
mba tsy haiko njay akia io hira io
hiran'iza io :roll:
3. melody ( 08/07/2007 20:04)
manana ilay hira zah nalefan'ilay namako izay fa tsy fantatro iza no mihira azy fa tena tsara be an, lehilahy no mihira azy io, mety tsy ho tiandry aloha satria efa taloha izay ihany izy io:D
4. cutie ( 08/07/2007 20:06)
alefaso aty amiko we henoiko :D
5. melody ( 08/07/2007 20:14)
ao fa halefako any @ mail-ndry ary e
6. cutie ( 08/07/2007 21:10)
ok merci :-*:-*:-*
7. cutie ( 08/07/2007 21:49)
melody
tena tsara be le hira koa :D:D:D:D
fa tena mbola tsy henoko raha tsy voa zao
merci :-*:-*:-*:-*:-*

Njakatiana akia le mpihira a :-D
tsy kobon-jy ve ?:lol:
8. cutie ( 08/07/2007 22:57)
ao akia fa adikako ho an'jy le izy a:D:D:D:D

Efa hariva ny andro t@ zay
Vitsivitsy no nandeha
Tovolahy araiky zay
Nandalo tanananay
Valizy hely lanjainy
Ainga hainkaiza izy zegny
Manano dia maika
Arahina hazakazaka
Nantsovako mba
Hanontaniako
Namaly izy miragna
Tsy afaka hijanona satria
Mbola ho lavitra ny dia
Ka niala tsiny hoe :
Azafady zalahy fa tsy afaka
Ny hiandry e
Ny ali-mikitroka teteziko
Zaho maika
Tsy anaro no tsy nampandroso
Zaho te ho tonga
Fa efa mandigny anah
Any zay malalako
Miala tsiny zalahy fa
Mbola ho lavitra ny handehanana
Tsofy rano mbo tsy azo tsampona eny an-dalana
Tsy fombako ny mandainga fotoana
Fa efa mandingny anah
Any zay malalako

Nitohizany ny lalany
Nidify izy de tsy hita
Zaho kosa lasa saina
Nieritreritra e
Zegny tokotrany ny fitiavana
Tsy maha lavi-tany
Zay efa ao de tena tia
Tsy mahatana tena

Oviana vo mbo hisy
Kara zegny aminah
Zaho efa zatra tokana

Zaho zegny lany fanahy
Oviana vo mbo ho avy
Ny anjarako mby ho avy

Izaho tokana
Mila namana
O mba oviana

Hatramizay zalahy
Ny foko mbola mandry
Fa nanambady aby ry zoky sy ry zandry e
Zaho raiky tavela mipetraka
Amoron-dalana
Mandigny am-panontany
Ahona ny fitiavana
Oviana


De mazotoa mihira :lol::lol::lol::lol::-*:-*:-*



9. cutie ( 09/07/2007 02:03)
hihihihi
misy diso kely :oops:
Zaho zegny lany fanahy
Oviana vo mbo ho avy
Ny anjarako mby ho avy


Zaho zegny lany fanahy
Oviana vo mbo ho avy
Ny anjarako ambi-avy
10. melody ( 09/07/2007 20:20)
misaotra ihany koa fa tena hihira mafy mihintsy aho rehefa avy eo fa tena tiako be mihintsy io hira io:-*
11. cutie ( 09/07/2007 23:49)
efa nohenoiko impolo am-njato aza izy tato:-D:-D:-D:-D
tsy misy fisaorana :-*:-*:-*:-*
12. melody ( 11/07/2007 09:08)
cutie, ahona indray ity
http://www.dailymotion.com/mychannel/radavimelo/video/x2ieya_anyah-ianao
13. cutie ( 11/07/2007 22:09)
milay :D:P
14. zouas ( 13/07/2007 19:08)
iza no manan ny tonikiran 'i zay efa taloha be reny e! na ny album mihitsy e!!(vol 1,2,3,4 sns e)
ok!!:oops::lol:(l):-*:{
15. cutie ( 13/07/2007 20:15)
omeo titre we:lol:
16. bida ( 01/04/2008 21:51)
tsy azoko antasina mihitsy hoe tainy Melodie io hira io. Eo ampihirana azy mihitsy aho zao
:-*
17. melody ( 15/04/2008 11:24)
tena tiako tokoa io hira io surtout hampiarahina @ gitara... aoka fotsiny :-*
18. Belami ( 16/04/2008 19:04)
melody : Ya drako รด!
zaho zegny lagny fanahye!
19. melody ( 16/04/2008 21:10)
Belami: enao nga mahay mitendry gitara, izaho tena tia gitara be miintsy 8)
20. Belami ( 17/04/2008 15:43)
haiko daholo rehefa gitara, isany tena tiko io :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0563