Andron'ny fianteherana @ fanjakana ve izao?
1. Jeankely
(
08/07/2007 07:44)
Dia tena jendana ny tena raha olona nandrato fianarana andafy na mipetraka andafy no manabosesika antsain'ny olona ny hiandry sy hanantena ny Fanjakana. Asa inona loatra no mijery amindreo na andafy ahoana loatra no hitoerany. Ny sehatra tsy miankina dia manana ny anjara asany lehibe ary nampandroso ny firenena hafa. Manana ny andraikiny tokoa ny fanjakana fa tsy izany no aboletra foana @ sain'ny olona fa tokony hiandry fanjakana. Miezaka daholo ny sehatra rehetra fa tsy misy izany. Ary na mpanohatra aza dia tokony sarotiny sy hitady hevitra ny hampandrosoana ny firenena. Dia farany mahagaga fa rehefa manohitra hono dia midika fa manakorontana na manimba ny tetikasan'ny fanjakana. Aiza ny fitiavana ny tandrazana amin'izany.
novalian'i kanota ny 14/07/2007 02:54
2. ranitse
(
08/07/2007 07:57)
Raha ny tena izy dia efa voalazan'ny namana fa samy mandray andraikitra ny tsirairay. Misy ny tena resy tsy mahavita intsony. Ireny resaka hafa. Fa ny afaka mbola miezaka dia samy mivonona mampiroborobo ny zavatra ataony. Ny fanjakana dia hiadivana mafy ny mahazo ny fitondrana azy amin'ny tany mahantra. Ny mampalahelo anefa dia tsy mahavita na inona na inona ny sasany ary mitarika mihemotra. Ny fianarana natao ahaizana sy hikarohana dia farany loza fa Universite no avo indrindra nefa taritiny andeha amin'ny fanimbana ny tenany ihany. Dia misy fiantrany mafy @ mpampianatra ve raha may ny Universite fa tsy ny mpianatra ihany no hijinja ny vokany eo na ho ela na ho aingana. Ny fanjakana raha tena tsy mamokatra tokoa nefa mietsiketsika ny rehetra dia tsy ho tavela eo mihintsy. Saingy ny fanjakana milaza miezaka sy manao ny sasany mitarika ny olona tsy hanao na hampivareraka aiza no handroso? Mifampitantana ary samy mitady hevitra hampandroso ary samy sarotiny amin'ny vita lasa io. Ny famotehana ny vita kosa tsy fitiavatanidrazana mihintsy.
3. kanota
(
09/07/2007 00:45)
Izay no fahaizana azondry manampahaizana. Mirefarefa hoy ilay vetsoko TIM niala ny resaka nefa izy no tena miverindalana. Ny tany rehetra eran'izao tontolo izao manome lanja ny sehatra tsy miankina ary milaza fa ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no tena zahavina. Ny azy indray ny anesika anaty sain'ny olona hiantehitra sy hiandry ny fanjakana no resahiny. Ny fanjakana no voalohany e, pouvoir executif e, president-n'i Portugal e. Tsy manaraka toetr'andro ny lesony nefa milaza ny sasany ho manao resaka ambany. Fa inona sa tanjanto oviana no hianan'ity vetsoko miseho mahay ity. Sa efa miaraka amin'i SESIKIDORO bazylou ka miteniteny foana. Manaratsy Malagasy amin'ny fahantrana sy ny PMA. Ny herin-tsain'ny tsirairay dia ilain'ny firenena ary raha tsy mahavoa ny fanjakana hita miavaka foana raha tena miasa sy miady mafy ny tsirairay.
4. nathie86
(
09/07/2007 06:44)
io oa ny tenanao iany no filohanao, zany oe miankina @nao no maha-tafita anao fa mila iany ny fanjakana andray andraikitra ka, oh ny fanamorana ny fangalana credit @reny micro credit marob ireny sy ny banque iany ko eh.
Enao ftsny no miezaka misaisir ny opportunité fa tsy miandry ho tolorana ftsny eo.
Enao ftsny no miezaka misaisir ny opportunité fa tsy miandry ho tolorana ftsny eo.
5. Jeankely
(
09/07/2007 08:01)
Allo nathie86 fa tena hi-saisir ny oppurtunité izahay an. Tandremo sao tapenana ny lalanay an. Tena marina ny anao e. Mila mihetsiketsika daholo ny ankolafiny rehetra. Ny tena nahavoa anie dia nosimban'ny resaka mpanao politika ny sainan'ny olona ka ny zavadratsy no lasa hifaninanan'ny sasany. Mangalatra hono ny hafa dia aleo koa angalatra bebe nohon'ny vitan'iny. ilaina taritina sy omena tanjaka aratsaina ny olona. Na ny hira aza dia hita fa misy tena mitarika ny hiasa na hianatra tokoa. Mazava fa manome koa ny mpihira sasany. Ny sasany dia lany andro ny manenjika fanjakana sy hitarika ny olona hiraviravy tanana.
6. xxx
(
09/07/2007 12:42)
:?::?:Tena efa tsy andron'ny fianteherana @ fanjakana intsony izao:?::?:.
:idea:Satria ny fanjakana efa tsy miraharaha ny vahoaka intsony fa ny groupe tiko izao no mbola blémany hatrizao.:idea:
:oops: Dé oainina eo izay miantehitra aminy eo, kôzy é. Inona intsony no hiraharahiany ny vahoaka fa angaha izy hilatsaka ho fidiana intsony.:oops:
Raha ny vokatra farany teo aloha dia tena nilaza ny tao ampon'ny olona é! ( ny tsy tonga nifidy io an ! )
:evil::evil::evil::evil:Raha hiandry ny mpanohitra sy ny arema koa dia vao mainka loza ! :evil::evil::evil::evil:
Ka marina mihitsy hoe aleo tsy miantehitra @ ity fanjakana ity intsony fa toa mitovy @ arema ihany ity izy k'noh!:-D:-D:-D=))=))=))
Veloma daholo ry gasy mahonena rehetra !:-*:-*
:idea:Satria ny fanjakana efa tsy miraharaha ny vahoaka intsony fa ny groupe tiko izao no mbola blémany hatrizao.:idea:
:oops: Dé oainina eo izay miantehitra aminy eo, kôzy é. Inona intsony no hiraharahiany ny vahoaka fa angaha izy hilatsaka ho fidiana intsony.:oops:
Raha ny vokatra farany teo aloha dia tena nilaza ny tao ampon'ny olona é! ( ny tsy tonga nifidy io an ! )
:evil::evil::evil::evil:Raha hiandry ny mpanohitra sy ny arema koa dia vao mainka loza ! :evil::evil::evil::evil:
Ka marina mihitsy hoe aleo tsy miantehitra @ ity fanjakana ity intsony fa toa mitovy @ arema ihany ity izy k'noh!:-D:-D:-D=))=))=))
Veloma daholo ry gasy mahonena rehetra !:-*:-*
7. xxx
(
09/07/2007 12:46)
Ô ry jean kely à ! Aiza ny source mpanome sôsy anareo mba lazao anay fa izahay koa vonona hanohana an'i ra8 raha misy sôsy.:wink:
8. Jeankely
(
09/07/2007 13:17)
Resaka maloto kosa ny anao xxx. Raha mahita ahy ianao dia fantatrao fa olona vizana aho ary tsy mpanana ary tsy mitetika ny hangalatra kosa anefa. Na ratsy aza ny toetsaina dia tianay ny taninay e.
